Ny soratra masina
Almà 24


Toko 24

Tonga nanafika ny vahoakan’ Andriamanitra ny Lamanita—Niravoravo tao amin’i Kristy ny Antia-Nefia-Lehia ary novangian’ny anjely—Nofidiany ny hiaritra fahafatesana toy izay ny hiaro ny tenany—Nihamaro kokoa ny Lamanita niova fo. Tokony ho 90–77 taona talohan’i Kristy.

1 Ary ny zava-nitranga dia ny Amalekita sy ny Amiolônita ary ny Lamanita izay teo amin’ny tanin’i Amiolôna, ary koa teo amin’ny tanin’i Helama sy izay teo amin’ny tanin’i Jerosalema, ary raha fintinina, teo amin’ny tany rehetra manodidina, izay tsy niova fo sy tsy nitondra ny anarana hoe Antia-Nefia-Lehia, no namporisihin’ny Amalekita sy ny Amiolônita ho tezitra hanohitra ny rahalahiny.

2 Ary nanjary nihamafy izaitsizy tokoa ny fankahalany azy, hany ka nanomboka nikomy mihitsy nanohitra ny mpanjakany izy ireo, hany ka tsy tiany intsony ny haha-mpanjakany azy; noho izany dia noraisiny ny fiadiana hanoherana ny vahoakan’ny Antia-Nefia-Lehia.

3 Ankehitriny dia natolotry ny mpanjaka ny zanany ny fanjakana, ary nantsoiny hoe Antia-Nefia-Lehia ny anarany.

4 Ary nodimandry ny mpanjaka tamin’io taona io ihany izay nanombohan’ny Lamanita nanao fiomanana ho amin’ny ady hanoherana ny vahoakan’ Andriamanitra.

5 Ankehitriny nony nahita ny fiomanan’ny Lamanita hamongotra ny rahalahiny i Amôna sy ny rahalahiny ary ireo rehetra izay efa nandeha niakatra niaraka taminy, dia nandeha nankany Midiàna izy ireo, ary tany i Amôna no nihaona tamin’ny rahalahiny rehetra; ary avy tany izy ireo no tonga tany an-tanin’i Ismaela mba hahazoany mifanakalo hevitra miaraka amin’i Lamônia ary koa miaraka amin’i Antia-Nefia-Lehia rahalahiny, ny amin’ny tokony hataony mba hiarovan-tena amin’ny Lamanita.

6 Ankehitriny dia tsy nisy na dia olona iray aza tamin’ny vahoaka rehetra izay efa niova fo ho an’ny Tompo te handray fiadiana hanohitra ny rahalahiny; tsia, tsy tiany na dia ny hanao fiomanana ho amin’ny ady aza; eny, ary nandidy azy koa ny mpanjakany ny tsy tokony hanaovany izany.

7 Ankehitriny dia izao no teny izay nolazainy ny olona momba ity raharaha ity: Misaotra an’ Andriamanitro aho ry vahoaka malalako fa ny Andriamanitsika lehibe tao amin’ny hatsarampony dia efa nandefa ireto Nefita rahalahintsika ireto ho antsika mba hitory amintsika sy handresy lahatra antsika ny amin’ny fomban’ny razantsika mamohehatra.

8 Ary indro, misaotra an’ Andriamanitro lehibe aho fa efa nomeny antsika ny ampahany tamin’ny Fanahiny hanalefaka ny fontsika, hany ka efa nosokafantsika ny fifaneraserana tamin’ireto rahalahy Nefita ireto.

9 Ary indro, misaotra koa an’ Andriamanitro aho fa tamin’ny nisokafan’izao fifaneraserana izao no efa naharesy lahatra antsika ny amin’ny fahotantsika sy ny amin’ny famonoana olona maro izay efa nataontsika.

10 Ary misaotra koa an’ Andriamanitro aho, eny ny Andriamanitro lehibe, fa efa notoviny tamintsika ny hahazoantsika mibebaka amin’ireo zavatra ireo, ary koa fa efa namela antsika tamin’ireo fahotantsika maro Izy sy ny famonoana olona izay efa nataontsika, ary efa nanaisotra ny heloka hiala ny fontsika tamin’ny fahamendrehan’ny Zanany.

