Endrika nomerika ihany: Tanora sy mpivady vao herotrerony
Manohana an-dreniko eo am-pialany tanteraka amin’ny fisotroana zava-pisotro misy alikaola
Tsy mora izany, saingy zava-dehibe ny miara-mandeha amin’ny lalan’ny fahasitranana amin’ireo izay manana olana amin’ny fiankinan-doha.
Raha vao tonga tamin’ny taona izay ampy nahatakarako ny hoe alikaola aho dia fantatro fa nanana olana tamin’izany ny reniko. Niezaka nanafina ilay olany tamiko sy ny rahavaviko ny fianakavianay saingy tsy azon’izy ireo nafenina ela loatra ny toaka be tafahoatra vao maraina sy ny aretin-doha.
Mpisotro alikaola ny reninay—ary tsy misy fanazavana hafa na tantara afaka hanova izany.
Amin’ny maha zatovovavy ahy dia nino aho fa ny fiankinan-doha dia safidy. Nahatsapa faharatrana ao anaty aho isaky ny miditra ny varavaranay miaraka amin’ny fofona alikaola ny reniko rehefa avy nampanantena fa tsy hanao izany intsony. Sahala amin’ny hoe tsy te-hiova izy. Saingy nampianatra ahy ny mifanohitra amin’izany ireo taona maro feno ranomasom-panaintainana, sy fanandramana tsy nahomby ary soritr’aretina mahery vaika isaky ny niezaka ny hiala izy.
Fony aho mbola tany amin’ny collège dia nianatra fa ny fiankinan-dohan’ny reniko dia tsy “hanjavona fotsiny indray hariva,” araka izay nosoratan’ilay poeta Dylan Thomas indray mandeha1—fa tsy hoe izy no tsy te-hiova. Tsy hoe ny risi-pony no tsy ampy na koa nifidy ny alikaola izy ary namela ny fianakaviany. Voafandrika tao amin’ny fiankinan-dohany izy.
Araka ny nohazavain’ny Filoha RussellM. Nelson hoe: “Any aoriana any dia hanaisotra ny fahafahana misafidy ny fiankinan-doha. Amin’ny alalan’ny simia, ny olona iray dia mety ho tafasaraka amin’ny sitrapony!”2 Ho ady eo amin’ny vatany sy ny fanahiny mandritra ny taona maro ho avy ny fikatsahana fahasitranana.
Miaritra ny tamberin’ny fahalavoana indray
Taorian’ny nahavitany niala tanteraka amin’ny fisotroana zava-pisotro misy alikaola nandritra ny enim-bolana dia nanomboka niverina tamin’ny nahafantarako azy indray ny reniko—ilay olona izay zatra nandihy tao anaty fiara sy nanoratra tononkalo mahafinaritra ary niteny vazivazy nahamenatra tamin’ireo namako rehetra. Toy ireny nisy olona ireny tao anatiny nandrehitra indray ny hazavana teny amin’ny masony ary niasa mafy mba hihazona izany tsy ho faty. Efa taona maro izay no nahitana azy tsy mamo nandritra ny fotoana maharitra toy izany, ary tena nahafinaritra ny nahita azy tafaverina indray.
Saingy tsy naharitra ela izany. Indray alina, mbola tsy niteny akory izy dia efa fantatro sy ny rahavaviko. Ny masony izay tsy nihiratra tsara sy ny takolany izay nivara-mena dia efa nahalaza azy: taorian’ny enim-bolana sy efatra andro dia lavo indray izy. Nisy fotoana dia efa nieritreritra ny handao ny varavarana izahay, hiala lavitra ny fiasan-doha sy ny tahotra saingy fantatray fa Te-hiova izy. Tsy afaka nanao izany ho azy izahay, saingy afaka nanohana azy izahay raha nandeha ny lalana mitondra amin’ny fahasitranana izy.
Mandresy ny tsy fahasahiana hamboraka ny fiankinan-doha
Nandritra ny volana vitsivitsy nanaraka izany dia nitady fomba hanampiana ny reniko hiroso mankany amin’ny fialana tanteraka sy maharitra amin’ny fisotroana zava-pisotra misy alikaola. Tsy ho mora izany, saingy efa nahavita izany izy indray mandeha, ary fantatray fa mbola ho vitany indray izany.
