2020
Mahita fanantenana ao anatin’ny faritra hihomboan’ny aretina
Mey 2020


Endrika nomerika ihany: Tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony

Mahita fanantenana ao anatin’ny faritra hihomboan’ny aretina

Rehefa voa mafy noho ny COVID-19 i Italie dia nahita antony tokony hananana fanantenana hatrany aho.

Sary
Vehivavy mitazana eo am-baravarankely

Monina any Catanzaro, Italie ny mpanoratra.

Tiako ny teny mankahery izay nozarain’i Jesoa tamin’ireo mpianany taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty manao hoe: “Fiadanana ho anareo” (Jaona 20:19). Moa ve tsy mahatalanjona fa ny Mpamonjy dia nampanantena hatrany fiadanana ho an’ireo mpanara-dia Azy? Nampahatsiahy ahy an’io fahamarinana io ny zavatra iray miavaka izay niainako vao haingana.

Mitebiteby sy mihiboka

Indray alina teo am-pijereko fahitalavitra dia niresaka mikasika ny COVID-19 sy ny fiantraikan’izany tao Italie izay onenako ireo mpilaza vaovao. Niresaka mikasika ny hamaroan’ireo olona maty noho ilay tsimok’aretina izy ireo sy ny fitomboan’ny isan’ireo olona voan’ilay aretina. Na dia nanaitra aza izany, dia tsy dia nanahy loatra momba ilay izy aho tamin’izay. Saingy afaka sahabo ho roa herinandro taorian’izay dia niharatsy tokoa ny toe-javatra, ary nitombo ihany koa ny fitebitebeko.

Nahatsapa alahelo sy nihotakotaka aho tao anatin’izany rehetra izany. Natahotra mafy aho sao dia harary. Ary vao voalohany teo amin’ ny fiainako aho no natahotra ny handeha hiasa. Tsy maintsy nanao fonon-tanana sy aro tava aho isak’izay nivoaka ny trano. Herinandro taty aoriana dia niditra tamin’ny fihibohana ny fireneko iray manontolo ary nasaina nanaraka fepetra henjana tsy hivoahana ny trano ny rehetra.

Mandritra io fotoana io dia tsy mahazo mivoaka ny tranonay izahay raha tsy hoe mandeha mividy ireo zavatra ilaina andavanandro indray mandeha isan-kerinandro ihany. Sarotra ilay tsy afaka nivoaka ny trano mihitsy. Naato vetivety ny fivoriam-piangonana rehetra, ary raha toa ka nampalahelo ahy izany, dia ny fikatonan’ny tempoly kosa no nahakivy ahy bebe kokoa satria nikasa ny hanatrika ny famehezana ny fianakaviana iray izay nampianariko nandritra ny asa fitoriako aho. Nalahelo mafy sy very fanantenana aho noho ny toe-javatra nisy teto amin’izao tontolo izao.

Nihetsi-po noho ny hira

Indray maraina raha namaky ny soratra masina aho ary nihaino hira iray mitondra ny lohateny hoe “Peace in Christ (Fiadanana ao amin’i Kristy),” dia nivavaka aho ary nanontany ny Ray any An-danitra hoe: “Ahoana no ahafahako manana fanantenana hatrany mandritra ity fotoan-tsarotra ity?”

Ary tamin’izay aho no nanomboka nifantoka tamin’ny tonon’ilay hira manao hoe:

Omeny fanantenana isika

Rehefa tsy misy intsony ny fanantenana.

Manome tanjaka antsika Izy

Rehefa kivy isika.

Omeny fialofana isika

Ao anatin’ny tafiotry ny fiainana.

Rehefa tsy misy fiadanana eto an-tany,

Dia misy fiadanana ao amin’i Kristy.1

Tsapako ny Fanahy nijoro ho vavolombelona tamiko fa marina ireo teny ireo. Nijery ilay marika an-tratran’ny misiônera nampiasaiko taloha aho dia nahare ireto teny ireto tao an-tsaiko: “Romina a, tiako hanana ilay fiadanana nomenao ny hafa tany amin’ny asa fitoriana nataonao ianao rehefa nizara ny hafatro izay mitory fanantenana. Aza manahy fa hilamina ny zavatra rehetra. Tsy hamela anao irery Aho.”

Ankehitriny ary dia te hizara io hafatra mitory fanantenana io aho! Na dia nahatsapa tahotra sy tebiteby be aza aho nandritra ity fotoan-tsarotra eto amin’izao tontolo izao ity, dia fantatro marina fa misy ny fanantenana rehefa miaraka amin’i Jesoa Kristy! Mitodiha any Aminy. Henoy Izy. Manaraha Azy. Afaka mahita fiadanana ao Aminy isika. Misy hery ao anatin’ny finoana Azy, ary rehefa mino ianao dia hanome anao tanjaka mba hananana fanantenana hatrany Izy (jereo ny Etera 12:4).

Mifikitra amin’ny fanantenana

Mahakasika ny fanantenana dia nampianatra ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Ny fanantenana an’ Andriamanitra sy ny hatsarany ary ny heriny dia manome aina antsika mba harisika mandritra ireo olana sarotra.”2 Na mety ho sarotra toy ny ahoana aza izao fotoana izao dia afaka misafidy ny harisika sy hatoky ny fampanantenan’ny Tompo isika. Rehefa sarotra ny fiainana dia tsy mila mangataka ny Ray any An-danitra mba hanova ny toe-javatra iainantsika isika, fa isika kosa dia afaka mangataka Azy mba hanova ny toe-tsaintsika. Afaka mianatra sy mivoatra ao anatin’ny toe-javatra misy rehetra isika.

Fantatro fa miaraka amintsika Andriamanitra ary tia ireo zanany Izy, eny fa na dia ireo izay ao anatin’ny faritra hihomboan’ny valanaretina aza. Fantatro fa amin’ny alalany dia hilamina ny zava-drehetra. Ary fantatro fa afaka ny hifikitra mandrakariva amin’ilay fiadanana izay azo avy amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy aho. Noho ny Sorompanavotany tsy misy fetra dia tsy voatery hiatrika irery ireo zava-tsarotra aho.

Fanamarihana

  1. Nik Day, “Peace in Christ: 2018 Mutual Theme Song,” Liahona, Jan. 2018, 54–55; New Era, Jan. 2018, 24–25.

  2. Dieter F. Uchtdorf, “Ny hery tsy manam-petran’ny fanantenana,” Liahona, nôv. 2008, 23.

Hamoaka printy