Famelan-keloka
Miresaka mikasika ny famelan-keloka amin’ny fomba roa ny soratra masina. Mandidy antsika hibebaka amin’ny fahotantsika sy hikatsaka famelan-keloka ny Tompo. Mandidy antsika hamela ireo izay nanafintohina na nandratra ny fontsika koa Izy. Tao amin’ny vavaky ny Tompo i Jesoa dia nanoro hevitra antsika mba hangataka ny Ray any an-danitra “[h]amelà ny helo[tsika] tahaka ny namelan[tsika] izay meloka tamin[tsika]” (Matio 6:12).
Mikatsaka Famelan-keloka avy amin’ny Tompo
Enta-mavesatra tokoa ny ota. Miteraka fahavesaran’ny fahatsapana ho meloka izany sy tebitebin’ny fahafantarana fa nanao zavatra nifanohitra tamin’ny sitrapon’ny Raintsika any an-danitra isika. Miteraka nenina lava ny fahafantarantsika fa noho ny fihetsika nataontsika dia mety nandratra ny fon’ny hafa isika ary nanakana ny tenantsika tsy hahazo ireo fitahiana izay efa voaomana fa homen’ny Raintsika antsika.
Noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia afaka mahazo ny famelana ny fahotantsika isika amin’ny alalan’ny fibebahana amin-kitsimpo sy feno. Ny fanotana dia mitondra fahoriana sy fijaliana, kanefa ny famelan-keloky ny Tompo dia mitondra fanamaivanana, fampiononana ary fifaliana. Nampanantena ny Tompo hoe:
“Indro, izay efa nibebaka tamin’ny fahotany, dia izy no voavela ary Izaho Tompo dia tsy mahatsiaro izany intsony” (F&F 58:42).
“Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, dia ho fotsy tahaka ny oram-panala. Na dia mangatrakatraka tahaka ny sily aza, dia ho tahaka ny volon’ondry fotsy” (Isaia 1:18).
Afaka miaina izany fahagagana izany ianao, na mila mibebaka amin’ny ota goavana izany na amin’ireo fahalemena miverimberina isan’andro. Tahaka ny fiangaviana nataon’ny Mpamonjy ireo olona fahiny ihany koa no hiangaviany anao ankehitriny:
“Mankanesa aty Amiko, ianareo rehetra izay mavesatra entana, fa omeko fitsaharana ianareo.
“Raiso ny ziogako ary mianara amiko; fa mora sy malemy fanahy aho ary dia hahita fiadanana ho an’ny fanahinareo ianareo.
“Fa mora ny ziogako ary maivana ny enta-mavesatro” (Matio 11:28–30).
“Tsy mba te hiverina Amiko va ianareo sy hibebaka amin’ ny fahotanareo, ary hiova fo hahazoako manasitrana anareo?
“Eny, lazaiko aminareo marina tokoa, raha mankaty Amiko ianareo dia hanana ny fiainana mandrakizay. Indro, ny sandrin’ ny famindram-poko dia mitsotra aminareo, ary na zovy na zovy no ho avy, dia izy no horaisiko; ary hotahiana ireo izay mankaty Amiko” (3 Nefia 9:13–14).
Mba hahazoana fanazavana mikasika ny fibebahana dia jereo ny “Fibebahana,” pejy 130–35.
Famelana ny Hafa
Ankoatry ny fikatsahana ny famelana ny fahotantsika dia tokony ho vonona ny hamela an-tsitrapo ny hafa koa isika. Nilaza ny Tompo hoe: “Tokony hifamela ianareo; fa izay tsy mamela ny fahadisoan’ ny rahalahiny dia meloka eo anoloan’ ny Tompo; fa mitoetra ao aminy ny fahotana lehibe kokoa. Izaho Tompo dia hamela izay tiako havela heloka, fa takiana aminareo kosa ny hamela ny olon-drehetra” (F&F 64:9–10).
Ao anatin’ireo toe-javatra iainana isan’andro dia azo antoka fa tsy maintsy hisy olona hanao ny tsy mety aminao—indraindray tsy fanahy iniana ary indraindray tena niniana natao. Mora tokoa ny lasa feno fankahalana na tezitra na maniry hamaly faty ao anatin’ny toe-javatra toy izany, kanefa tsy izany no fomban’ny Tompo. Nanoro hevitra ny Mpamonjy hoe: “Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an’izay manenjika anareo” (Matio 5:44). Nampiseho ohatra tonga lafatra mikasika ny famelan-keloka Izy fony teo amin’ny hazo fijaliana. Raha mikasika ireo miaramila Romana izay nanombo Azy dia nivavaka Izy nanao hoe: “Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony” (Lioka 23:34).
Mivavaha hahazo hery hamelana ireo izay nanao ny tsy mety taminao. Esory ny fahatsapana hatezerana, fankahalana, na valifaty. Tadiavo izay zavatra tsara ananan’ny hafa toy izay hifantoka amin’ireo hadisoany sy hampiharihary ny fahalemeny. Avelao Andriamanitra no hitsara ireo fihetsika mandratra fo ataon’ny hafa. Mety ho sarotra ny hanadino ireo ratram-po kanefa afaka manao izany ianao miaraka amin’ny fanampian’ny Tompo. Ho hitanao fa afaka manasitrana ireo ratra lehibe ny famelana heloka, izay manolo ny poizin’ny fifandirana sy fankahalana amin’ny fiadanana sy fitiavana izay Andriamanitra ihany no afaka manome azy.