Fihaonamben’ny Mpanabe ara-pivavahana ao amin’ny DFF
Manampy ny mpianatra handray an-tanana ny fijoroana ho vavolombelona manokana ananany


36:23

Manampy ny mpianatra handray an-tanana ny fijoroana ho vavolombelona manokana ananany

Fihaonamben’ireo mpanabe ara-pivavahana an’ny DFF, jona 2024

Tonga soa amin’ity fivoriambe manan-tantara an’ireo mpanabe ara-pivavahana an’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ity. Efa aman-taonany maro izay isika no mampivory ny mpanabe ara-pivavahana rehetra ato amin’ny DFF indray mandeha isan-taona mba hanao fampaherezam-panahy mifantoka amina zavatra iray, izay nantsoina taloha hoe Takariva hiarahana amin’ny Manampahefana Ambony. Anio alina dia hanohy ny efa mahazatra isika ka hivory hihaino ny Loholona Dale G. Renlund any amin’ny fiafaran’ity hetsika ity. Raha ny tantara dia manatontosa ny fihaonamben’ny DFF mivantana ao amin’ny Oniversite Brigham Young ihany koa isika, saingy ny hetsika ho an’ny anio alina kosa no voalohany ivorian’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana manontolo mba hifampianatra, hifampizara hevi-baovao, hifanakalo hevitra momba ireo ezaka hampianarana mahomby kokoa, ary hampifandray ireo mpanabe ara-pivavahana avy amin’ny Seminera sy Institiota fianarana ny Filazantsara, ny BYU, BYU–Idaho, BYU–Hawaii, BYU–Pathway, ary Ensign College. Raha ny fitambarany dia mampianatra hatramin’ny tanora miisa dimy hetsy manerana ny Fiangonana ireo mpanabe ara-pivavahana ireo, ankoatra ireo mpianatra rehetra izay misoratra anarana amin’ny seminera.

Mba hahatakarana ny antony hanaovantsika ezaka toy izany dia mila mahatakatra ny tena tanjon’ny fanabeazana ara-pivavahana ato amin’ny DFF. Niresaka matetika aho momba ireo anjara asa miavaka sahanin’ny sekoly tsirairay ato amin’ny DFF ato amin’ny departemanta. Ohatra, nantsoiko hoe ilay Mpanentana ny BYU satria ny andraikiny dia ny misolo tena ny departemanta sy ny Fiangonana amin’ny fihazonana anjara asa mampita, mandray, ary manam-pahaizana. Manaraka izany, diniho ny BYU–Idaho, izay antsoiko hoe ilay Mpampianatra satria ny fifantohany tokana dia ny hampianatra; ny BYU–Hawaii no ilay vatolampintsika any Azia-Pasifika, mifantoka amim-panolorantena sy tanteraka amin’ny faritra sahaniny ato amin’ny Fiangonana; ary ny Ensign College dia ilay Mpanolotra fandaharam-pampianarana manomana matihanina, ka ny fifantohany dia ireo fahaiza-manao hahazoana asa haingana. Ary ny BYU–Pathway dia ilay Mpanamora fandratoana fianarana, ka mahatolotra fianarana ho ana mpianatra maro kokoa noho izay misy ao amin’ireo anjerimanontolontsika amin’ny alalan’ny fianarana an-jotra tsy lafo sy tsara kalitao. Mazava ho azy, ny Seminera sy Institiota dia manolo tanana an’ireo mpianatra tsy mianatra ao amin’ireo oniversiten’ny Fiangonana ka Vatofantsika ara-panahy ho an’ireo tanora, na aiza na aiza ianaran’izy ireo.

