Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Tranon’ny filaminana araka ny filaharany
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2021


Tranon’ny filaminana araka ny filaharany

Ny “filaminana araka ny filaharany” dia fomba tsotra sy voajanahary ary mahomby entin’ny Tompo hampianarana fitsipika manan-danja ho antsika, amin’ny maha zanany antsika.

Efa an’arivony aho no nanao izao teo amin’ny asako sy ny asa fanompoako teo amin’ny Fiangonana—saingy tsy mbola nanao izany aho ka tafiaraka mipetraka ao aoriako ireo lehilahy 15 ireo. Tsapako ny vavaka ataonareo sy ataon’izy ireo.

Ry rahalahy sy anabavy, any amin’ny fanjakan’i Tonga ao amin’i Pasifika Atsimo no fiaviako saingy lehibe tany Amerika Avaratra aho. Nanakana misiônera an-jatony maro, mety ho an’arivony mihitsy aza, izay nanompo manerana izao tontolo izao tsy hody any amin’ny tany mamin’izy ireo ny valanaretina noho ny fikatonan’ny sisin-taniny. Misy misiônera Tongana sasany efa tany amin’ny misiônany nandritra ny telo taona ary rahavavy misiônera sasany mihoatra ny roa taona! Miandry am-paharetana omban’ny finoana izay ahafantarana ny vahoakantsika izy ireo. Mandritra izany dia aza taitra ianareo raha mahita ny sasany amin’izy ireo manompo any amin’ny paroasy na tsatòka misy anareo any ka mihamitovy amiko hatrany, antitra sy fotsy volo. Feno fankasitrahana isika noho ireo misiônera manerana izao tontolo izao noho ny fanompona feno fanoloran-tena izay ataon’izy ireo, na dia nandritra ny fotoana lava na fohy kokoa noho ny noeritreretin’izy ireo izany.

Indray alahady fony aho diakona dia tao an-dalantsara aho nitondra ny lovian-drano nizara ny fanasan’ny Tompo rehefa nisy vehivavy iray niditra ilay trano. Tamim-pankatoavana aho no nanatona azy ary nanolotra azy ilay lovia. Nanaiky tamim-pitsikiana izy ary naka kaopin-drano iray. Tonga tara loatra izy ka tsy nahazo mofo. Fotoana fohy taorian’io dia nampianatra ahy i Ned Brimley mpampianatra isan-tokantrano ahy fa lafiny maro sy fitahiana maro amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy no omena antsika araka ny filaharany.

Tamin’ny faramparan’io herinandro io dia tonga tao an-tranonay i Ned sy ny namany nitondra lesona tsy hay hadinoina. Nampahatsiahy anay i Ned fa nisy lamina ny fomba namoronan’ Andriamanitra ny tany. Nohazavain’ny Tompo tsara tamin’i Mosesy ny lamina namoronany ny tany. Voalohany, nanomboka tamin’ny fanasarahana ny hazavana sy ny haizina Izy, avy eo dia ny rano sy ny tany. Nampiany zava-maniry manana aina sy biby izany mialoha ny nampidirany tao amin’ilay planeta vao noforonina ny zavatra tsara indrindra nohariany: dia ny olombelona, manomboka amin’i Adama sy i Eva.

“Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik’ Andriamanitra no namoronany azy; lahy sy vavy no namoronany azy. …

“Ary hitan’ Andriamanitra izay rehetra nataony, ary indro, tsara indrindra izany” (Genesisy 1:27, 31).

Nahafaly ny Tompo izany. Ary nitsahatra Izy tamin’ny andro fahafito.

Ny filaminana araka ny filaharany izay namoronana ny tany dia tsy maneho antsika fotsiny izay zava-dehibe amin’ Andriamanitra fa maneho ihany koa ny antony namoronany ny tany sy hoe ho an’iza no namoronany izany?

Sary
I Ned Brimley sy ny fianakaviany

Tamin’ny alalan’ny filazana tsotra i Ned Brimley no nanamafy ny lesona nentanim-panahy hoe: “Vai, ny tranon’ Andriamanitra dia tranon’ny filaminana. Ny hiaina ny fiainanao ao anatin’ny filaminana no andrasany aminao. Manaraka filaharany tsara. Tiany handeha hitory ny filazantsara aloha ianao vao manambady.” Mampianatra ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana momba izany fa “ny Tompo dia manantena ny zatovo tsirairay izay afaka manao izany mba hiomana hanompo. … Ny zatovovavy … izay maniry ny hanompo dia tokony hiomana” (Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 24.0, ChurchofJesusChrist.org) Notohizan-dRahalahy Brimley hoe: “Tian’ Andriamanitra hanambady aloha ianao vao manan-janaka. Ary tiany hampivoatra tsy tapaka hatrany ny talentanao ianao amin’ny alalan’ny fianarana.” Rehefa misafidy ny hiaina ny fiainanao tsy araka ny filaharany ianao ho hitanao fa sarotra sy mikorontana ny fiainana.

