Ireo loharano hafa
Fahafatesana, Ara-panahy


Fahafatesana, Ara-panahy

Ny fahafatesana ara-panahy dia fisarahana amin’Andriamanitra. Mampianatra ny soratra masina fa misy loharano roa ipoiran’ny fahafatesana ara-panahy. Ny loharano voalohany dia ny Fahalavoana, ary ny faharoa dia ny tsy fankatoavantsika.

Nampianatra ny mpaminany Samoela tao amin’ny Bokin’i Môrmôna hoe: “fa ny olombelona rehetra, noho ny fahalavoan’ i Adama, dia nesorina teo anatrehan’ ny Tompo ary heverina ho toy ny maty raha ny amin’ ny zavatra ara-nofo sy ny zavatra ara-panahy” (Helamàna 14:16). Mandritra ny fiainantsika eto an-tany dia tsy miaina eo anatrehan’Andriamanitra isika. Manavotra ny tsirairay amin’ny fahafatesana ara-panahy i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny Sorompanavotana. Nijoro ho vavolombelona i Samoela fa ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty no “manavotra ny olombelona rehetra amin’ ny fahafatesana voalohany—ilay fahafatesam-panahy. … Nefa indro, ny fitsanganan’ i Kristy amin’ ny maty dia manavotra ny olombelona, eny, dia ny olombelona rehetra, sy mitondra azy hiverina eo anatrehan’ ny Tompo” (Helamàna 14:16–17). Nampianatra ny mpaminany Lehia fa noho ny Sorompanavotana dia “hanatona an’ Andriamanitra ny olon-drehetra; koa mijoro eo anoloany ireo mba hotsarainy araka ny fahamarinana sy fahamasinana izay ao Aminy” (2 Nefia 2:10).

Ankoatr’izay ny fahafatesana ara-panahy dia miseho vokatry ny tsy fankatoavantsika. Mahatonga antsika ho tsy madio sy tsy ho afaka ny hiaina eo anatrehan’Andriamanitra ny otantsika (jereo ny Romana 3:23; Almà 12:12–16, 32; Helamàna 14:18; Mosesy 6:57). Manolotra fanavotana antsika amin’izany fahafatesana ara-panahy izany i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny Sorompanavotana, saingy tsy tanteraka izany raha tsy rehefa mampihatra ny finoantsika Azy isika, sy mibebaka amin’ny fahotantsika, ary mankatò ireo fitsipika sy ôrdônansin’ny filazantsara (jereo ny Almà 13:27–30; Helamàna 14:19; Fanekem-pinoana 1:3).