Na dia eo aza ireo anjara asa samihafa, dia misy zavatra roa farafahakeliny mampiray an’ireo rafitra ireo. Ny voalohany dia ny iraka ampanaovina ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana mihitsy, dia ny hikolokolo mpanaradia an’i Jesoa Kristy afaka ny ho mpitarika any amin’ny tokantrano, ny Fiangonana, ary ny fiarahamonin’izy ireo. Na inona na inona anjara asa miavaka sahaninareo ao amin’ny rafitra misy anareo, dia manana iraka ampanaovina iombonana mikasika ny maha mpitarika mpanaradia ny rafitra tsirairay ato amin’ny DFF. Ho an’ireo mpanatrika androany indrindra indrindra, dia manana andraikitra fanampiny iombonana ihany koa isika manerana ny DFF amin’ny maha mpanabe ara-pivavahana antsika. Tamin’ny jona 2019 ny Filankevi-pitantanan’ny Fampianarana ato amin’ny Fiangonana dia nanome fankatoavana ny lahatsoratra manoritra fitsipika iray izay manazava ny anjara asan’ireo mpanabe ara-pivavahana ato amin’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, izay antsoina matetika hoe ny lahatsoratra “Fanamafisana ny Fianarana Ara-pivavahana (FFA)”. Tonga niaraka tamin’ny fanazavana sy fitarihana mivantana avy amin’ny Filankevi-pitantanan’ny Fampianarana ato amin’ny Fiangonana izany adidy izany. Mivaky toy izao ny andiam-pehezan-teny fanokafana ao amin’ilay lahatsoratra, “Mihazona toerana miavaka sy ankamamiana ao amin’ny iraka ampanaovina ny rafitra tsirairay ny fanabeazana ara-pivavahana. … Ivon’ny tanjon’ny rafitra tsirairay avy mihitsy izany.” Ny toromarika ao amin’ny FFA dia manazava misimisy kokoa fa ny tanjona fototry ny fanabeazana ara-pivavahana dia toy izao manaraka izao: “Ny tanjon’ny fanabeazana ara-pivavahana dia ny mampianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny avy amin’ny soratra masina sy ireo mpaminany maoderina amin’ny fomba iray izay hanampy ny mpianatra tsirairay avy hampitombo finoana sy fijoroana ho vavolombelona momba ny Ray any An-danitra, … i Jesoa Kristy, … ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny, … ary [ireo mpaminany velona]; ho lasa mpanaradia mandritra ny androm-piainany, … [ary] hanamafy ny fahaizan’[ny mpianatsika] mahita valim-panontaniana, hamaha ny ahiahiny, [ary] haneho finoana.” Izany tanjona fototry ny fanabeazana ara-pivavahana izany izay manerana ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana dia ivon’ny maha eto antsika anio. Raha toa ka tsy amin’ny fifantohana amin’ny nahim-po no anaovantsika izany, dia lasa sarotra ny manamarina ny famatsiana goavana entin’ny Fiangonana ao amin’ireo rafitra tsirairay avy ireo.

Antony iray ivoriantsika androany, noho izany, dia noho isika samy miantsoroka iraka iombonana avy amin’ny DFF sy ny adidy iombonana ho an’ny mpanabe ara-pivavahana ny hikolokolo fijoroana ho vavolombelona sy manampy ny mpianatra ho lasa mpanaradia ary hahita valiny ho an’ireo fanontaniany sy finoany. Te hisaotra an’i Chad Webb ihany koa aho noho ny fitarihana hoentiny. Mitarika ny Seminera sy Institiota an’ny Fiangonana ny Rahalahy Webb. Nandritra ny roa taona lasa anefa dia niahy ihany koa ny Kômity misahana ny fanabeazana ara-pivavahana izy, izay ahitana solontena avy amin’ny sehatra rehetra ato amin’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana. Noho izany kômity izany indrindra indrindra no ivoriantsika androany amin’ny mpaha mpanabe ato amin’ny DFF antsika. Tiako ihany koa ny hanamarika ny fanohanana avy amin’ireo filoha ato amin’ny DFF: Filoha Reese, Filoha Meredith, Filoha Kauwe, Filoha Kusch, Filoha Ashton, ary Rahalahy Webb. Nangatahana ireo mpitarika ireo mba ho “ny mpitarika ara-môraly sy mpiandraikitra misahana ny ara-panahy” an’ny rafitra tantanan’izy ireo. Izany adidy izany dia natomboka tamin’ny fametrahan’andraikitra an’i Filoha Kauwe ary naverimberina foana nandritra ireo fametrahan’andraikitra an’ny DFF rehetra nanomboka tamin’izay. Ireto dia sarin’ireo fametrahan’andraikitra ireo. Io ny an’i Filoha Kauwe. Adidy natolotry ny Filoha Holland izany, ary naverina tamin’ny Filoha Ashton, ary avy eo ny Filoha Reese ihany koa, ary ny farany indrindra dia ny Filoha Meredith. Tsy kisendrasendra noho izany ny anatrehan’ireo filoha ireo miaraka amintsika androany. Mpitarika tena miavaka izy ireo ary maneho etoana ny fankasitrahako azy ireo aho noho ny fitarihana hoentin’izy ireo sy ny fanolorantenan’izy ireo amin’ny fanampiana antsika hanomboka amin’ny fomba ôfisialy ity fihaonamben’ny mpanabe ara-pivavahana ity .

