Fampaherezam-panahy tamin’ny 2016
Ho lasa ilay olona tokony hahatongavanareo


Ho lasa ilay olona tokony hahatongavanareo

Takariva iarahana amin’ny Filoha Russell M. Nelson

Fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny Tanora Tokan-tena sy Mpivady Vao Herotrerony • 10 Janoary 2016 • Brigham Young University–Hawaii

Ranadahy sy rahavaviko malala, fifaliana lehibe ho anay ny miaraka aminareo amin’ity andro Sabata ity. Tianay ianareo! Ary mahatoky izahay fa hahomby ianareo! Eto am-panolorako hevitra vitsivitsy dia mivavaka aho ny hampiasanareo ny fahafahanareo misafidy mba hanasa ny Fanahy Masina hampianatra anareo.1

Te hiteny aho aloha hoe mirary taom-baovao sambatra ho anareo! Taona vaovao be ity. Nametraka tanjona vitsivitsy ho an’ny taona vaovao ve ianareo? Ary—efa nitsahatra sahady tamin’ny fanaovana ny antsasak’izany ve ianareo? Tianareo ho ity taona ity ve no taona tsara indrindra eo amin’ny fiainanareo? Ilay taona izay hanatratraranareo—tsaratsara kokoa mihoatra no ho ny teo aloha—ireo tanjona izay manan-danja indrindra aminareo? Te hiresaka aminareo zavatra iray izay inoako fa afaka hanampy aho. Andeha hojerentsika raha afaka mamantatra izany ianareo:

Eritrereto ilay vehivavy iray izay niaritra aretina tsy nety nositranina nandritra ny 12 taona. Naninjitra ny tanany izy mba hikasika ny akanjon’ny Mpamonjy. Izay no hany fahafahana nananany mba ho sitrana.2

Eritrereto ilay lehilahy teo amin’ny farihin’i Betesda izay nijaly noho ny aretina iray nandritra ny 38 taona. Tsy afaka niroboka voalohany tao amin’ireo rano manasitrana mihitsy izy.3

Eritrereto ireo mpianatry ny Mpamonjy izay nihiaka niantso ny Mpamonjy hoe: “Tsy mampaninona Anao va izao hahafatesanay izao?”4 rehefa nidona mafy manodidina ny sambo kely fanjonoan’izy ireo ny onja mampatahotra.

Inona no zavatra iraisan’ireo olona ireo?

Nanana filàna maika izy ireo! Nila maika ny Mpamonjy hanasitrana azy ireo, hanampy azy ireo, hanadio azy ireo, hitarika azy ireo, hiaro azy ireo ary hanavotra azy ireo! Nila maika an’i Jesoa Kristy izy ireo mba hanampy azy hanao ireo zavatra tsy azon’izy ireo natao samirery na oviana na oviana. Samy nila maika ny hery sy ny fahefan’ny Mpamonjy teo amin’ny fiainany izy tsirairay avy. Efa nanana izany fahatsapana izany ve ianareo? Izaho aloha dia efa nahatsapa izany.

Angamba nila fanampiana maika ianareo tamin’ny famitana asa iray nampanaovina satria efa akaiky tokoa ny fotoana farany hamerenana izany—na efa dila ilay fotoana. Angamba ianareo nila maika olona izay tena nahatakatra ny zavatra niainanareo. Olona iray izay tena tia anareo sy tsy maniry afa-tsy izay mahasoa indrindra anareo. Angamba ianareo amin’izao fotoana izao dia mila maika ny ho voaray any amin’ny oniversite, na hahita asa, na hahita toerana hipetrahana. Mila maika namana vaovao maromaro sy hahita izay ho namanareo mandrakizay.

Inty ary ilay vaovao mahafaly: Afaka ny ho hery lehibe mandrisika tokoa ny filana zavatra maika.

Niaina mazava filàna maika mafy dia mafy ny Mpaminany Joseph Smith tao amin’ny Fonjan’i Liberty. Tsarovy ireo teniny hoe: “Andriamanitra ô, aiza no misy Anao?”5 sy ny hoe “Tompo ô, mandra-pahoviana?” Noho ny filàna maika ara-panahy mafy dia mafy toy izany dia nahazo ny sasany tamin’ireo fanambarana nampahery indrindra tamin’ity fotoampitantanana ity ny Mpaminany.