11 Ary ankehitriny, indro, ry rahalahiko, satria izay ihany no efa azontsika natao (satria isika no tena very indrindra tamin’ny olombelona rehetra) mba hibebahantsika amin’ny fahotantsika rehetra sy ny famonoana olona maro izay efa nataontsika ary mba hitarihana an’ Andriamanitra hanaisotra ireo hiala ny fontsika, satria izay ihany no azontsika natao mba hibebahantsika marina tokoa eo anoloan’ Andriamanitra ka hanesorany hiala ny pentintsika—

12 Ankehitriny, ry rahalahiko malala tsara indrindra, satria efa nesorin’ Andriamanitra hiala ny pentintsika, ary efa lasa mamirapiratra ny sabatsika, dia aoka isika amin’izany tsy hampihosina intsony ny sabatsika amin’ny ran’ny rahalahintsika.

13 Indro, lazaiko aminareo hoe, Tsia, aoka isika hihazona ny sabatsika mba tsy ho voahosin’ny ran’ny rahalahintsika izany; fa angamba raha mampihosina indray ny sabatsika isika dia tsy ho azo sasana intsony izany ka hamirapiratra amin’ny alalan’ny ran’ny Zanak’ Andriamanitsika lehibe, izay halatsaka ho sorompanavotana noho ny fahotantsika.

14 Ary efa namindra fo tamintsika Ilay Andriamanitra lehibe ary nampahafantatra antsika ireo zavatra ireo tamintsika mba tsy hahafaty antsika; eny, ary efa nampahafantariny mialoha ireo zavatra ireo, satria tia ny fanahintsika Izy ary tia ny zanatsika koa; koa ao amin’ny famindram-pony, dia mamangy antsika Izy amin’ny alalan’ny anjeliny, mba hahazoana mampahafantatra antsika ary koa ny taranaka ho avy ny drafitry ny famonjena.

15 O, endrey ny famindram-pon’ Andriamanitsika! Ary ankehitriny, indro, satria izay ihany no azontsika atao mba hanesorana ny pentintsika hiala amintsika, ary ny sabatsika dia atao mamirapiratra dia aoka isika hanafina azy mba hahafahana mitahiry azy mamirapiratra, ho toy ny vavolombelona amin’ Andriamanitsika amin’ny andro farany, na amin’ny andro izay hitondrana antsika hijoro eo anoloany mba hotsaraina, fa tsy nampihosina ny sabatsika tamin’ny ran’ny rahalahintsika isika hatramin’ny nanomezany ny teniny ho antsika sy ny nanadiovany antsika tamin’izany.

16 Ary ankehitriny ry rahalahiko, raha mitady ny hamongotra antsika ny rahalahintsika, dia indro hanafina ny sabatsika isika, eny, handevina azy lalina ao anaty tany mihitsy isika mba hahazoana mitahiry azy mamirapiratra ho toy ny vavolombelona amin’ny andro farany fa tsy nampiasa azy na oviana na oviana isika; ary raha mamongotra antsika ny rahalahintsika, indro handeha any amin’ Andriamanitsika isika ary ho voavonjy.

17 Ary ankehitriny ny zava-nitranga, rehefa avy namarana ireo filazana ireo ny mpanjaka, ary ny vahoaka rehetra efa vory lanona, dia nalain’izy ireo ny sabany sy ny fiadiana rehetra izay nampiasaina handatsahana ny ran’olona, ary naleviny lalina tao anaty tany izany.

18 Ary izany no nataony dia satria izany, araka ny fijeriny, no vavolombelona amin’ Andriamanitra ary koa amin’ny olona, fa tsy hampiasainy intsony na oviana na oviana ny fiadiana handatsahana ran’olona; ary izany no nataony dia ny hanamarinana sy ny hifanekena amin’ Andriamanitra fa aleony mamoy ny ainy toy izay handatsaka ny ran’ny rahalahiny; ary aleony manome azy amin’ny tanany toy izay haka amin-drahalahiny; ary aleony miasa fatratra tokoa toy izay handany ny androny amin’ny hakamoana.

