Mpaminany
Amin’ny maha-mpikamban’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany antsika dia nomena fitahiana mba ho tarihin’ireo mpaminany velona isika—lehilahy entanim-panahy nantsoina hiteny amin’ny anaran’ny Tompo, tahaka an’i Mosesy, Isaia, Petera, Paoly, Nefia, Môrmôna, ary ireo mpaminany hafa ao amin’ny soratra masina. Manohana ny Filohan’ny Fiangonana ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara isika—ilay hany olona tokana eto an-tany mandray fanambarana hitarihana ny Fiangonana manontolo. Tohanantsika ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara ihany koa ireo mpanolotsaina ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ireo mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.
Toy ireo mpaminany fahiny koa dia mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy mampianatra ny filazantsarany ireo mpaminany ankehitriny. Mampahafantatra ny sitrapon’Andriamanitra sy ny tena toetoetrany marina izy ireo. Miteny amim-pahasahiana sy mazava izy ireo, ary manameloka ny ota sy mampitandrina ny vokatr’izany. Misy fotoana mety ho entanin’ny fanahy izy ireo haminany ireo zavatra hitranga amin’ny hoavy ho tombontsoantsika.
Afaka mahatoky hatrany ireo mpaminany velona ianao. Ny fampianaran’izy ireo dia mifanaraka amin’ny sitrapon’ny Tompo izay nanambara hoe: “Izay efa noteneniko Izaho Tompo dia efa noteneniko, ary tsy manalady ny tenako Aho; ary na dia levona aza ny lanitra sy ny tany, ny teniko dia tsy ho levona fa ho tanteraka avokoa, na amin’ ny alalan’ ny feoko na amin’ ny alalan’ ny feon’ ny mpanompoko, dia iray ihany izany” (D&C 1:38).
Ny fahazoanao fiarovana lehibe indrindra dia miankina tanteraka amin’ny fanarahana amin’ny fomba hentitra ny tenin’ny Tompo izay nomeny tamin’ny alalan’ny Mpaminaniny, indrindra avy tamin’ny Filohan’ny Fiangonana ankehitriny. Mampitandrina ny Tompo fa ireo izay tsy miraharaha ny tenin’ny mpaminany velona dia ho lavo (jereo ny F&F 1:14–16). Mampanantena fitahiana lehibe ho an’ireo izay manaraka ny Filohan’ny Fiangonana Izy:
“[Mampandria] sofina amin’ny teny sy ny didiny rehetra izay homeny anareo araka ny andraisany azy ireny, amin’ny fandehanana amin’ny fahamasinana tanteraka eo anoloako;
“Fa ny teniny dia horaisinareo toa ireny avy amin’ny vavako ireny, amin’ny faharetana sy ny finoana rehetra.
“Fa amin’ ny fanaovana ireny zavatra ireny, ny vavahadin’ny helo dia tsy haharesy anareo; eny, ary ny Tompo Andriamanitra dia hampihanaka ny herin’ny haizina eo anoloanareo ary hampihozongozona ny lanitra mba ho soa ho anareo sy ho voninahitry ny anarany” (F&F 21: 4–6).