Nampianatra anay ihany koa Rahalahy Brimley fa amin’ny alalan’ny Sorompanavotana nataony dia manampy antsika ny Mpamonjy hamerina amin’ny laoniny ny filaminana eo amin’ny fiainantsika izay mikorontana na tsy milahatra noho ny safidy ratsy nataontsika na nataon’ny hafa.

Nanomboka tamin’izay fotoana izay dia nahasarika ahy ny “filaminana araka ny filaharany.” Lasa nanana fahazarana mitady lamina mirindra aho eo amin’ny fiainana sy ny filazantsara.

Hoy ny Loholona David A. Bednar nampianatra io fitsipika io hoe: “Rehefa mandalina, sy mianatra ary miaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy isika dia hita fa matetika no mampianatra zavatra ny filaharan’ ireo zava-miseho. Eritrereto, ohatra, ireo lesona ianarantsika mahakasika ny laharam-pahamehana ara-panahy avy tamin’ny filaharan’ireo zava-niseho lehibe izay nitranga nandritra ny famerenana tamin’ny laoniny ny fahafenoan’ny filazantsaran’ny Mpamonjy tamin’ izao andro farany izao.”

Notanisain’ny Loholona Bednar ny Fahitana Voalohany sy ny fisehoan’i Môrônia voalohany tamin’i Joseph Smith ho fampianarana an’ilay tovolahy mpaminany aloha ny toetoetra sy ny momba an’ Andriamanitra, narahan’ny anjara asan’ny Bokin’i Môrmôna sy ny an’i Elia ao amin’ny fanangonana an’Isiraely eo amin’ny lafiny roa amin’ny voaly amin’izao fotoampitantanana farany izao.

Nofaranan’ny Loholona Bednar hoe: “Mampianatra zavatra ara-panahy izay tena laharam-pahamehana ho an’ Andriamanitra izany filaharan-java-niseho manentana ny fanahy izany” (“Hitodika ny fon’ny zanaka,” Liahona, nôv. 2011, 24).

Ny zavatra iray voamariko dia hoe ny “filaminana araka ny filaharany” dia fomba tsotra sy voajanahary ary mahomby entin’ny Tompo hampianarana fitsipika manan-danja ho antsika, amin’ny maha zanany antsika.

Tonga teto an-tany isika mba hianatra sy hahazo traikefa izay tsy ho azontsika amin’ny fomba hafa. Samy manana ny fitomboany isika tsirairay avy ary singa iray manan-danja ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra izany. Ny fitomboantsika ara-batana sy ara-panahy dia manomboka tsikelikely ary mivoatra miadana rehefa mahazo traikefa manaraka ny filaharany isika.

Manome fampianarana mahery vaika momba ny finoana i Almà, nampiasa ny fanoharana momba ny voa, izay rehefa karakaraina sy kolokoloina tsara dia mitsimoka avy amin’ny zana-kazo kely ka lasa hazo lehibe sy matotra izay mamokatra voankazo matsiro (jereo ny Almà 32:28–43). Ny lesona amin’izany dia hoe hitombo ny finoanao rehefa omenao toerana sy kolokoloinao ao am-ponao ilay voa (na ny tenin’ Andriamanitra). Hitombo ny finoanareo rehefa manomboka “[m]androbona ao an-tratranareo” (andininy 28) ny tenin’ Andriamanitra. Ny hoe “mandrobona ny voa sy mitsimoka ary manomboka mitombo,” (andininy 30) dia sady hita maso no mampianatra ihany koa. Manaraka filaharana ihany koa izany.

Mampianatra antsika tsirairay arakaraka ny fahaizantsika mianatra sy ny fomba fianarantsika ny Tompo. Ny fitomboantsika dia miankina amin’ny fahavononantsika, ny fahalianana voajanahary ao amintsika, ny haavon’ny finoantsika, ary ny fahatakarantsika.

