Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra
Mijoroa ho vavolombelona matetika ary asao ny mpianatra hizara ny zavatra tsapany sy ny zavatra niainany ary ny fijoroana ho vavolombelona ananany.


“Mijoroa ho vavolombelona matetika ary asao ny mpianatra hizara ny zavatra tsapany sy ny zavatra niainany ary ny fijoroana ho vavolombelona ananany,” Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra: Mampianatra amin’ny alalan’ny Fanahy (2023)

“Mijoroa ho vavolombelona matetika ary asao ny mpianatra hizara ny zavatra tsapany sy ny zavatra niainany ary ny fijoroana ho vavolombelona ananany,” Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra: Mampianara amin’ny alalan’ny Fanahy

Fitsipiky ny fampianarana tahaka ny an’i Kristy: Mampianatra amin’ny alalan’ny Fanahy

Mijoroa ho vavolombelona matetika ary asao ny mpianatra hizara ny zavatra tsapany sy ny zavatra niainany ary ny fijoroana ho vavolombelona ananany.

Fahaiza-manao

Mamoròna fehezan-teny famporisihana izay manampy ireo mpianatra hilaza ny zavatra tsapany sy ny zavatra iainany ary ny fijoroana ho vavolombelona ananany.

Mamaritra

Rehefa mizara ny zavatra tsapany sy ny zavatra iainany ary ny fijoroana ho vavolombelona ananany ny mpianatra dia hijoro ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinan’ny zavatra lazain’izy ireo ny Fanahy Masina, na ao an-tsain’izy ireo na ao am-pony ary koa amin’ny hafa. Ny fehezan-teny famporisihana dia fomba iray hanampiana azy ireo hizara. Raha ny mahazatra dia ahitana fizarana roa ireo fehezan-teny famporisihana ireo: Ny ampahany voalohany dia manasa ny mpianatra hisaintsaina ny zavatra tsapany sy ny zavatra iainany ary ny fijoroana ho vavolombelona ananany izay azo ampifandraisina amin’ireo fitaovana fampianarana hafa, toy ny sary, fanontaniana, tantara manome ohatra, horonan-tsary kely, ary hira ao amin’ny fihirana. Ny ampahany faharoa dia manome fahafahana ny mpianatra hanomboka hizara hevitra. Azo atao izany amin’ny alalan’ny fanasana ny mpianatra handinika ny fomba hamenoan’izy ireo fehezan-teny tsy feno iray. Ny toetra manan-danja ananan’ireo fehezan-teny famporisihana ireo dia noho izy ireo manampy ny mpianatra hifandray amin’ny Fanahy Masina mba hanampiana azy ireo hanomboka hieritreritra fomba hilazana ny zavatra tsapany sy ny zavatra iainany ary ny fijoroana ho vavolombelona ananany.

Ireo lamina hakan-tahaka sy fanazaran-tena etsy ambany dia ohatra ankapobeny. Hahomby kokoa ny fanofanana raha toa ka mifandray amin’ireo lesona manaraka izay horesadresahina ao amin’ny fandaharam-pampianarana ny lamina hakan-tahaka sy ny fanazaran-tena.

Lamina hakan-tahaka

Sary atao modely

sary fanehona an’i Jesoa Kristy

Mampianatra momba ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:1–5 ianao ary ny fitsipika dia hoe “I Jesoa Kristy no Mpisolovava antsika eo amin’ny Ray.” Asehonao an’ny mpianatra io sarin’i Jesoa Kristy io dia ampiasainao ilay fehezan-teny famporisihana hoe: “Raha afaka milaza amin’i Jesoa Kristy antony iray itiavako Azy aho, dia hilaza hoe …”

Fihirana hanaovana lamina hakan-tahaka

Miara-mihira ny “Velona ilay Mpanavotra ahy” ianareo rehetra ao an-dakilasy. Manasa ny mpianatra ianao mba hitady ny andalana tian’izy ireo indrindra izay manampy azy ireo hameno ity andian-teny ity: “Fantatro fa velona i jesoa Kristy mba …”

Tsindrio eto raha hijery horonan-tsary maneho io lamina hakan-tahaka io.

1:22

Manazatra tena

  • Atokany ny dimy minitra manaraka hitadiavana sary iray, hira ao amin’ny fihirana na horonan-tsary fohy momba an’i Jesoa Kristy izay mifandray amina fitsipika na fotopampianarana iray ao anatina andian-tsoratra masina iray vao hovakina. Mamoròna fehezan-teny famporisihana iray izay hanampy ny mpianatra hieritreritra ary avy eo dia hizara ny zavatra tsapany momba an’i Jesoa Kristy sy ny zavatra niainany niaraka Taminy ary ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba Azy izay mifandray amin’ilay fitsipika na fotopampianarana nofidina.

Mifanakalo hevitra na misaintsaina

  • Ahoana no ahafahan’ny fanomezana fehezan-teny famporisihana iray manampy ny mpianatra hizara ny zavatra tsapany sy ny zavatra niainany ary ny fijoroana ho vavolombelona ananany?