Satria efa nahita maso ny reniko nijaly tamin’ny fialana izany aho tany aloha dia efa fantatray ny zavatra niandry anay ka noho izany dia nangoninay avokoa ireo tavoahangy nisy alikaola sy divay izay hitanay dia narianay avokoa. Avy eo dia nanangona zava-pisotro antsoina hoe Gatorade avy any amin’ny toeram-pivarotana izahay ary nanadio tsara ny trano; izany no fanandramana tsara indrindra vitanay mba hanalana ny reninay amin’ny tontolo izay nisy azy rehefa lavo indray izy.
Rehefa afaka andro vitsivitsy, dia nihatsara ny reniko ka afaka niverina niasa saingy fantatray fa tsy mbola vita ny ady. Hatramin’io fotoana io dia tsy mbola fantatry ny ankabetsahan’ny fianakavianay sy ny namanay ny halalin’ny fiankinan-dohany. Taona maro taty aoriana dia lasa toy ny tsiambaratelo izany—zavatra nahamenatra, zavatra izay araka ny nohazavain’ny mpikaroka siansa ara-piaraha-monina Brené Brown hoe: “mandray ny heriny noho izy tsy filaza.”3 Raha tianay hijanona tsy mamo izy dia nila namboraka ny zava-misy izahay.
Sarotra ny nanapa-kevitra ny hisokatra amin’ireo fianakavianay sy ireo namana izay azo itokisana saingy nahatsapa ho maivamaivana izahay. Ny henatra dia nanimba “ny tao anatinay rehetra izay nino fa azo atao tsara ny miova sy ny manao tsaratsara kokoa,”4 ka noho izany ny firesahana momba ny fiankinan-dohany dia nanome ny reniko (sy ny tenako!) fanantenana indray. Tsy irery izahay, ary sambany tao anatin’ny taona maro izahay no nanomboka naka sary an-tsaina ny fiainana izay tsy ho voafehin’ny fiankinan-dohany.
Mifikitra amin’ny fanantenana
Tsy hoe handeha hiezaka ny hanatsara izany akory aho fa tsy mora foana ny mihazona ny fanantenana. Nanohana an-dreniko aho nandritra ny taona maro raha nanandrana ny hiala amin’ny fisotroana zava-pisotro misy alikaola izy saingy mandainga aho raha hilaza hoe tsy niaina alahelo sy fahakiviana ary fikorontanan-tsaina nandritra izay lalana narahina izay. Nanazava ny Filoha Nelson raha niresaka momba ny fahasarotana izay atrehan’ny olona iray mba handresena ny fiankinan-doha: “Izay rehetra manapa-kevitra ny hianika ilay lalana miakatra manakany amin’ny fahasitranana dia tsy maintsy misikina ho amin’ilay ady mafy indrindra eo amin’ny fiainana. Kanefa mendrika ny sarany izany.”5
Raha toa ka efa nitia olona izay manana olana amin’ny fiankinan-doha ianao dia fantatrao ny fahasarotan’izany hoe mijery azy ireo manimba ny tenany izany. Saingy na dia mivarilavo aza dia tsy mba very mihitsy ny fanantenana. Noho ny sorompanavotany, ny Mpamonjy dia mahafantatra “ny fomba hanampiana [antsika] araka ny rofin-[tsika]” (Almà 7:12). “Miaraka amin’ny fanasitranana ao amin’ny elany” (3 Nefia 25:2), dia atsangany isika rehefa trotraka loatra ka tsy afaka mandeha intsony, “Tsy kivy amintsika ary mankahery antsika, tsy handao antsika raha tsy tonga soa aman- tsara any amin’ilay fonenantsika eo an-tsandrin’ny Ray aman-dreny any an-danitra isika.”6
Ka noho izany, na dia vao nanao ny dingana voalohany ianao na efa nandeha kilaometatra maro niaraka tamina olona eo amin’ny lalan’ny fahasitranana, dia ireto misy zavatra vitsivitsy izay nianarako nandritra ny taona maro:
-
Ampio izy ireo hisoroka ireo tranga izay mety hampiverin-dalana azy ireo indray.
Na namanao na vadinao na mpikambana ao amin’ny fianakavianao na olona mitovy aminao ny olona izay tohananao, dia tena zava-dehibe ny fanampiana azy ireo mba hisoroka ireo tranga izay mety hampiverin-dalana azy ireo indray. Ohatra, isaky ny mandeha mivoaka mba hiaraka hisakafo amin-dreniko ny fianakaviako, dia mangataka izahay mba hipetraka amin’ny latabatra lavitry ny bara. Raha toa ka tsy misy latabatra, dia miresadresaka izahay mandra-pisian’izany.
