Fisoronana
Ny fisoronana dia ilay hery sy fahefana mandrakizay an’Andriamanitra. Tamin’ny alalan’ny fisoronana no naharian’Andriamanitra ny lanitra sy ny tany ary hitantanany an’izany. Amin’ny alalan’izany fahefana izany no hanavotany sy hanandratany ireo Zanany, ary hanatanterahany ny “tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona” (Mosesy 1:39).
Fahefan’ny Fisoronana Omena ireo Lehilahy eto An-tany
Omen’Andriamanitra ireo lehilahy mendrika mpikamban’ny Fiangonana ny fahefan’ny fisoronana mba izy ireo hanao ny asa amin’ny Anarany ho an’ny famonjena ireo Zanany. Afaka mahazo lalana hitory ny filazantsara sy hanatanteraka ny ôrdônansin’ny famonjena ary hitantana ny fanjakan’Andriamanitra eto an-tany ireo mpihazona ny fisoronana.
Afaka manomboka ny asa fanompoany ao amin’ny fisoronana rehefa feno 12 taona ireo lehilahy mpikamban’ny Fiangonana. Manomboka mihazona ny Fisoronana Aharôna izy ireo ary afaka ny ho mendrika ny hanana ny Fisoronana Melkizedeka izay omena azy ireo aty aoriana. Ao anatin’ireo dingana lalovan’izy ireo eo amin’ny fiainana sy eo am-piomanan’izy ireo handray andraikitra maro samihafa dia mihazona anjara fanompoana samihafa ao amin’ny fisoronana izy ireo, toy ny diakona, mpampianatra na mpisorona ao amin’ny Fisoronana Aharôna sy loholona na mpisorona avo ao amin’ny Fisoronana Melkizedeka. (Mba hahazoana fampahalalana manokana mikasika ireo Fisoronana Aharôna sy Melkizedeka dia jereo ny pejy 157–9 sy 159–60.)
Mba hahafahan’ny lehilahy mpikamban’ny Fiangonana iray mihazona ny fisoronana dia tsy maintsy omen’ny mpihazona ny fisoronana nahazo lalana iray azy izany ary atokana ho amin’ny anjara fanompoana iray ao amin’ny fisoronana izy (jereo ny Hebreo 5:4; F&F 42:11; Fanekem-pinoana 1:5).
Na dia amin’ireo lehilahy mpikamban’ny Fiangonana izay mendrika ihany aza no androtsahana ny fahefan’ny fisoronana dia natao ho an’ny rehetra—lehilahy, vehivavy ary ankizy ny tsodranon’ny fisoronana. Samy mahazo tombontsoa amin’ny fitarihan’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana marin-toetra isika rehetra, ary samy manana ny fahafahana handray ireo ôrdônansin’ny famonjena azo avy amin’ny fisoronana koa isika rehetra.
Ny Fisoronana sy ny Fianakaviana
Eo anivon’ny fianakaviana no fampiharana lehibe indrindra ny fisoronana. Tokony hiezaka ny ho mendrika hihazona ny Fisoronana Melkizedeka ny vady sy ny ray tsirairay ato am-piangonana. Miahy amim-pahamarinana sy amim-pitiavana, ary manompo toy ny mpitarika ara-panahin’ny fianakaviana izy miaraka amin’ilay vadiny izay mpiara-miasa mitovy lenta aminy. Mitarika ny fianakaviana hanao ny vavaka, fandalinana ny soratra masina ary takarivan’ny mpianakavy tsy tapaka izy. Miara-miasa amin’ny vadiny izy mba hampianarana ireo ankizy sy hanampiana azy ireo hiomana handray ny ôrdônansin’ny famonjena (jereo ny F&F 68:25–28). Manome tsodranon’ny fisoronana mba hahazoana fitarihana, fahasitranana ary fankaherezana izy.
Maro ireo mpikambana no tsy manana mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka mahatoky eo anivon’ny tokantranony. Kanefa amin’ny alalan’ny asa fanompoana ataon’ireo mpampianatra isan-tokantrano sy mpitarika ao amin’ny fisoronana dia afaka mahazo ireo fitahiana avy amin’ny herin’ny fisoronana eo amin’ny fiainany izy ireo.
Ireo Kôlejin’ny Fisoronana
Ny kôlejin’ny fisoronana iray dia vondrona narindra ahitana rahalahy izay mitovy ny anjara fanompoan’ny fisoronana hazonin’izy ireo. Ireo tanjona fototry ny kôlejy dia ny hanompo ny hafa, hanorina firaisan-kina sy firahalahiana, ary hifampianatra ny fotopampianarana, sy ny fitsipika ary ny adidy.
