Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra
Ampio ny mpianatra hikatsaka sy hamantatra ary hanao asa mifanaraka amin’ny fanambarana ho an’ny tena manokana izay voarainy.


“Ampio ny mpianatra hikatsaka sy hamantatra ary hanao asa mifanaraka amin’ny fanambarana ho an’ny tena manokana izay voarainy,” Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra: Mampianatra amin’ny alalan’ny Fanahy (2023)

“Ampio ny mpianatra hikatsaka sy hamantatra ary hanao asa mifanaraka amin’ny fanambarana ho an’ny tena manokana izay voarainy,” Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra: Mampianatra amin’ny alalan’ny Fanahy

Fitsipiky ny fampianarana tahaka ny an’i Kristy: Mampianatra amin’ny alalan’ny Fanahy

Ampio ny mpianatra hikatsaka sy hamantatra ary hanao asa mifanaraka amin’ny fanambarana ho an’ny tena manokana izay voarainy.

Fahaiza-manao

Mialoha ny hamaliana ny fanontaniana na fanehoan-kevitra avy amin’ny mpianatra iray dia miatoa ary diniho hoe: “Inona no azoko anontaniana azy ireo?” na “Azoko asaina hanao inona izy ireo?”

Mamaritra

Rehefa mizara hevitra ny mpianatra iray na mametra-panontaniana, dia nampianatra toy izao ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo: “Aza mieritreritra hoe -Inona no holazaiko azy ireo?- fa mifantoha kosa amin’ny hoe -Inona no hanontaniako azy ireo?- Ary tsy ny hoe -Inona no hanontaniako azy ireo?- fotsiny fa ny hoe -Asaiko hanao inona izy ireo?- ihany koa.” (“Takariva iarahana amin’ny Loholona David A. Bednar” [Takariva iarahana amin’ny Manampahefana Ambony, 7 feb. 2020], broadcasts.ChurchofJesusChrist.org Rehefa mametraka ilay fanontaniana hoe “Inona no hanontaniako azy ireo?” ny mpampianatra iray dia afaka ny hotarihin’ny Fanahy Masina io mpampianatra io na hiezaka hahazo fampahalalana bebe kokoa mba hahatakarana mazava kokoa momba ilay mpianatra na hamantatra ny fomba hanampiana azy hikatsaka sy hanao asa mifanaraka amina fanambarana iray ho an’ny tena manokana.

Rehefa mametraka ilay fanontaniana hoe “Asaiko hanao inona izy ireo?” ny mpampianatra iray dia afaka mifandray amin’ny Fanahy Masina io mpampianatra mba hahafantarany ny fanasana tokony hatolony, ary afaka mieritreritra bebe kokoa ny fomba hanaovany asa mifanaraka amin’ny fanambarana ho an’ny tena manokana voarainy ilay mpianatra.

Lamina hakan-tahaka

Tadiavo ny fomba fieritreretan’ilay mpampianatra alohan’ny hamaliana:

  • Aorian’ny fotoam-pianarana dia miandry i Maria mba hanontany ny fomba ahafahany manavaka ireo eritreriny amin’ny bitsiky ny Fanahy.

  • Alohan’ny hamaliako dia miato kely aho ary mieritreritra hoe: “Inona no azoko anontaniana ka hanasa azy hikatsaka valiny ho azy manokana amin’ny alalan’ny fanambarana ho an’ny tena manokana?” sy hoe: “Azoko asaina hanao inona izy mba hahafahany mahafantatra samirery ilay valiny?”

Tsindrio eto raha hijery horonan-tsary maneho io lamina hakan-tahaka io.

1:18

Manazatra tena

  • Mametraka ity fanontaniana manaraka ity i Jafari ao an-dakilasy: “Ahoana no hampiasako ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy mba hanampy ahy amin’ny zavatra hafa ankoatra ny famelan-keloka?”

