Fampaherezam-panahy tamin’ny 2016
Mahita ny tanjoko


Mahita ny tanjoko

Takariva iarahana amin’ny Loholona Richard J. Maynes

Fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony • 1 mey 2016 • Tabernakelin’i Salt Lake

Tena faly aho tafaraka amin’ny vadiko eto anio hariva ary feno fankasitrahana aho noho ny fahafahako miresaka aminareo.

Rehefa nilaza tamiko voalohany ny vadiko fa hiresaka momba ny Famerenana amin’ny laoniny izy, indrindra fa ny Fahitana Voalohany hitan’i Joseph Smith, dia niresaka mikasika ny fomba fiantraikan’izany lohahevitra izany teo amin’ny fiainako izahay ary ny fomba mety hitondran’izany zavatra niainako izany fiantraikany tsara eo amin’ny fampiorenam-paka ny finoanareo.

Niova fo tato amin’ny Fiangonana aho, ary te hizara aminareo ny zavatra sarobidy indrindra niainako—dia ny tantaran’ny fiovampoko.

Lehibe tao amin’ny tokantrano iray tena feno fitiavana aho ary manana ray aman-dreny mahafinaritra. Tsy nandeha matetika tany am-piangonana izahay, saingy tamin’ny naha-mpikambana ahy tao amin’ny Fiangonana Presbiteriana dia niangona foana izahay rehefa Krisimasy sy Paska, ary indraindray dia nentin’ny reniko namonjy sekoly alahady aho. Tao no nahazoako voalohany ny fijoroana ho vavolombelona ananako momba ny Mpamonjy. Tiako ny nihaino ireo tantara momba an’i Jesoa. Fantatro fa olona iray tena niavaka Izy.

Fony ankizivavy kely dia efa nahatsapa aho fa tokony hanao vavaka manokana ao am-pandriako rehefa alina ny andro. Fantatro fa nihaino ahy ny Ray any An-danitra.

Tany amin’ny fiandohan’ny faha-roapolo taonako dia nampiaraka aho ary nandalo ireo fahasorenana sy fahadisoam-panantenana ary fahakiviana izay entin’ny fampiarahana indraindray. Ny sasany aminareo angamba dia efa nahatsapa ireo fihetseham-po ireo, saingy misy zavatra maha-samy hafa azy. Manana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainanareo ianareo. Tena fitahiana lehibe izany. Manome tanjona sy tanjaka ho anareo ny filazantsara. Manome fanantenana ho anareo izany. Nandritra izany vanimpotoana teo amin’ny fiainako izany dia tsapako fa nisy zavatra banga tao. Tsapako fa tsy nanana tanjona na lalan-kizorana mazava aho teo amin’ny fiainako. Nanomboka nandeha tany amin’ny fiangonana maro samihafa aho, nanantena hahita valinteny. Nikaroka zavatra izay hahatonga ny fiainako ho manan-danja aho, saingy tsy fantatro ny toerana hahitana izany.

Tamin’ny andro iray izay sarotra tokoa dia nanapa-kevitra aho fa hivavaka. Dia nandohalika teo akaikin’ny fandriako aho—izay zavatra tsy fanaoko mahazatra—ka namboraka ny tao am-poko tamin’ny Ray any An-danitra, nangataka fanampiana taminy sy mba hanomezany ahy torolalana eo amin’ny fiainako. Nahatsapa ho metimety kokoa aho ka nanohy ireo zavatra fanaoko mahazatra amin’ny andavanandro.

Voavaly ny vavako andro vitsivitsy taty aoriana. Tonga teo amin’ny fiainako ny misiônera iray nahavita asa fitoriana. Richard John Maynes no anarany. Nangataka ahy hampiaraka taminy izy ary nanao ny zavatra ataon’ireo misiônera tsara nahavita asa fitoriana. Nanontany ahy izy raha toa ka nahafantatra zavatra momba ny Fiangonana aho ary raha toa aho ka efa namaky ny Bokin’i Môrmôna.

Fotoana fohy taorian’izay dia nomeny Bokin’i Môrmôna hovakiana aho. Nanomboka namaky izany aho, ary anisan’ireo zavatra izay nanintona ny saiko avy hatrany ny pejin-dohateny, izay mivaky hoe: “Ny Bokin’i Môrmôna: Testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy.” Tsy nahafantatra mihitsy aho hoe ny Bokin’i Môrmôna dia momba an’i Jesoa.

Nanomboka nanaraka ireo fampianaran’ny misiônera ihany koa aho, ary dia nisy jiro iray narehitra teo amin’ny fiainako. Rehefa nampianarin’ireo misiônera ahy ny momba an’i Joseph, izay notsidihan’Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Zanany, izay olona roa samy hafa, dia toa marina izany araka ny zavatra efa tsapako sy ninoako hatrizay, saingy tsy izany no nampianarina ahy tany amin’ny fiangonako. Ampahany manan-danja teo amin’ny fiovampoko ny Fahitana Voalohany. Nisy zavatra niraisako tamin’i Joseph Smith satria nanana fanontaniana nitovy tamin’ny ahy izy: Aiza no hahitako ny fahamarinana? Namaly ny vavaka nataony tamin-kitsimpo Andriamanitra, ary namaly ny vavaka nataoko koa Izy. Nanohy nianatra ireo lesona rehetra aho ary fantatro tao am-poko fa marina ny zavatra nampianarina ahy.

