Toko 4
Nandresy ny jirik’i Gadiantôna ny miaramila Nefita—Novonoina i Gidiania ary nahantona i Zemnarià mpandimby azy—Nankalaza ny Tompo ny Nefita noho ny fandreseny. Tokony ho 19–22 taona taorian’i Kristy.
1 Ary ny zava-nitranga tamin’ny tapany farany ny taona fahavalo ambin’ny folo, dia efa niomana ho amin’ny ady ireo miaramilan’ny jirika ireo ary nanomboka nidina sy nisovoka an-tselika avy tamin’ny vohitra, sy avy tany an-tendrombohitra, ary ny tany foana sy ny toeram-pamaharany ary ny toera-miafiny, ary nanomboka nandray ny fizakana ny tany izay tao amin’ny tany atsimo sy izay tao amin’ny tany avaratra, ary nanomboka nandray ny fizakana ny tany rehetra izay efa nilaozan’ny Nefita, sy ny tanàna rehetra izay efa navela ho aolo.
2 Nefa indro, tsy nisy bibidia na remby tamin’ireo tany izay efa nilaozan’ny Nefita ireo, ary tsy nisy remby ho an’ny jirika afa-tsy tany an-tany foana.
3 Ary tsy afaka nivelona afa-tsy tany an-tany foana ny jirika, noho ny filàna hanina; satria efa navelan’ny Nefita ho aolo ny taniny, ary efa nanangona ny biby fiompiny sy ny fananany rehetra izy, ka nivondrona ho tena iray.
4 Koa tsy nisy fomba ho an’ny jirika hambaboina sy hahazoana hanina, afa-tsy ny fivoahana hiady an-kitsirano amin’ny Nefita; ary nivondrona ho tena iray ny Nefita sy efa tonga maro an’isa tokoa ary efa nanokana vatsy ho an’ny tenany sy ny soavaly ary ny biby fiompy isan-karazany mba hahazoany mivelona mandritra ny fito taona, dia fotoana izay nanantenany ny hamongorana ny jirika teo amin’ny lafin-tany; ary dia toy izany no nahalasanan’ny taona fahavalo ambin’ny folo.
5 Ary ny zava-nitranga, tamin’ny taona fahasivy ambin’ny folo dia nahita i Gidiania fa nilaina ny handehanany miakatra hiady amin’ny Nefita, fa tsy misy lalana izay hahafahany mivelona raha tsy amin’ny famaboana sy ny fandrobana ary ny famonoana olona.
6 Ary tsy sahiny ny niparitaka eran’ny lafin-tany ka ho afaka mamboly voa, fandrao hisovoka azy ny Nefita sy handripaka azy; noho izany i Gidiania dia nanome baiko ny miaramilany tamin’io taona io ny handehanany miakatra hiady amin’ny Nefita.
7 Ary ny zava-nitranga dia nandeha niakatra izy mba hiady; ary izany dia tamin’ny volana fahenina; ary indro, lehibe sy mahatahotra ny andro izay niakarany mba hiady; ary nisikina izy araka ny fomban’ny jirika; ary nanana hodi-janak’ondry izy teo amin’ny valahany ary nitentina ra sy nokakasana ny lohany, ary nanana satro-by izy; ary lehibe sy mahatahotra ny endriky ny miaramilan’i Gidiania, noho ny akanjo aro tenany sy noho izy nitentina ra.
8 Ary ny zava-nitranga, nony nahita ny endriky ny miaramilan’i Gidiania ny miaramilan’ny Nefita, dia lavo tamin’ny tany avokoa izy, ary nanandratra ny fitalahoany tamin’ny Tompo Andriamaniny mba hitsimbinany azy sy hanafahany azy amin’ny tanan’ny fahavalony.
9 Ary ny zava-nitranga, nony nahita izany ny miaramilan’i Gidiania, dia nanomboka nihiaka tamin’ny feo mahery izy, noho ny fifaliany, satria efa noheveriny fa ny Nefita dia lavo tamin’ny tany noho ny horohoron’ny miaramilany.
10 Saingy tamin’izay toe-javatra izay dia diso fanantenana izy fa tsy natahotra azy ny Nefita; fa natahotra an’ Andriamaniny kosa izy ary nitalaho Taminy ho fiarovana; koa nony nirohotra nankeny aminy ny miaramilan’i Gidiania, dia efa niomana izy ny hifanandrina taminy; eny, tamin’ny herin’ny Tompo no nandraisany azy.
11 Ary nanomboka tamin’io volana fahenina io ny ady; ary lehibe sy nahatsiravina ny ady tamin’izany, eny, lehibe sy nahatsiravina ny fandripahana tamin’izany, hany ka tsy nisy na oviana na oviana fandripahana lehibe toy izany fantatra teo anivon’ny vahoakan’i Lehia rehetra hatramin’ny nandaozany an’i Jerosalema.
12 Ary na dia teo aza ny fandrahonana sy ny fianianana izay efa nataon’i Gidiania dia indro, nandresy azy ny Nefita, hany ka nihemotra teo anoloany izy.
13 Ary ny zava-nitranga dia nodidian’i Gidgidônia ny hanenjehan’ny miaramilany azy hatrany amin’ny sisintanin’ny tany foana sy ny tsy hitsitsiany izay mety hianjera eo an-tanany eny an-dalana; ary dia toy izany no nanenjehany azy sy nandringanany azy, hatrany amin’ny sisintanin’ny tany foana mandra-pahatanterahany ny didin’i Gidgidônia.
