Ny fahamarinana naverina tamin’ny laoniny
Takariva hiarahana amin’ny Loholona Richard J. Maynes
Fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony • 1 mey 2016 • Tabernakely ao Salt Lake
Rahalahy sy anabavy, tiako ny maheno ny tantaran’ny fiovampon’i Nancy vadiko ary koa ny fiantraikan’ny Fahitana Voalohan’i Joseph Smith sy ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny fijoroana ho vavolombelona nananany sy ny fiovampony tany am-boalohany. Tena feno fankasitrahana foana aho noho ny fahafahana nananako naka ny anjara asan’ny misiônera tamin’ny fampahafantarana azy ny filazantsaran’i Jesoa Kristy taona maro taorian’ny niverenako avy nanao asa fitoriana tamin’ny fotoana feno. Araka ny efa mety eritreretinareo dia tena faly be aho noho ny fizotry ny zava-drehetra teo aminay roa. Ny fiainanay ato amin’ny Fiangonana sy ny fiainam-pianakavianay no tena manan-danja indrindra aminay.
Tena ankasitrahako tokoa ity andraikitra nampanaovin’ny Fiadidiana Voalohany ahy ity, dia ny miresaka aminareo izao hariva izao. Tsapako fa zava-dehibe aminareo ny mahafantatra fa nahatsapa ny fitaomana sy ny bitsiky ny Fanahy Masina aho nandritra ny fanomanana an’ity hafatra ity, ary manantena aho fa hitondra tombontsoa ara-panahy ho anareo izay zavatra hozaraina eto.
Ny Famerenana ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny laoniny amin’ny andro farany dia efa hita sy nambaran’ireo mpaminany hatrizay mialoha. Noho izany dia tsy tokony hahagaga ireo izay mandalina ny soratra masina ny Famerenana ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny laoniny. Ahitana faminaniana am-polony maro manerana ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao ary ny Bokin’i Môrmôna, izay milaza sy manondro mazava tsara ny Famerenana ny filazantsara amin’ny laoniny. Ireo ohatra avy ao amin’ny Testamenta Taloha dia hita ao amin’ny Deoteronomia,1 Isaia,2 Jeremia,3 Ezekiela,4 Daniela,5 Amosa6, ary Malakia.7 Ireo ohatra avy ao amin’ny Testamenta Vaovao dia hita ao amin’ny bokin’i Matio,8 Marka,9 Asan’ny Apostoly,10 Romana,11 Efesiana,12 2 Tesaloniana,13 ary Apokalypsy.14 Faminiana maro hafa izay manondro ny Famerenana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny laoniny no hita manerana ny Bokin’i Môrmôna. Ohatra amin’izany ny hita ao amin’ny 1 Nefia,15 2 Nefia,16 Jakôba,17 ary ao amin’ny 3 Nefia.18
Ny ohatra iray tena tiako amin’ireo faminaniana mikasika ny Famerenana amin’ny laoniny ireo dia avy ao amin’ny bokin’i Daniela ao Testamenta Taloha. Nataon’i Nebokadnezara Mpanjakan’i Babylona fahirano ka resiny i Jerosalema, tokony teo amin’ny taona 586 talohan’ny nahaterahan’i J.K. teo ho eo. Rehefa avy nandresy an’i Joda i Nebokadnezara Mpanjaka dia nandidy ny iray tamin’ireo lehiben’ny tandapany izy mba hanangona ny sasany amin’ny zanak’ Isiraely mba hanompo ao amin’ny lapany ho mpanoro hevitra. Nilaza ny mpanjaka fa tokony ho “kanto amin’ ny fahendrena rehetra sy manam-pahalalana ary mazava saina ka miendrika hitoetra ao an-dapan’ ny mpanjaka”19 io vondron’olona voafidy io.
Tao anatin’io vondron’olona voafidy io i Daniela sy i Hanania sy i Misaela ary i Azaria. Tadidinareo angamba fa rehefa tao anatin’ny fahababoana ireo tovolahy ireo dia nomena anarana Babylonianina hoe Beltesazara, Sadraka, Mesaka ary i Abednego ho anisan’ny fampidirana ao an-tsain’izy ireo ny kolontsaina Babylonianina.
Nahita fotoana nifampidinihana tamin’ireo tanora Jodianina ireo i Nebokadnezara Mpanjaka. Mampahafantatra antsika ny soratra masina fa “amin’ ny fahendrena sy ny fahalalana rehetra izay nanontanian’ny mpanjaka azy, dia hitany fa nanan-tombo im-polo heny noho ny ombiasy rehetra sy ny mpisikidy izay teo amin’ny fanjakany rehetra aza izy [ireo].”20
Indray alina rehefa natory ny mpanjaka dia nanonofy izy. Nampitebiteby azy ilay nofy ka tiany ho fantatra ny heviny. Nanapa-kevitra ny hitsapa ireo mpanoro hevitra azy izy tamin’ny alalan’ny fangatahana hafahafa. Niara-nantsoiny ireo ombiasiny sy ireo mpisikidiny ary ireo mpanao odiny ka nodidiany izy ireo mba hilaza aminy ny nofiny aloha dia avy eo milaza ny hevitr’izany. Tena tsy nivazivazy tokoa izy raha nanao izany fangatahana izany. Nilaza azy ireo i Nebokadnezara Mpanjaka hoe: “Raha tsy hampahafantarinareo ahy ny nofy sy ny heviny, dia hotetitetehina hianareo.”21
Rehefa tsy afaka nampahafantatra ny mpanjaka ny nofiny ireo olon-kendriny, ka noho izany mazava ho azy fa tsy afaka nilaza ny heviny, dia tezitra mafy izy ka nandidy ny handringanana ireo olon-kendrin’i Babylona rehetra, anisan’izany i Daniela sy ireo namany. Nanana fahafahana ny nandamina fihaonana tamin’ny mpanjaka anefa i Daniela ka nandresy lahatra azy mba hanome fotoana azy fa hampahafantatra azy ny hevin’ny nofiny izy.
