Toko 16
Hamangy ny hafa amin’ny ondry very amin’i Isiraely i Jesoa—Amin’ny andro farany dia handeha any amin’ny Jentilisa ary avy eo dia any amin’ny mpianakavin’i Isiraely ny filazantsara—Hahita mifanatri-maso ny vahoakan’ny Tompo rehefa mamerina indray an’i Ziona Izy. Tokony ho 34 taona taorian’i Kristy.
1 Ary lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa Izaho dia manana ondry hafa izay tsy avy amin’ity tany ity, na avy amin’ny tanin’i Jerosalema, na avy amin’ny faritry ny tany manodidina izay efa nalehako mba hampianatra.
2 Fa ireo izay resahiko dia ireo izay tsy mbola nandre ny feoko; tsy mbola naneho na oviana na oviana ny tenako taminy Aho.
3 Nefa efa nandray ny didy avy tamin-dRaiko Aho handehanako any aminy mba handrenesany ny feoko ary handraisana azy ho isan’ny ondriko, mba hisian’ny vala iray sy ny mpiandry iray; koa andeha Aho haneho ny tenako aminy.
4 Ary mandidy anareo Aho hanoratanareo ireto teny ireto rehefa lasa Aho, fa raha toa ka ny oloko ao Jerosalema, ireo izay efa nahita Ahy sy niaraka tamiko tao amin’ny asa fanompoako no tsy manontany ny Ray amin’ny anarako mba hahazoany mandray fahalalana ny aminareo amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, ary koa ny amin’ny foko hafa izay tsy fantany ny aminy, dia ireto teny izay hosoratanareo ireto no hotehirizina sy haseho ny Jentilisa, ka amin’ny alalan’ny fahafenoan’ny Jentilisa, ny sisa tavela amin’ny taranany, izay haely patrana eran’ny lafin-tany noho ny tsy finoany dia ho azo averina na ho azo entina ho amin’ny fahalalana Ahy, Mpanavotra azy.
5 Ary amin’izany Aho dia hanangona azy avy amin’ny vazan-tany efatra; dia hotanterahiko ny fanekempihavanana izay efa nataon’ny Ray tamin’ny vahoaka rehetra amin’ny mpianakavin’i Isiraely.
6 Ary hotahiana anie ny Jentilisa noho ny finoany Ahy, ao sy amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, izay mijoro ho vavolombelona aminy ny Amiko sy ny amin’ny Ray.
7 Indro, noho ny finoany Ahy, hoy ny Ray, ary noho ny tsy finoanao, Ry mpianakavin’i Isiraely, amin’ny andro farany dia ho tonga any amin’ny Jentilisa ny marina, ka ny fahafenoan’ireo zavatra ireo dia hampahafantarina azy.
8 Nefa, hoy ny Ray, lozan’ny tsy mpino amin’ny Jentilisa—fa na dia teo aza ny efa nahatongavany teo amin’ity lafin-tany ity sy ny nanelezany ny vahoakako izay avy amin’ny mpianakavin’i Isiraely; ary ny vahoakako izay avy amin’ny mpianakavin’i Isiraely dia efa noroahina hiala avy teo anivony sy efa nohosihoseny tamin’ny tongotra;
9 Ary noho ny famindram-pon’ny Ray amin’ny Jentilisa ary koa ny fitsaran’ny Ray teo amin’ny vahoakako izay avy amin’ny mpianakavin’i Isiraely, dia lazaiko aminareo marina dia marina tokoa, fa taorian’izany rehetra izany, ary efa nataoko ny hikapohana sy ny hampahoriana, ary ny hamonoana sy ny handroahana ny vahoakako izay avy amin’ny mpianakavin’i Isiraely, hiala avy teo anivony, ka hahatonga azy ho hankahalainy, ary hanjary ho fanaraby sy ho faneso eo aminy—
10 Ary dia izao no andidian’ny Ray holazaiko anareo: Amin’ny andro izay hanotan’ny Jentilisa amin’ny filazantsarako sy hitsipahany ny fahafenoan’ny filazantsarako ary hahatafasondrotany ao amin’ny avonavon’ny fony ho ambonin’ny firenena rehetra sy ho ambonin’ny vahoaka rehetra amin’ny tany manontolo, ary hahafeno azy amin’ny karazana lainga sy fitaka ary hasomparana rehetra, ary ny karazana fihatsarambelatsihy, sy ny vonoan’olona, ary ny komiberaky ny mpisorona sy ny fijangajangana ary ny fahavetavetana an-tsokosoko rehetra; ary raha manao ireo zavatra rehetra ireo izy sy hitsipaka ny fahafenoan’ny filazantsarako dia indro, hoy ny Ray, hoentiko hiala avy teo anivony ny fahafenoan’ny filazantsarako.
11 Ary amin’izany Aho dia hahatsiaro ny fanekempihavanana izay efa nataoko tamin’ny oloko, Ry mpianakavin’i Isiraely, ary hoentiko any aminy ny filazantsarako.
12 Ary dia hasehoko anao, Ry mpianakavin’i Isiraely, fa tsy hanam-pahefana aminao ny Jentilisa; fa hotsarovako kosa ny fanekempihavanako taminao, Ry mpianakavin’i Isiraely, ary ho tonga amin’ny fahalalana ny fahafenoan’ny filazantsarako ianao.
13 Nefa raha mibebaka sy miverina Amiko ny Jentilisa, hoy ny Ray, dia indro horaisina ho isan’ny oloko izy, Ry mpianakavin’i Isiraely.
14 Ary Izaho tsy hamela ny oloko, izay avy amin’ny mpianakavin’i Isiraely handeha hamakivaky eo anivony sy hanosihosy azy, hoy ny Ray.
15 Nefa raha tsy mitodika Amiko izy ary tsy mihaino ny feoko, Izaho dia hamela azy, eny, Izaho dia hamela ny oloko, Ry mpianakavin’i Isiraely, mba handehanany mamakivaky eo anivony sy hanosihoseny azy, ary ho tahaka ny sira izay efa very tsiro izy ka tsy misy ilana azy intsony fa hariana kosa eny ivelany, ary dia hohosihosen’ny vahoaka amin’ny tongotra izy, Ry mpianakavin’i Isiraely.
16 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa, izao no efa nandidian’ny Ray Ahy—dia ny hanomezako ity tany ity ho an’ity vahoaka ity ho lovany.
17 Ary amin’izany dia ho tanteraka ny tenin’i Isaia mpaminany, izay manao hoe:
18 Ny mpitilinao hanandra-peo; hampiara-peo izy ireo ka hihira, fa izy ireo dia hahita mifanatri-maso rehefa hampodian’ny Tompo indray i Ziona.
19 Velomy ny hoby, miaraha-mihira ianareo ry toerana rava ao Jerosalema; fa ny Tompo efa nampionona ny olony, efa nanavotra an’i Jerosalema Izy.
20 Ny Tompo efa nampitanjaka ny sandriny masina teo imason’ny firenena rehetra; ary ny faran’ny tany rehetra hahita ny famonjen’ Andriamanitra.