Tiako indray izao ny hanome sahan-kevitra manodidina ny hafatra hozaraiko anio. Tamin’ny lahateniko ho an’ireo mpanabe ara-pivavahana—ao amin’ny lahateny fanaoko isan-taona ho an’ireo mpanabe ara-pivavahana nandritra ireo roa taona lasa izay, dia nangataka aho ny hifantohanareo amin’ireo zavatra izay faritantsika ho laharam-pahamehan’ny mpaminany ho an’ireo tanora. Niezaka ihany koa isika nanatitrantitra fa ireo lohahevitra voatanisa eto ireo dia azo antoka fa hiova. Tsy misy majika ny momba ireo lohahevitra dimy ireo, kanefa tokony havaozina izy ireo eto am-pizorantsika amin’ny lalana tian’ny mpaminany sy apôstôly alehantsika, indrindra indrindra ny mahakasika ireo tanorantsika. Ny fanantenana dia tsy ny hianaranareo an’ireo hafatra manokana ireo tsianjery, fotsiny ihany, fa ny hianarantsika rehetra kosa ny mihaino ny mpaminany velona sy ny manampy ny mpianatsika hianatra hampihatra ny hafatr’izy ireo.

Mifampitohy amin’izany ihany dia tiako ny hifantoka amin’ny iray amin’ireo zavatra ifantohana farany avy amin’ny mpaminany izay tato am-poko hatrany. Nanasa ny tanora ny Filoha Russell M. Nelson ny mba handraisan’izy ireo an-tanana ny fananany fijoroana ho vavolombelona. Mariho fa raha te hanaraka ny mpaminany ianareo dia aoka ho malina ny amin’ny zavatra anankiroa. Voalohany, jereo tsara rehefa mamerina hafatra iray izy, ary faharoa, diniho manokana rehefa miangavy amintsika izy. Hahitanareo an’ireo zavatra roa ireo ny hafatry ny Filoha Nelson ny handraisanareo an-tanana ny fijoroana ho vavolombelona anananareo, izay nampahafantarina voalohany tamin’ireo tanora tamin’ny fampaherezam-panahy mey 2022 rehefa nilaza izy hoe: “Miangavy anareo aho mba handray an-tanana ny fanananareo fijoroana ho vavolombelona. Miasà ho an’izany. Mandraisa andraikitra mahakasika izany. Karakarao izany. Kolokoloy izany mba hitomboany. Fahano fahamarinana izany. Aza mandoto izany amin’ny filôzôfia sandoka ataon’ny lehilahy sy vehivavy tsy mino ary avy eo manontany tena hoe nahoana no mihalefy ny fijoroana ho vavolombelona ao anatinareo. Rehefa manao ny fijoroana ho vavolombelona anananareo ho laharam-pahamehana ambony indrindra ianareo dia andrandrao ireo fahagagana hitranga eo amin’ny fiainanareo.”

Avy eo, taty aoriana tamin’io taona io ihany, dia nanome andraikitra saika mitovy amin’izany ny Filoha Nelson, saingy ho an’ny Fiangonana manontolo tamin’io indray mitoraka io, nandritra ny lahateniny tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2022: “Noho izany dia omeko ny mpikamban’ny Fiangonana manontolo ilay andraikitra nomeko an’ireo tanorantsika tamin’ny volana mey lasa teo. Namporisika azy ireo aho tamin’izany—ary miangavy anareo aho izao—mba handray an-tanana ny fijoroana ho vavolombelona anananareo momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. Miasà ho an’izany. Kolokoloy izany mba hitomboany. Fahano fahamarinana izany. Aza lotoina amin’ny filôzôfia sandoka ataon’ny lehilahy sy vehivavy tsy mino izany. Rehefa manao ny fanamafisana orina tsy tapaka ny fijoroana ho vavolombelona anananareo momba an’i Jesoa Kristy ho laharam-pahamehana ambony indrindra ianareo dia andrandrao ireo fahagagana hitranga eo amin’ny fiainanareo.”