  • Inona no nianaranao momba ny fanampiana ireo mpianatra hahatsapa fatokian-tena kokoa amin’ny fizarana fijoroana ho vavolombelona sy fahatsapana manan-danja?

Mampiditra fahalalana

  • Mamoròna fehezan-teny famporisihana ho an’ny lesona tsirairay amin’ity herinandro ity izay manampy ny mpianatra hizara ny zavatra tsapany sy ny zavatra iainany ary ny fijoroana ho vavolombelona ananany.

Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

  • Mitariha fifanakalozan-kevitra nentanim-pahany,” Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy (2016), 33–34

  • ChurchofJesusChrist.org

Fahaiza-manao

Mijoroa ho vavolombelona matetika kokoa sy amin’ny fomba mahery vaika kokoa momba an’i Jesoa Kristy.

lehilahy mampianatra ao an-dakilasy

Mamaritra

Nanasa ireo mpampianatra sy mpitarika ao amin’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana mba “hijoro ho vavolombelona matetika kokoa sy mahery vaika kokoa momba an’i Jesoa Kristy” (“Ny herin’i Jesoa Kristy sy ny fotopampianarana madio” [lahateny natao tamin’ireo mpampianatra ny filazantsara ao amin’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 11 jona 2023], Médiathèque de l’Évangile) ny Loholona Neil L. Andersen. Ny fahafahana mijoro ho vavolombelona dia afaka ny ho tonga mandritra ny fotoam-pianarana rehefa misy fahamarinana momba ny Mpamonjy zaraina, fa tsy hoe any am-piandohan’ny fotoam-pianarana na any amin’ny fiafarany fotsiny. Azonao ampiasaina ireto fanontaniana manaraka ireto mba hanampiana anao hamantatra fijoroana ho vavolombelona tsotra sy mahery vaika azonao zaraina:

  • Inona no fantatro manokana momba ny zavatra ampianarina mikasika ny Mpamonjy?

  • Ahoana no nahatsapako io herin’i Jesoa Kristy io teo amin’ny fiainako?

  • Inona no fomba tsotra sy avy amin’ny fo azoko hizarana ny zavatra fantatro momba an’i Jesoa Kristy?

Ny fizarana ny fijoroana ho vavolombelona anananao izay tsotra sy matetika momba ny Mpamonjy dia afaka mamorona tontolo izay ahafahan’ireo mpianatrao mahatsapa ho mahazo aina kokoa hizara ny azy ary afaka manampy azy ireo hahatsapa ny Fanahy Masina manamafy ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny fahamarinana.

Ireo lamina hakan-tahaka sy fanazaran-tena etsy ambany dia ohatra ankapobeny. Hahomby kokoa ny fanofanana raha toa ka mifandray amin’ireo lesona manaraka izay horesadresahina ao amin’ny fandaharam-pampianarana ny lamina hakan-tahaka sy ny fanazaran-tena.

Lamina hakan-tahaka

Nandritra ny lesona iray momba ny fahaterahan’i Jesoa Kristy, Rahalahy Chandler dia nieritreritra ny zavatra fantany momba ny Mpamonjy sy ny hoe iza ny Rainy ary milaza tsotra fotsiny hoe: “I Jesoa Kristy no Zanak’ Andriamanitra.”

Ireto misy andian-teny hafa tokony hodinihina sy hampiasaina:

  • Nianatra manokana aho fa i Jesoa Kristy …

  • Fantatro fa ny Mpamonjy …

  • Nahatsapa ny herin’ny Mpamonjy … aho teo amin’ ny fiainako rehefa …

Tsindrio eto raha hijery horonan-tsary maneho io lamina hakan-tahaka io.

Manazatra tena

Manorata fijoroana ho vavolombelona tsotra sy mahery vaika azonao zaraina ho an’ny tsirairay amin’ireto fahamarinana ireto. Azonao ampiasaina ireo fanontaniana na fitaomam-panahy avy amin’ilay famaritana sy ny lamina hakan-tahaka etsy ambony mba hanampiana anao.

  • I Jesoa Kristy no fahazavan’izao tontolo izao.

  • Nijaly i Jesoa Kristy mba hamonjena ahy amin’ny fahotana sy ny fahafatesana ary mba hanampiana ahy ao anatin’ireo olana mandritra ny fiainana an-tany.

  • Fahamarinana iray izay hampianarina ao amin’ny lesonao manaraka.

Mifanakalo hevitra na misaintsaina

  • Inona no ianaranao rehefa mampihatra ireo fijoroana ho vavolombelona tsotra sy mahery vaika momba an’i Jesoa Kristy ireo ianao?

  • Inona no azonao atao mba hahazoana antoka fa mijanona ho amin-kitsimpo sy avy amin’ny fo matetika ny fijoroana ho vavolombelona ataonao?

Mampiditra fahalalana

  • Rehefa manomana sy mampianatra ny lesonao na ireo lesona ianao amin’ity herinandro ho avy ity dia mitadiava fahafahana hijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy. Avy eo dia zarao ny fijoroana ho vavolombelona tsotra sy amin-kitsimpo anananao momba Azy.

Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?