Ireo loharano hafa
Fitsanganana amin’ny maty


Fitsanganana amin’ny maty

Noho ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva dia tsy maintsy handalo ny fahafatesana ara-batana isika, izay fisarahan’ny fanahy amin’ny vatana. Amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia hitsangana amin’ny maty ny olon-drehetra —ka ho voavonjy amin’ny fahafatesana ara-batana (jereo ny 1 Korintiana 15:22). Ny fitsanganana amin’ny maty dia ny fitambaran’ny fanahy amin’ny vatana amin’ny endriny tonga lafatra sy tsy mety maty, ary tsy hiharan’ny aretina na fahafatesana intsony (jereo ny Almà 11:42–45).

Ny Mpamonjy no olona nitsangana tamin’ny maty voalohany teto an-tany. Ahitana tantara maro izay mijoro ho vavolombelona fa nitsangana avy tao am-pasana Izy ao amin’ny Testamenta Vaovao (jereo ny Matio 28:1–8; Marka 16:1–14; Lioka 24:1–48; Jaona 20:1–29; 1 Korintiana 15:1–8; 2 Petera 1:16–17).

Rehefa niseho tamin’ireo Apôstôliny ny Tompo izay efa nitsangana tamin’ny maty dia nampiany izy ireo hahatakatra fa manana vatana nofo sy taolana Izy. Hoy Izy hoe: “Izahao ny tanako sy ny tongotro, fa Izaho no Izy; tsapao Aho, ka jereo, fa ny matoatoa tsy mba manana nofo sy taolana tahaka izao ahitanareo ahy izao” (Lioka 24:39). Niseho tamin’ireo Nefita koa Izy taorian’ny fitsanganany tamin’ny maty (jereo ny 3 Nefia 11:10–17).

Amin’ny fotoan’ny fitsanganana amin’ny maty dia “hotsaraina araka ny asa[ntsika isika] … Hoentina hijoro eo anoloan’ Andriamanitra isika, mahafantatra tahaka ny ahafantarantsika ankehitriny ary manana ny fitadidiana mazava ny hadisoantsika rehetra” (Almà 11:41, 43). Hiankina amin’ny fahatokiantsika ny voninahitra mandrakizay izay ho raisintsika. Na dia hitsangana amin’ny maty daholo aza ny olon-drehetra dia ireo izay nanatona an’i Kristy irery ihany sy nandray ny fahafenoan’ny Filazantsara ihany no handova ny fisandratana ao amin’ny fanjakana selestialy.

Ny fahatakarana sy ny fijoroana ho vavolombelona mikasika ny fitsanganana amin’ny maty dia afaka mitondra fanantenana ho anao sy fomba fijery manokana rehefa miatrika ireo fanamby sy fitsapana ary fahombiazana eo amin’ny fiainana. Ianao dia afaka mahita fankaherezana ao anatin’ny fananana antoka fa velona ny Mpamonjy ary amin’ny alalan’ny Sorompanavotany dia “[n]anapatapaka ny famatoran’ ny fahafatesana Izy, hany ka tsy hanam-pandresena ny fasana, ary ny fanindronan’ ny fahafatesana dia hatelina ao amin’ ny fanantenana ny voninahitra” (Almà 22:14).