Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra
Manomàna tena ara-panahy.


“Manomàna tena ara-panahy,” Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra: Mampianara amin’ny alalan’ny Fanahy (2023)

“Manomàna tena ara-panahy,” Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra: Mampianara amin’ny alalan’ny Fanahy

Fitsipiky ny fampianarana tahaka ny an’i Kristy: Mampianatra amin’ny alalan’ny Fanahy

Manomàna tena ara-panahy.

Fahaiza-manao

Ampiasao ilay tahirin-kevitra “Mivoatra amin’ny maha-mpampianatra tahaka an’i Kristy: Fanombantombanana ny tena manokana” mba hanasana ny Fanahy Masina hanampy anao hanatsara ny fiomananao hampianatra.

Sary nohakelezina maneho ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Mamaritra

Rehefa mahavita manomana ny lesona tsirairay ianao dia jereo ny “Mivoatra amin’ny maha-mpampianatra tahaka an’i Kristy: Fanombantombanana ny tena manokana” ao amin’ny tapany 3 amin’ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy. Eritereto hoe mamaritra tsara ny traikefa amin’ny fianarana izay nomaninao ve ireo teny ambara ao amin’ilay fanombantombanana sa tsia. Avy eo dia fidio ombam-bavaka, araka izay hitarihan’ny Fanahy, ny zavatra rehetra izay mila hatsaraina ao amin’ilay drafitry ny lesona dia ovao izay mila fanovana.

Nizara ity fampanantenana manaraka ity ny Loholona Dieter F. Uchtdorf mikasika ny fampiasana ilay fanombantombanana: “Izany dia hitondra amin’ny fandinihana ataon’ny tena manokana sy hampiseho izay zavatra tsy hitantsika ary hitondra fitaomam-panahy momba ny fomba ahafahantsika mivoatra. … Ity tombantomban’ny tena manokana ity dia afaka ny ho fitahiana lehibe, anio sy isak’izay hiomana hampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy isika” (“Liste de contrôle de l’instructeur” [Enseigner à la manière du Sauveur avec Dieter F. Uchtdorf, 12 jona 2022], ChurchofJesusChrist.org).

Lamina hakan-tahaka

Rehefa vitan-dRahavavy Olsen ny drafitry ny lesony dia mamerina mijery ny tahirin-kevitra “Mivoatra amin’ny maha-mpampianatra tahaka an’i Kristy: Fanombantombanana ny tena manokana” izy. Vakiny ombam-bavaka ny fizarana tsirairay amin’ilay fanombantombanana dia mifidy valiny mety tsara ho an’ny teny ambara tsirairay izy. Mahita toerana ao amin’ny lesony izy izay ahafahany mampiasa amin’ny fomba tsara kokoa ireo tenin’ny mpaminany mba hampianarana fahamarinana izay hianaran’izy ireo.

Manao ezaka mba hampisy fianarana amim-pahavitrihana ao anatin’ireo lesony Rahalahy Sosi. Rehefa vitany ny fanomanana ny lesona dia mamerina mijery ny “Mivoatra amin’ny maha-mpampianatra tahaka an’i Kristy: Fanombantombanana ny tena manokana” izy mba hanombanana ny fahaiza-manaony amin’io sehatra io. Tombanany araka izao ny lesony:

Ataovy izay hisian’ny fianarana amim-pahavitrihana

  • (4) Manampy ireo mpianatra ho tompon’andraikitra amin’ny fianaran’izy ireo aho.

  • (1) Mamporisika ireo mpianatra hahafantatra ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fandalinana ny filazantsara isan’andro aho.

  • (4) Manasa ireo mpianatra hiomana hianatra aho.

  • (4) Mamporisika ireo mpianatra hizara ireo fahamarinana izay ianaran’izy ireo aho.

  • (4) Manasa ireo mpianatra hiaina ny zavatra ianaran’izy ireo aho.

Manapa-kevitra izy hoe azony atao ny mametraka fanontaniana izay mamporisika ireo mpianatra hahafantatra an’i Jesoa Kristy rehefa mandalina ny soratra masiny isan’andro izy ireo ary manova izay zavatra mila ovaina ao amin’ny lesony.

Tsindrio eto raha hijery horonan-tsary maneho io lamina hakan-tahaka io.

1:47

Manazatra tena

  1. Inona no fanovana azonao atao ao amin’ny drafitry ny lesonao raha toa ka mitovitovy amin’izao manaraka izao ny fanombantombanana ny tena manokana nataonao:

    Ampianaro ny fotopampianarana

    • (4) Mianatra ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy ho an’ny tenako manokana aho.

    • (3) Mampianatra avy amin’ny soratra masina sy avy amin’ny tenin’ireo mpaminanin’ny andro farany aho.

    • (3) Manampy ireo mpianatra hikatsaka sy hamantatra ary hahatakatra ireo fahamarinana ao anatin’ny soratra masina aho.

    • (4) Mifantoka amin’ireo fahamarinana izay mitondra amin’ny fiovam-po ary manorina ny finoana eo amin’i Jesoa Kristy aho.

    • (1) Manampy ireo mpianatra hahita ny fiantefan’ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy amin’izy ireo manokana aho.