Ahitana kôlejy ao amin’ny ambaratonga rehetra ao amin’ny firafitry ny Fiangonana. Ny Filohan’ny Fiangonana sy ny mpanolotsainy dia mandrafitra ny Kôlejin’ny Fiadidiana Voalohany. Ny Apôstôly Roambinifololahy koa dia mandrafitra kôlejy iray. Voarafitra ao anatin’ny kôlejy koa ireo Fitopololahy, na ireo Manampahefana Ambony na ireo Manampahefan’ny Vondrom-paritra. Ny filohan’ny tsatòka tsirairay dia miahy kôlejin’ny mpisorona avo iray, izay hivondronan’ny mpisorona avo rehetra eo amin’ny tsatòka. Manana ny kôlejin’ny loholona, mpisorona, mpampianatra ary diakona ny paroasy sy sampana tsirairay raha ny tokony ho izy. Misy mpisorona avo izay avondrona koa eo anivon’ny paroasy, izay manompo ao amin’ny vondron’ny mpisorona avo.
Fampianarana Isan-tokantrano
Ireo mpihazona ny fisoronana dia manana fahafahana sy andraikitra ny hanompo ho mpampianatra isan-tokantrano manomboka amin’ny fotoana hanendrena azy ao amin’ny anjara fanompoan’ny mpampianatra. Amin’ny alalan’izay fomba izay no hanaovan’izy ireo asa hanatanterahana ny adidin’izy ireo mba “hitandrina mandrakariva ireo mpikambana ao amin’ ny fiangonana, ary ny miaraka amin’ izy ireo sy ny manatanjaka azy” (F&F 20:53).
Ny mpampianatra isan-tokantrano dia manana adidy masina mba ho loharano voalohany ao amin’ny Fiangonana hanampy ny olona tsirairay sy ireo fianakaviana. Mitsidika ireo fianakaviana nasaina niandraiketany izy ireo farafahakeliny indray mandeha isam-bolana. Rehefa manompo sy mitsidika ireo mpikambana nasaina niandraiketany izy ireo dia manohana ny ray aman-dreny eo amin’ny adidin’izy ireo, mampianatra ny filazantsara ny olona ao amin’ny fianakaviana tsirairay, mampivelatra ny finamanana ary manampy ireo mpikambana hiomana handray ny ôrdônansin’ny tempoly sy hiaina mba ho mendrika ireo fitahian’ny filazantsara.
Ataon’ireo mpitarika ao amin’ny paroasy sy sampana izay hisian’ ny mpampianatra isan-tokantrano miandraikitra ny fianakaviana tsirairay na ny olona tsirairay. Mangataka tatitra avy amin’ireo mpampianatra isan-tokantrano izy ireo mba hanomezana izay zavatra ilain’ireo mpikambana tsirairay ara-panahy sy ara-nofo.
Ireo Fanalahidin’ny Fisoronana
Ny fampiasana ny fahefan’ny fisoronana ato am-piangonana dia eo ambany fitantanan’ireo izay mihazona ny fanalahidy (jereo ny F&F 65:2; 124:123). Ireo izay manana ny fanalahidin’ny fisoronana dia manana ny zo hiahy sy hitantanana ny Fiangonana eo amin’ny faritra iadidiany. Ohatra, mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana ny eveka izay ahafahany miahy ny paroasiny. Noho izany, rehefa misy ankizy iray ao amin’izany paroasy izany vonona ny hatao batisa, dia tsy maintsy mahazo lalana avy amin’ny eveka ilay olona hanao batisa ilay zaza.
Mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana rehetra i Jesoa Kristy. Nomeny an’ireo Apôstôliny ireo fanalahidy izay ilaina amin’ny fitantanana ny Fiangonany. Ny Apôstôly ela indrindra irery ihany, ny Filohan’ny Fiangonana izany, no afaka mampiasa (na manome lalana olona iray mba hampiasa) ireo fanalahidy entina hitantanana ny Fiangonana iray manontolo (jereo ny F&F 43:1–4; 81:2; 132:7).
