Ny soratra masina
Môzià 7


Toko 7

Nahita ny tanin’i Lehia-Nefia, izay Limia no mpanjakany, i Amôna—Nandevozin’ny Lamanita ny vahoakan’i Limia—Nitanisa ny tantarany i Limia—Nanambara ny mpaminany iray (i Abinadia) fa i Kristy no Andriamanitra sy Rain’ny zava-drehetra—Ireo izay namafy fahalotoana no hijinja tadio, ary ireo izay nametraka ny fitokiany tao amin’ny Tompo no hafahana. Tokony ho 121 taona talohan’i Kristy.

1 Ary ankehitriny ny zava-nitranga, rehefa nahita fandriampahalemana lalandava nandritry ny telo taona i Môzià mpanjaka, dia naniry izy ny hahalala ny momba ny olona izay nandeha niakatra ka nonina tany an-tanin’i Lehia-Nefia na tao an-tanànan’i Lehia-Nefia; fa tsy nandre na inona na inona momba azy ireny intsony ny vahoakany hatramin’ny fotoana nandaozan’izy ireny ny tanin’i Zarahemlà; noho izany izy dia nanasatra azy tamin’ny fanaovany lemozy.

2 Ary ny zava-nitranga dia navelan’i Môzià mpanjaka ny enina ambin’ny folo tamin’ny lehilahiny matanjaka mba handeha hiakatra any an-tanin’i Lehia-Nefia mba hanadihady ny momba ny rahalahiny.

3 Ary ny zava-nitranga dia nanomboka nandeha niakatra izy ireo ny ampitso, ka niaraka taminy ilay antsoina hoe Amôna, ary izy dia lehilahy matanjaka sy mahery ary tamingan’i Zarahemlà; ary izy koa no mpitondra azy ireo.

4 Ary ankehitriny izy ireo dia tsy nahafantatra ny lalana tokony hizorany tany an-tany foana mba handehanana miakatra any an-tanin’i Lehia-Nefia; nirenireny tany an-tany foana andro maromaro izy ireo, dia efapolo andro izy ireo no nirenireny.

5 Ary rehefa avy nirenireny efapolo andro izy ireo, dia tonga teo amin’ny havoana iray izay avaratry ny tanin’i Silôma, ary teo izy ireo no nanangana ny lainy.

6 Ary nentin’i Amôna ny telo tamin’ny rahalahiny, ary ny anarany dia Amalekià, Helema ary Hema, ary nandeha nidina izy ireo nankany an-tanin’i Nefia.

7 Ary indro, izy ireo dia nifanehitra tamin’ny mpanjakan’ny vahoaka izay tao an-tanin’i Nefia sy tao an-tanin’i Silôma; ary dia nohodidinin’ny mpiambin’ny mpanjaka izy ireo ary nosamborina sy nofatorana ary nampidirina am-ponja.

8 Ary ny zava-nitranga, rehefa avy natao am-ponja roa andro izy ireo, dia nentina indray teo anoloan’ny mpanjaka ary novahana ny fatorany; ary nijoro teo anoloan’ny mpanjaka izy ireo sy navela, na ny marimarina kokoa, nodidina hamaly ny fanontaniana izay hapetrany aminy.

9 Ary hoy izy taminy: Indro, izaho no Limia, zanakalahin’i Noà izay zanakalahin’i Zenifa izay nandeha niakatra avy tany an-tanin’i Zarahemlà mba handova ity tany ity izay tanindrazany, izay natao mpanjaka noho ny feon’ny vahoaka.

10 Ary ankehitriny, dia maniry aho ny hahalala ny antony nahatonga anareo ho sahy fatratra ka nanatona ny mandan’ny tanàna, nefa na dia ny tenako aza dia niaraka tamin’ny mpiambina ahy tany ivelan’ny vavahady?

11 Ary ankehitriny, noho izao antony izao no efa namelako ny hitsimbininana anareo mba hahazoako manadihady ny momba anareo, raha tsy izany, dia ho efa nasaiko novonoin’ny mpiambina ahy ho faty ianareo. Mahazo miteny ianareo.