19 Ary dia toy izany no ahitantsika fa rehefa notarihina hino sy hahalala ny marina ireo Lamanita ireo, dia niorina izy ireo, ary te hiaritra na dia hatrany amin’ny fahafatesana aza toy izay hanao fahotana; ary dia toy izany no ahitantsika fa naleviny ny fiadiany ho an’ny fandriampahalemana, na naleviny ny fiadiana fitondra miady, ho an’ny fandriampahalemana.

20 Ary ny zava-nitranga dia nanao fiomanana ho amin’ny ady ny Lamanita rahalahiny ary tonga niakatra tao an-tanin’i Nefia, ka ny tanjona dia ny handringana ny mpanjaka sy ny hametraka anankiray hafa eo amin’ny toerany ary koa ny handringana ny vahoaka Antia-Nefia-Lehia amin’ny tany.

21 Ankehitriny rehefa nahita ny vahoaka fa tonga izy ireo hanohitra azy, dia nivoaka izy hihaona aminy ary niankohoka tamin’ny tany teo anoloany sy nanomboka niantso ny anaran’ny Tompo; ary dia tao anatin’izany fihetsika izany izy raha nanomboka namatravatra taminy ny Lamanita, ary rafitra namono azy tamin-tsabatra.

22 Ary dia tsisy fanoherana toy izany no namonoany ny dimy sy arivo taminy; ary fantatsika fa hotahiana izy, satria efa lasana izy mba hitoetra miaraka amin’ Andriamaniny.

23 Ankehitriny rehefa nahita ny Lamanita fa tsy te handositra ny sabatra ny rahalahiny, sady tsy nihodivitra na tao an-kavia na tao an-kavanana fa nety nandry kosa sy ho ringana ary nidera an’ Andriamanitra na dia efa handeha hovonoina amin-tsabatra aza—

24 Ankehitriny, rehefa nahita izany ny Lamanita, dia nofeheziny ny tenany tsy hamono azy; ary nisy maro izy ireo no efa nivonto ny fony tao anatiny, noho ireto rahalahiny ireto izay efa nalavon-tsabatra, satria nibebahany ny zavatra izay efa nataony.

25 Ary ny zava-nitranga dia nariany ny fitaovam-piadiany ary tsy tiany horaisina intsony izany, satria voatsindrona izy ireo noho ny famonoana olona izay efa nataony; ary niankohoka tahaka ireo rahalahiny izy ireo, nitoky tamin’ny famindram-pon’ireo izay efa nanainga ny sandriny mba hamono azy ireo.

26 Ary ny zava-nitranga ny isan’izay nikambana tamin’ny vahoakan’ Andriamanitra androtriny dia betsaka kokoa noho ny isan’ireo izay efa voavono; ary ireo izay efa voavono dia olo-marina, noho izany dia tsy misy antony isalasalantsika fa efa voavonjy izy ireny.

27 Ary tsy nisy olon-dratsy iray voavono tamin’izy ireny; saingy nisy nihoatra ny arivo no notarihana ho amin’ny fahalalana ny marina; dia toy izany no ahitantsika fa miasa amin’ny fomba maro ny Tompo ho famonjena ny olony.

28 Ankehitriny ny maro indrindra tamin’ireo Lamanita izay namono ny maro tokoa tamin’ny rahalahiny dia ny Amalekita sy ny Amiolônita; ny maro indrindra tamin’ireo dia araka ny lamin’i Nehôra.

29 Ankehitriny, tamin’ireo izay nikambana tamin’ny vahoakan’ny Tompo, dia tsy nisy na dia iray aza izay Amalekita na Amiolônita, na izay araka ny lamin’i Nehôra, fa izy ireo kosa dia tamingan’i Lamàna sy i Lemoela marina.

30 Ary dia toy izany no ahaizantsika mamantatra tsara tokoa fa ny vahoaka iray, rehefa avy nohazavaina tamin’ny Fanahin’ Andriamanitra indray mandeha, ka efa nanana fahalalana lehibe ny amin’ny zavatra mikasika ny fahamarinana, ary lavo ao amin’ny fahotana sy ny fandikan-dalàna avy eo, dia manjary mafy fo kokoa izy, ary noho izany ny toetrany dia manjary ratsy kokoa noho ny tamin’izy tsy mbola nahalala ireny zavatra ireny.