“Aoka ianao ho vonona mandrakariva hanaraka ireo bitsiky ny Fanahy momba ny zavatra ilain’ireo mpianatra,” Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra: Mampianara amin’ny alalan’ny Fanahy (2023)
“Aoka ianao ho vonona mandrakariva hanaraka ireo bitsiky ny Fanahy momba ny zavatra ilain’ireo mpianatra,” Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra: Mampianara amin’ny alalan’ny Fanahy
Fitsipiky ny Fampianarana tahaka ny an’i Kristy: Mampianatra amin’ny alalan’ny Fanahy
Aoka ianao ho vonona mandrakariva hanaraka ireo bitsiky ny Fanahy momba ny zavatra ilain’ireo mpianatra.
Fahaiza-manao
Mametraha fanontaniana mba hanombanana ny fianarana alohan’ny hanohizana ny lesona.
Mamaritra
Ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy dia manasa antsika hisaintsaina ity fanontaniana manaraka ity: “Moa ve ireo izay ampianarinao mahafantatra fa liana kokoa amin’ny fianaran’izy ireo ianao noho ny amin’ny famitana lesona iray?” Afaka mampiseho ireo mpampianatra fa liana amin’ny fianaran’ny mpianatra izy ireo amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana hahazoana fahatakarana alohan’ny hanohizana ny ampahany manaraka amin’ny lesona iray. Mba hanaovana izany dia maka fotoana kely ny mpampianatra aorian’ny ifanakalozana hevitra momba ny fitsipika, ny lohahevitra, na ny fanontaniana iray mba hametrahana fanontaniana hamantarana ny zavatra takatry ny mpianatra. Isan’ny ohatra amin’ireo fanontaniana ireo ny hoe:
-
Inona no zavatra ianaranao?
-
Inona no fanontaniana mbola anananao momba ny zavatra ianarantsika?
-
Mbola misy zavatra manitikitika anao ve?
-
Misy mampisavorovoro saina na tsy mazava ve amin’ireo zavatra ireo?
Ireo fanontaniana ireo dia manombana ny fianarana sy ny fahatakaran’ny mpianatra ary tsy tokony hapetraka amin’ny fomba izay mety hahasadaikatra azy ireo. Ny valin’ireo fanontaniana ireo dia manasa ny Fanahy Masina hanampy ny mpampianatra hanavaka ny fomba hanomezana ny zavatra ilain’ny mpianatra.
Ireo lamina hakan-tahaka sy fanazaran-tena etsy ambany dia ohatra ankapobeny. Hahomby kokoa ny fanofanana raha toa ka mifandray amin’ireo lesona manaraka izay horesadresahina ao amin’ny fandaharam-pampianarana ny lamina hakan-tahaka sy ny fanazaran-tena.
Lamina hakan-tahaka
-
Aorian’ny fifanakalozan-kevitra momba ny finoana dia miato kely Rahavavy Robinson ary manontany hoe: “Alohan’ny hidirantsika amin’ny andian’andinin-tsoratra masina manaraka, dia moa ve misy zavatra hafa manitikitika anareo momba ny finoana?”
-
Aorian’ny fandalinana soratra masina momba ny Fiaviana Fanindroany, dia manontany Rahalahy Moon hoe: “Ahoana no hamariparitanareo ny zavatra ianaranareo momba ny Fiaviana Fanindroany?”
Tsindrio eto raha hijery horonan-tsary maneho io lamina hakan-tahaka io.
Manazatra tena
-
Inona no fanontaniana azonao apetraka mba hanombanana ny fahatakaran’ny mpianatra aorian’ny fifanakalozan-kevitra momba ny fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:2–3?
-
Jereo ny lesona iray ho atao manaraka ao amin’ny fandaharam-pampianarana. Manorata fanontaniana vitsivitsy azonao apetraka mba hanombanana ny fahatakaran’ny mpianatra lohahevitra iray alohan’ny hanohizana.
Mifanakalo hevitra na misaintsaina
-
Ahoana no mety hanampian’ireo karazana fanontaniana ireo anao mba ho vonona hanao zavatra eo anatrehan’ny bitsiky ny Fanahy momba ny zavatra ilain’ireo mpianatrao?
Mampiditra fahalalana
-
Ao anatin’ireo roa herinandro manaraka dia miezaha mametraka fanontaniana mba hanombanana ny fianaran’ny mpianatra alohan’ny hidirana amin’ny lohahevitra manaraka ao amin’ny lesona. Omeo lanja ny valin-teny omen’ny mpianatra sy ny bitsiky ny Fanahy Masina rehefa mampiditra io fahaiza-manao io ho ao anatin’ny zavatra iainan’ny mpianatra ianao.
Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?
-
“An Evening with Elder David A. Bednar” (Takariva iarahana amin’ny Manampahefana Ambony, 7 feb. 2020), ChurchofJesusChrist.org
Fahaiza-manao
Henoy sy diniho ireo mpianatra mba hametrahana fanontaniana mampitombo ny fahatakarana.
Mamaritra
Ireo mpampianatra izay mametraka fanontaniana fanaraha-maso ny fahatakarana mahomby dia mandinika tsara ny mpianany ao an-dakilasy ary mihaino amim-pahamalinana ny valin-tenin’izy ireo sy ny fanontaniany. Fomba vitsivitsy hanomanana fanontaniana fanaraha-maso ny fahatakarana ny:
-
Mihaino tsara, ny fifantohana amin’ny zavatra lazain’ilay mpianatra, anisan’izany ny fomba fiteniny sy ny filanton’ny feony.
-
Mijery ny fihetseham-po hita soritra eny amin’ny tarehy, ny hafatra ampitain’ny fihetsiky ny vatana, na ny zavatra ataon’ny mpianatra iray.
-
Eo am-pihainoana sy eo am-pandinihana dia manontania tena hoe: “Inona no tiako ho fantatra kokoa mikasika ny fanamarihana, na ny fanontaniana, na ilay mpianatra?” Avy eo dia anontanio ilay mpianatra ny zavatra tianao ho fantatra.
Azo atomboka toy izao ny fanontaniana fanaraha-maso ny fahatakarana: “Lazao ahy bebe kokoa ny momba ….” na “Nahatsikaritra fihetseham-po vitsivitsy aho rehefa nizara izany ianao. Afaka manampy ahy hahatakatra ny zavatra tsapanao ve ianao?” Mamela ny mpampianatra izany hijanona hifantoka amin’ilay mpianatra ary hanome fahafahana ilay mpianatra hiroso amin’ny dingana lalindalina kokoa. Ankoatra izany dia manasa ny fanambarana avy amin’ny Fanahy izany, ho an’ny mpianatra sy ny mpampianatra.
Lamina hakan-tahaka
-
Nizara zavatra niainana iray momba ny vavaka iray izay natolotry ny fianakaviany i Juan. Raha miainga avy amin’ny fihetseham-po re amin’ny feony dia toa midika zavatra betsaka aminy ilay vavaka. Rehefa mihaino Rahavavy Rivera dia manontany tena hoe: “Inona no tiako ho fantatra kokoa avy amin’io zavatra niainana io?” Te hahafantatra ny zavatra nianarany momba ny Ray any An-danitra Rahavavy Rivera, ka noho izany dia nanontany izy hoe: “Ry Juan, inona no nianaranao momba ny Ray any An-danitra avy amin’ny zavatra niainanao tamin’ny vavaka?”
Tsindrio eto raha hijery horonan-tsary maneho io lamina hakan-tahaka io.
Manazatra tena
Rehefa mamaky ireto fanamarihana manaraka avy amin’ny mpianatra ireto ianao dia manontania tena hoe: “Inona no tiako ho fantatra kokoa?” Manorata fanontaniana fanaraha-maso ny fahatakarana izay mety hapetrakao amin’io mpianatra io.
-
Nilaza tamim-pientanentanana ny mpianatra iray hoe: “Namaky soratra masina aho indray andro izay dia nahita andian-teny iray izay tena nilaiko re.”
-
Niaraka tamin’ny fahasorenana kely hita soritra teo amin’ny endriny no nanontanian’ny mpianatra iray hoe: “Ahoana no ahafahako mahafantatra hoe eritreritro manokana izany na hoe ny Fanahy Masina izany miteny izany?”
-
Hoy ny mpianatra iray hoe: “Mampahatsiahy ahy ny zavatra nolazain’ny Filoha Nelson momba ny hoe mpampihavana ity soratra masina ity.”
Mifanakalo hevitra sy misaintsaina
-
Nahoana ny fihainoana sy ny fandinihana no zava-dehibe rehefa mametraka fanontaniana fanaraha-maso ny fahatakarana?
-
Nahoana ny fametrahana fanontaniana fanaraha-maso ny fahatakarana no ampahany manan-danja amin’ny traikefa amin’ny fianarana?
Mampiditra fahalalana
-
Mamoròna drafitra iray izay afaka manampy anao hanohy hihaino sy handinika rehefa mametraka fanontaniana fanaraha-maso ny fahatakarana.
Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?
-
David A. Bednar sy Chad H Webb, “Fifanakalozan-kevitra,” (takariva hiarahana amin’ny Manampahefana Ambony, 7 feb. 2020), Médiathèque de l’Évangile