14 Ary ny zava-nitranga, i Gidiania izay efa nijoro sy niady tamim-pahasahiana dia nenjehina raha nandositra; ary reraka izy noho izy niady fatratra ka tratra sy novonoina. Ary dia toy izany no niafaran’i Gidiania, ilay jiolahy.
15 Ary ny zava-nitranga dia niverina indray tany amin’ny toerany azo antoka ny miaramilan’ny Nefita. Ary ny zava-nitranga dia lasana izany taona fahasivy ambin’ny folo izany ary ny jirika dia tsy niverina indray mba hiady; sady tsy niverina koa izy tamin’ny taona faharoapolo.
16 Ary tamin’ny taona fahiraika amby roapolo dia tsy niakatra izy mba hiady fa niakatra kosa avy tamin’ny lafiny rehetra izy mba hanao fahirano sy hanemitra manodidina ny vahoakan’i Nefia; satria noheveriny fa raha hosarahiny amin’ny taniny ny vahoakan’i Nefia sy hotemeriny amin’ny lafiny rehetra izy, ary raha hosarahiny aminy ny tombontsoany rehetra ety ivelany izy, dia ho azony atao ny mampikoa ny nahiny azy araka ny faniriany.
17 Ankehitriny dia efa notendreny ny mpitondra iray hafa ho azy, izay i Zemnarià no anarany; noho izany dia i Zemnarià no nanao izay hahatanteraka ity fahirano ity.
18 Nefa indro izany dia nanjary tombony ho an’ny Nefita; fa tsy azon’ny jirika atao ny manao fahirano maharitra ela tokoa ka mety hanana fiantraikany amin’ny Nefita, noho ny vatsiny betsaka izay efa nangoniny hotehirizina,
19 Ary noho ny tsy fahampian’ny vatsy teo anivon’ny jirika; satria indro, tsy nanana na inona na inona afa-tsy hena izy ho fivelomany, dia hena azony tany an-tany foana;
20 Ary ny zava-nitranga dia nanjary nahalana ny bibidia tany an-tany foana, hany ka efa nila ho fatin’ny hanoanana ny jirika.
21 Ary ny Nefita dia nandeha nivoaka tsy tapaka na andro na alina, sy nisovoka ny miaramilany ary nijinja an’arivony sy an’aliny taminy.
22 Ary dia toy izany no nahatonga ny fanirian’ny olon’i Zemnarià hanatsoaka ny fikasany, noho ny famongorana lehibe izay nihatra taminy na andro na alina.
23 Ary ny zava-nitranga dia nanome baiko ny olony i Zemnarià hiesoran’ny tenany amin’ny fahirano sy handehanany mankamin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany andafiavaratra.
24 Ary ankehitriny, rehefa nahalala ny amin’ny fikasany i Gidgidônia ary nahafantatra ny amin’ny fahalemeny noho ny filany hanina sy ny fandripahana lehibe izay efa nihatra taminy, dia nandefa ny miaramilany izy tamin’ny andro alina sy nanapaka ny lalana hihemorany ary nametraka ny miaramilany tamin’ny lalana hihemorany.
25 Ary izany dia nataony tamin’ny andro alina, ary tonga tany ankoatra ny jirika ny diany, hany ka ny ampitso, rehefa nanomboka ny diany ny jirika, dia nifandafaran’ny miaramilan’ny Nefita teo alohany sy tao aoriana izy.
26 Ary ny jirika izay tao atsimo dia nosarahina koa tamin’ny toerana hiemorany. Ary ireo zavatra rehetra ireo dia vita noho ny baikon’i Gidgidônia.
27 Ary nisy an’arivony maro no nitolo-batana ho babo tamin’ny Nefita, ary ny sisa taminy dia novonoina.
28 Ary i Zemnarià mpitondra azy dia nalaina sy nahantona tambony hazo, eny, dia teny an-tendrony mandra-pahafatiny. Ary nony efa nahantony izy mandra-pahafatiny dia nalavony tamin’ny tany ny hazo no nihiaka tamin’ny feo mahery izy hoe:
29 Enga anie ny Tompo ka hitahiry ny olony ao amin’ny fahamarinana sy ao amin’ny fahamasinan’ny fo mba hahazoany mampianjera amin’ny tany izay rehetra mikatsaka ny handripaka azy noho ny hery sy ny tsikombakomba miafina, dia tahaka ny efa nianjeran’ity lehilahy ity tamin’ny tany.
30 Ary izy dia nifaly sy nihiaka tamin’ny feo tokana indray, nanao hoe: Enga anie ny Andriamanitr’i Abrahama sy ny Andriamanitr’i Isaka, ary ny Andriamanitr’i Jakoba hiaro ity vahoaka ity ao amin’ny fahamarinana, raha mbola hiantso ny anaran’ny Andriamaniny izy ho fiarovana.
31 Ary ny zava-nitranga dia nitroatra toy ny olona iray ihany izy rehetra, tamin’ny fihirana sy fankalazana ny Andriamaniny, noho ny zavatra lehibe izay efa nataony ho azy, tamin’ny fitehirizany azy tsy hianjera eo an-tanan’ny fahavalony.
32 Eny, dia niantso izy hoe: Hosana ho an’ Andriamanitra Avo Indrindra. Ary niantso izy hoe: Hotahiana anie ny anaran’ Andriamanitra Tompo Tsitoha, Andriamanitra Avo Indrindra.
33 Ary ny fony dia nivonton-kafaliana ka nirotsaka ny ranomaso be, noho ny halehiben’ny hatsaran’ Andriamanitra tamin’ny nanafahany azy tamin’ny tanan’ny fahavalony; ary nahafantatra izy fa noho ny fibebahany sy ny fanetreny tena no efa nanafahana azy tamin’ny famongorana maharitra mandrakizay.