Sorompanavotan’i Jesoa Kristy
Ny teny hoe:manao sorona dia mahafoy manao zavatra mba hampihavana na hampilamina. Afaka ny hihavana amin’ny Raintsika any an-danitra isika amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy (jereo ny Romana 5:10–11; 2 Nefia 25:23; Jakoba 4:11). Afaka ny hitoetra mandrakizay eo Anatrehany isika amin’ny farany, rehefa avy “natao fanaperana tamin’ ny alalan’ i Jesoa” (jereo ny F&F 76:62, 69).
I Jesoa Kristy dia “efa nomanina hatry ny fanorenana izao tontolo izao mba hanavotra ny olo[ny]” (Etera 3:14). Tany amin’ny tontolon’ny fanahy talohan’ny nahaterahana dia nampahafantatra ny drafitra mandrakizain’ny famonjena ny Ray any an-danitra, izay mitaky Sorompanavotana tsy manam-petra sy mandrakizay. Ilay Jesoa talohan’ny nahaterahany, izay i Jehovah no nahafantarana azy tamin’izany, no nanambara tamim-panetren-tena fa hanao ny sitrapon’ny Ray amin’ny fanatanterahana ilay drafitra (jereo ny Mosesy 4:2). Noho izany Izy dia voatendry hanatontosa ny Sorompanavotana—ho tonga eto an-tany, hiaritra ny fijaliana noho ny otantsika, ho faty eo amin’ny hazo fijaliana ary hitsangana amin’ny maty. Izy no lasa “Zanakondry [nalatsa-dra] hatry ny fanorenana izao tontolo izao” (Apokalypsy 13:8; jereo koa ny 1 Petera 1:19–20; Mosesy 7:47).
Ny Sorompanavotana no fanehoam-pitiavana faratampon’ny Raintsika any an-danitra ho antsika (jereo ao amin’i Jaona 3:16). Fanehoam-pitiavana lehibe nasehon’ny Mpamonjy ho an’ny Ray sy ho antsika koa izany (jereo ao amin’i Jaona 14:28–31; 15:9–13; 1 Jaona 3:16; F&F 34:3; 138:1–4).
Ny Antony Ilantsika ny Sorompanavotana
Samy mandova ny vokatry ny Fahalavoana daholo ny olon-drehetra amin’ny maha-taranak’i Adama sy i Eva antsika. Samy miaina ny fahafatesana ara-panahy daholo isika, noho isika tsy eo anatrehan’Andriamanitra, ary samy mandalo ny fahafatesana ara-batana koa, izay fahafatesan’ny vatantsika (jereo ny Almà 42:6–9; F&F 29:41–42).
Ao anatin’izany toetry ny fahalavoantsika izany dia miatrika fanoherana sy fakam-panahy isika. Rehefa mirotsaka ao anatin’ny fakam-panahy isika dia mampanalavitra ny tenantsika amin’Andriamanitra ary tsy mahazo ny Voninahiny (jereo ny Romana 3:23).
Ny fahamarinana mandrakizay dia mitaky ny fijanonan’ny vokatry ny Fahalavoana eo ary tsaraina amin’ireo fahadisoana nataontsika isika. Raha tsy nisy ny Sorompanavotana dia ho nipetraka ho sakana tsy misy fanafana teo amintsika sy Andriamanitra ny fahafatesana ara-panahy sy ara-batana. Satria tsy afaka ny hanavotra ny tenantsika amin’ny Fahalavoana na amin’ny otantsika manokana isika dia hisaraka mandrakizay amin’ny Raintsika any an-danitra, satria “tsy misy zavatra tsy madio afaka mitoetra … eo anatrehany” (Mosesy 6:57).
Ny hany lalana hahafahantsika ho voavonjy dia amin’ny alalan’ny fanavotan’ny olona iray antsika. Mila olona izay afaka ny hanonitra ny zavatra takian’ny fahamarinana isika—mijoro eo amin’ny toerantsika mba hizaka ny vesatry ny Fahalavoana ary hanonitra ny saran’ny otantsika. I Jesoa Kristy irery ihany no hany nanana ny hery hanaovana sorona toy izany hatrizay.
I Jesoa Kristy, Ilay Hany Fanantenantsika
Efa talohan’ny Fahariana ny tany ny Mpamonjy no hany fanantenantsika amin’ny “fiadanana eo amin’ ity izao tontolo izao ity ary fiainana mandrakizay any amin’ ny tontolo ho avy” (F&F 59:23).
