“Mamoròna sehatra sy fahafahana ho an’ireo mpianatra mba ho ampianarina amin’ny alalan’ny Fanahy Masina izy ireo” Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra: Mampianara amin’ny alalan’ny Fanahy (2023)
“Mamoròna sehatra sy fahafahana ho an’ireo mpianatra mba ho ampianarina amin’ny alalan’ny Fanahy Masina izy ireo,” Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra: Mampianara amin’ny alalan’ny Fanahy
Fitsipiky ny Fampianarana tahaka ny an’i Kristy: Mampianatra amin’ny alalan’ny Fanahy
Mamoròna sehatra sy fahafahana ho an’ireo mpianatra mba ho ampianarina amin’ny alalan’ny Fanahy Masina izy ireo.
Fahaiza-manao
Mamoròna fanombanan-tena ho an’ny mpianatra momba ny fotopampianarana, ny fahamarinana, na ny fitsipika iray.
Mamaritra
Tafiditra ao anatin’ny fampianarana amin’ny alalan’ny Fanahy ny fanampiana ny mpianatra hisaintsaina ny fomba fijerin’izy ireo manokana, ny fahatsapany, ary ny zavatra iainany mifandray amin’ireo fahamarinana voafaritra tsara. Io fandinihan-tena sy ny fanombanan-tena io dia afaka manasa ny Fanahy Masina hanampy ny mpianatra tsirairay hahita ny zavatra “araka ny tena toetrany, sy … ny ho tena toetrany” (Jakôba 4:13) eo amin’ny fiainan’izy ireo. Ny fanombanan-tena mahomby dia manampy ny mpianatra hisaintsaina (1) ny fahatakaran’izy ireo manokana amin’izao fotoana izao ny fahamarinana iray manokana, (2) ny antony maha-manan-danja ireo fahamarinana ireo eo amin’ny fiainan’izy ireo manokana sy ny toe-javatra misy azy ireo, ary (3) ny fomba hiainana ireo fahamarinana ireo amin’ny fomba tsaratsara kokoa. Azonao atao ny mamporisika ny hanaovana io fanombanan-tena io amin’ny fotoana rehetra mandritra ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny fomba isan-karazany, tafiditra amin’izany ny sahanasa fanoratana, ny fanontaniana mitarika fifanakalozan-kevitra, ary ireo fanasana hampihatra fotopampianarana sy fitsipika.
Ireo lamina hakan-tahaka sy fanazaran-tena etsy ambany dia ohatra ankapobeny. Hahomby kokoa ny fanofanana raha toa ka mifandray amin’ireo lesona manaraka izay horesadresahina ao amin’ny fandaharam-pampianarana ny lamina hakan-tahaka sy ny fanazaran-tena.
Lamina hakan-tahaka
Ireto misy ohatra vitsivitsy amin’ny fomba ahafahanao mamorona fanombanan-tena ho an’ny mpianatra:
-
Azonao atao any amin’ny fiandohan’ny fotoam-pianarana ny manasa ny mpianatra hanoratra fohy ao anatina diary iray ny fahatakaran’izy ireo ny lalàn’ny fahafolonkarena amin’izao fotoana izao.
-
Rehefa mifarana ny fotoam-pianarana dia azonao atao ny manasa ny mpianatra hisaintsaina ny hoe: “Niova toy ny ahoana ny fahatakaranareo momba ny lalàn’ny fahafolonkarena hatramin’ny fiantombohan’ny fotoam-pianarana?”
-
Rehefa avy miara-mamantatra fitsipika samihafa avy amina ampahan-tsoratra masina dia afaka manontany ny mpianatra ianao hoe: “Ahoana no handaharanareo an’ireo fitsipika ireo eo amin’ny fiainanareo arakaraka ny lanjany?”
-
Mandritra ny fifanakalozan-kevitra ao an-dakilasy dia azonao atao ny manasa ny mpianatra hieritreritra ny fomba nanovan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ny fiainan’izy ireo ho lasa toy ny amin’izao.
-
Azonao atao ny manasa ny mpianatra hieritreritra ny fomba azon’izy ireo hampiharana ny zavatra nianaran’izy ireo: “Eritrereto hoe aiza ho aiza izao no misy anareo amin’ny fibanjinana -[an’i Kristy] amin’ny eritreritra rehetra- (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:36). Soraty izay tsapanao fa dingana manaraka tokony hataonao amin’ny fanatsaranao ny fifandraisanao Aminy mahakasika izany.”