Rehefa mila maika ny hotarihin’ny lanitra isika dia miasa mafy kokoa noho ny teo aloha mba hifandray amin’ny lanitra. Rehefa mila maika ny ho salama ara-batana isika dia mahita tampoka fomba hihinanana sakafo amim-pahendrena—na inona na inona sakafo aroso eo! Ary mahita fomba hampiasana ny vatana isika. Rehefa mila maika ny hanana vola bebe kokoa isika dia tonga saina fa ilaintsika ilay fomba efa nandramana sy nozahana toetra ary efa voaporofo hatry ny ela mba tsy hananana olana eo amin’ny ara-bola. Izany dia mitranga rehefa mankatò araka ny tokony ho izy ny lalàn’ny Tompo eo amin’ny ara-bola isika—dia ny fahafolonkarena mazava ho azy!

Eritrereto ny fomba nandoavan’ny Filoha George Q. Cannon ny fahafolonkarena fony izy zatovolahy nahantra—tamin’izy nitovy taona taminareo. Rehefa nanao fanamarihana momba ny ny fahafolonkarena be dia be nalohan’i George kely mahantra ny evekany dia namaly i George hoe: “Eveka a! Tsy izay vola azoko no handoavako fahafolonkarena. Mandoa fahafolonkarena araka izay vola tiako ho azo aho.” Ary ny taona manarak’izay dia nahazo ilay totalim-bola marina nandoavany fahafolonkarena tamin’ilay taona nialoha izany i George!6

Rehefa ilaintsika maika ny ho tonga olona tahaka izay tokony hahatongavantsika dia miova ny fomba fijerintsika ny fiainana. Mifoha avy amin’ny tsy fahatsiarovana ara-panahy izay ampiharin’ny fahavalo amin-kafetsena tokoa isika, ka mahita tampoka ireo zavatra mahakasika ny tenantsika sy ny hafa ary ny fiainantsika izay tsy mbola hitantsika mihitsy hatrizay. Manomboka hitantsika ho mampihomehy ary angamba tena mitondra loza ara-panahy mihitsy ny “fahafinaretana” sy ny “fialambolin’”izao tontolo izao. Manomboka mahita ireo fitaka sy fandrika hanakonan’ny fahavalo ny tena maha-izy azy isika—ireo fakampanahy mba hahatonga antsika hanadino hoe iza marina isika ary aiza no tokony hahatongavantsika.

Manomboka mandany ny fotoantsika amin’ny fomba hafa isika. Toa tsy mahasarika toy ny fandaniana fotoana any amin’ny tempoly ny fandaniana fotoana amin’ny Facebook. Iainantsika manokana ilay fahamarinana lalina nampianarin’ny filohan’ny tempoly iray hoe: “Rehefa miditra ny tempoly isika dia mandao ilay tontolo tsy tena izy.”7 Lasa liana kokoa amin’ireo fahamarinana mandrakizay izay ho ampianarin’ny Tompo antsika ao amin’ny tranony masina isika toy izay amin’ny fanamarihana manaitra farany ao amin’ny tambazotra ifaneraserana, izay matetika no tsy tena avy amin’ny fo no sady mahadonto saina.

Nilaza tamiko ny mpianatra vehivavy iray tena mahay tao BYU fa hitany hoe tsy misy hifandraisany mihitsy ny halehiben’ny fahatsapany fahatokian-tena sy fifaliana sy ny habetsahan’ny fotoana nolaniany tamin’ny tambazotra ifaneraserana. Nahenany ny fotoana nolaniany tamin’ny Facebook sy Twitter dia hoy izy hoe: “Tsapako ho toy ny manana fomba fijery tsara kokoa sy fahazava-tsaina kokoa aho hisaintsainana ireo lohahevitra sy hanaovana fifanakalozan-kevitra lalina amin’ny hafa. Afaka mahatsapa mafimafy kokoa ny fisian’ny Fanahy eo amin’ny fiainako aho izao, izay azo lazaina hoe manakaiky ny zavatra tsara indrindra izay azoko angatahina.”