Niverina nody i Daniela ka nilaza tamin’ireo namany ny zava-nitranga. Nangataka tamin’ny Tompo izy ireo hanambara ny zava-miafina tao amin’ny nofin’ny mpanjaka mba tsy hahavoaringana azy ireo sy ny olon-kendrin’i Babylona. Hoy ny soratra masina milaza ny vokatr’izany fangatahana izany: “Dia naseho an’i Daniela tamin’ny fahitana amin’ny alina izany zava-miafina izany, ka dia nisaotra an’ Andriamanitry ny lanitra Daniela.”22
Rehefa avy nidera sy nisaotra an’ Andriamanitra i Daniela dia nitady an’i Arioka lehiben’ny mpiambina ny mpanjaka izy ka nilaza taminy hoe: “Aza mandringana ny olon-kendrin’i Babylona; fa ento ho eo anatrehan’ny mpanjaka aho, dia hambarako aminy ny hevitry ny nofiny.”23
Nentin’i Arioka haingana teo anatrehan’ny mpanjaka i Daniela ka hoy izy hoe: “Nahita lehilahy isan’ny babo avy any Joda aho, izay hilaza amin’ny mpanjaka ny hevitry ny nofy.”24
Rehefa natolotra ny mpanjaka i Daniela dia nametrahan’ny mpanjaka izao fanontaniana izao: “Moa mahay manambara amiko ny nofy izay hitako mbamin’ny heviny va hianao?”25
Hoy i Daniela namaly hoe:
“Ilay zava-miafina nanontanian’ny mpanjaka dia tsy hain’ny olon-kendry, na ny mpisikidy, na ny ombiasy, na ny mpanandro, nolazaina tamin’ny mpanjaka;
“Kanefa misy Andriamanitra any an-danitra, Izay mampiseho zava-miafina ka mampahafantatra an’i Nebokadnezara mpanjaka izay ho tonga any am-parany. Ny nofinao sy ny fahitan’ny lohanao teo amin’ny farafaranao dia izao.”26
Koa dia nanambara ilay nofy tamin’i Nebokadnezara Mpanjaka i Daniela. Hoy izy:
“Hianao, ry mpanjaka ô, nahita fa, indro, nisy sariolona lehibe anankiray. Izany sary izany dia lehibe sady namirapiratra tsara, nijoro teo anatrehanao izy, ary ny tarehiny dia nahatahotra
“Ny lohan’izany sary izany dia volamena tsara, ny tratrany sy ny sandriny dia volafotsy, ny kibony sy ny feny dia varahina,
“Ny ranjony dia vy, ary ny tongony dia vy sy tanimanga.
“Nijery hianao ambara-pahanisy vato voaendaka, nefa tsy nendahan-tanana, ary namely ilay sary teo amin’ny tongony vy sy tanimanga iny ka nahatorotoro azy.
“Dia niara-torotoro ny vy sy ny tanimanga sy ny varahina sy ny volafotsy ary ny volamena ka tonga toy ny akofa eo am-pamoloana fahavaratra; ary nopaohin’ny rivotra izy, ka tsy nisy hitoerany, ary ilay vato namely ny sary dia tonga tendrombohitra lehibe nahafeno ny tany rehetra.”27
Rehefa avy nilaza ny votoatin’ny nofin’i Nebokadnezara Mpanjaka i Daniela dia nanomboka nizara ny hevitr’ilay nofy tamin’ny mpanjaka izy. Hoy i Daniela:
“Hianao, ry mpanjaka ô, izay mpanjakan’ny mpanjaka sady nomen’ Andriamanitry ny lanitra fanjakana sy hery sy fahaleovana ary voninahitra,
“Ka ny zanak’olombelona sy ny bibi-dia ary ny voro-manidina, na aiza na aiza itoerany, dia nomeny ho eo an-tananao, ary nataony ho mpanjakan’izy rehetra hianao, dia hianao izany loha volamena izany.”28
Dia mbola nanazava tamin’i mpanjaka momba ireo fanjakana isan-karazany izay hanaraka ny fanjakany i Daniela, izay asehon’ireo tratra sy tanana volafotsy, kibo sy fe varahina, ranjo vy ary tongotra vy sy tanimanga.
Dia tonga amin’izay izao ilay faminaniana mikasika ny Famerenana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny laoniny sy ny fananganana ny fanjakan’ Andriamanitra amin’ny andro farany. Hoy i Daniela:
“Ary amin’ny andron’ireo mpanjaka ireo [izany hoe amin’ny andro farany] Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay; ary izany fanjakana izany tsy havela ho an’olon- kafa, fa ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.
“Fa toy ilay nahitanao ny vato nendahana tamin’ny tendrombohitra, nefa tsy nendahan-tanana, sy ny nanorotoroany ny vy sy ny varahina sy ny tanimanga sy ny volafotsy ary ny volamena, dia ampahafantarin’ Andriamanitra lehibe ny mpanjaka ny amin’ny zavatra ho avy rahatrizay: marina ny nofy, ary tsy maintsy ho to ny heviny.”29
Rahalahy sy anabavy, ny Famerenana ny Fiangonana sy ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny laoniny sy ny fitombon’izany amin’izao andro farany izao no fanombohan’ny fahatanterahan’io faminaniana nozarain’i Daniela mpaminany fahiny tamin’ny antsipiriany io.
Ankehitriny dia andeha isika handroso 2.400 taona taorian’ny nanjakan’i Nebokadnezara Mpanjaka, tamin’ny fotoana nialoha avy hatrany ilay Famerenana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy tamin’ny laoniny. Mamelà ahy ianareo hizara aminareo sahankevitra ara-tantara izay niseho taloha kelin’ny Fahitana Voalohan’i Joseph Smith.
Lasa miaramila tao amin’ny tafika Amerikana i Asael Smith dadaben’i Joseph Smith nandritra ny Ady ho an’ny Fahaleovantena ary nahita maso mivantana ny fahaterahan’ilay firenena vaovao.
Mbola zaza i Joseph rainy sy i Lucy Mack ray aman-drenin’i Joseph Smith tamin’ny fotoana nankatoavana ny Lalàmpanorenan’i Etazonia tamin’ny taona 1788, sy ilay Fanovana Voalohany tamin’ny taona 1791, izay nanome antoka fa tsy hifehy ny fivavahana ny governemanta ary ny fivavahana dia tsy hifehy ny governemanta.
Noho izany ny fivavahana tao Etazonia dia tsy teo ambany fifehezan’ny fanjakana, ary noho ny maha-tsy miankina amin’ny fanjakana ny fivavahana izany dia nalalaka ny lehilahy sy ny vehivavy Amerikana hifidy fivavahana na tsy hanana fivavahana mihitsy.