Manome ireo fanalahidin’ny fisoronana an’ireo mpitarika hafa ao amin’ny fisoronana ny Filohan’ny Fiangonana mba hahafahan’izy ireo miahy ao amin’ny sehatra iadidian’ izy ireo. Ireo fanalahidin’ny fisoronana dia omena ireo filohan’ny tempoly, filohan’ny misiôna, filohan’ny tsatòka, filohan’ny distrika, eveka ary filohan’ny sampana. Mihazona ireo fanalahidy mandra-pisaorana azy fotsiny ny olona iray izay manompo eo amin’ireo antso ireo. Tsy mandray fanalahidy ireo mpanolotsaina, kanefa omena fahefana sy andraikitra izy ireo amin’ny alalan’ny antso sy ny asa nampiandraiketina.
Fampiasana Amim-pahamarinana ny Fisoronana
Raha toa ianao ka mpihazona ny fisoronana dia tsarovy fa tokony ho zavatra ao anatinao amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny toe-java-misy rehetra ny fisoronana. Tsy toy ny palitao lava akory izany ka azonao anaovana na esorina rehefa tianao. Ny fanendrena ao amin’ny anjara fanompoan’ny fisoronana dia antso hanaovana asa fanompoana mandritra ny fiainana, miaraka amin’ny fampanantenana fa ny Tompo dia nisafidy anao hanao ny Asany araky ny fahatokianao.
Tokony ho mendrika ianao mba hahafahanao handray sy hampiasa ny fahefan’ny fisoronana. Misy fiantraikany eo amin’ny fahafahanao manompo ireo teny lazainao sy ireo fihetsika ataonao isan’andro. Tokony tsy hisy tomika ireo fihetsika asehonao ampahibemaso. Ary ireo fihetsikao any amin’ny toerana manokana iray aza dia tena manan-danja kokoa. Nanambara tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith ny Tompo fa “ireo zon’ ny fisoronana dia mifamatotra tsy azo sarahina amin’ ny herin’ ny lanitra, ary ny herin’ ny lanitra dia tsy azo fehezina na ampiasaina raha tsy araka ireo fitsipiky ny fahamarinana” (F&F 121:36). Nampitandrina ireo mpihazona ny fisoronana Izy hoe:
“Kanefa rehefa miezaka ny hanafina ny fahotantsika isika, na ny hampanarana ny fiavonavonantsika sy ny hambom-pontsika poaka aty, na ny hampiasa fifehezana na fanjakazakana na fanerena amin’ ny fanahin’ ny zanak’ olombelona, na manao ahoana na manao ahoana ampahan’ ny tsy fahamarinana amin’ izany, dia indro, misintona ny lanitra; malahelo ny Fanahin’ ny Tompo; ary rehefa misintona izany, dia Amena ho an’ ny fisoronana na ny fahefan’ izany lehilahy izany. Indro, mialohan’ ny ahatsapany dia efa tavela ho irery izy” (F&F 121:37–38).
Tsy afaka manana fahefana na hery mitarika ao amin’ny fisoronana ianao raha tsy “amin’ ny fandresen-dahatra, ny fahari-po, ny hatsaram-panahy sy ny hamoram-po ary ny fitiavana tsy mihatsaravelatsihy; amin’ ny halemem-panahy sy ny fahalalana madio izay mampivoatra fatratra tokoa ny fanahy, tsy misy fihatsarambelatsihy sy tsy misy fitaka.” Raha toa ianao ka “entanin’ny Fanahy Masina” hanitsy olona iray, dia mampisehoa aorian’izany “fitiavana sesehena amin’ ilay nitsinao, fandrao heveriny ho fahavalony ianao; mba hahafantarany fa ny fahatokianao dia mahery kokoa noho ny famatoran’ ny fahafatesana” (F&F 121:41–43).
Hahita fifaliana amin’ny fanompoana amin’ny maha-fitaovana eo am-pelatanan’Andriamanitra anao ianao rehefa mampiasa ny fisoronana amim-pahamarinana sy amim-pitiavana. Hoy Izy hoe:
“Aoka ny kibonao koa ho feno fiantrana ny olon-drehetra sy ny mpianakavin’ ny finoana, ary aoka handravaka tsy an-kijanona ny eritreritrao ny hatsaram-panahy; dia hihamahery ny fahatokian-tenanao eo anatrehan’ Andriamanitra; ary ny fotopampianaran’ ny fisoronana dia hitsika ao amin’ ny fanahinao toy ny ando avy any an-danitra.
“Ny Fanahy Masina no ho namanao lalandava, ary ho tehim-piandrianan’ny fahamarinana sy ny marina ka tsy hiovaova ny tehim-piandriananao; ary ny fanapahana dia ho fanapahana maharitra mandrakizay, ary tsy mitady fitaovam-pamoretana no hikorianany mankany aminao mandrakizay mandrakizay” (F&F 121:45–46).