Fitsaohana
Ny atao hoe fitsaohana an’Andriamanitra dia ny manolotra Azy ny fitiavanao, ny fanajanao, ny asa fanompoanao sy ny fanoloran-tenanao. Nandidy an’i Mosesy ny Tompo hoe: “Derao Andriamanitra fa Izy irery ihany no hotompoinao” (Mosesy 1:15). Amin’ity fotoampitantanana ity dia nandidy Izy ny “Ho tia ny Tompo Andriamanitrao amin’ ny fonao rehetra, amin’ ny herinao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny tanjakao rehetra ianao; ary hanompo Azy amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy” (F&F 59:5). Raha toa ka mametraka olona na zavatra iray ambonin’ny fitiavanao an’Andriamanitra ianao dia mampihatra fitsaohana diso, na manompo sampy (jereo ny Eksodosy 20:3–6).
Ny vavaka no fomba iray ahafahanao mitsaoka ny Ray. Nampianatra an’ i Helamàna zanakalahiny i Almà hoe: “Italahoy Andriamanitra ho an’ ny fivelomanao rehetra; eny, aoka ny ataonao rehetra mba ho an’ny Tompo, ary na aiza na aiza alehanao, aoka mba ho ao amin’ ny Tompo izany; eny, aoka ny eritreritrao rehetra hafantoka amin’ ny Tompo; eny, aoka ny fitiavan’ ny fonao hapetraka amin’ ny Tompo mandrakizay” (Almà 37:36).
Tokony hanatrika ireo fivoriam-piangonana amin’ny toetra feno fitsaohana ianao. Nandidy ny Tompo hoe: “Ary mba hahazoanao miaro tanteraka kokoa ny tenanao tsy ho voapentimpetin’ izao tontolo izao, dia handeha ho any amin’ ny trano fivavahana ianao ary hanatitra ny fanati-pisaoranao amin’ ny androko masina; satria marina tokoa fa izany no andro voatendry ho anao hitsaharanao amin’ ny asanao ary hanatanterahanao ny fanompoana ny Avo Indrindra” (F&F 59:9–10).
Ny fandraisana anjara amin’ireo ôrdônansin’ny fisoronana koa dia tafiditra ao anatin’ny fitsaohana ataonao. Rehefa mandray amim-panajana ny fanasan’ny Tompo sy mandeha any amin’ny tempoly ianao dia hahatsiaro sy hitsaoka ny Rainao any an-danitra ary haneho fankasitrahana ny Zanakalahiny, i Jesoa Kristy.
Ho fanampin’ny fanehoana ivelany ny fitsaohana dia tokony hanana toetra feno fitsaohana hatrany ianao na aiza toerana alehanao ary amin’ny zavatra rehetra ataonao. Nampianatra ity fitsipika ity tamin’ny vondron’olona izay voaroaka teo amin’ny toerana fitsaohany i Almà. Nampiany izy ireo hahita fa ny fitsaohana marina dia tsy voafetra hoe iray andro ao anatin’ny herinandro ihany no hanaovana azy (jereo ny Almà 32:11). Teo am-piresahana tamin’ireo vondron’olona ireo ihany dia namporisika azy ireo “[hitsaoka] an’ Andriamanitra, na aiza na aiza toerana mety hisy [azy ireo] amin’ ny fanahy sy ny fahamarinana” i Amioleka mpiara-mitory tamin’i Almà (Almà 34:38).