Taty aoriana dia nifaly noho ilay fahalalahana ara-pivavahana tao amin’ilay firenena vaovao i Asael Smith. Hoy izy hoe: “Nitarika anay tao anatin’ny revôlisiona feno voninahitra [Andriamanitra] ka nitondra anay tao amin’ilay tany nampanantenaina nanjakan’ny fiadanana sy ny fahalalahana.”30
Taorian’ny Revôlisiona Amerikana dia nandray anjara tamin’ny fipoiran’ny kolontsaina repoblika tao amin’ilay firenena vaovao ireo fiovana teo amin’ny lafin’ny fitaterana sy fifandraisana ary orinasa.
Niaraka tamin’ireo fiovana teo amin’ny fiaraha-monina sy ny kolontsaina Amerikana dia nanomboka nisy fifohazana ara-pivavahana maro izay naharitra am-polo taonany maro tany anelanelan’ny taona 1790 sy 1800 tany, izay fantatry ny mpahay tantara amin’ny hoe ilay Fifohazana Lehibe Faharoa. Ireo fifohazana ireo dia matetika ahitana fivoriana ara-pivavahana eny an-kalamanjana, fitoriana amin-kafanam-po sy amim-pientanam-po, ary fiovampon’olona be dia be. Ny Batista sy ny Metôdista no tena nahazo tombony tamin’ilay Fifohazana Lehibe Faharoa, izay nitsipaka ilay fotopampianarana malaza an’ny Kalvinista momba ny lahatra izay ampianarina any amin’ireo fiangonana tamin’izany fotoana izany. Ny Kalvinista dia mihevitra an’ Andriamanitra ho toy ny mpanjaka manao anjoanjo izay efa nandahatra tamin’ny fomba tsy fantatra lehilahy sy vehivavy ho amin’ny famonjena. Ho an’ny Kalvinista, ny lehilahy sy ny vehivavy, noho ny Fahalavoana, dia mpanota tena ratsy tanteraka ka tsy manan-kery hifidy ny famonjena amin’ny alalan’i Kristy.
Nandritra ilay Fifohazana Lehibe Faharoa anefa ny Batista sy ny Metôdista dia nitory fa Andriamanitra dia be fiantrana ary nanamafy fa ny famonjena dia safidin’ny tsirairay. Io fahatakarana ny famonjena ho an’ny tsirairay io dia azo avy tamin’ny teôlôjia Arminianina, na ireo fotopampianaran’i Jacobus Arminius, teôlôjianina hôlandey. I Arminius, ary avy eo ireo mpitarika fivavahana tao Etazonia, dia nino fa ny famindrampon’ Andriamanitra dia manome fahafahana ny olona tsirairay hifidy an’i Kristy ary Izy Ilay mahery ka mahavonjy ireo rehetra izay misafidy ny ho voavonjy.31
Tao anatin’ireo foto-kevitra mifanohitra momba ny famonjena ireo no niezahan’ny fianakavian’i Joseph Smith nikaroka izay hanolorany tena ara-pivavahana. Lasa nanaiky ny fomba fijerin’ny Arminianina nony farany i Asael sy i Joseph rainy, raibe sy rain’i Joseph Smith, izay mihevitra an’ Andriamanitra ho be fiantrana sy be fitiavana. Nanoratra i Asael Smith taty aoriana hoe: “I Jesoa Kristy dia afaka mamonjy ny rehetra tahaka ny ahafahany mamonjy ny tsirairay.”32 I Asael sy i Joseph rainy dia nandray ny tenany ho Oniversalista, mpino ilay foto-kevitra hoe ny olona rehetra dia zanak’ Andriamanitra ka ho voavonjy avokoa ary nino fa Andriamanitra dia hanavotra ny olon-drehetra tsy an-kanavaka—izay mifanohitra indrindra amin’ilay fomba fijerin’ny Kalvinista ny famonjena izay misy fanavahana.
Ny fivavahan’i Lucy Mack dia tsy fantatra raha tsy tamin’ny taona 1802, rehefa azon’ny aretina mafy izy ka nampanantena an’ Andriamanitra fa hanao izay tsara vitany hanompoana Azy raha toa ka voatsimbina ny ainy. Rehefa sitrana tamin’ilay aretina i Lucy Mack dia nanoratra izy taty aoriana hoe: “Tsy dia niresaka loatra mikasika ny fivavahana ny tenako, na dia nanahirana tanteraka ny saiko aza izany.”33 Nifindrafindra tanàna nony farany i Joseph rainy sy i Lucy Mack mba hitady famonjena ara-nofo sy ara-panahy.
Nandritra io fotoana tsy nampilamina izay nampifindrafindra tanàna azy ireo io no teraka i Joseph Smith zanany tao Sharon, Vermont ny 23 desambra 1805. Nanorim-ponenana tao Palmyra, New York nony farany ny fianakaviana Smith ary avy eo dia nanao trano tany Manchester izay teo akaiky teo. Nahita fihetsiketsehana ara-pivavahana be ny fianakaviana Smith teo akaikin’ny tranon’izy ireo vaovao. Samy nahitana fitomboana lehibe avokoa teo anivon’ny Batista sy ny Presbiteriana ary ny Metôdista teo an-toerana teo anelanelan’ny taona 1816 sy 1821, izay nahatonga ny fananganana fiangonana Presbiteriana vaovao iray sy ny fanorenana trano fiangonana Metôdista vaovao ary ny fiovampon’ny lehilahy sy vehivavy an-jatony maro.
Nanandrana ny fivavahana Presbiteriana i Lucy Mack saingy hoy izy hoe: “misy fahabangana avokoa izy rehetra.” Nanandrana ny fivavahana Metôdista izy avy eo saingy nahakivy azy tamin’ny fanohizana izany i Joseph rainy satria tsy dia nino loatra ireo fotopampianarana izay ampianariny izy sy i Asael rainy. Na dia tsy nanana fivavahana aza ry Smith dia niezaka nampianatra ireo zanany ireo fitsipika Kristianina izy ireo tao an-trano, tafiditra tamin’izany ny famakiana ny Baiboly sy ny vavaky ny tena manokana.34
Nanatrika fivoriana fifohazam-panahy maro i Joseph Smith zanany niaraka tamin’ny fianakaviany fony izy mbola kely. Nisy fiantraikany be teo aminy ireo fampianarana sy resaka nataon’ny rainy, izay nitady fa tsy nahita fivavahana izay nanana firafitra mitovy amin’ny an’i Jesoa Kristy sy ireo Apôstôliny taloha teo anivon’ireo fivavahana ara-pifohazana. Nihaino sy nandalina ireo fandalinana ny Baiboly fanao ao amin’ny fianakaviany i Joseph. Rehefa teo amin’ny faha-12 taonany dia nanomboka nanahy ny amin’ny fahotany sy ny mahasoa ny fanahiny tsy mety maty izy, izay nitarika azy hikaroka ny soratra masina ho an’ny tenany manokana.