Tsindrio eto raha hijery horonan-tsary maneho io lamina hakan-tahaka io.
Manazatra tena
Ampiasao ny iray na ny maromaro amin’ireto fanazaran-tena manaraka ireto mba hanatsarana ny fahaizanao mamorona fanombanan-tena ho an’ireo mpianatrao.
-
Jereo ny drafitry ny lesona iray vao hatao. Misafidiana fotopampianarana iray izay kasainao hifantohana. Manaova fanazaran-tena manoratra fanombanan-tena tsotra miisa roa na telo izay azon’ny mpianatra ampiasaina mba hieritreretany ny fahatakarany io fotopampianarana io amin’izao fotoana izao sy ny halehiben’ny fiovan’ny fahatakaran’izy ireo noho ny zavatra nianarany.
-
Misafidiana fotoana iray ao anatina lesona iray vao hatao rehefa misy fifanakalozan-kevitra nomanina hatao. Manaova fanazaran-tena manoratra fanontaniana roa na telo izay manampy ny mpianatra hanombana ny fomba fijerin’izy ireo sy ny zavatra niainany mifandray amina fitsipika iray izay hofantarina.
-
Mitadiava toerana ao anatina drafitra ho ana lesona iray manaraka izay hifantohanao amin’ny fampiharana. Mba tsy hanasana fotsiny ny mpianatra hampihatra fotopampianarana na fitsipika iray manokana, dia manaova fanazaran-tena manoratra fanasana roa na telo izay manampy azy ireo hanombana ny fampiharany amin’izao fotoana izao sy ny fomba hanohizana manatsara izany.
Mifanakalo hevitra na misaintsaina
Saintsaino ny zavatra nianaranao avy amin’io zavatra niainana io. Azonao atao tsara ny manoratra ny sasany amin’ireo eritreritra ireo ao amina diary fandalinana iray. Eritrereto ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Inona no nataoko teo aloha mba hanampiana ny mpianatra hanombana ny tenan’izy ireo?
-
Inona no nianarako tamin’io zavatra niainana io izay afaka manatsara ny fahaizako manampy ny mpianatra hanomban-tena?
-
Inona no hataoko hivoarako hatrany?
Mampiditra fahalalana
-
Ho an’ny drafitra ho an’ny lesona tsirairay amin’ity herinandro ity dia mampiasà fanombanan-tena samy hafa mba hanampiana ny mpianatra hianatra avy amin’ny Fanahy Masina. Makà fotoana hamantarana ny zavatra ianaranao avy amin’io zavatra niainana io dia manaova indray fanazaran-tena mandritra ny fanomananao sy mandritra ny fotoam-pampianaranao. Tohizo ny fanazaran-tena, ny fianarana ary ny fanatsarana ny ezaka ataonao mba hitondrana fanampiana amin’ny fanatsarana ny zavatra iainan’ireo mpianatrao sy hamporisihana ny fivoarana sy ny fandrosoan’izy ireo hatrany.
Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?
-
Jeffrey R. Holland, “Anjely sy fahagagana” (Fampitana ny fivoriam-piofanana fanao isan-taona an’ny Seminera sy Institiota fianarana ny Filazantsara, 12 jona 2019), broadcasts.ChurchofJesusChrist.org
-
Ataovy izay hisian’ny fianarana amim-pahavitrihana,“ Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy (2016), 29–30
-
ChurchofJesusChrist.org
Fahaiza-manao
Mampiasà hira masina. Asao ny mpianatra hitady ireo andalana sy andian-teny ao amin’ny hira masina izay mifandray amin’ireo fahamarinana izay ianaran’izy ireo.