Eo anatrehan’ireo fiangaviana naverimberin’ny Filoha Nelson mba handraisana an-tanana ny fijoroantsika ho vavolombelona, dia mahatsapa ny tokony hizarako ny ampahany amin’ny lalana nizorako mba hahazoana fijoroana ho vavolombelona aho. Ho fanehoako ny zavatra niainako manokana izy ity, ary na dia nosoratako aza izany dia manantena aho fa hahatsapa ho toy ny miara-mipetraka miresaka isika ka tsy hisy elanelana loatra eo amintsika. Samy manana ny dia manokan’ny finoany isika tsirairay avy. Toy izany koa ny mpianatsika. Hizara ampahany amin’ny ahy aho anio. Nanomboka tamina sehatra tsy mahazatra loatra ny dia nahazoako fijoroana ho vavolombelona. Tany amina fiarahamonina tsy Olomasin’ny Andro Farany raha ny ankamaroany no nahalehibe ahy, tany Scottsdale, Arizona. Nandritra ny hetsika fihazakazahana iray tany amin’ny lisea, dia niomana hiroso amin’ny anjarako aho raha nijery ny kianja ka nahatsikaritra an’i Rahalahy Butler, mpitarika ahy tao amin’ny Zatovolahy. Hafahafa ny naha teo azy. Tsy nanana zavatra niombonana firy izahay. Fantatro fa tsy mpamonjy hetsika fihazakazahana izy. Dia nilaza tamiko ny Fanahy tamin’izay fotoana izay hoe, “Clark a, marina ity Fiangonana ity satria tsisy antony hafa tokony haha-eo aza raha tsy izay. Tsy maintsy misy zavatra lalina kokoa ao amin’ny finoany ka manosika azy hanohana anao.” Izay ilay izy. Tsy nitranga teo am-pirobohana tao amin’ny soratra masina na nandritra ny fivoriana fijoroana ho vavolombelona izany zavatra niainana izany. Fa tonga tsotra izao fotsiny avy amin’ny voa nateraky ny asa fanompoana feno fandavan-tena nataon’olona iray. Mbola tsaroako mazava tsara toy ny tamin’ny andro nitrangany izany fahatsapana izany.

Herintaona na roa taona taty aoriana dia nahavoaray antso hitory ny filazantsara tany amin’ny Misiônan’i Japon Kobe aho. Tadidiko ny andro voalohany tao amin’ny MTC. Tsindrindaona ery aho hihaona amin’ireo misiônera mpiara-manompo, hifankahalala amin’ireo mpampianatra, ny fahatsapana tanjaka avy amin’ny fampivondronana avy amin’izao tontolo izao. Ny marina ampitson’iny anefa rehefa naneno tamin’ny 6 ora maraina ny kiririoka fanairana dia zara raha nahavita nifoha aho, ary nanomboka nisy fanahiana. Hoy aho, “Dia ahoana mihitsy izany no hahavitako an’ity? Tsy fantatro raha toa ka ho vitako ny hifoha maraina toy izao isan’andro mandritra ny roa taona, manginy fotsiny ny fianarana fiteny tena sarotra toy ny Japonais.” Tampoka teo dia lasa toa tsy ho ampy hanohanana ahy mandritra ny roa taona ilay hoe tonga nijery ahy tamin’ilay fihazakazahana ilay mpitarika tao amin’ny Zatovolahy. Nila nahafantatra lalindalina kokoa aho, ary nila nifototra tamin’ny filazantsara mihitsy izany fijoroana ho vavolombelona izany. Nanomboka namaky tamim-piniavana ny Bokin’i Môrmôna aho isa-maraina. Naneno ny fanairana tamin’ny 6 ora maraina, dia nankeo amin’ny dabilion’ny MTC aho eo ambanin’ny jiro mahery sy ny seza mihodinkodina, namaky sy nandalina ny Bokin’i Môrmôna. Rehefa tonga tany amin’ny farany aho dia namaky ny fampanantenan’ny Bokin’i Môrmôna ao amin’ny Môrônia 10:3–5. Fantatro fony izaho zatovo mpianatra seminera io soratra masina io. Nandohalika nivavaka aho mba hahazoana fanamafisana ny finoako. Rehefa nangataka tamin’ny Tompo anefa aho dia tsisy n’inona n’inona tonga tamin’ny voalohany. Kivy be aho. Niverina teo amin’ny sezako aho, tonga saina fa pejy roa sisa dia voavaky manontolo ny Bokin’i Môrmôna. Nanapa-kevitra aho ny hamarana farafaharatsiny. Rehefa andininy telo ambiny sisa ny tao amin’ny Môrônia 10, ny Môrônia 10:32, dia namaky ity soratra masina ity aho: “Eny, manatòna an’i Kristy, ary aoka hatao tanteraka ao Aminy, ary holavin’ny tenanareo ny toetra tsy araka an’ Andriamanitra rehetra; ary raha mandà ny toetra tsy araka an’ Andriamanitra rehetra ny tenanareo, ary tia an’ Andriamanitra amin’ny herinareo, ny sainareo ary ny tanjakareo rehetra ianareo, amin’izany dia ampy ho anareo ny—” tsy voavakiko. Latsaka ny ranomasoko. Azafady. “Dia ampy ho anareo ny fahasoavany, fa amin’ny fahasoavany no hahatonga anareo ho tanteraka ao amin’i Kristy.” Rehefa namaky izany andininy izany aho dia nisy hazavana sy fanazavana tonga tao amiko. Tsy afaka nandà izany aho. Nanandratra sy nafana ilay izy, ary nameno ny tenako manontolo. Tamin’io fotoana io aho dia nahafantatra fa marina ny Bokin’i Môrmôna ary ny tanjony dia ny hijoro ho vavolombelona fa i Jesoa no Kristy.