Tamin’i Joseph Smith zanany 14 taona dia nanoratra izy hoe:
“Indray andro aho dia namaky tao amin’ny epistilin’i Jakoba toko voalohany ary ny andininy fahadimy izay mivaky hoe: Raha misy aminareo tsy manam-pahendrena, dia aoka izy hangataka amin’Andriamanitra, izay manome malalaka ho an’ny olona rehetra, sady tsy mandatsa; ary homena azy izany.
“Na oviana na oviana dia tsy nisy andalan-tsoratra masina nanohina fon’olona tamin-kery kokoa noho ny nanohinan’izany ny foko tamin’izay fotoana izay. Toy ny niditra tamin-kery tany amin’ny tsiratsiraky ny foko rehetra izany. Nieritreritra izany ombieny ombieny aho, satria fantatro fa raha misy olona mila fahendrena avy amin’ Andriamanitra, dia izaho izay.”35
Nanapa-kevitra ny hanontany an’ Andriamanitra i Joseph nony farany.
Nanoratra na nampanoratra tantara efatra momba ny Fahitany Voalohany i Joseph. Ankoatra izany dia nanoratra ny fitadidiany ny zavatra henony nolazain’i Joseph momba ilay fahitana ny mpiara-belona taminy. Tantara dimy toy izany no fantatra. Fitahiana ho antsika ny manana ireo rakitsoratra ireo. Izy ireny dia nahatonga ny tantaran’ny Fahitana Voalohan’i Joseph Smith ho ilay fahitana voarakitra tsara indrindra teo amin’ny tantara. Mamporisika anareo aho hitsidika ny history.lds.org mba hianatra bebe kokoa momba ireo tantara ka hahita ny fomba hiarahan’izany manome famariparitana feno kokoa mikasika ilay fahitana.
Milaza ny lahatsoratra iray mitondra ny lohateny hoe “First Vision Accounts” (Tantaran’ny Fahitana Voalohany) ao amin’ny Gospel Topics hoe: “Ireo tantara isan-karazany momba ny Fahitana Voalohany dia milaza zavatra iray ihany, na dia samy hafa aza ny fomba hamafisana azy sy ny antsipiriany. Ny zavatra andrasan’ireo mpahay tantara dia ny hoe rehefa tantarain’ny olona iray amin’ny sehatra samy hafa sy amin’ny olona samy hafa ny zava-nitranga iray, dia hanantitrantitra lafiny isan-karazany mikasika ilay zava-nitranga sy hahitana antsipiriany miavaka ny fitantarana tsirairay. Eny tokoa, misy tsy fitoviana toy ny amin’ireo izay hita ao amin’ny fitantarana ny Fahitana Voalohany ny fitantarana momba ny fahitan’i Paoly tany amin’ny lalana nankany Damaskosy sy ny zavatra niainan’ireo Apôstôly tany amin’ny Tendrombohitry ny Fiovan-tarehy. Na dia eo aza anefa ireo fahasamihafana, dia misy fototra iray izay tsy miova mitoetra manerana ireo tantaran’ny Fahitana Voalohany. Ny olona sasany dia milaza am-pahadisoana fa ny fiovana rehetra mety hita amin’ny famerenana ilay tantara dia mampiseho fa tsy tena marina ilay izy. Ny fisian’ny rakitsoratra ara-tantara isan-karazany anefa dia afaka mampianatra antsika bebe kokoa momba an’io zava-nitranga manan-danja io, noho ny hoe tsy manana loharanom-pahafantarana firy isika.”36
Tiako ny mamerina mijery kely miaraka aminareo ireo tantara efatra izay nosoratana na nampanoratin’i Joseph Smith.
Voalohany, ny tantara tamin’ny 1832 no tantara momba ny Fahitana Voalohany nosoratana taloha indrindra. Tafiditra tao anatina tantaram-piainana miisa pejy enina izany, izay i Joseph no nanoratra ny ankamaroany. Fananan’ny Fiangonana io antontan-taratasy io hatramin’ny nanoratana azy. Taorian’ilay dia niankandrefana dia nimpirina tao anaty vata nandritra ny taona maro izany ary tsy fantatry ny olona raha tsy tamin’ny 1965 izay namoahana azy tao amin’ny boky fikarohana nataon’ny mpianatra iray. Navoaka imbetsaka izany nanomboka tamin’izay, anisan’izany tao amin’ny LDS.org sy ny Antontan-taratasin’i Joseph Smith. Ao anatin’io taratasy io i Joseph dia mitantara ny fahoriana noho ny tsy fahafantarana ny hoe aiza no ahitana ny famelan-keloky ny Mpamonjy. Nijoro ho vavolombelona izy nanao hoe: “Novohan’ny Tompo teo amiko ny lanitra ka nahita ny Tompo aho,”37 izay noraisin’ny sasany ho midika hoe ny fisehoan’ny olon’ny lanitra iray ihany no tiany ambara, na dia rehefa vakiana ao amin’ireo tahirin-kevitra hafa aza, io fehezanteny io dia mety ho raisina ho midika hoe novohan’ Andriamanitra Ray ny lanitra ka nanambara an’i Jesoa Kristy Zanany tamin’i Joseph Smith Izy.