Izy no hany nanana ny fahefana hanolotra ny Ainy sy haka izany indray. Nandova ny fahafatesana avy tamin’i Maria, izay reniny mety maty, Izy. Nandova ny fahefana handresena ny fahafatesana tamin’ny alalan’ny Rainy tsy mety maty Izy. Nanambara Izy hoe: “Fa tahaka ny Ray manana fiainana ho Azy, dia tahaka izany koa ny Zanaka nomeny hanana fiainana ho Azy” (Jaona 5:26).
Izy no hany afaka manavotra antsika amin’ny otantsika. Nanome Azy izany fahefana izany ny Ray (jereo ny Helamàna 5:11). Afaka nandray izany fahefana izany ny Mpamonjy ary nanatontosa ny Sorompanavotana satria niaro ny tenany tamin’ny fahotana Izy: “Nalaim-panahy Izy saingy tsy nilefitra tamin’ireny” (F&F 20:22). Tsy teo ambanin’ny fitakian’ny fahamarinana Izy satria niaina fiainana tonga lafatra, tsy nisy ota. Afaka nandoa ny trosa ho an’ireo izay mibebaka Izy satria nanana ny fahefan’ny fanavotana ary satria tsy nanana trosa onerana eo anatrehan’ny fahamarinana. Afaka miteny Izy hoe:
“Ray ô, indro ny fijaliana sy ny fahafatesan’ Ilay tsy nanota, izay nankasitrahanao tokoa; indro ny ran’ ny Zanakao izay nalatsaka, ny ran’ Ilay nomenao mba hahazoana mankalaza Anao;
“Noho izany Ray ô, dia tsimbino ireto rahalahiko ireto izay mino ny anarako, mba hahazoany manatona Ahy ary manana ny fiainana maharitra mandrakizay” (F&F 45:4–5).
Marina tokoa fa “tsy hisy anarana hafa omena na làlan-kafa na fomba izay mety hahatongavan’ ny famonjena amin’ ny zanak’ olombelona, afa-tsy ao Aminy sy amin’ ny alalan’ ny anaran’ i Kristy ihany, Ilay Tompo Tsitoha” (Môsià 3:17).
Ilay Sorompanavotana
Tao amin’ny Sahan’i Getsemane sy teo amin’ny hazo fijaliana tao Kalvary no nitranga ilay sorompanavotana nataon’i Jesoa. Tao Getsemane no nanekeny ny sitrapon’ny Ray ary nanombohany nitondra teo Aminy ny fahotan’ny olon-drehetra. Nanambara ny sasantsasany tamin’ireo zavatra niainany teo am-panonerana ny saran’ny otantsika Izy:
“Fa indro, Izaho Andriamanitra dia efa nijaly tamin’ireo zavatra rehetra ireo ho an’ny rehetra, mba tsy hahatonga azy ireo hijaly raha mibebaka;
“Nefa raha tsy mety mibebaka izy ireo dia tsy maintsy mijaly tahaka Ahy;
“Fijaliana izay nahatonga ny Tenako, Ilay Andriamanitra, Ilay lehibe indrindra noho ny rehetra, hangovitra noho ny fangirifiriana sy hivoa-dra amin’ny mason-koditra rehetra ary hijaly na vatana na fanahy---ary niriko ny mba tsy hisotroako ilay kapoaka mangidy sy hitakemotra---
“Kanefa, voninahitra anie ho an’ ny Ray, ary nosotroiko izany ary novitaiko izay efa nomaniko ho an’ ny zanak’ olombelona” (F&F 19:16–19; jereo koa ao amin’i Lioka 22:44; Môsià 3:7).
Nitohy nijaly noho izany fahotantsika izany ny Mpamonjy rehefa namela ny tenany ho homboana—“nahantona teo amin’ ny hazo fijaliana Izy sy novonoina noho ny fahotan’ izao tontolo izao” (1 Nefia 11:33).
Namela ny tenany ho faty teo amin’ny hazo fijaliana Izy. Napetraka tao amin’ny fasana avy eo ny vatany mandrapitsangany tamin’ny maty ary mandrapahatonga Azy “ho santatr’izay efa nodi-mandry” (1 Korintiana 15:20). Tamin’ny alalan’ny fahafatesany sy ny fitsanganany tamin’ny maty no nandreseny ny fahafatesana ara-batana ho antsika rehetra. Nilaza Izy taty aoriana hoe:
“Tonga teo amin’ izao tontolo izao Aho mba hanao ny sitrapon’ ny Raiko, satria ny Raiko no naniraka Ahy.