Nandeha tany Japon niaraka tamin’izany vavolombelona mahery vaika izany aho. Nitohy niaina zavatra nanorina ny fijoroana ho vavolombelona ananako aho saingy tsy nisy nafonja kokoa noho izay maraina tany amin’ny MTC izay. Avy eo, tamin’ny alina iray izay nisy oram-be raha niomana hamonjy fandriana izahay, dia naheno olona nandondòna ny varavarana. Nifampijery izahay. Tao ambadiky ny foiben’ny misiôna ny tranonay. Somary gaga ihany aho hoe nisy olona tonga ao amin’ny tranonay amin’ny alina be, nivoaka aho ary nanokatra ny varavarana ka ny filohan’ny misiônanay no tazako teo an-tokonam-bavaravarana nijoro tao amin’ny orana niaraka tamin’ny elo. Hoy izy: “Gilbert Chōrō, Elder Gilbert, miakanjoa. Handeha any amin’i Elder Matsuo isika.” Narary mafin’ny homamiadana ny rain’i Elder Matsuo. Tonga dia nihevitra aho fa haiko ny zava-nitranga. Saingy rehefa niditra tao amin’ny fiaran’ny misiôna aho dia nitodika tamiko ny Filoha Matsumori ka nanazava fa maty noho ny lozam-piarakodia tamin’io andro io ny renin’ilay misiônera. Hoy izy avy eo, “Mivavaha mba afaka hiombom-pihetsehampo sy hahazo an-tsaina ny zavatra afaka hampionona io misiônera io isika.” Nahatsapa ho tena sahirana sy tsy nahay aho. Mbola tsaroako ihany ny fikopahan’ny aro-orana teo amin’ny fitaratr’ilay fiara nivezivezy raha niroso tamim-pahanginana izahay. Tampoka teo dia nentin’ny Fanahy tao am-poko ny Almà 7:12: “Ary haka ny rofiny ho eo Aminy Izy mba hahatonga ny ao anatiny ho feno famindram-po araka ny nofo, mba hahafantarany araka ny nofo ny fomba hanampiana ny vahoakany arakaraka ny rofiny.” Fantatro fa ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia namela antsika handresy ny fahafatesana. Fantatro fa i Kristy dia hanampy antsika hitsangana amin’ny maty sy ho velona indray. Saingy tamin’io alina tany amin’ny lalamben’i Osaka io, dia nianatra aho fa afaka mampionona antsika amin’ireo zavatra manahirana antsika i Jesoa Kristy, ny fijaliantsika, rehefa tsy rariny ny fiainana. Tsy fantatro ny zavatra natrehan’io misiônera tanora io, saingy tamin’ny alalan’ny fahagagan’ny Sorompanavotana dia nisy Anankiray nahafantatra. Tamin’io alina io, herintaona tao anatin’ny asa fitoriana, dia nijoro ho vavolombelona tamin-kery tamiko indray ny Fanahy, fa marina ny Bokin’i Môrmôna, ary ny tanjony dia ny hijoro ho vavolombelona fa i Jesoa no Kristy.

Nody aho ary nanambady an’i Christine tao amin’ny tempolin’i Salt Lake. Nifindra tany Californie izahay dia tany Boston avy eo. Nitohy nahazo fanamafisana mangina niverimberina momba ny fijoroana ho vavolombelona ananako aho, saingy, tsy nisy nafonja kokoa noho ilay maraina tany amin’ny MTC na ilay alina teo amin’ny lalamben’i Osaka. Avy eo indray alahady izay dia nahazo vavolombelona mahery vaika tsy nampoizina avy amin’ny Fanahy aho. Tao amina soratra masina izay tsy itodihan’ny ankabetsahan’ny olona mba hanamafisana ny fijoroany ho vavolombelona aho tamin’izay. Tao amin’ny Almà 30 aho, nandritry ny lesona iray tao am-piangonana, ilay antsoiko hoe ny fotopampianaran’i Kôrihôra, raha nandà an’i Kristy i Kôrihôra, nanandrana nanadio ny olona ny amin’ny maha tompon’andraikitra azy ireo ny amin’ny safidy ataony, ary nanambara fa ny hakingan-tsaintsika ihany no hahavonjy antsika. Nirona tamin’ilay antsointsika ankehitriny hoe tsy fisian’ny fahamarinana azo antoka ara-môraly izy. Nanambany mafy ny zavatra ninoan’ny hafa ihany koa i Kôrihôra ka nilaza izany ho fombafomba adaladalan’ireo razambe. Raha teo am-panaovana ny lesona ny mpampianatra Sekoly Alahady, dia nanomboka nandinika aho hoe raha namorona ny Bokin’i Môrmôna i Joseph Smith dia olona hafahafa hampidirina ao amin’ilay tantara ihany i Kôrihôra. Niaina nandritra ny vanim-potoan’ny hafanam-po ara-pivavahana izay ninoan’ny olona an’i Jesoa Kristy i Joseph. Azo inoana fa tsy mbola nahita olona niady mafy ho ana fotopampianarana anti-Kristy toy ny nataon’i Kôrihôra izy, na raha ampiako, i Nehôra na Serema, izay samy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna avokoa. Fantatsika anefa fa nosoratana ho an’izao androntsika izao ny Bokin’i Môrmôna. Tsikaritro tamin’ireo olona mihaona amiko matetika ao amin’ny kolontsaina akademikan’i Cambridge, Massachusetts ireo fotokevitra ireo. Raha nipetraka nandinika an’io fifanipahan-javatra tao anatin’ny kilasina Sekoly Alahady iray io aho, efa nanana fijoroana ho vavolombelona lalina momba ny Bokin’i Môrmôna, dia niteny tamiko ny Fanahy hoe, “Clark a, marina ny Bokin’i Môrmôna, ary ny tanjony dia ny hijoro ho vavolombelona fa i Jesoa no Kristy.”

