Fahalavoana
Tao amin’ny Sahan’i Edena Andriamanitra dia nandidy hoe: “Ny hazo rehetra eo amin’ ny saha dia azonao ihinanana malalaka, fa ny hazon’ ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia tsy hihinananao, kanefa dia mahazo mifidy ho an’ ny tenanao ianao satria omena anao izany; saingy tsarovy fa mandrara izany Aho, fa amin’ ny andro izay ihinananao aminy dia ho faty marina tokoa ianao” (Mosesy 3:16–17). Noho i Adama sy i Eva tsy nanaja izany didy izany ary nihinana ny voan’ny hazon’ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia noroahina tsy ho eo anatrehan’ny Tompo izy ireo (jereo ny F&F 29:40–41). Amin’ny teny hafa dia hoe niharan’ny fahafatesana ara-panahy izy ireo. Lasa olona mety maty koa izy ireo—tsy maintsy handalo ny fahafatesana ara-batana. Antsoina hoe fahalavoana izany fahafatesana ara-panahy sy ara-batana izany.
Ny Toetry ny Fahalavoana Ao Amintsika
Amin’ny maha-taranak’i Adama sy i Eva antsika dia mandova ny toetry ny fahalavoana isika mandritra izao fiainana eto an-tany izao (jereo ny Almà 42:5–9, 14). Nosarahina tsy ho eo anatrehan’ny Tompo isika ary tsy maintsy mandalo fahafatesana ara-batana. Apetraka koa ao anatin’ny toe-javatra ahitana ny fifanoherana isika, izay hizahana ny toetrantsika manoloana ireo olan’ny fiainana sy ireo fakam-panahin’ny fahavalo (jereo ny 2 Nefia 2:11–14; F&F 29:39; Mosesy 6:48–49).
Ao anatin’izany toetry ny fahalavoana izany dia misy fifanoherana ao anatintsika. Fanahy zanak’Andriamanitra isika ary manana fahafahana ny “ho tonga mpiray amin’ny fomban’Andriamanitra” (2 Petera 1:4). Kanefa, “tsy mendrika eo anoloan’[Andriamanitra isika]; noho ny fahalavoana dia efa zary ratsy lalandava ny toetrantsika” (Etera 3:2). Mila miezaka lalandava ny handresy ireo firehetampo sy faniriana ratsy isika.
Nilaza ny Mpanjaka Benjamina raha namerina ny tenin’ny anjely iray, hoe: “Fa ny olona araka ny nofo dia fahavalon’ Andriamanitra, ary efa toy izany hatramin’ ny fahalavoan’ i Adama.” Nampitandrina ny Mpanjaka Benjamina fa ao anatin’izany maha olona araky ny nofo, na ao anatin’ny toetry ny fahalavoana izany dia ho lasa fahavalon’Andriamanitra mandrakizay ny olona tsirairay “raha tsy manaiky ny fitaoman’ ny Fanahy Masina izy ary manaisotra ny maha olona araka ny nofo azy sy tonga olomasina amin’ ny alalan’ ny sorompanavotan’ i Kristy Tompo, ary tonga tahaka ny ankizy, mankatò, malemy paika, manetry tena, miaritra, feno fitiavana, vonona hanoa amin’ ny zava-drehetra izay hitan’ ny Tompo fa mety ampitondraina azy, dia tahaka ny zaza manoa an-drainy” (Môsià 3:19).
Ireo Tombontsoa avy amin’ny Fahalavoana
Lafiny iray manan-danja ao amin’ny drafitry ny famonjen’ny Ray any an-danitra ny Fahalavoana (jereo ny 2 Nefia 2:15–16; 9:6). Izany dia mandray roa—sady mampidina nefa koa mampandroso. Ankoatra ny fitondrana ny fahafatesana ara-panahy sy ara-batana dia nanome antsika fahafahana ny ho teraka eto an-tany izany ary hianatra sy hivoatra. Amin’ny alalan’ny fampiasantsika amim-pahamarinana ny fahafahana misafidy sy ny fibebahantsika amin-kitsimpo rehefa manota, dia afaka manatona an’i Kristy isika, ary amin’ny alalan’ny Sorompanavotany, dia afaka hiomana handray ny fanomezana ny fiainana mandrakizay. Nampianatra ny mpaminany Lehia hoe:
“Raha tsy nandika lalàna i Adama dia tsy ho lavo izy fa ho tafatoetra kosa tao amin’ ny saha Edena. Ary ny zavatra rehetra izay nohariana dia tsy maintsy ho tafajanona araka ny toetra izay nananany taorian’ ny nahariana azy ireny.
