Mampianara amin’ny alalan’ny Fanahy Manomàna tena ara-panahy. Ampiasao ny tahirin-kevitra “Mivoatra amin’ny maha-mpampianatra tahaka an’i Kristy; fanombantombanana ny tena manokana” mba hanasana ny Fanahy Masina hanampy anao hanatsara ny fiomananao hampianatra. Mametraha fanontaniana mba hanombantombanana ny traikefanao manokana sy ny fijoroana ho vavolombelona anananao manokana momba an’i Jesoa Kristy sy ireo fotopampianarana ary ireo fitsipika ao amin’ny lesona. Aoka ianao ho vonona mandrakariva hanaraka ireo bitsiky ny Fanahy momba ny zavatra ilain’ireo mpianatra. Mametraha fanontaniana mba hanombanana ny fianarana alohan’ny hanohizana ny lesona. Henoy sy diniho ireo mpianatra mba hametrahana fanontaniana mampitombo ny fahatakarana. Mamoròna sehatra sy fahafahana ho an’ireo mpianatra mba ho ampianarina amin’ny alalan’ny Fanahy Masina izy ireo. Mamoròna fanombanan-tena ho an’ny mpianatra momba ny fotopampianarana, ny fahamarinana, na ny fitsipika iray.Mamoròna sehatra sy fahafahana ho an’ireo mpianatra mba ho ampianarina amin’ny alalan’ny Fanahy Masina izy ireo. Mampiasà hira masina. Asao ny mpianatra hitady ireo andalana sy andian-teny ao amin’ny hira masina izay mifandray amin’ireo fahamarinana izay ianaran’izy ireo.Mamoròna sehatra sy fahafahana ho an’ireo mpianatra mba ho ampianarina amin’ny alalan’ny Fanahy Masina izy ireo. Ampio ireo mpianatra hikatsaka sy hamantatra ary hanao asa mifanaraka amin’ny fanambarana ho an’ny tena manokana izay voarainy. Mialoha ny hamaliana ny fanontaniana na fanehoan-kevitra avy amin’ny mpianatra iray dia miatoa ary diniho hoe: “Inona no azoko anontaniana azy ireo?” na “Azoko asaina hanao inona izy ireo?”Ampio ny mpianatra hikatsaka sy hamantatra ary hanao asa mifanaraka amin’ny fanambarana ho an’ny tena manokana izay voarainy. Mizarà fehezan-teny izay manampy ny mpianatra hamantatra ny fotoana hanatanterahan’ny Fanahy Masina ny anjara asany na ny andraikiny.Ampio ny mpianatra hikatsaka sy hamantatra ary hanao asa mifanaraka amin’ny fanambarana ho an’ny tena manokana izay voarainy. Mijoroa ho vavolombelona matetika ary asao ny mpianatra hizara ny zavatra tsapany sy ny zavatra niainany ary ny fijoroana ho vavolombelona ananany. Mamoròna fehezan-teny famporisihana izay manampy ireo mpianatra hilaza ny zavatra tsapany sy ny zavatra iainany ary ny fijoroana ho vavolombelona ananany.Mijoroa ho vavolombelona matetika ary asao ny mpianatra hizara ny zavatra tsapany sy ny zavatra niainany ary ny fijoroana ho vavolombelona ananany. Mijoroa ho vavolombelona matetika kokoa sy amin’ny fomba mahery vaika kokoa momba an’i Jesoa Kristy.Mijoroa ho vavolombelona matetika ary asao ny mpianatra hizara ny zavatra tsapany sy ny zavatra niainany ary ny fijoroana ho vavolombelona ananany.