2020
Miandrandra fatratra ny ho voafehy
Mey 2020


Endrika nomerika ihany: Tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony

Miandrandra fatratra ny ho voafehy

Na dia niova aza ny drafitray dia vao mainka nifanakaiky kokoa izahay ary nanakaiky kokoa an’ Andriamanitra.

Sary
Mpivady miara-mandeha

Sary nindramana olona mba hatao maodely

Monina any Kantō, Japon ny mpanoratra.

Handeha hofehezina tamin’ity volana ity tao amin’ny Tempolin’i Sapporo Japon izaho sy ny fofombadiko. Nanomboka niova nefa ny toe-javatra niainana noho ny coronavirus. Isaky ny misy zavatra vaovao mampiahiahy, dia ho nikatsaka ny fitarihan’ Andriamanitra aho tamin’ny alalan’ny vavaka, ny famakiana soratra masina, ary ny fihainoana ireo lahatenin’ny fihaonamben’ ny Fiangonana maneran-tany. Naverimberiko hatrany io dingana io rehefa nandray fanapahan-kevitra momba ny ho avy aho. Taty aoriana dia nihidy ny tempoly. Mbola miandry ny hofehezina izahay amin’izao. Saingy efa hitako ny fomba hanampian’ Andriamanitra anay ao anatin’izao fotoan-tsarotra izao.

Fitahiana eo anivon’ireo zavatra mampiahiahy

Raha ny marina dia sarotra tokoa ity zavatra niainana ity. Saingy efa nahazo fitahiana maro ihany koa aho. Nanampy ahy hahatsikaritra ireo fitahiana ireo ny fanoratana tao anatina diary iray ary tena nanita-tsaina nandritra ity fotoan-tsarotra ity.

Fitahiana iray tsikaritro ny hoe nihanatanjaka ny rohy mampifamatotra ahy sy ny fofombadiko. Nipetraka tany amin’ny toerana samy hafa izaho sy izy, samy nanana ny fiainanay, ary tsy afaka nihaona. Saingy nanapa-kevitra ny hiara-hivavaka izahay ary hiresaka momba ireo zavatra izay nianaranay avy amin’ny fandalinanay ny filazantsara. Niara-nanapa-kevitra izahay. Na dia nisara-toerana aza izahay, dia nihamafy ny fifandraisana mampifamatotra anay, ary toy ny hoe nihanakaiky ahy izy.

Nandroso

Nony farany dia nanapa-kevitra ny hivady ara-panjakana izahay. Tsy fantatro hoe rahoviana izahay no ho afaka ny hofehezina ao amin’ny tempoly, kanefa tena miandrandra izany fatratra aho.

Mino aho fa maro ny zavatra azontsika ianarana avy amin’ity valanaretina miparitaka maneran-tany ity. Matoky aho fa manana drafitra ho an’ny tombontsoantsika mandrakizay ny Tompo, na inona na inona mitranga eo amin’ny tontolo manodidina antsika, “satria tia izao tontolo izao Izy ka nomeny na dia ny ainy aza mba hisarihany ny olona rehetra hanatona Azy.” (2 Nefia 26:24).

Mino aho fa te hanampy antsika rehetra hahita fahasambarana mandritra ity toe-java-misy tena sarotra ity ny Tompo. Efa nahita fiadanana aho tamin’ny fitadiavana ireo fitahiana azoko. Raha miatrika fitsapana mitovy amin’izay ianareo amin’izao fotoana izao dia aza kivy. Na ity valanaretina ity aza dia afaka mampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona anananao.

Hamoaka printy