Helo
Miresaka mikasika ny helo amin’ny fomba roa farafahakeliny ireo fanambaran’ny andro farany. Voalohany, izany dia anarana iray hafa iantsoana ny tranomaizin’ny fanahy, toerana iray any amin’ny tontolon’ny fanahy aorian’ny fahafatesana izay ho an’ireo “izay maty tao amin’ ny fahotany, tsy nahalala ny fahamarinana, na tao anatin’ny fandikan-dalàna rehefa nandà ireo mpaminany” (F&F 138:32). Izany dia toe-javatra mandritra ny fotoana voafetra ihany izay hampianarana ny filazantsara an’ireo fanahy ary hananan’izy ireo fahafahana hibebaka sy hanaiky ny ôrdônansin’ny famonjena izay tanterahana ho azy ireo any amin’ny tempoly (jereo ny F&F 138:30–35). Ireo izay manaiky ny filazantsara dia afaka mitoetra ao amin’ny paradisa mandrapahatongan’ny Fitsanganana amin’ny maty. Aorian’ny fitsanganan’izy ireo amin’ny maty sy ny fitsarana azy ireo dia handray ny voninahitra izay sahaza azy izy ireo. Ireo izay misafidy ny tsy hibebaka kosa kanefa tsy zanaky ny fahaverezana dia hijanona ao amin’ny tranomaizin’ny fanahy mandrapahatongan’ny Arivotaona, izay hamahana azy ireo avy ao amin’ny helo sy ny fanasaziana ary hitsanganany amin’ny maty ho ao amin’ny voninahitra telestialy (jereo ny F&F 76:81–85).
Faharoa, ny teny hoe:helo dia ampiasaina mba hilazana ilay haizim-pito, izay toerana iainan’ny devoly, sy ny anjeliny ary ny zanaky ny fahaverezana (jereo ny F&F 29:36–38; 76:28–33). Ireo zanaky ny fahaverezana dia ireo izay tsy nandray “famelana na eo amin’ izao tontolo izao na any amin’ ny tontolo ho avy—Satria efa nandà ny Fanahy Masina izy ireo rehefa avy nandray izany ary efa nandà ny Zanaka Lahitokan’ ny Ray sady efa nanombo Azy ary namela Azy halam-baraka mibaribary” (F&F 76:34–35; jereo koa ny 76:31–33, 36–37). Ny olona toy izany dia tsy handova toerana any amin’izay fanjakam-boninahitra misy. Hijanona ao amin’ny helo izy ireo (jereo ny F&F 76:38; 88:24, 32).