Ady
Nilaza ny Tompo fa amin’ny andro farany dia hisy “ady sy filazana ady; ary ho ao anaty korontana ny tany manontolo, ary ho reraka ny fon’ ny olona” (F&F 45:26).
Amin’ny maha-mpikamban’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany antsika dia olon’ny fandriampahalemana isika. Manaraka ny Mpamonjy isika izay Andrian’ny Fiadanana. Miandrandra ny fitarihany amim-boninahitra ny Arivotaona isika, izay hifaranan’ny ady ary hamerenana eto an-tany ny fiadanana (jereo ny Isaia 2:4). Kanefa, dia mahafantatra isika fa eto amin’izao tontolo izao dia mandefa vondron-tafika hiady sy hiaro ny fireneny sy ny hevitra ijoroany indraindray ireo mpitondra fanjakana.
Ireo Olomasin’ny Andro Farany ao amin’ny tafika dia tsy tokony hahatsapa ho toy ny very hevitra ihany eo amin’ny fanompoany ny fireneny sy ny Andriamaniny. Ao am-piangonana dia “mino ny fanoavana ny mpanjaka isika, ny filoha, ny mpanapaka ary ny mpitsara, amin’ ny fankatoavana, ny fanajana ary ny fanohanana ny lalàna” (Fanekem-pinoana 1:12). Mampiseho fanoloran-tena amin’ity fitsipika ity ny firotsahana ho miaramila.
Raha toa ka voantso handeha hiady ny Olomasin’ny Andro Farany dia afaka maka tahaka ny ohatry ny Kapiteny Môrônia izy ireo, ilay mpitarika tafika lehibe ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Na dia mpiady matanjaka aza izy dia “tsy mba finaritra tamin’ ny fandatsahan-dra” (Almà 48:11). “Niorina mafy tao amin’ ny finoana an’ i Kristy,” ary ny hany antony hiadiany dia “ny hiaro ny olony, ny zony sy ny faritaniny ary ny fivavahany” (Almà 48:13). Raha tsy maintsy mandeha miady ny Olomasin’ny Andro Farany dia tokony handeha ao anatin’ny fananana ny fanahin’ny fahamarinana sy ny fahitsian-toetra izy, miaraka amin’ny faniriana ny hanao ny tsara. Tokony handeha miaraka amin’ny fitiavana an’ireo zanak’Andriamanitra rehetra ao am-pony izy ireo, ka ao anatin’izany ireo mpifanandrina etsy ankilany. Avy eo, raha toa ka takiana ny handatsahan’izy ireo ra dia tsy ho raisina ho toy ny ota izany.