Nataon’i Richard John Maynes, izay misiônera avy nanao asa fitoriana, batisa aho tamin’izay fahavaratra izay. Nanohy nampiaraka izahay, ary herintaona taty aoriana dia nivady tany amin’ny Tempolin’i Manti Utah.

Fiandohan’ny fiovampoko fotsiny izany. Toy ny marobe amintsika dia dingana arahina maromaro ny fiovampo. Ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika dia mila fahanana sy ampatanjahana isan’andro amin’ny alalan’ny famakiana soratra masina, fivavahana, fandehanana any am-piangonana, fandehanana any amin’ny tempoly, ary fanarahana ny mpaminanintsika.

Tokony ho ampahany manan-danja eo amin’ny fiainantsika ny soratra masina. Fony aho zatovovavy, tsy mpikamban’ny Fiangonana, dia nangatahina aho mba hisafidy soratra masina iray hofehezina. Nisafidy ny Ohabolana 3:5–6 aho:

“Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahalalanao.

“Maneke Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy handamina ny lalanao.”

Tsy haiko ny hilaza aminareo hoe impiry izany soratra masina izany no tonga tato an-tsaiko rehefa nila fanampiana avy any an-danitra aho. Raha toa ka mametraka fotsiny ny finoantsika sy ny fahatokiantsika amin’ny Tompo isika, sady mahafantatra fa tsy takatsika ny zavatra rehetra izay mitranga eo amin’ny fiainantsika ary mahatsiaro misaotra Azy noho ireo fitahiana marobe izay ananantsika, dia hasehony antsika ny lalana. Mety tsy hitranga amin’ny fotoana itiavantsika azy izany kanefa fantatro fa ny Ray any An-danitra dia manana drafitra ho antsika tsirairay avy.

Hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 123:12 ny iray amin’ireo soratra masina tiako indrindra: “Fa mbola misy maro eto an-tany any anivon’ireo antokom-pivavahana, vondrona ary fiangonana rehetra, no hajambain’ny hafetsena misokon’ny olona izay ijokoany mba hamitaka, ary ny hany manakana azy ireo tsy hahita ny fahamarinana dia noho ny tsy fahafantarany izay ahitana izany fotsiny.”

Tena zava-dehibe ho antsika mpikamban’ny Fiangonana ny manolo-tanana ka mizara ny filazantsara amin’ny hafa. Misy olona marobe toa ahy izay mitady ny fahamarinana saingy tsy mahafantatra ny toerana hahitana izany.

Ny fanapahan-kevitra roa manan-danja indrindra noraisiko teo amin’ny fiainako dia ny nanaovako batisa sy nanambadiako ny vadiko tany amin’ny tempoly. Feno fankasitrahana aho noho ny filazantsara eo amin’ny fiainako. Fantatsika rehetra fa tsy mora ny fiainana indraindray. Mila mahatsiaro ny tenin’ny Loholona Jeffrey R. Holland fotsiny isika. Hoy izy:

“Eo ny Tompon’ny lanitra sy ny tany hitahy anareo. …

“Miantehera Aminy. Miantehera mafy Aminy. Miantehera Aminy mandrakizay.”1

Fantatro fa tena misy ny Ray any An-danitra. Tia antsika Izy. Maheno ny vavaka ataontsika Izy. Fantatro fa i Jesoa Kristy no Mpamonjintsika. Maty ho antsika tsirairay Izy ary nanome ny fanomezam-pahasoavana lehiben’ny fibebahana, izay manome fahafahana antsika hitondra fiovana eo amin’ny fiainantsika mba ho tsara kokoa isan’andro. Fantatro fa manana mpaminany velona isika, ny Filoha Thomas S. Monson, ary fantatro fa ny Mpaminany Joseph Smith dia nahita ny Ray sy ny Zanaka ary nanome antsika ny Bokin’i Môrmôna: Testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy.

Ny vavaka ataoko dia ny mba hanohizanareo ny fampatanjahana sy ny fikolokoloana ny fijoroana ho vavolombelona anananareo isan’andro amin’ny alalan’ny fanaovana ireo zavatra izay nampianarin’ny Mpamonjy sy ireo mpaminanintsika hoe tokony hataontsika. Ny vavaka ataoko dia ny hanohizanareo ny fahatokiana ny Tompo ary aoka ho fantatrareo fa hainy hoe iza ianareo ary hanoro lalana anareo Izy.

Ireo zavatra ireo dia lazaiko amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Jeffrey R. Holland, “Because She Is a Mother,” Ensign, mey 1997, 36–37.

Hamoaka printy