    Alohan’ny hieritreretanao izay ho valin-teninao dia miatoa kely ary mieritrereta hoe: “Inona no azoko …”

Fanamarihana: Tsy fametrahana ilay fanontaniana na fanaovana fanasana ilay fanazaran-tena. Fa ilay izy dia fangatahana anao hiato kely dia hisaintsaina hoe: “Inona no azoko anontaniana na hanasana azy mba hataony mba hahafahany mifandray amin’ny Fanahy Masina dia mamantatra samirery ilay valim-panontaniana?”

  • Hoy i Annie hoe: “Tsy hanambady mihitsy aho. Betsaka loatra ireo olona ao amin’ny fianakaviako efa nisara-panambadiana, ka noho izany dia tsy hitako izay ilana izany.”

    Alohan’ny hieritreretanao izay ho valin-teninao dia miatoa kely ary mieritrereta hoe: “Inona no azoko …”

  • Manontany i Nick hoe: “Inona no zavatra tsara indrindra azoko atao mba hiomanana hanao asa fitoriana?”

    Alohan’ny hieritreretanao izay ho valin-teninao dia miatoa kely ary mieritrereta hoe: “Inona no azoko …”

Mifanakalo hevitra na misaintsaina

  • Inona no valin-teny mahazatra omenao rehefa misy olona mametra-panontaniana aminao?

  • Inona no nianaranao momba ny fitarihana ireo mpianatra hikatsaka sy hanao asa mifanaraka amin’ny fanambarana ho an’ny tena manokana?

Mampiditra fahalalana

  • Alaovy sary an-tsaina isan’andro mandritra ity herinandro ity ny mpianatra iray mametra-panontaniana aminao. Alohan’ny hamalianao dia mitenena mangina amin’ny tenanao hoe: “Inona no azoko anontaniana na hanasana azy ireo mba hataony mba hahafahany mifandray amin’ny Fanahy Masina dia mamantatra samirery ilay valim-panontaniana?” Avy eo, mandritra ny herinandro, rehefa mametra-panontaniana aminao ny mpianatra iray na maneho hevitra dia miatoa kely ary eritrereto ny fanontaniana na fanasana azonao apetraka amin’izy ireo fa tsy ny zavatra holazainao azy ireo.

Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Fahaiza-manao

Mizarà fehezan-teny izay manampy ny mpianatra hamantatra ny fotoana hanatanterahan’ny Fanahy Masina ny anjara asany na ny andraikiny.

mpianatra mipetraka eo amin’ny dabilio

Mamaritra

“Ao anatin’ny fiainana ao amina tontolo iray izay matetika tsy miraika amin’ny zavatra ara-panahy, dia mila fanampiana amin’ny famantarana ny feon’ny Fanahy isika rehetra. Mety efa nahatsapa ny Fanahy isika nefa tsy nahatsikaritra izany. Iray amin’ireo fanomezana lehibe indrindra azonao mpampianatra omena ny mpianatra ny fanampiana ireo izay ampianarinao hivoatra ao amin’ity fikatsahana fanambarana ho an’ny tena manokana mandritra ny fiainana ity.” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy [2022], Médiathèque de l’évangile). Rehefa manatanteraka ny iray amin’ireo anjara asany na ny andraikiny ny Fanahy Masina dia afaka milaza izany anjara asa na andraikitra izany ny mpampianatra iray ary mijoro ho vavolombelona ny amin’ny fomba hanatanterahany izany. Tena manampy izany rehefa avy nizara zavatra ny mpianatra iray, saingy mety hitranga amin’ny fotoana rehetra mandritra ny fotoam-pianarana ihany koa izany. Ny fanaovana izany dia afaka manampy ireo mpianatra hamantatra ny fotoana hanatrehan’ny Fanahy Masina ao an-dakilasy sy mandritra ny fiainan’izy ireo manontolo.