-
Misoloa vava azy ireny amina tranga eo amin’ny fiaraha-monina.
Tsy hoe nisokatra taminao momba ny fiankinan-dohany ilay olona izay tohananao dia midika fa vonona ny hilaza izany amin’izao tontolo izao izy ireo. Mandritra ny fiantombohan’ny fahasitranana dia mety ho sarotra tokoa ny hanazava ny antony hisorohan’ny olona iray ny tranga na ny fandraisana fanapahan-kevitra sasantsasany, indrindra amin’ny olona tsy fantatra. Amin’ireo tranga ireo, ampio izy ireo amin’ny fanampiana azy ireo hanazava raha toa ka lasa hafahafa ny zava-mitranga.
-
Ampio izy ireo mba hahita loharanom-panampiana fanampiny.
Na toy ny ahoana na toy ny ahoana ny fandraisanao anjara amin’ny dingan’ny fahasitranana, dia tsy ho vitanao samirery izany rehetra izany. Indraindray ny reniko dia mila miresaka fotsiny aman’olona izay efa nandalo tamin’izany, olona izay mahatakatra izany, tsy maninona izany. Ny vondrona mpanohana sy ny loharano ahitana ireo manampahaizana manokana (tahaka ny fandaharanasan’ny Fiangonana momba ny fanasitranana amin’ny fiankinan-doha, ny vondrona ho an’ny lalan’ny fahasitranana, ny manampahaizana manokana momba ny fiankinan-doha sy fihetsika) dia afaka manova fiainana ara-bakiteny, ka noho izany dia aza misalasala mamporisika ny olona izay tohananao mba hisitraka an’ireo fitaovana ireo.
-
Raha toa ka lavo izy ireo, dia ampio izy ireo hiverina indray.
Raha toa ka niaina tamin’ny tontolo tonga lafatra isika, dia tsy ho nisy ny fahalavoana indray, saingy eto amin’ny fiainana an-tany isika izao. Raha toa ka lavo indray ny olona izay tohananao, dia ampahatsiahivo izy ireo ny halavirana izay efa vitan’izy ireo. Amporisiho izy ireo tsy “[hilavo] lefona mihitsy aorian’ny tsy fahombiazana maro misesy ary raiso [izy ireo] ho afaka manary ireo fahotana sy mandresy ireo fiankinan-doha.”7 Araka ny nolazain’ny Loholona Ulisses Soares ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe, “Tsy ho zakan’[izy ireo] ny hijanona tsy hiezaka intsony”8 (ary ianareo ihany koa dia torak’izany). Ny fahalavoana indray dia tsy mamerina azy ireo any am-boalohany indray. Tsy mamafa ny asa rehetra sy ny zavatra tsara rehetra izay efa noraisin’izy ireo izany. Manana fahafahana foana izy ireo ny hiverina indray eny amin’ny lalana, atolory ny Mpamonjy ny tananao ary mandrosoa hatrany.
-
Mifikira amin’ny fanantenana.
Rehefa mijery ny olona tianao sahirana miady amin’ny fiankinan-doha ianao dia mety hahatonga anao hanontany tena izany hoe ho sitrana tanteraka ihany ve izy ireo. (Matokisa ahy, fantatro izany. Efa teo amin’izany imbetsaka loatra aho.) Na dia i Môrmôna aza dia nanontany hoe: “Ary inona no hantenainareo?” Saingy na dia sarotra toy ny ahoana aza izany, “ny fanantenana amin’ny alalan’ny sorompanavotan’i Kristy” dia azontsika sitrahana foana (Môrônia 7:41).
Nandritra ny fiainako, ny reniko dia efa lavo imbetsaka mihoatra ny izay azoko isaina, saingy fifaliana ho ahy ny milaza fa efa enina taona izay no nisotroany farany. Na dia nitaky taona maro ho ahy aza ny nianatra sy niverina nianatra ny fomba izay tsara indrindra mba hanohanana azy, ny fijerena azy niverina ho sitrana dia nampianatra ahy fa tsy misy olona lasa lavitra loatra izany. Na impiry na impiry no lavo indray ny olona izay tianao, dia mandrosoa hatrany—miezaha hatrany mba hanohana azy ireo amin’ny zavatra rehetra izay azonao atao. Fanoloran-tena mandritra ny fiainana manontolo ny fahasitranana—dia feno ranomaso, fandresena, faharesena ary fahombiazana—ary tena rariny raha miady ho an’izany.