Nitohy nandritra ny androm-piainako ireo zavatra niainana ireo. Nisy fotoana aho nivavaka tao amin’ny tempoly ho an’ireo zatovon’ny faritra sahirana tao amin’ny tanànan’i Boston. Teo am-pamakiana ny Môzià 3:17 aho dia nampianatra ahy ny Fanahy fa ny hany fomba hanampiana ireo zatovolahy ireo hiala amin’ny toe-javatra iainan’izy ireo dia amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Nisy fotoana aho nandalina ny Almà 36 ary nianatra momba ny kiasma izay misy ao amin’ilay toko manontolo, ka ny ivo ifotorany dia ny fanavotana an’i Almà Zanany. Tena mahaliana tokoa fa isaky ny mahazo vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna aho dia miaraka amin’ny vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy izany. Nitranga indray izany tamin’ny fivoriamben’ny vehivavy tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2018. Nanolotra fanasana ho an’ny rahavavy ato amin’ny Fiangonana ny Filoha Nelson tamin’io fivoriana io mba hamaky ny Bokin’i Môrmôna hatramin’ny faran’io taona io, miampy fanamarihana ny fanononana rehetra ny Mpamonjy, ny andinin-tsoratra masina rehetra milaza ny Mpamonjy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Noho ny faniriana hanohana ny vadiko sy ireo zanakavaviko enina dia namaly ilay fanasana niaraka tamin’izy ireo aho. Vao nahazo ity tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna ity aho. Vaovao be. Nasiako marika ny filazana rehetra ny Mpamonjy. Misy filazana ny Mpamonjy nolokoina tamin’ny pensilihazo mena ny pejy anampy pejy. Izaho 48 taona efa nanana fijoroana ho vavolombelona lalina momba ny Bokin’i Môrmôna sy ny Mpamonjy dia nijoroan’ny Fanahy ho vavolombelona indray, tamin’io fararano io isa-maraina rehefa namaky ny pejin’ity boky ity, hoe “Clark a, marina ny Bokin’i Môrmôna, ary ny tanjony dia ny hijoro ho vavolombelona fa i Jesoa no Kristy.”

Hiverenako ilay hafatry ny Filoha Nelson nolazaiko teo, izay manao hoe: “Miangavy anareo aho mba handray an-tanana ny fanananareo fijoroana ho vavolombelona. Miasà ho an’izany. Mandraisa andraikitra mahakasika izany. Karakarao izany. Kolokoloy izany mba hitomboany. Fahano fahamarinana izany. Aza mandoto izany amin’ny filôzôfia sandoka ataon’ny lehilahy sy vehivavy tsy mino ary avy eo manontany tena hoe nahoana no mihalefy ny fijoroana ho vavolombelona ao anatinareo. … Rehefa manao ny fijoroana ho vavolombelona anananareo ho laharam-pahamehana ambony indrindra ianareo dia andrandrao ireo fahagagana hitranga eo amin’ny fiainanareo.” Manamarina aho fa tena misy ireo fahagagana ireo. Nahita fitahiana tamin’ny fomba maro dia maro aho noho ny nanaovako ny fijoroana ho vavolombeloko ho laharam-pahamehana nandritra ny androm-piainako.