“Ary tsy ho nanan-janaka i [Adama sy i Eva]; noho izany izy ireo dia ho tafajanona tamin’ny toetry ny tsy fananan-tsiny, tsy nanam-pifaliana satria tsy nahalala fahoriana; tsy nanao ny tsara satria tsy nahafantatra ny fahotana.
“Nefa indro fa ny zava-drehetra dia efa natao araka ny fahendren’Ilay mahafantatra ny zava-drehetra.
“Lavo i Adama mba hisian’ny olona; ary misy ny olona mba hahazo fifaliana.
“Ary avy ny Mesia amin’ ny fahafenoan’ ny fotoana mba hahazoany manavotra ny zanak’ olombelona amin’ ny fahalavoana” (2 Nefia 2:22–26; jereo koa ny 2 Nefia 2:19–21, 27).
Naneho ny fankasitrahany noho ireo fitahiana izay azo vokatry ny Fahalavoana i Adama sy i Eva:
“Nisaotra an’ Andriamanitra i Adama sady henika ka nanomboka naminany momba ireo fianakaviana rehetran’ny tany i Adama, nanao hoe: Isaorana anie ny anaran’Andriamanitra fa noho ny nandikako lalàna dia mahiratra ny masoko, ary hanam-pifaliana aho eo amin’ity fiainana ity ary ao amin’ny nofoko indray no hahitako an’Andriamanitra.
“Ary nandre izany zavatra rehetra izany i Eva vadiny ka faly, nanao hoe: Raha tsy nandika lalàna isika dia tsy ho nanana taranaka na oviana na oviana, ary tsy ho nahafantatra ny tsara sy ny ratsy na oviana na oviana, sy ny fifaliana noho ny fanavotana antsika ary ny fiainana mandrakizay izay omen’ Andriamanitra ho an’ ny mpankatò rehetra” (Mosesy 5:10–11).
Fanavotana avy amin’ny Fahalavoana
Noho ny toetry ny fahalavoana ao amintsika sy ny maha-mety maty antsika ary noho ireo fahotantsika manokana dia i Jesoa Kristy sy ny drafitry ny fanavotana no hany fanantenantsika.
Havotana amin’ny vokatry ny Fahalavoana ny olon-drehetra amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Hitsangana amin’ny maty isika ary hoentina hiverina eo anatrehan’ny Tompo mba hotsaraina (jereo ny 2 Nefia 2:5–10; Almà 11:42–45; Helamàna 14:15–17).
Ankoatry ny fanavotana antsika amin’ny vokatry ny Fahalavoana izay mihatra amin’ny rehetra dia afaka manavotra antsika amin’ireo fahotantsika manokana koa ny Mpamonjy. Amin’ny alalan’ilay toetry ny fahalavoana ao amintsika dia manota sy mampanalavitra ny tenantsika amin’ny Tompo isika, ka mitondra fahafatesana ara-panahy eo amin’ny tenantsika. Hoy ny Apôstôly Paoly hoe: “Fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra” (Romana 3:23). Raha toa ka mijanona ao amin’ny otantsika isika dia tsy afaka ny hitoetra eo anatrehan’Andriamanitra, satria “tsy misy zavatra tsy madio afaka mitoetra … eo anatrehany” (Mosesy 6:57). Soa ihany fa ny Sorompanavotana dia “manatanteraka ny fepetran’ ny fibebahana” (Helamàna 14:18), ka manome fahafahana antsika hahazo ny famelana ny fahotantsika ary hitoetra eo anatrehan’Andriamanitra mandrakizay. Nampianatra i Almà hoe: “Nisy ny fotoana nomena ny olona izay hahazoany mibebaka ao anatin’ izany; noho izany ity fiainana ity dia nanjary fotoana fizahan-toetra; fotoana hiomanana hihaonana amin’ Andriamanitra; fotoana hiomanana ho amin’ ilay toetra tsisy fiafarany izay efa nolazainay, izay aorian’ ny fitsanganan’ ny nodimandry amin’ ny maty” (Almà 12:24).
Fankasitrahana ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy
Tahaka ny tsy faniriantsika hihinan-kanina raha tsy efa noana dia tsy hanam-paniriana tanteraka ny hahazo famonjena mandrakizay koa isika raha tsy efa mahatsapa ny filantsika ny Mpamonjy. Izany fahatsapana izany dia tonga rehefa mitombo ny fahatakarantsika ny Fahalavoana. Nampianatra ny mpaminany Lehia hoe: “[Ao] amin’ ny toetry ny fahaverezana sy ny fahalavoana ny olombelona rehetra, ary ho tafatoetra tao mandrakariva izy raha tsy niantehitra tamin’ Ilay Mpanavotra” (1 Nefia 10:6).