Rehefa ilaintsika maika ny hijanona ho isika marina dia mampiasa amin’ny fomba tsara ny teknôlojia isika. Raha tsy hainareo ny manao izany dia tsidiho ny LDS.org dia mianara.

Rehefa ilaintsika mafy ny ho tonga ilay mpianatr’i Jesoa Kristy marina izay tokony hahatongavantsika dia mahita tampoka ny herim-po sy ny fahavononana hanaisotra ireo zavatra tsy masina sy tsy madio rehetra eo amin’ny fiainantsika isika! Miova ny fahavononantsika hanaraka ny torohevitr’ireo mpitarika antsika. Mikatsaka torohevitra isika ary dodona ny hanaraka izany! Misolo toerana ny avonavona ny fanetrentena. Lasa “loharano manan-danja” indrindra ho antsika ny soratra masina mba hitadiavana ireo valim-panontaniana sy ny fiadanam-piainana izay fantatsika fa nokatsahintsika matetika tao amin’ny Internet.

Vonona ny hiezaka hanandrana izany mandritra ny 30 andro ve ianareo?

Mandohaliha sy misaora ny Rainareo any An-danitra isan’andro noho ny soratra masina. Lazao Aminy ilay fanontaniana iray izay nilanareo valiny indrindra tamin’io andro io. Mitalahoa mba hanana ny Fanahy Masina miaraka aminareo rehefa mamaky ianareo. Dia sokafy avy eo ny soratra masinareo ao amin’izay tianareo dia mamakia mandra-pahitanareo ny valiny.8 Andramo mandritra ny 30 andro izany dia jereo izay zavatra mitranga.

Rehefa ilaintsika mafy ny hivoatra ka ho lasa ilay olona ilain’Andriamanitra hahatongavantsika dia mety ho hitantsika fa misy enta-mavesatra mihazona antsika tsy handroso. Izany enta-mavesatra izany dia mety ho ilay fanaintainana ara-panahy izay hatrany naterak’ireo safidy ratsy sy fahotana tsy nibebahana. Raha ny marina, ny fahotana tsy nibebahana dia mahatonga fahotana bebe kokoa! Rehefa maniry mafy ny hibebaka isika, rehefa te hamoy ny fahotantsika rehetra9 tahaka ny Mpanjaka Lamônia isika (anisan’izany ny fahotana ankafizintsika indrindra), dia tsy misy intsony ny fangatahana andro lava, misinda ny fahamenarana, ary vonona, dodona mihitsy aza isika ny handeha—raha ny marina dia mahatsapa ho toy ny mihazakazaka—ho any amin’ny evekantsika mba hangataka ny fanampiana ilaintsika mba hibebahana marina.

Vitsy dia vitsy ireo zavatra azo antoka eto amin’ity fiainana ity, kanefa inty misy iray holazaiko aminareo: Azo antoka 100 isan-jato fa raha mibebaka marina isika dia hanadio sy hanasitrana antsika tanteraka ny Mpamonjy.

Ny Loholona D. Todd Christofferson dia nampianatra hoe: “Afaka mamafa ny vokatry ny ota ao amintsika ny herin’ny Sorompanavotan[’ny Mpamonjy]. Rehefa mibebaka isika dia manadio antsika ny fahasoavany manavotra (jereo ny 3 Nefia 27:16–20). Toy ny hoe tsy lavo isika, toy ny hoe tsy nanaiky ny ho azon’ny fakam-panahy.”10

Ranadahy sy rahavaviko malala, mampanantena anareo aho fa marina izany! Ary na manana fahotana goavana tsy nibebahana isika na fahalemena miteraka fahasahiranana izay mahatonga antsika tsy hahomby hatrany hatrany, dia mila ny fanampian’ny Mpamonjy isika tsirairay avy mba hahafahantsika ho tonga ilay olona izay tokony hahatongavantsika. Tsy afaka ny ho tonga toy izany tsotra izao isika raha tsy eo ny heriny sy ny fahefany.