Io tantara io dia mampiseho tsara ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy sy ny fanavotana manokana natolony an’i Joseph. Toy izao no lazainy, amin’ny ampahany: “Novohan’ny Tompo teo amiko ny lanitra ka nahita ny Tompo aho ary niresaka tamiko Izy hoe: ‘Ry Joseph zanako, voavela ny helokao. … Nohomboana ho an’izao tontolo izao Aho mba hahazoan’ireo rehetra izay mino ny anarako ny fiainana mandrakizay.’” Nijoro ho vavolombelona i Joseph fa niaina fifaliana sy fitiavana, saingy tsy afaka nahita olona nino anefa izy. “Heniky ny fitiavana ny fanahiko ary afaka nifaly tamin’ny hafaliana lehibe aho nandritra ny andro maromaro ary niaraka tamiko ny Tompo, saingy tsy afaka nahita olona izay hino ilay fahitana avy an-danitra aho. Na izany aza dia nisaintsaina ireo zavatra ireo tao am-poko aho.”38
Manaraka izany, ny tantara tamin’ny 1835 no famariparitan’i Joseph ny fahitany tamin’i Robert Matthews, mpitsidika an’i Kirtland tamin’ny taona 1835. Noraketin’ny mpitantsoran’i Joseph tao anatin’ny diariny izany. Tsy tafiditra tao anatin’ny edisiôna voalohandohan’ny tantaran’i Joseph izany ary navoaka voalohany tao amin’ny BYU Studies teo anelanelan’ny taona 1960 sy 1970. Ao amin’io tantara io i Joseph dia mijoro ho vavolombelona fa niseho taminy aloha Andriamanitra ary avy eo dia nahita ny Mpamonjy ihany koa izy: “Niantso ny Tompo tamin’ny vavaka tamin-kafanam-po aho. Nisy andry afo niseho teo ambony lohako. Nijanona teo amiko izany avy eo ka nanenika ahy tamin’ny hafaliana tsy hay lazaina. Nisy olona iray niseho teo anivon’io andry afo izay niely nanodidina teo nefa tsy nandevona na inona na inona io. Nisy olona iray hafa avy eo niseho tahaka ilay voalohany. Hoy izy tamiko: ‘Voavela ny helokao.’” Tao anatin’io tantara io dia nilaza ihany koa i Joseph hoe: “Nahita anjely maro aho tao amin’io fahitana io.”39
Manaraka, ilay tantara tamin’ny 1838 no tantara fantatra indrindra ary avy ao amin’ny Sora-tanana misy ny tantaran’i Joseph izany. Ny vakiraoka voalohany dia nosoratana taorian’ny nandosiran’i Joseph avy tao Kirtland tamin’ny voalohandohan’ny taona 1838, ary ny vakiraoka faharoa dia nosoratana taorian’ny fandosirany avy tao Missouri tamin’ny taona 1839. Noho izany dia nosoratana tao anatin’ny fotoana nisian’ny fanoherana lehibe izany. Navoaka voalohany izany tamin’ny taona 1842 tao amin’ny Times and Seasons. Nampidirina tao amin’ny Voahangy Lafo Vidy ihany koa izany tamin’ny taona 1851, izay kiboky ho an’ireo Olomasina tany Grande Bretagne tamin’ny voalohany, ary nankatoavina ho soratra masina ho an’ny Olomasina rehetra taty aoriana tamin’ny 1880.
Nisy vakiraoka maro momba io tantara io navoaka tao amin’ny Antontan-taratasin’i Joseph Smith. Tahaka ilay tantara tamin’ny 1835, ny ivon’ity tantara ity dia ny hoe iza no fiangonana marina. Amin’ny maha-tantaran’ny Fiangonana azy fa tsy an’i Joseph ihany, dia “mifantoka amin’ilay fahitana amin’ny maha-fiantombohan’ny ‘fitsanganana sy ny fandrosoan’ny Fiangonana’”40 azy ity tantara ity. Noho izany dia tsy ahitana ilay fampahalalana momba ilay famelan-keloka manokana voalaza ao amin’ireo tantara roa teo aloha izy ity.
Ary farany, ny tantara tamin’ny 1842 dia nosoratana ho setrin’ny fangatahana fanazavana nataon’i John Wentworth, mpamokatra ny Chicago Democrat. Nanoratra taratasy ho azy i Joseph izay nahitana tsy ireo Fanekem-pinoana ihany fa fanoritsoritana ny Fahitana Voalohany ihany koa. Navoaka tao amin’ny Times and Seasons ilay taratasy tamin’ny taona 1842. Rehefa nanome lalana i Joseph dia navoakan’ny mpahay tantara iray antsoina hoe Israel Daniel Rupp indray izany tamin’ny 1843 tao amin’ny bokiny miresaka momba ireo fiangonana Kristiana tao Etazonia. Ity tantara ity dia natao ho an’ny olona izay mbola tsy zatra ny finoana Môrmôna. Nosoratana nandritra ny fotoam-piadanana izay nisy nandritra ny naha-tao anaty fanoherana an’i Joseph izany.
Tahaka ny ao amin’ireo tantara hafa dia nilaza ny safotofoton-tsaina izay niainany sy ny fisehoan’ny olona roa i Joseph ho valin’ny vavaka nataony: “Tao anatin’ny fahitana avy any an-danitra aho dia nahita olona roa be voninahitra izay nitovy tanteraka ny endriny sy ny tarehiny, voahodidina hazavana mamirapiratra mihoatra ny masoandro amin’ny mitataovovonana. Nilaza tamiko izy ireo fa ny antokom-pivavahana rehetra dia nino fotopampianarana diso, ary tsy nisy neken’ Andriamanitra ho fiangonany sy fanjakany izy ireo. Ary nodidiana manokana aho mba ‘tsy hanaraka azy ireny,’ sady nahazo fampanantenana fa amin’ny fotoana ho avy dia hampahafantarina ahy ny fahafenoan’ny filazantsara.”41
Fitahiana ny manana ireo tantara momba ny Fahitana Voalohan’i Joseph ireo. Tahaka ireo Filazantsara tsirairay ao amin’ny Testamenta Vaovao izay manoritsoritra ny fiainana sy ny asa fanompoana nataon’i Kristy rehefa miaraka dia samy manome antsipiriany sy fomba fijery manokana ny tsirairay amin’ireo tantara manoritsoritra ny Fahitana Voalohan’i Joseph. Milaza tantara mitovy sy mirindra momba an’i Joseph izy ireo rehefa miaraka. Izy rehetra dia samy manasongadina hoe nisy fifanjevona sy fifandirana teo anivon’ireo fiangonana Kristiana, naniry ny hahafantatra i Joseph hoe iza amin’ireo no marina (raha misy), nandinika ny soratra masina sy nivavaka izy, nisy hazavana nidina avy any an-danatra, ary nisy olon’ny lanitra niseho ka namaly ny vavaka nataony.