12 Ary ankehitriny, nony nahita i Amôna fa navela hiteny izy, dia nandroso izy ary niankohoka teo anoloan’ny mpanjaka ny tenany ary nitsangana indray izy ka niteny hoe: Ry mpanjaka ô, tena feno fisaorana an’ Andriamanitra aho androany fa mbola velon’aina ary avela hiteny; ary dia hiezaka aho hiresaka am-pahasahiana;

13 Satria matoky aho fa raha nahafantatra ahy ianao dia tsy ho navelanao ny hitondrako itony fatorana itony. Fa izaho no Amôna, ary izaho dia tamingan’i Zarahemlà sy efa niala avy tany an-tanin’i Zarahemlà mba hanadihady ny momba ny rahalahinay izay nentin’i Zenifa niakatra avy tany amin’izany tany izany.

14 Ary ankehitriny ny zava-nitranga, rehefa avy nandre ny tenin’i Amôna i Limia, dia faly fatratra tokoa izy ary nanao hoe: ankehitriny, dia fantatro marina tokoa fa ny rahalahiko izay tao an-tanin’i Zarahemlà dia mbola velon’aina. Ary ankehitriny, dia hifaly aho; ary rahampitso dia ataoko izay hifalian’ny oloko koa.

15 Fa indro, izahay dia andevozin’ny Lamanita ary itataovan’ny hetra izay sarotra zakaina. Ary ankehitriny, indro, ny rahalahinay no hanafaka anay amin’ny fanandevozana anay, na hanala anay eo an-tanan’ny Lamanita, ary izahay dia ho andevony; fa tsaratsara kokoa izahay ho andevon’ny Nefita toy izay handoa hetra ho an’ny mpanjakan’ny Lamanita.

16 Ary ankehitriny, dia nodidian’i Limia mpanjaka ny mpiambina azy ny tsy hamatorany intsony an’i Amôna sy ny rahalahiny, fa nataony kosa izay handehanany any amin’ilay havoana izay avaratr’i Silôma ary hitondrany ny rahalahiny hankao an-tanàna mba hahafahany mihinana sy misotro ary miala sasatra amin’ny hasasarana tamin’ny diany; fa efa niaritra zavatra maro izy ireo, efa niaritra hanoanana, hetaheta ary hasasarana.

17 Ary ankehitriny, ny zava-nitranga ny ampitso dia nandefa filazana tany anivon’ny olony rehetra i Limia mpanjaka mba hahazoany miara-mifamory ao amin’ny tempoly handre ny teny izay holazainy azy.

18 Ary ny zava-nitranga, rehefa tafavory izy, dia niteny taminy toy izao izy, manao hoe: He, ianareo, ry oloko, atrakao ny lohanareo ary mahereza; fa indro, antomotra ny fotoana sady tsy dia lavitra loatra izay tsy hahatonga antsika intsony ho eo ambany fifehezan’ny fahavalontsika na dia teo aza ny adintsika maro izay zary zava-poana; kanefa izaho dia matoky fa mbola misy ny ady mahomby hovitaina.

19 Noho izany, dia atrakao ny lohanareo sy mifalia, ary apetraho amin’ Andriamanitra ny fitokianareo amin’ilay Andriamanitra izay Andriamanitr’i Abrahama sy i Isaka ary i Jakoba; ary koa, Ilay Andriamanitra izay nitondra ny zanak’i Isiraely hivoaka ny tany Egypta ary nanao izay handiavany tany maina namakivaky ny Ranomasina Mena ary namahana azy tamin’ny mana mba tsy hahafaty azy tany an-tany foana; ary zava-maro kokoa no nataony ho azy.

20 Ary koa, Izy ihany Ilay Andriamanitra izay efa nitondra ny razantsika niala ny tanin’i Jerosalema ary efa nitahiry sy nitsimbina ny olony na dia mandraka ankehitriny aza; ary indro, fa noho ny helotsika sy ny fahavetavetantsika no efa namarinany antsika tao amin’ny fanandevozana.

