Fanambarana nomena an’i Joseph Smith Mpaminany tao Harmony, Pennsylvania, ny taom-pahavaratra, nanodidina ny volana aprily 1829 angamba, na dia nisy aza ampahany mety ho voaray tany am-piandohan’ny fahavaratra 1828. Tamin’izany no nilazan’ny Tompo tamin’i Joseph ny momba ireo fanovana nataon’ireo olon-dratsy tamin’ireo sora-tanana 116 takila avy tamin’ny fandikana ny bokin’i Lehia, ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Very tany amin’i Martin Harris izay nanankinana izany vetivety ireo sora-tanana tamin’ny takila ireo. (Jereo ny sasin-tenin’ny fizarana 3.) Ny fikasana mamohehatra dia ny miandry ny fandikana indray ny zavatra voarakitra ao amin’ireo takila nangalarina, ary avy eo dia ny manala baraka ny mpandika teny amin’ny fampisehoana ireo zavatra mifanohitra vokatry ny fanovana. Ity fikasana mamohehatra nokotrehan’ilay ratsy ity dia efa fantatry ny Tompo eny fa na dia mbola tamin’ny fotoana nanaovan’i Môrmôna, ilay mpahay tantara Nefita fahiny, ny famintinana ireo takelaka voangona, ary hita ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izany (Jereo ny Tenin’i Môrmôna 1:3–7).