Ry rahalahy sy anabavy, isika mpanabe ara-pivavahana dia tsy maintsy manampy ny mpianatsika handray an-tanana ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona. Te hampifantoka antsika amina fomba dimy izay hahafahantsika mampianatra ny mpianatsika handray an-tanana ny fijoroany ho vavolombelona aho. Voalohany, ampio izy ireo hianatra hampihatra ny fahafahany misafidy. Faharoa, ampio izy ireo ho fahazavana ho an’ny hafa, indrindra indrindra ho an’ireo izay mitolona. Fahatelo, manontania amim-pinoana. Fahaefatra, mitadiava ao amin’ireo loharano feno fahamarinana. Ary fahadimy, miantehera amin’ny Fanahy.

Voalohany, tsy maintsy mampianatra isika fa asa am-piniavana avy amin’ny fahafahantsika misafidy ny fanorenana fijoroana ho vavolombelona. Nilaza matetika i C. S. Lewis fa “ilay lalana lava indrindra mihodina no lalana akaiky indrindra hiverenana any an-trano.” Mitaky asa ny fampatanjahana ny finoana sy ny maha mpianatry ny Tompo. Asa am-piniavana ilay izy. Nampianatra i Almà fa mitaky ny momba antsika manontolo ny fanorenana fijoroana ho vavolombelona: “Nefa indro, raha te hamoha sy hanaitra ny faharanitan’ny sainareo ianareo, na dia ho fanandramana ny teniko aza, ary hampihatra sombiny amin’ny finoana, eny, na dia tsy afa-manao mihoatra noho ny maniry ny hino aza ianareo, dia avelao izany faniriana izany hiasa ao aminareo, ambara-pinoanareo amin’ny fomba izay hahafahanareo manisa toerana ho an’ny ampahany amin’ny teniko.”

Ny fitsipika faharoa azontsika ampianarina mba hanampiana ny mpianatsika handray an-tanana ny fijoroany ho vavolombelona dia ny ho fahazavana ho an’ny hafa, indrindra indrindra ireo izay mitolona. Miahy izaitsizy ny amin’ireo namany sy ireo izay miatrika olana ity taranaka ity. Nampianatra ny Filoha Nelson fa tsy tokony hitsara ireo izay manana olana isika.

“Raha toa ka miala amin’ny Fiangonana ny namana sy ny fianakaviana dia tiavo hatrany izy ireo. Tsy anjaranareo ny mitsara ny safidin’ny hafa tahaka ny hoe tsy mendrika mihitsy ny hokihanina noho ny fijanonana ho mahatoky ianareo.

“Mba henoy aho rehefa miteny hoe: Aza mety ho voafitak’ireo izay misalasala noho ireo zavatra tsy hitanao eo amin’ny fiainany.”

Mety mora mifindra ny fisalasalana sy ny ahiahy, kanefa ny finoana sy ny fanantenana ihany koa dia toy izany. Tohizan’ny Filoha Nelson hoe:

“Indrindra indrindra, aoka ireo namanao mpisalasala hahita ny halehiben’ny fitiavanao ny Tompo sy ny filazantsarany. Ataovy talanjona amin’ny fonao mino ny fon’izy ireo misalasala!

“Rehefa mandray andraikitra momba ny fijoroanao ho vavolombelona ianao ary mampitombo izany dia ho lasa fitaovana mahery vaika kokoa eo am-pelatanan’ny Tompo.”

Ao amin’io fanamarihana farany io, ny mampianatra ny mpianatsika ho fitaovana sy loharano eo am-pelatanan’ny Tompo no inoako fa ananantsika fahafahana lehibe mba hanampiana ny tanora ho an’ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona. Ampianaro izy ireo mba ho fahazavana. Ampianaro izy ireo mba ho namana. Ampianaro izy ireo mba ho loharano ho an’ny hafa. Ary ho an’ireo izay tsy mbola nahita ny finoany, dia ampianaro izy ireo handeha hiasa hanompo azy ireo. Fijoroana ho vavolombelona maro no tonga teo am-panompoana ny hafa. Ny vavolombelona izay noraisiko tao amin’ny tempolin’i Boston Massachusetts, fa i Kristy no vahaolana ho an’ireo zatovoko, dia tonga noho izaho nanao izay rehetra fantatro mba hanampiana. Ampianaro ny mpianatsika ho fahazavana, ary dia hitombo ny fijoroana ho vavolombelon’izy ireo.