Ndeha hozaraiko aminareo amin’ny antsipiriany ilay Fahitana Voalohany araka ny fitantaran’i Joseph Smith azy tamin’ny 1838 ao amin’ny soratra masina. Izy io no traikefam-pianarana mahery vaika indrindra azon’ny olona ananana eto an-tany. Nanova ny fiainan’i Joseph io traikefa io, nanova ny fiainako izany, ary fantatro fa efa nanova na mbola hanova ny fiainanareo izany rehefa manatona ny Tompo ianareo ka mangataka fanamafisana ny maha-tena nisy izany.
“Farany dia tonga teo amin’ny fanapahan-kevitra aho, fa na izaho tsy maintsy mijanona ao amin’ny haizina sy ny fifangaroan-kevitra, na manao izay atoron’i Jakôba kosa, izany hoe, mangataka amin’ Andriamanitra. Farany, dia nanapa-kevitra ny ‘hangataka amin’ Andriamanitra’ aho noho ny fiheverana fa raha nomeny fahendrena ireo izay tsy nanana fahendrena ary omeny malalaka fa tsy latsainy, dia mba mahazo manandrana aho.
“Koa araka izany, noho ny fahatapahan-kevitro ny hangataka amin’ Andriamanitra, dia nandeha nitokana tao anaty ala aho mba hanao ny fanandramana. Marainan’ny andro tsara sady mipoaka tamin’izay, tany amin’ny fiandohan’ny lohataonan’ny taona roapolo sy valonjato amby arivo. Sambany aho nanao andrana toy izany teo amin’ny fiainako, fa na dia teo anivon’ny tebitebiko rehetra aza aho dia tsy mbola nanandrana na oviana na oviana ny nanao tonom-bavaka.
“Nony efa nitokana teo amin’ny toerana izay efa nokasaiko mialoha mba handehanana aho ary nijery ny manodidina ahy ka nahita fa irery aho, dia nandohalika aho ary nanomboka nanolotra an’ Andriamanitra ny fanirian’ny foko. Raha vantany vao nanao izany aho, dia nisy hery nangeja avy hatrany izay nandresy ahy tanteraka sady nanana fahefana mahagaga tamiko izay namatotra ny lelako, hany ka tsy afaka niteny aho. Haizina matevina no niangona manodidina ahy, ary nandritra ny fotoana fohy dia toy ireny voaozona ny ho fongana tampoka ireny no fihevitro ny tenako.
“Nampiasa ny heriko rehetra anefa aho mba hiantso an’ Andriamanitra hanafaka ahy amin’ny herin’ity fahavalo izay nangeja ahy ity, ary tamin’ny fotoana nahavonona ahy indrindra hidina ao amin’ny famoizam-po sy hamela ny tenako ho amin’ny famongorana—tsy ho amin’ny fandringanana foronin’ny saina fa ho amin’ny herin’ilay zavatra tena misy, avy amin’ny tontolo tsy hita maso, izay manana hery mahagaga toy izany, toy izay tsy mbola tsapako tamina olona teo aloha—tamin’izay fotoam-pahatairana lehibe izay no nahitako andrim-pahazavana teo ambonin’ ny lohako indrindra, nihoatra ny famirapiratan’ny masoandro, nidina tsikelikely teo amboniko.
“Raha vantany vao niseho izany, dia hitako fa nafahana tamin’ny fahavaloko izay efa nihazona ahy aho. Rehefa nijanona teo amboniko ilay hazavana, dia nahita Olona roa aho, izay mihoatra ny famaritana rehetra ny famirapiratany sy ny voninahiny, nijoro nitsingevaheva teo amboniko. Niteny tamiko ny anankiray Taminy, niantso ahy tamin’ny anarako sady nanondro ilay anankiray no nanao hoe—Itỳ no Zanako Malalako,Henoy Izy!
“Ny tanjoko nandehanako nanontany ny Tompo dia ny hahafantatra hoe iza amin’ ireo antokom-pivavahana rehetra no marina, mba hahafantarako izay hilatsahako ho mpikambana. Koa vantany vao tompon’ny tenako aho ka afaka niteny dia nanontany ireo Olona izay nijoro teo amboniko teo amin’ny hazavana, hoe: iza amin’ireo antokom-pivavahana rehetra no marina (satria tsy tafiditra tao am-poko na oviana na oviana tamin’izay fotoana izay fa diso avokoa izy ireo)—ary iza no tokony hilatsahako ho mpikambana.
“Novaliany aho fa tsy misy amin’izy ireo izay tokony hilatsahako ho mpikambana, fa diso avokoa izy ireo.”42
Araka ny voalaza ao amin’ilay lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe “First Vision Accounts” (Ireo tantaran’ny Fahitana Voalohany) hita ao amin’ny LDS.org dia: “Nijoro ho vavolombelona imbetsaka i Joseph Smith fa nahita an’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy Zanany tao anatin’ny fahitana miavaka izy. Na ny fahamarinan’ilay Fahitana Voalohany na ireo tetik’ady enti-manohitra izany dia tsy azo porofoina amin’ny fikarohana ara-tantara fotsiny. Ny fahafantarana ny fahamarinan’ny tenivavolombelon’i Joseph Smith dia mitaky ireo mpikatsaka mafy ny fahamarinana mba handalina ilay tantara ka hampiasa finoana tsara an’i Kristy hangatahana amin’ Andriamanitra amin’ny vavaka amin-kitsimpo sy amim-panetrentena. Raha mangataka omban’ny tena finiavana ireo mpikatsaka mba hanao zavatra araka izay valiny omen’ny Fanahy Masina, dia hiseho ny fahamarinan’ny Fahitana Voalohan’i Joseph Smith. Izany no fomba ahafahan’ny olona tsirairay mahafantatra fa niteny tamin-kitsimpo i Joseph Smith raha nilaza hoe: ‘Nahita fahitana aho, nahafantatra izany aho, ary nahafantatra aho fa nahafantatra izany Andriamanitra, ary tsy afaka mandà izany aho’ [Joseph Smith—Tantara 1:25].”43
Araka ny voalazan’i Joseph F. Smith: “Ny tranga lehibe indrindra niseho teo amin’izao tontolo izao hatramin’ny nitsanganan’ny Zanak’ Andriamanitra tamin’ny maty sy ny fiakarany tany an-danitra dia ny fahatongavan’ny Ray sy ny Zanaka tamin’io zazalahy io, dia i Joseph Smith.”44
Rahalahy sy anabavy, traikefa tena mahafinaritra sady mitondra hazavana ny mamakafaka ny zavatra izay tena ianarantsika avy amin’io zavatra niainan’i Joseph Smith izay masina sy mahavariana io. Tiako ny hizara aminareo ohatra vitsivitsy ny amin’ny fahamarinana izay ianarantsika avy amin’ny Fahitana Voalohan’i Joseph Smith mikasika ny toetra mandrakizain’ny Raintsika any An-danitra, i Jesoa Kristy Zanany, ny maha tena misy an’i Satana, ary ny fifanoherana misy eo amin’ny tsara sy ny ratsy miaraka amin’ireo lafiny manan-danja hafa amin’ny drafitra lehiben’ny famonjena.