Mamaritra
Hoy ny Fiadidiana Voalohany: “Manasa ny Fanahin’ny Tompo, mahatonga ny fanahin’ny fanajana, mampiray hina ny mpikambana, ary manome antsika fahafahana hidera ny Tompo ny hira ao amin’ny fihirana” (Cantiques, ix). Ny hira masina dia azo ampiasaina amina fampaherezam-panahy hanombohana ny fotoam-pianarana. Azo ampiasaina koa izany mandritra ny fotoam-pianarana izay hanaovan’ny mpianatra zavatra manokana, amin’ny alalan’ny fiarahana manao hira ao amin’ny fihirana, na ny famakiana mangina ny tonon’ny hira iray. Rehefa misy hira ampiasaina dia afaka manasa ny mpianatra ny mpampianatra mba hitady ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara sy hampitombo ny fahatakaran’izy ireo ny fitsipiky ny filazantsara. Izany dia azo atao amin’ny alalan’ny fanasana ny mpianatra hamantatra ireo teny sy andian-teny ao amin’ny hira iray izay mampianatra azy ireo misimisy kokoa momba ny Mpamonjy sy ireo fahamarinana ampianarina ao an-dakilasy.
Ireo lamina hakan-tahaka sy fanazaran-tena etsy ambany dia ohatra ankapobeny. Hahomby kokoa ny fanofanana raha toa ka mifandray amin’ireo lesona manaraka izay horesadresahina ao amin’ny fandaharam-pampianarana ny lamina hakan-tahaka sy ny fanazaran-tena.
Lamina hakan-tahaka
Ireto ambany ireto dia ohatra ana fanontaniana izay azonao angatahana mba hosaintsainin’ny mpianatra eo am-pihainoana na eo am-pihirana hira iray:
-
Inona no teny na andian-teny tianao indrindra ao amin’io fihirana io? Inona no ampianarin’izany anao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?
-
Vao avy nifanakalozantsika hevitra ilay fitsipika ao amin’ny Jaona 15, hoe Maneho ny fitiavantsika an’i Jesoa Kristy isika amin’ny alalan’ny fitandremana ny didiny. Mitadiava andalana ao amin’ny hira iray ao amin’ny fihirana izay mampianatra anao misimisy kokoa momba io fitsipika io. Azonao atao ny mikaroka ny hoe “Amour” ao amin’ny fizarana “Sujets” ao amin’ny boky fihirana.
-
Inona no ampianarin’io hira io anao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?
-
Ahoana no hanampian’io hira io anao hampitombo ny fahatakaranao sy hankasitraka ireo fahamarinana izay noresahantsika tato am-pianarana?
-
Iza no fantatrao fa mila mandre io hira io androany? Inona no fahamarinana nampianarina tao amin’io hira io izay tianao ho fantatr’izany olona izany?
Tsindrio eto raha hijery horonan-tsary maneho io lamina hakan-tahaka io.
Manazatra tena
-
Mankanesa ao amina lesona iray atao amin’ny manaraka ao amin’ny fandaharam-pampianarana dia tadiavo ny iray amin’ireo fitsipika izay ho ampianarinao. Misafidiana fanontaniana iray na roa avy amin’ilay lamina hakan-tahaka etsy ambony na mamoròna fanontaniana iray mba hanasana ny mpianatra hampifandray hira iray ao amin’ny fihirana amin’ilay fitsipika.
Mifanakalo hevitra na misaintsaina
-
Diniho ny zavatra nataonao taloha mba hampidirana hira masina tao amin’ny lesonao. Impiry ianao no mampiasa hira masina ao an-dakilasy? Ahoana no ahafahanao mampiasa izany bebe kokoa?
-
Oviana ianao no niaina zavatra niavaka tamin’ny hira nandritra ny fotoam-pianarana iray?
-
Diniho hoe hitahy ny mpianatrao amin’ny fomba ahoana ny fanohizana manatsara ny fampiasanao hira masina ao an-dakilasy. Inona no eritreritra tonga ao an-tsaina?
Mampiditra fahalalana
-
Asao ny mpianatra iray hifidy ombam-bavaka hira iray ao amin’ny fihirana mba hatao mandritra ny fotoam-pivavahana fanombohana fotoana manaraka izay mifandray amin’ilay fahamarinana tian’izy ireo ampianarina.
-
Mieritrereta fomba hafa azonao ampiasana hira masina mba hampianarana fitsipiky ny filazantsara.
Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?
-
Trandraho ny application Musique sacrée mba hahitana loharanom-pitaovana azo ampiasaina ao an-dakilasy. Ohatra vitsivitsy amin’izany ny Albums pour les jeunes sy Musique publiée dans Jeunes, soyez forts.