Fanjakam-boninahitra
Amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia hitsangana amin’ny maty daholo ny olona rehetra (jereo ny Almà 11:42–45). Aorian’ny fitsanganantsika amin’ny maty dia hijoro eo anoloan’ny Tompo isika mba hotsaraina (jereo ny Apokalypsy 20:12; 3 Nefia 27:14). Isika tsirairay avy dia halefa any amin’ny toerana iray izay hipetrahantsika mandrakizay ao anatin’ny fanjakam-boninahitra iray manokana. Nampianatra izany fitsipika izany ny Tompo rehefa niteny hoe: “Ao an-tranon’ny Raiko misy fitoerana maro” (Jaona 14:2).
Misy telo ny fanjakam-boninahitra: ny fanjakana selestialy, ny fanjakana terestrialy ary ny fanjakana telestialy. Ny voninahitra izay holovainao dia hiankina amin’ny halalin’ny fiovam-ponao, izay miseho amin’ny alalan’ny fankatoavanao ny didin’ny Tompo. Hiankina amin’ny fomba izay “nandraisa[nao] ny tenivavolombelon’ i Jesoa” izany (F&F 76:51; jereo koa ny 76:74, 79, 101).
Fanjakana Selestialy
Ny fanjakana selestialy no ambony indrindra amin’ireo fanjakam-boninahitra telo. Ireo izay ao amin’io fanjakana io dia hitoetra mandrakizay eo anatrehan’Andriamanitra Ray sy ny Zanakalahiny Jesoa Kristy. Tokony ho tanjonao izany: ny handova ny voninahitra selestialy ary hanampy ireo hafa handray izany fitahiana lehibe izany koa. Ny tanjona toy izany dia tsy tanteraka indray mandeha. Izany dia vokatry ny fahamarinan-toetra mandritra ny fiainana sy ny fifikirana mafy amin’ny tanjona.
Ny fanjakana selestialy dia toerana nomanina ho an’ireo izay “nandray ny tenivavolombelon’ i Jesoa” ary “natao fanaperana tamin’ ny alalan’ i Jesoa, ilay mpanalalan’ ny fanekempihavanana vaovao izay nanatontosa ity sorompanavotana fanaperana ity tamin’ ny alalan’ ny fandatsahana ny rany ihany” (F&F 76:51, 69). Mba hahafahana mandova izany fanomezana izany dia tsy maintsy mandray ireo ôrdônansin’ny famonjena isika, mitandrina ireo didy ary mibebaka amin’ny fahotantsika. Mba hahazoana fanazavana amin’ny antsipiriany mikasika ireo izay handova ny voninahitra selestialy dia jereo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:50–70, 92–96.
Tamin’ny Janoary 1836, ny Mpaminany Joseph Smith dia nandray fanambarana iray izay nampivelatra ny fahatakarany an’ireo fepetra takiana mba handovana ny voninahitra selestialy. Nisokatra taminy ny lanitra ary nahita ny fanjakana selestialy izy. Talanjona izy rehefa nahita ny zokiny lahy Alvin tao, na dia tsy nandray ny ôrdônansin’ny batisa aza i Alvin talohan’ny nahafatesany. (Jereo ny F&F 137:1–6.) Dia naheno ny feon’ny Tompo ny Mpaminany Joseph avy eo:
“Ireo rehetra izay efa maty tsy nanana fahalalana ity filazantsara ity, izay ho nandray izany raha navela hitoetra, dia ho mpandova ny fanjakana selestialin’ Andriamanitra;
“Ary koa ireo rehetra izay ho faty tsy manana izany fahalalana izany hatramin’ izao, izay ho nandray izany tamin’ ny fony manontolo, dia ho mpandova izany fanjakana izany;
“Fa Izaho Tompo dia hitsara ny olon-drehetra araka ny asany, araka ny fanirian’ ny fony” (F&F 137:7–9).