Mianatra isika fa marina ny soratra masina sady azo raisina ara-bakiteny no azo ampiharina amin’ny fiainantsika.
Mianatra isika fa manome hery sy hevi-baovao ny fisaintsainana ny soratra masina.
Mianatra isika fa tsy ampy ny fahalalana fotsiny. Ny fanaovana zavatra araka izay fahalalana ananantsika no mahatonga ireo fitahian’ Andriamanitra.
Mianatra mametraka ny fitokiantsika amin’ Andriamanitra isika ary mitodika any Aminy mba hahazoana ny valin’ireo fanontaniana manan-danja indrindra amin’ny fiainana fa tsy mametraka ny fitokiantsika amin’ny olona.
Mianatra isika fa ny vavaka dia valiana arakaraka ny finoantsika tsy azo hozongozonina sy arakaraka ny sitrapon’ny Ray any An-danitra.
Mianatra isika ny amin’ny maha-tena misy marina an’i Satana ary manana hery hitaomana an’izao tontolo ara-batana izao izy, ka tafiditra amin’izany isika.
Mianatra isika fa voafetra ny herin’i Satana ary ambany noho ny herin’ Andriamanitra.
Mianatra isika fa tsy hijanona handrava ny asan’ Andriamanitra mihitsy i Satana ary tsy maintsy efa fantatr’i Satana ny maha-zava-dehibe an’i Joseph Smith amin’ny maha-Mpaminanin’ny Famerenana amin’ny laoniny azy.
Mianatra isika fa afaka mandresy an’i Satana isika rehefa miantso an’ Andriamanitra ka mametraka feno ny finoantsika sy ny fitokiantsika amin’ny Tompo.
Mianatra isika fa na aiza na aiza misy hazavana dia tsy maintsy misinda ny haizina.
Mianatra isika fa Andriamanitra sy i Jesoa Kristy Zanany dia olona roa misaraka sy miavaka tsara, izay mitovy endrika sy tarehy.
Mianatra isika fa nohariana araka ny endrik’ Andriamanitra isika.
Mianatra isika fa efa nitsangana tamin’ny maty i Kristy.
Mianatra isika fa Andriamanitra dia mahafantatra antsika tsirairay sady mahafantatra ny filàna sy ny olantsika. Nantsoiny tamin’ny anarany i Joseph.
Mianatra mikasika ny fifandraisana misy eo amin’ Andriamanitra Ray sy ny Zanaka, dia i Jesoa Kristy Tompo isika. Manaraka ny torohevitry ny Rainy i Jesoa ary ny Ray dia mifandray amintsika eto an-tany amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanany.
Mianatra isika fa tena tian’ny Rainy i Jesoa tamin’ny filazana an’i Jesoa ho Zanany Malalany.
Mianatra isika fa ny Fiangonan’i Jesoa Kristy mitovy amin’ny nananganany Azy tamin’ny voalohany dia tsy hita teto an-tany tamin’ny fotoan’andron’i Joseph Smith, izay nanamarina ny fisian’ny Apôstazia Lehibe nolazain’i Paoly Apôstôly mialoha.
Mianatra isika fa raha manao izay haniriana ny fitarihan’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika isika dia hanambara lalana hahatsara antsika Izy. Tamin’ny andron’i Joseph dia diso avokoa ireo antokom-pivavahana rehetra.
Mianatra isika fa ny fotoampitantanana rehetra dia mahazo ireo fahitana sy fitahiana ary voninahitr’ Andriamanitra avokoa.
Mianatra ny fomba fifidianan’ Andriamanitra ireo mpaminaniny isika.
Mianatra isika fa Andriamanitra dia mifidy ireo madio am-po izay marina sy manana faniriana marina mba hanao ny asany, izay manamarina ny fampianarana ao amin’ny Baiboly hoe Andriamanitra dia mijery ny fo fa tsy mifidy olona amin’ny alalan’ny endrika ivelany na ny toerana misy azy eo amin’ny fiaraha-monina.
Rahalahy sy anabavy, ny Fahitana Voalohany no fanalahidy ahafahana mahita fahamarinana maro izay nafenina nandritra ny taonjato maro. Aoka isika tsy hanadino na hanamaivana ireo fahamarinana sarobidy maro izay efa nianarantsika avy tamin’ny Fahitana Voalohan’i Joseph Smith.
Ny fisehoan’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Tompo Zanany tamin’i Joseph Smith no niantombohan’ny fitantanan’ny fotoam-pahafenoana. Tokony hozaraintsika amin’ireo rehetra izay tiantsika sy sarobidy amintsika io tranga masina io sy ireo zavatra izay nianarantsika avy amin’izany.
Indreto misy fanontaniana anankiroa izay azonareo dinihana sy valiana ary zaraina amin’ny tambazotra ifaneraserana amin’ny alalan’ny fampiasana ny hashtag hoe #LDSdevo.
-
Inona no fahamarinana nianaranao avy tamin’ny Fahitana Voalohan’i Joseph Smith?
-
Tamin’ny fomba ahoana no namalian’ny Tompo anao rehefa nikatsaka fahamarinana sy valin’ny fanontaniana nanananao ianao?
Tena faly aho ny hamaky ny zavatra hozarainareo momba an’io lohahevitra tena manan-danja io sy momba ireo fanontaniana manan-danja ireo.