I Nefia dia nampianarina ny zavatra nianaran’i Joseph Smith tao Kirtland, Ohio, 2.300 taona mahery taty aoriana hoe: “Nefa indro, izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra: Hanome ny zanak’olombelona andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra Aho, ary fitsipika anampy fitsipika, etsy kely ary eroa kely; ary sambatra ireo izay mihaino ny fitsipiko, sy mampandry sofina amin’ny torohevitro, fa hianatra fahendrena izy” (2 Nefia 28:30).

Ny hoe mianatra “andalana anampy andalana, fitsipika anampy fitsipika, kely etsy kely eroa” dia manaraka filaharana.

Diniho ireto fehezan-teny henontsika matetika amin’ny fiainantsika ireto: “ny voalohany aloha” na “Omeo ronono aloha vao ventin-kanina.” Ary ahoana ilay hoe “Mila mandeha aloha isika vao mihazakazaka”? Ireo fomba fiteny tsirairay ireo dia milaza zavatra manaraka filaharana.

Manaraka filaharana ny fahagagana. Mitranga ny fahagagana rehefa mampihatra finoana aloha isika. Ny finoana no mialoha ny fahagagana.

Ireo zatovolahy dia tendrena amin’ny anjara fanompoan’ny Fisoronana Aharôna manaraka filaharana ihany koa, arakaraka ny taonan’ilay olona izay tendrena: diakona, mpampianatra, avy eo mpisorona.

Ireo ôrdônansin’ny famonjena sy ny fisandratana dia milahatra. Atao batisa aloha isika mialoha ny handraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina. Milahatra torak’izany koa ireo ôrdônasin’ny tempoly. Mazava ho azy fa araka ny nampianarin’ilay namako Ned Brimely tamim-pahendrena tamiko dia manaraka filaharana ny fanasan’ny Tompo, manomboka amin’ny mofo izany ary arahan’ny rano.

“Ary raha mbola nihinana izy, dia nandray mofo i Jesosy, ka nony efa nisaotra Izy, dia novakiny ka natolony ny mpianatra ary hoy Izy: Raiso, hano, ity no tenako.

“Ary nandray kapoaka Izy, ka nony efa nisaotra, dia natolony azy ka nataony hoe: Sotroinareo rehetra ity;

fa ity no rako, dia ny amin’ny fanekena, izay alatsaka ho an’ny maro ho famelan-keloka” (Matio 26:26–28).

Tany Jerosalema sy tany Amerika dia nametraka ny fanasan’ny Tompo tamin’ny lamina mitovy tanteraka ny Mpamonjy.

“Indro, ny tranoko dia tranon’ny filaminana, hoy ny Tompo Andriamanitra, fa tsy tranon’ny fifanjevoana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:8).

Manaraka filaharana ny fibehana. Manomboka amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy izany, na dia sombiny fotsiny aza. Mitaky fanetrentena ny finoana, izay singa manan-danja amin’ny fananana “fo torotoro sy fanahy manenina.” (2 Nefia 2:7).

Eny tokoa, ny fitsipika efatra voalohany amin’ny filazantsara dia manaraka filaharany. “Mino isika fa ireo fitsipika sy ôrdônansy fototra amin’ny filazantsara dia: voalohany, ny Finoana an’i Jesoa Kristy Tompo; faharoa, ny Fibebahana; fahatelo, ny Batisa asitrika ho famelana ny fahotana; fahefatra, ny Fametrahan-tanana ho fanomezana ny Fanahy Masina” (Fanekem-pinoana 1:4).

Mampianatra io fahamarinana manan-danja io i Benjamina Mpanjaka hoe: “Ary ezaho izay hanaovanareo ireo zavatra rehetra ireo amin’ny fahendrena sy ny filaminana; fa tsy takiana ny hihazakazahan’ny olona iray haingana kokoa noho izay tratry ny heriny. Ary koa ilaina izy mba hazoto, fa amin’izany no mety hahazoany ny loka; noho izany, ny zava-drehetra dia tsy maintsy atao amim-pilaminana” (Môzià 4:27).

Enga anie isika hiaina ny fiainantsika ao anatin’ny filaminana ary hikatsaka ny hanaraka ny filaharana izay natoron’ny Tompo ho antsika. Ho voatahy isika rehefa mikatsaka sy manaraka ireo lamina sy ny filaharana izay ampianaran’ny Tompo ny zavatra manan-danja indrindra Aminy. Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.

Hamoaka printy