21 Ary ianareo rehetra dia vavolombelona androany fa i Zenifa izay efa natao mpanjaka teo amin’ity vahoaka ity, noho izy tena narisika ny handova ny tanindrazany, dia voambakan’ny hafetsena sy ny fitak’i Lamàna mpanjaka izay nanao fifanekena tamin’i Zenifa mpanjaka, ka dia nanolotra ho eo an-tanany ny fizakana ny ampahan-tany na dia ny tanànan’i Lehia-Nefia aza sy ny tanànan’i Silôma; ary ny tany manodidina—

22 Ary izany rehetra izany no nataony dia satria ny hany fikasana dia ny hitondrana ity vahoaka ity any amin’ny fanoavana na any amin’ny fanandevozana. Ary indro, amin’izao fotoana izao isika dia mandoa hetra amin’ny mpanjakan’ny Lamanita, izay hatrany amin’ny antsasaky ny katsaka sy ny varimbazahantsika, ary na dia ireo voamainantsika rehetra isaky ny karazany avy aza sy ny antsasaky ny fitomboan’ny biby fiompintsika; ary na dia ny antsasaky ny harentsika aza na ny fananantsika, dia takian’ny mpanjakan’ny Lamanita amintsika na ny aintsika.

23 Ary ankehitriny, moa va tsy sarotra zakaina izany? Ary moa va izany fahoriantsika izany tsy lehibe? Ankehitriny, indro lehibe tokoa ny antony mampitomany antsika.

24 Eny, milaza aminareo aho fa lehibe ny antony izay mampitomany antsika; fa indro, firy tamin’ny rahalahintsika no efa novonoina, ary ny rany dia efa nalatsaka tsy amin’ny antony, ary izany rehetra izany dia noho ny heloka.

25 Fa raha tsy lavo tamin’ny fandikan-dalàna ity vahoaka ity, dia tsy ho navelan’ny Tompo ho tonga taminy izao antambo lehibe izao. Nefa indro, tsy nety nihaino ny teniny izy; fa nisy fifandirana nitranga kosa teo anivony, hany ka dia nifandatsa-dra izy.

26 Ary mpamin’nyn’ny Tompo iray no efa novonoiny; eny, olom-boafidin’ Andriamanitra, izay nilaza taminy ny faharatsiany sy ny fahavetavetany ary naminany ny amin’ny zava-maro izay ho avy, eny, na dia ny fiavian’i Kristy aza.

27 Ary satria nilaza taminy izy fa i Kristy no Andriamanitra, Ilay Rain’ny zava-drehetra, ary nilaza fa Izy dia handray eo Aminy ny endrik’olombelona, ary izany no ho endrika araka izay nahariana ny olona tany am-piandohana; na amin’ny teny hafa, nilaza izy fa ny olona dia nohariana araka ny endrik’ Andriamanitra ary Andriamanitra dia hidina eo anivon’ny zanak’olombelona sy hitafy nofo sy ra ary handeha eto ambonin’ny tany—

28 Ary ankehitriny, noho izy nilaza izany, dia novonoiny ho faty izy, ary zava-maro hafa koa no nataony izay nampianjera ny fahatezeran’ Andriamanitra taminy. Noho izany, iza no hitolagaga fa lasa andevo izy ary efa nianjadian’ny fahoriana mangidy?

29 Satria indro, ny Tompo no efa niteny hoe: Izaho dia tsy hanampy ny oloko amin’ny andro handikany lalàna, fa hasiako sakana ny lalany mba tsy hambinina izy; ary ny ataony dia ho toy ny vato mahatafintohina eo anoloany.

30 Ary hoy koa Izy: Raha ny oloko no hamafy fahalotoana, dia hijinja ny akofany ao amin’ny tadio izy; ary ny vokany dia poizina.

31 Ary hoy koa Izy: Raha ny oloko no hamafy fahalotoana, dia hijinja ny rivotra avy any atsinanana izy, izay mitondra fandravana eo noho eo.

32 Ary ankehitriny, indro ny fampanantenan’ny Tompo dia tanteraka ary kapohina sy ampahoriana ianareo.

33 Nefa raha mitodika amin’ny Tompo amin’ny fo feno finiavana ianareo ary mametraka ny fitokianareo Aminy sy manompo Azy amin’ny fahavitrihan’ny saina rehetra, raha manao izany ianareo, dia Izy no hanafaka anareo amin’ny fanandevozana araka ny sitrapony sy ny safidiny.