Ireo anjara asa sy andraikitra isan-karazany sahanin’ny Fanahy Masina dia azo jerena ao amin’ny:

  • Mampianatra sy mianatra amin’ny alalan’ny Fanahy,” ao amin’ny “Fitantanana ny zavatra atao ao amin’ny efitrano fianarana,” Loharanom-pitaovana fanampiny ho an’ny Mpampianatra

  • Mikatsaka sy miantehitra amin’ny Fanahy,” Torio ny Filazantsarako (2019), 101–111

Lamina hakan-tahaka

  • Mpianatra: “Ity soratra masina ity dia mampahatsiahy ahy ilay lahateny iray tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany avy amin’ny Filoha Nelson izay nanasany antsika hamela an’ Andriamanitra hanjaka.”

  • Mpampianatra: “Rosa, misaotra tamin’ny fizarana fa ity soratra masina ity dia nampahatsiahy anao ny tenin’ny Filoha Nelson. Anjara asan’ny Fanahy Masina ny mampahatsiahy antsika ny zavatra rehetra. Nandray anjara tamin’ny dingana nampahatsiahivana anao io teny nindramina io ny Fanahy Masina.”

  • Rehefa avy nizara ny zavatra niainany momba ny fahamarinana iray nianarany tao an-dakilasy ny mpianatra dia nilaza Rahavavy Lopez hoe: “Ry mpianatra, ny Fanahy Masina dia mijoro ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinana, ary feno fankasitrahana aho noho ireo fahamarinana izay nijoroany ho vavolombelona androany tamin’ny alalan’ireo zavatra niainanareo.”

Tsindrio eto raha hijery horonan-tsary maneho io lamina hakan-tahaka io.

Manazatra tena

Ampiasao ny anjara asan’ny Fanahy Masina na ny andraikiny sy ny fanehoan-kevitry ny mpianatra eo amin’ny tabilao etsy ambany mba hampiharana ny zavatra mety holazainao mba hamantarana ny anjara asa na ny andraikitry ny fanahy Masina.

Anjara asa na andraikitry ny Fanahy Masina

Fanehoan-kevitry ny mpianatra

Teny lazain’ny mpampianatra

Anjara asa na andraikitry ny Fanahy Masina

Mijoro ho vavolombelona momba an’ Andriamanitra Ray sy ny Zanakalahiny, Jesoa Kristy Izy (jereo ny 1 Korintiana 12:3; Etera 12:41).

Fanehoan-kevitry ny mpianatra

“Nianatra aho tao amin’ireo andininy ireo fa i Jesoa Kristy dia manasitrana ireo izay mangataka ny fanampiany.”

Teny lazain’ny mpampianatra

Anjara asa na andraikitry ny Fanahy Masina

Mankahery (mampitraka na mamolavola ara-panahy) an’ireo mpampianatra sy mpianatra Izy (jereo ny 1 Korintiana 14:12; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:22–23).

Fanehoan-kevitry ny mpianatra

“Tena tiako ny zavatra nolazain’i Jorge momba ny tempoly ary te hanampy izany aho hoe …”

Teny lazain’ny mpampianatra

Anjara asa na andraikitry ny Fanahy Masina

Manome ny “vokatry ny Fanahy” Izy, izay ahitana zavatra toy ny fifaliana, fitiavana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy (Galatiana 5:22–23).

Fanehoan-kevitry ny mpianatra

“Niezaka ny ho tsara fanahy tamin’ny anabaviko aho.”

Teny lazain’ny mpampianatra

Mifanakalo hevitra na misaintsaina

  • Inona no ianaranao rehefa mampihatra ny fehezan-teny tsirairay ianao?

  • Ahoana no ahafahan’ireo fehezan-teny tsotra ireo manampy ny mpianatsika hahatakatra sy hamantatra ny fomba hiresahan’ny Fanahy Masina amin’izy ireo?

Mampiditra fahalalana

  • Ahoana no hanohizanao mianatra sy milaza ny anjara asan’ny Fanahy Masina sy ny andraikitry ny Fanahy Masina rehefa manatrika ao an-dakilasy izy ireo?

Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?