Feno fankasitrahana aho fa nandoa ny onitra ho an’ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy rehetra izay ilaintsika ny Mpamonjy.11 Miankina amintsika ny hamantatra amin’ny alalan’ny vavaka hoe inona avy ireo fanomezam-pahasoavana ireo. Mety mila ny fanomezam-pahasoavan’ny fifehezan-tena na ny fahaizana mifaly isika. Mety mila ny fanomezam-pahasoavan’ny faharetana angamba isika, na ny fanomezam-pahasoavana ny hampifanaraka ny fahatsapantsika amin’ny filàna ara-nofo hifanaraka amin’ireo lalàna mandrakizay, na ny fanomezam-pahasoavana ny ho sitrana amin’ny vokatra nateraky ny fahotana nataon’ny hafa sy ny fanomezam-pahasoavana hamela izany olona izany. Angamba isika mety mahita fa tsy afaka miaina mihoatra ny iray minitra raha tsy misy ny fanomezam-pahasoavan’ny finoana tsy voahozongozona an’i Jesoa Kristy Tompo. Rehefa ilaintsika maika izay mety ho fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy dia amin’izay isika no hivavaka amin’ny herin’ny fo manontolo amin’izay mba hahazo izany fanomezam-pahasoavana izany.12 Ary ny vaovao tsara dia mampandroso antsika ho lasa izay tena maha-izy antsika ny fanomezam-pahasoavana tsirairay.

Ranadahy sy rahavaviko malala, izay tiako, ny zava-misy marina dia hanao dinidinika mivantana amin’ny Mpamonjy ny tsirairay avy amintsika indray andro any. Rehefa tsapantsika amin’ny farany fa tena hitranga izany dia ho vonona ny hanao izay ilaina rehetra isika mba ho vonona amin’izany!

Mangataka anareo aho hieritreritra ity fanontaniana ity eto am-pamaranana: Ahoana tokoa moa raha fantatrareo fa efa niverina teto amin’ity tany ity ny Mpamonjy—fa efa nihaona tamin’ny mpanaradia marina vitsivitsy tao anatin’ny fivoriana maro mahatalanjona sy goavana Izy13—izay tsy fantatr’izao tontolo izao, tafiditra ao anatin’izany ny CNN sy ireo mpanoratra blaogy, ny fisiany. Raha fantatrareo fa efa teto ambonin’ny tany ny Mpamonjy, dia inona no ho tianareo atao mafy androany, ary ho vonona ny hanao inona ianareo rahampitso?

Mivavaka aho ny hanananareo fotoana hilanareo zavatra mafy dia mafy amin’ity taona ity izay hanosika anareo handroso lavitra mba ho tonga ilay lehilahy na vehivavy tokony hahatongavanareo. Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Nampianatra ny Loholona Richard G. Scott hoe: “Tsy hanery anao hianatra ny Tompo. Tsy maintsy mampiasa ny fahafahanao misafidy ianao hanome lalana ny Fanahy hampianatra anao” (21 Principles: Divine Truths to Help You Live by the Spirit (2013), 95–96.

  2. Jereo ny Matio 9:20–22.

  3. Jereo ny Jaona 5:2–9.

  4. Marka 4:38.

  5. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:1.

  6. Jereo ny George Q. Cannon, “The Doctrine of Tithing,” Deseret Evening News, 19 aog.  1899, 11.

  7. Douglas L. Callister, voalaza ao amin’ny Sheri Dew and Virginia H. Pearce, The Beginning of Better Days: Divine Instruction to Women from the Prophet Joseph Smith (2012), 65.

  8. Jereo ny Wendy Watson Nelson, Change Your Questions, Change Your Life (2010), 139.

  9. Jereo ny Almà 22:18.

  10. D. Todd Christofferson, “That They May Be One in Us,” Ensign na Liahona, nôv. 2002, 71.

  11. Jereo ny 1 Korintiana 12–14; Môrônia 10; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46. Nampianatra ny Loholona Bruce R. McConkie fa torohevitra ihany ireo fanomezam-pahasoavana voatanisa eo amin’ireo soratra masina ireo. Fiatombohana amin’ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy misy ihany izy ireo (jereo ny Mormon Doctrine, 2nd ed. [1966], 314–15.

  12. Jereo ny Almà 22:15–18.

  13. Jereo ny Bruce R. McConkie, The Millennial Messiah: The Second Coming of the Son of Man (1982), 575.

Hamoaka printy