Te hamarana ny lahateniko amin’ny fizarana fahamarinana iray hafa nianarako aho izay vokatry ny fifantohana tamin’ny Fahitana Voalohan’i Joseph Smith rehefa nampianatra misiônera amin’ny fotoana feno.
Taona maro lasa izay dia nanana tombotsoa nanompo tao amin’ny Fiadidian’ny Vondrom-paritr’i Philippines aho. Nifandimby nanao lahateny nandritra ireo fivoriana fankaherezam-panahy natao tao amin’ny Ivontoerana Fanofanana ny Misiônera tao Manille ireo mpikambana tao amin’ny Fiadidian’ny Vondrom-paritra. Misiônera amin’ny fotoana feno vao nantsoina avy amin’ireo firenena 14 eo ho eo manerana an’i Azia sy ireo firenena manodidina ny Ranomasimbe Pasifika no tonga tao Manille.
Koa satria efa hifarana ny fotoana nanendrena anay hiasa tao Philippines dia nanana fahafahana farany hanao lahateny ho an’ireo misiônera tao amin’ilay fivoriana fankaherezam-panahy tao amin’ilay ivontoerana izahay. Tsy ho hadinoko mihitsy ilay nipetraka teo amin’ny lampihazo nijery tany amin’ireo misiônera amin’ny fotoana feno mahatalanjona izay niangona teo. Nivavaka aho mba hahazo fitaomam-panahy ka ho afaka mizara amin’izy ireo zavatra izay mety hanampy azy ireo hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny asa izay andraisan’izy ireo anjara. Raha mbola nandinika ny zavatra izay mety holazaiko aho dia voasarika tany amin’ny sary hosodoko iray teo amin’ny rindrin’ilay efitrano ny masoko. Sary izay efa mety hitanareo tany amin’ny trano fiangonanareo izany. Izany dia ilay sary fanta-daza an’ny Fahitana Voalohan’i Joseph Smith izay nataon’i Del Parson. Mampiseho an’i Joseph Smith 14 taona mandohalika ao amin’ilay Alakely Masina izany, mandray ireo torolalana avy amin’ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy.
Natomboko tamin’ny fanondroana ilay sarin’ny Fahitana Voalohan’i Joseph Smith nataon’i Del Parson ny hafatro ho an’ireo misiônera sady nanazava azy ireo aho fa i Joseph tamin’io fotoana io, izay mandohalika ao amin’ilay Alakely Masina sy mivavaka mba hahazo fitarihana eo amin’ny fiainany, dia mampiseho ireo naman’ny fiangonana izay mitady ny fahamarinana, tafiditra amin’izany ny tamin’ny lasa sy ny amin’ny ankehitriny ary ny amin’ny ho avy. Satria nahoana? Satria nanana fanontaniana mitovy amin’izay efa nananan’ireo naman’ny Fiangonana rehetra marina sy mahitsy fo izy. Rehefa nangataka tamin’ny Tompo izy hoe iza amin’ireo antokom-pivavahana rehetra no marina, dia nikatsaka fahamarinana tokoa izy. Nikatsaka ny tanjony amin’ny fiainana izy. Nikatsaka ny drafitra lehiben’ny famonjen’ny Ray any An-danitra izy.
Moa ve nisy misiônera nahazo lalana teto an-tany tamin’ny fotoana nivavahan’i Joseph tamin’ny fo mba hamaly ny fanontaniany? Tsia, tsy nisy. Noho izany, tamin’izany fotoana masina izany, dia niseho tamin’ilay Joseph zazalahy ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany ka namaly azy, ary dia nanomboka ny Famerenana ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny laoniny.
Tahaka an’i Joseph Smith, ireo naman’ny Fiangonana izay tena mety hanao sy hitandrina ireo fanoloran-tena ka handroso ho any amin’ny batisa amin’ny farany no tena mikatsaka fahamarinana sy tanjona amin’ny fiainana eto an-tany. Tsy ho an’ny misiônera amin’ny fotoana feno ihany izany no manan-danja fa tsara ianarantsika ihany koa rehefa mizara ny filazantsara isika. Tsara ho marihina koa fa maro amin’ireo izay mitady fitarihana sy tanjona amin’ny fiainana dia olona mitovy taona amin’ireo izay mandray anjara amin’ity fampaherezam-panahy ity. Namanareo sy mifanerasera aminareo izy ireny. I Nancy vadiko dia iray tamin’ireo izay mitovy taona aminareo izay nikatsaka fahamarinana sy tanjona tamin’ny fiainany.
Ry tanora namako, tena fitahiana mahatalanjona tokoa no ananantsika rehetra satria teraka amin’ny fotoana izay nahatafaverina ny fahafenoan’ny filazantsran’i Jesoa Kristy amin’ny laoniny. Mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa notsidihin’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Tompo Zanany i Joseph Smith tamin’io andro kanto nandritra ny lohataona tamin’ny 1820 io. Mijoro ho vavolombelona aho fa ny zavatra nolazan’ Izy Ireo sy ny valinteny azon’i Joseph tamim-panetrentena dia fahatanterahan’ireo faminaniana nolazain’ireo mpaminany masina nandritra ny tantaran’izao tontolo izao. Mijoro ho vavolombelona koa aho fa nanomana ny lalana ho amin’ny Famerenana amin’ny laoniny ireo fahalalahana ara-pivavahana vokatry ny fananganana sy ny fanorenana an’i Etazonia. Mijoro ho vavolombelona ihany koa aho ny amin’ny fahamarinan’ny tenin’ny Filoha Gordon B. Hinckley raha niresaka momba ny Fahitana Voalohany izy nanao hoe: “ Nianatra bebe kokoa momba ny toetran’ Andriamanitra i Joseph Smith tamin’io fotoana io, na lava izany na fohy, mihoatra noho ireo teôlojianina izay nianatra hatrizay.”45 Tena tombontsoa mahatalanjona ho antsika rehetra tokoa ny mizara ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba ny famerenana ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny laoniny, amin’izao andro farany izao.
Rahalahy sy anabavy, naverina tamin’ny laoniny ny fahamarinana, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.
© 2016 an’ny Intellectual Reserve, Inc. Zo rehetra voatokana. Fankatoavana ny tamin’ny teny Anglisy: 3/16. Fankatoavana ny fandikana: 3/16. Fandikana ny “The Truth Restored.” Malagasy. PD60001510 654