Ireo Fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy
Ireo Fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy dia fitahiana na fahaiza-manao izay nomena tamin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina. Manome farafaharatsiny iray amin’ireo fanomezam-pahasoavana ireo amin’ny mpikambana mahatokin’ny Fiangonana Andriamanitra. Rehefa mandray ireo fanomezam-pahasoavana ireo ianao dia hampatanjaka sy hitahy anao manokana ary hanampy anao hanompo ny hafa izany. (Jereo ny F&F 46:8–12.) Mampianatra mikasika fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy maro ny soratra masina:
-
Fahafantarana “fa i Jesoa Kristy no zanak’ Andriamanitra, fa nohomboana Izy noho ny fahotan’ izao tontolo izao” (F&F 46:13).
-
Ny fahafahana hino ny tenin’ ireo izay mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy (jereo ny F&F 46:14).
-
Fahafantarana ny “maha-samihafa ny asa fanompoana” (F&F 46:15; jereo koa ny 1 Korintiana 12:5). Ity fanomezam-pahasoavana ity dia ampiasaina amin’ny fitantanana sy fitarihana ny Fiangonana.
-
Fahafantarana ny “maha-samihafa ny asa,” izay manampy antsika hamantatra raha avy amin’Andriamanitra na avy amin’ny loharano hafa ny fampianarana na hevi-misarika iray (F&F 46:16; jereo koa ny 1 Korintiana 12:6–7).
-
Ny fanomezam-pahasoavan’“ny tenin’ny fahendrena” (1 Korintiana 12:8; F&F 46:17). Tsy ilazana ilay lalàna izay fantatsika amin’ny hoe ny Tenin’ny Fahendrena akory izany. Fa kosa ilay fanomezam-pahasoavan’ny fahendrena—ny fahaizana mampiasa ny fahalalana amim-pahamarinana.
-
Ny fanomezam-pahasoavan’“ny tenin’ny fahalalana” (1 Korintiana 12:8; F&F 46:18).
-
Ny fahafahana mampianatra amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina (jereo ny Môrônia 10:9–10; jereo koa ny F&F 46:18).
-
Ny fanomezam-pahasoavan’ny finoana (jereo ny 1 Korintiana 12:9; Môrônia 10:11).
-
Ny fanomezam-pahasoavana “hanana finoana ny ho sitrana” (F&F 46:19).
-
Ny fanomezam-pahasoavana “hanana finoana ny hanasitrana” (F&F 46:20; jereo koa ny 1 Korintiana 12:9; Môrônia 10:11).
-
“Ny fahavitana fahagagana” (1 Korintiana 12:10; F&F 46:21; jereo koa ny Môrônia 10:12).
-
Ny fanomezam-pahasoavan’ny faminaniana (jereo ny 1 Korintiana 12:10; Môrônia 10:13; F&F 46:22). Nampianatra i Jaona Malalany fa “ny filazana an’i Jesosy no fanahin’ny faminaniana” (Apokalypsy 19:10).
-
“Ny fahitana anjely sy ny fanahin’ ny fanompoana” (Môrônia 10:14).
-
“Famantarana ireo fanahy” (1 Korintiana 12:10; F&F 46:23).
-
Ny fanomezam-pahasoavana hiteny amin’ny fiteny maro, na amin’ny fiteny tsy fantatra (jereo ny 1 Korintiana 12:10; Môrônia 10:15; F&F 46:24).
-
Ny fanomezam-pahasoavana “[h]andika fiteny tsy fantatra” (1 Korintiana 12:10; F&F 46:25; jereo koa ny Môrônia 10:16).
Ireo fanomezam-pahasoavan’ny fanahy ireo na ireo hafa voatanisa ao amin’ny soratra masina dia ohatra vitsivitsy ihany amin’ireo fanomezam-pahasoavan’ny fanahy maro. Mety hitahy anao amin’ny fomba hafa ny Tompo miankina amin’ny fahatokianao sy ny zavatra ilainao ary ny zavatra ilain’ireo tompoinao. Nandidy antsika hiasa amim-pahazotoana Izy mba hahafahantsika mahazo fanomezam-pahasoavan’ny fanahy:
“Koa mitandrema fandrao voafitaka ianareo; ary mba tsy hahavoafitaka anareo, dia katsahonareo fatratra tokoa ny fanomezam-pahasoavana tsara indrindra ka tsarovy mandrakariva ny antony anomezana azy ireny;
“Fa lazaiko aminareo marina tokoa, omena ireny ho tombontsoan’ ireo izay tia Ahy sy mitandrina ny didiko rehetra, ary izay mikatsaka ny hanao izany; mba hahazo tombontsoa ny rehetra izay mikatsaka na izay mangataka Amiko” (F&F 46:8–9; jereo koa ny 46:26).