Rehefa niresaka mikasika izany fanambarana izany ny Mpaminany Joseph dia nilaza hoe: “Ary tazako koa fa ny ankizy rehetra izay maty alohan’ ny hahatongavany amin’ ny taona maha-tompon’ andraikitra azy dia voavonjy ao amin’ ny fanjakana selestialin’ ny lanitra” (F&F 137:10).
Mianatra ihany koa isika avy tamin’ny fanambarana iray hafa nomena ny Mpaminany Joseph fa misy ambaratonga telo ao amin’ny fanjakana selestialy. Mba hahafahana misandratra any amin’ilay ambaratonga avo indrindra sy mba hitohizan’ny fifandraisan’ny fianakaviana mandrakizay dia tsy maintsy miditra amin’ny “fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizain’ ny fanambadiana” isika ary tsy mivadika amin’izany fanekempihavanana izany. Raha lazaina amin’ny fomba hafa dia fepetra iray takiana mba hahazoana ilay ambaratonga avo indrindra ao amin’ny voninahitra selestialy ny fanambadiana any amin’ny tempoly. (Jereo ny F&F 131:1–4.) Ireo rehetra izay mendrika ny hiditra ao amin’ilay fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizain’ ny fanambadiana dia hanana fahafahana hanao izany, na eto amin’ity fiainana ity izany na any amin’ny fiainana ho avy.
Fanjakana Terestrialy
Ireo izay mandova ny voninahitra terestrialy dia “mandray amin’ ny maha-eo ny Zanaka, saingy tsy mandray amin’ ny fahafenoan’ ny Ray. Koa vatana terestrialy ireo fa tsy vatana selestialy, ary hafa ny voninahiny, tahaka ny mahahafa ny volana amin’ ny masoandro” (F&F 76:77–78). Amin’ny ankapobeny dia ireo olom-banona “izay nohajambain’ ny famitahan’ ny olona” no ao amin’ny fanjakana terestrialy (76:75). Izany vondron’olona izany dia ahitana ireo mpikamban’ny Fiangonana izay “tsy maherifo amin’ ny tenivavolombelon’ i Jesoa” (F&F 76:79). Ao koa ireo izay nandà ny fahafahana handray ny filazantsara teto amin’ny fiainana an-tany ity kanefa nandray izany taty aoriana tany amin’ny tontolon’ny fanahy taorian’ny fahafatesana (jereo ny F&F 76:73–74). Mba hahafantarana bebe kokoa mikasika ireo izay handova ny voninahitra terestrialy dia jereo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:71–80, 91, 97.
Fanjakana Telestialy
Ny voninahitra telestialy dia natokana ho an’ireo olona izay “tsy nandray ny filazantsaran’ i Kristy sy ny tenivavolombelon’ i Jesoa” (F&F 76:82). Handray ny voninahiny ireo olona ireo aorian’ny fanavotana azy ao amin’ny tranomaizin’ny fanahy, izay antsoina indraindray hoe helo (jereo ny F&F 76:84, 106). Mba hahazoana fanazavana amin’ny antsipiriany mikasika ireo izay handova ny voninahitra telestialy dia jereo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:81–90, 98–106, 109–112.
Fahaverezana
Hisy olona sasantsasany tsy ho mendrika ny hitoetra na aiza na aiza amin’ireo fanjakam-boninahitra ireo. Izy ireo dia antsoina hoe “zanaky ny fahaverezana” ary tsy maintsy “[h]andray fanjakana izay tsy fanjakam-boninahitra” (F&F 76:32; 88:24). Izany no ho toetran’“ireo rehetra izay mahafantatra ny herin’[Andriamanitra] sy efa natao mpandray anjara tamin’ izany, saingy namela ny tenany ho resin’ ny herin’ ny devoly ka handà ny fahamarinana ary hiantsy ny heri[n’Andriamanitra]” (F&F 76:31; jereo koa ny F&F 76:30, 32–49).