“Ary naniraka Ahy ny Raiko mba hahazoana manandratra Ahy eo amin’ ny hazofijaliana; ary taorian’ ny efa nanandratana Ahy teo amin’ ny hazofijaliana, dia ny mba hahazoako misintona ny olon-drehetra aty Amiko, ka toy ny efa nanandratan’ ny olona Ahy, dia toy izany koa no hanandratan’ ny Ray ny olona hijoro eo anoloako mba hotsaraina amin’ ny asany, na tsara izany na ratsy—
“Ary noho izany antony izany no efa nanandratana Ahy; koa, araka ny fahefan’ ny Ray, dia hosintoniko ny olon-drehetra hankaty Amiko mba ho azo tsaraina araka ny asany izy ireo.
“Ary ny zavatra hitranga dia na zovy na zovy no mibebaka sy atao batisa amin’ ny anarako dia ho henika; ary raha maharitra hatramin’ ny farany izy, dia indro, izy no hotanako tsisy tsiny eo anoloan’ ny Raiko amin’ io andro io rehefa hitsangana Aho hitsara izao tontolo izao” (3 Nefia 27:13–16).
Fanavotana amin’ny Fahalavoana Ho an’izao tontolo izao
Nanavotra ny olon-drehetra tamin’ny vokatry ny Fahalavoana i Jesoa Kristy tamin’ny alalan’ny Sorompanavotana. Ireo olona rehetra izay niaina teto an-tany hatrizay ka hatramin’izao sy izay mbola hiaina eto an-tany dia hitsangana amin’ny maty ary hiverina eo anatrehan’Andriamanitra mba ho tsaraina (jereo ny 2 Nefia 2:5–10; Helamàna 14:15–17). Handray ny fanomezan’ny tsy fahafatesana isika rehetra ary hiaina mandrakizay ao amin’ny vatana feno voninahitra sy nitsangana tamin’ny maty tamin’ny alalan’ny fanomezan’ny famindram-po sy fahasoavana manavotra avy amin’ny Mpamonjy.
Famonjena amin’ny Fahotantsika
Tompon’andraikitra amin’ny otantsika isika na dia voavotra tsy misy fepetra amin’ilay vokatry ny Fahalavoana zakain’ny rehetra aza. Kanefa afaka ny ho voavela sy ho voadio amin’ireo pentimpentin’ny otantsika isika raha toa ka “[m]ampiha[tra] ny ran’ ny sorompanavotan’ i Kristy” (Môsià 4:2). Isika dia tokony hampihatra ny finoana an’i Jesoa Kristy, hibebaka, hatao batisa ho an’ny famelan-keloka ary handray ny fanomezana ny Fanahy Masina. Nanoro hevitra i Almà hoe:
“Tsy maintsy mibebaka ary ateraka indray ianareo; satria milaza ny Fanahy fa raha tsy ateraka indray ianareo, dia tsy afaka mandova ny fanjakan’ ny lanitra; koa avia ary aoka hatao batisa ho amin’ ny fibebahana, mba hahazoana manasa anareo amin’ ny fahotanareo, mba hahazoanareo manana finoana ny Zanakondrin’ Andriamanitra, izay manaisotra ny fahotan’ izao tontolo izao, izay mahery ka mahavonjy sy mampahadio amin’ ny tsy fahamarinana rehetra” (Almà 7:14).
Ny Fanomezana ny Fiainana Mandrakizay
Nanambara ny Mpamonjy fa ny fiainana mandrakizay dia “fanomezana lehibe indrindra amin’ ny fanomezan’ Andriamanitra rehetra” (F&F 14:7). Ny fahazoana ny fiainana mandrakizay dia midika hoe mendrika ny hitoetra eo anatrehan’Andriamanitra, sy mandova toerana iray any amin’ny ambaratonga avo indrindra ao amin’ny fanjakana selestialy. Izany fanomezana izany dia tsy azo raha tsy avy amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy irery ihany. Hoy i Môrmôna hoe: “Ary inona no hantenainareo? Indro, lazaiko aminareo fa hanana fanantenana ianareo amin’ ny alalan’ ny sorompanavotan’ i Kristy sy ny herin’ ny fitsanganany amin’ ny maty mba hatsangana ho amin’ ny fiainana mandrakizay, ary izany dia noho ny finoanareo Azy araka ny fampanantenana” (Môrônia 7:41).
Tsy maintsy mahafeno fepetra maromaro isika mba hahazoana izany fanomezana izany. Tsy maintsy mampihatra ny finoana an’i Jesoa Kristy, mibebaka amin’ny fahotantsika ary maharitra amim-pahatokiana hatramin’ny farany isika. Tsy maintsy mandray ireo ôrdônansin’ny famonjena isika: batisa, ny fanomezana ny Fanahy Masina, fanendrena amin’ny Fisoronana Melkizedeka (ho an’ny lehilahy), ary ny fanafiana masina any amin’ny tempoly sy ny famehezana ny fanambadiana. Amin’ny alalan’ny fandraisana ireo ôrdônansy ireo sy amin’ny fitandremana ny fanekempihavanana mifandray amin’izany no hanatonantsika an’i Kristy ary farany mandray ny fanomezan’ny fiainana mandrakizay (jereo ny Fanekem-pinoana 1:3).