  2. Tombano ny drafitry ny lesonao manaraka amin’ny alalan’ny fampiasana ny “Mivoatra amin’ny maha-mpampianatra tahaka an’i Kristy: Fanombantombanana ny tena manokana.” Diniho ombam-bavaka hoe moa ve ireo teny ambara ao amin’ilay fanombanana mamaritra tsara ny traikefa amin’ny fianarana izay nomaninao sa tsia. Avy eo dia fidio, araka izay hitarihan’ny Fanahy, ny zavatra rehetra izay mila hatsaraina ao amin’ilay drafitry ny lesona dia ovao izay mila fanovana.

Mifanakalo hevitra na misaintsaina

  • Ahoana no hitondran’ny fanaovana io fanazaran-tena io ho amin’ny fandinihana ataon’ny tena manokana sy hampiseho izay zavatra tsy hitanao ary hitondra fitaomam-panahy momba ny fomba ahafahanao mivoatra?

  • Inona no tombony azo avy amin’ny fampiasana ny tahirin-kevitra fanombantombanana amin’ny drafitry ny lesona tsirairay izay omaninao?

Mampiditra fahalalana

Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Fahaiza-manao

Mametraha fanontaniana mba hanombantombanana ny traikefanao manokana sy ny fijoroana ho vavolombelona anananao manokana momba an’i Jesoa Kristy sy ireo fotopampianarana ary ireo fitsipika ao amin’ny lesona.

zatovo mampiasa solosaina

Mamaritra

Mba hiomanana ara-panahy dia afaka misaintsaina ny zavatra niainanao manokana sy ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba an’i Jesoa Kristy sy ny fotopampianarana na ny fitsipika ampianarina ao amin’ny lesona ianao. Rehefa miato sy misaintsaina ny zavatra niainanao sy ny fijoroana ho vavolombelona anananao manokana ianao dia hanana fatokian-tena kokoa ny hijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ary “halatsaka ny Fanahy Masina ho vavolombelona hanambara ny zavatra rehetra izay holazainareo” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana100:8). Mandritra ny fiomanana dia afaka miato ianao ary mametraka fanontaniana izay manampy anao hisaintsaina. Ireto manaraka ireto dia ohatra amin’ireo fanontaniana azonao apetraka amin’ny tenanao:

  • Inona no tsapako momba io fitsipika io?

  • Inona no traikefa efa ananako momba io fitsipika io?

  • Ahoana no nanampian’ny Mpamonjy ahy hianatra sy hiaina io fitsipika io?

  • Raha hijoro ho vavolombelona momba io fitsipika io aho dia inona no tokony holazaiko ary nahoana?

Ireo lamina hakan-tahaka sy fanazaran-tena etsy ambany dia ohatra ankapobeny. Hahomby kokoa ny fanofanana raha toa ka mifandray amin’ireo lesona manaraka izay horesadresahina ao amin’ny fandaharam-pampianarana ny lamina hakan-tahaka sy ny fanazaran-tena.

Lamina hakan-tahaka

Manomana lesona Rahalahy Almeida ary mamaritra ity fitsipika manaraka ity ho toy ny fitsipika iray izay azony katsahina hanampiana ny mpianatra mba hofantarin’izy ireo sy hotakariny: “Rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo sy mahatsiaro mandrakariva ny Mpamonjy isika dia hanana ny Fanahiny miaraka amintsika.”

Miato Rahalahy Almeida mba hisaintsaina ny zavatra niainany manokana amin’ny alalan’ny fanontaniany tena hoe: “Inona no zavatra niainako rehefa niezaka ny hahatsiaro ny Mpamonjy aho rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo?”

Rehefa misaintsaina io fanontaniana io Rahalahy Almeida dia tsapany fa ny fahatsiarovana sy ny fieritreretana ny Mpamonjy nandritra ny fanasan’ny Tompo dia nanampy azy hahatsapa ireo fiantraikany mahery vaika avy amin’ny famelan-keloka sy ny fanasitranana amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy.

Tsindrio eto raha hijery horonan-tsary maneho io lamina hakan-tahaka io.

Manazatra tena

Makà fotoana hisaintsainana ny zavatra niainanao manokana niaraka tamin’i Jesoa Kristy sy ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba an’i Jesoa Kristy ho an’ny fotopampianarana sy fitsipika tsirairay ao amin’ity lisitra manaraka ity:

  • Rehefa mitandrina ny didin’ Andriamanitra isika dia hitahy antsika eo amin’ny ara-nofo sy ara-panahy Andriamanitra.

  • Fitsipika iray avy amin’ny lesona manaraka izay ho ampianarinao.

Mifanakalo hevitra na misaintsaina

  • Inona no zavatra nianaranao na tsapanao rehefa nanao fampiharana ianao?

  • Ahoana no mety hahombiazanao kokoa amin’ny fampianarana ireo fitsipika sy fotopampianarana ao amin’ny lesonao rehefa mampihatra io fahaiza-manao io ianao?

Mampiditra fahalalana

  • Isaky ny manomana lesona ianao dia miatoa ary diniho ny zavatra iainanao manokana miaraka amin’i Jesoa Kristy sy ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba an’i Jesoa Kristy sy ireo fotopampianarana ary fitsipika ao amin’ny lesona.

Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?