1. Etazonia Avaratra Atsinanana
-
Topsfield Toerana nahaterahan’i Joseph Smith rainy, teraka ny 12 jolay 1771.
-
Gilsum Teto no Teraka i Lucy Mack, teraka ny 8 jolay 1775.
-
Tunbridge Toerana nivadian’i Joseph Smith rainy sy i Lucy Mack, ny 24 janoary 1796.
-
Whitingham Toerana nahaterahan’i Brigham Young, teraka ny 1 jona 1801.
-
Harmony Teraka tao an-tanànan’i Harmony i Emma Hale, ny 10 jolay 1804.
-
Sharon Toerana nahaterahan’i Joseph Smith zanany, ny 23 desambra 1805 (jereo JS—T 1:3).
-
Lebanon Nonina tao amin’ny tanànan’i Lebanon ry Smith mianakavy nanomboka ny taona 1811 ka hatramin’ny taona 1813, ary nandritra izany fotoana izany no manaovana fandidiana maromaro ny tongotr’i Joseph Smith zanany.
-
Norwich Nonina tao ry Smith mianakavy nanomboka ny taona 1814 ka hatramin’ny taona 1816, talohan’ny nifindrany tany Palmyra.
-
Palmyra Nifindra tao ry Smith mianakavy tamin’ny taona 1816 (jereo JS—T 1:3).