Ao anatin’ilay fahamarinany sy ny famindram-pony tsy misy fetra, ny Tompo dia manome koa ny fiainana mandrakizay an’ “ireo rehetra izay efa maty tsy nanana fahalalana ity filazantsara ity, izay ho nandray izany raha navela hitoetra” ary ireo “ankizy rehetra izay maty alohan’ ny hahatongavany amin’ ny taona maha-tompon’ andraikitra” (F&F 137:7, 10).
Manasa antsika rehetra handray ny fiainana mandrakizay ny Mpamonjy: “Mandefa fanasana ho an’ ny olona rehetra Izy, fa ny sandrin’ ny famindram-po dia mitolotra ho azy, ary hoy Izy: Mibebaha dia handray anareo Aho. Eny, hoy Izy: Mankanesa aty Amiko, ary hihinana amin’ ny voan’ ny hazon’ aina ianareo; eny, hihinana sy hisotro maimaimpoana amin’ ny mofo sy ny ranon’ aina ianareo” (Almà 5:33–34).
Mahita Fiadanana sy Fahasitranana amin’ny alalan’ny Sorompanavotana
Maharitra mandritra ny mandrakizay ireo fitahiana avy amin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy kanefa afaka ny ho azo eto amin’ity fiainana ity koa izany. Rehefa manatona an’i Kristy ianao dia hahafantatra ny fifaliana avy amin’ny fahatsapana ho madio eo anatrehan’ny Tompo. Afaka ny hilaza ireo tenin’i Almà ianao, izay, taorian’ny fahotana sy fikomiana lehibe, dia niaina ny dingan’ny fibebahana izay nangirifiry kanefa nitondra fanasitranana. Taorian’ny nahazoany famelan-keloka dia nijoro ho vavolombelona izy:
“Tsy nety nahatsiaro intsony ny fanaintainako; eny, tsy norotidrotehan’ ny fahatsiarovana ny fahotako intsony aho.
“Ary ô, endrey fifaliana, ary endrey hazavana mahagaga no hitako; eny, ny fanahiko dia feno fifaliana izay nihoa-pampana toy izay fanaintainako izay!
“… Fa tsy ho nety nisy na inona na inona mafy sy mangidy tokoa toy izay fanaintainako izay. … Fa amin’ny lafiny ilany dia tsy mety hisy na inona na inona mahafinaritra sy mamy tokoa toy izay fifaliako izay” (Almà 36:19–21).
Ankoatry ny fanolorana fanavotana noho ny fanaintainana avy amin’ny ota dia manolotra fiadanana mandritra ny fotoam-pisedrana koa ny Mpamonjy. Tafiditra ao anatin’ny Sorompanavotana nataon’i Jesoa ny fitondrany ho eo Aminy ny fanaintainana, sy ny aretina ary ny rofin’ny olona rehetra (jereo Almà 7:11–12). Fantany tsara ny fijaliantsika satria efa niaina izany koa Izy. Fantany ny fomba hanampiana anao ao anatin’izany fahatakarana tonga lafatra izany. Afaka manolotra “ny fanahianareo rehetra [ianareo]; fa Izy no miahy anareo” (1 Petera 5:7).
Amin’ny alalan’ny finoanao sy ny fahamarinan-toetranao ary amin’ny alalan’ny Sorompanavotany no hanonerana sy handaminana tanteraka ireo fiangarana, sy ratra ary fanaintainana rehetra eto amin’ny fiainana. Ireo fitahiana tsy voaray eto amin’ity fiainana ity dia homena any amin’ny fiainana mandrakizay. Na dia tsy hanamaivana ny fanaintainanao rehetra aza Izy ankehitriny dia hanome anao fampaherezana sy fahatakarana ary tanjaka “[hitondrany] mora foana ny enta-mavesany” (Môsià 24:15).
“Mankanesa atỳ amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana” (Matio 11:28). Tamin’ny fotoana iray hafa dia nampanantena indray ny fiadanany Izy, rehefa niteny hoe: “Aty amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao” (Jaona 16:33). Ireo no fampanantenana avy amin’ny Sorompanavotana, eto amin’ity fiainana ity sy mandritra ny mandrakizay.