Mazava ho azy, mampianatra isika fa tsy mampaninona ny hoe manana fanontaniana. Anio hariva ny Loholona Renlund dia hiresaka misimisy kokoa momba ity. Nanazava ny Filoha Nelson, “Raha manana fanontaniana ianareo—ary manantena aho fa manana ianareo—dia mitadiava valiny miaraka amin’ny faniriana mafy ny hino.” Araka ny voamariky ny Filoha Jeffrey R. Holland ihany koa hoe, “Indraindray isika dia manao toy ny hoe ny fanambarana amin-kitsim-po ny tsy finoana no maneho herim-po ara-môraly lehibe kokoa toy izay ny fanambarana amin-kitsim-po ny finoana. Tsy izany mihitsy!” Rehefa niangavy ny Mpamonjy ny rain’ilay zaza narary mafy ka nanao hoe, “Mino aho, vonjeo mba ho afaka amin’ny tsi-finoako,” dia toetra te hino no niaingany. Nianatra izy fony zatovo—ary nianatra aho fony zatovo, fa rehefa nitondra olana tamin’ny raiko, dia nihevitra ny tenako ho tena marani-tsaina ka handroso zavatra tsy noheveriny mihitsy. Fony aho 15 taona dia nahay noho ny dadako, izay nandresy ny adihevitra rehetra foana aho. Nanana fanontaniana tena sarotra ho azy aho tamin’izay. Tsy namaly ny fanontaniako izy fa nilaza fotsiny hoe: “Clark a, efa nanana izany fanontaniana izany koa aho. Ary eo amin’ny fiainako dia manana andiana fanontaniana roa aho: ny andian’ireo zavatra izay fantatro ary ny andian’ireo izay toa sarotra hotakarina. Rehefa nandeha ny fotoana dia hitako fa ny andian’ireo zavatra fantatro dia mihamitombo foana ary ny andian’ny zavatra tsy fantatro dia mihena hatrany.”

Raha mandroso amim-pinoana ianareo dia mampanantena aho fa hitranga izany. Tsy midika izany fa tsy hiompana amin’ny fanontaniana sy olana ananan’ny olona isika, fa manampy azy ireo handroso amim-pinoana kosa isika. Izany amiko no tian’ny Loholona Larry Corbridge nolazaina nandritra ny fampaherezam-panahin’ny BYU rehefa nilaza tamin’ny mpianatra teto amin’ity anjerimanontolo ity izy ny hifantoka amin’ireo fanontaniana eo amin’ny ambaratonga voalohany ary hamela ireo fanontaniana eo amin’ny ambaratonga faharoa hivaly rehefa mandeha ny fotoana. Namerimberina nampahatsiahy antsika ny Filoha Nelson fa rehefa manorina fijoroana ho vavolombelona dia tokony hijery ihany koa loharanom-pahalalana feno fahamarinana. “Fahano fahamarinana [ny fijoroana ho vavolombelona anananareo]. Aza mandoto izany amin’ny filôzôfia sandoka ataon’ny lehilahy sy vehivavy tsy mino ary avy eo manontany tena hoe nahoana no mihalefy ny fijoroana ho vavolombelona ao anatinareo.” Mahatsapa ny tanora sasany fa ny hany fomba hananana finoana mafonja dia ny mitodika any amin’ireo mpitsikera antsika sy fahavalon’ny Fiangonana. Mety hahatonga ny fijoroana ho vavolombelona hafonja tokoa izany amin’ny lafiny iray. Rehefa amin’izany toe-javatra izany, dia tokony hanampy ny mpianatra hamantatra ny fahitsian’ny zavatra manosika ireo olona ireo isika. Tsy niezaka nampiorina ny mpanaradia azy ireo i Kôrihôra sy Nehôra ary Serema fa niezaka tsotra izao fotsiny ny hanamarina ny safidy ratsy nataony sy hiaro ny fikasan’ny tenany manokana. Ampianaro ny mpianatsika fa: “Ny loharano sasany dia mety ho nokajikajina mihitsy aza mba hiteraka tsy fahatokiana, sy tahotra ary fisalasalana.” Ampio izy ireo hitodika amin’ny mpaminany velona, ny soratra masina, ary ireo mpitarika ny Fiangonana azo itokisana.

Isan’ireo loharanom-pahalalana feno fahamarinana tena manan-danja indrindra azontsika itodihana dia ny Fanahy Masina. Ampianaro ny mpianatra hamantatra ny fahatsapany rehefa eo ny Fanahy Masina ary hahatsikaritra ny fialany rehefa misy fahamarinana diso. Nisy traikefa nahasoa azoko momba ity lohahevitra ity nandritra ny fivoriana nametrahana sy namaliana fanontaniana tao BYU–Hawaii vao tsy ela niarahana tamin’ny Filoha Henry B. Eyring sy ny Filoha Keoni Kauwe. Nanontany ny mpianatra iray hoe aiza eo amin’ny fiainany no ilany ny Fanahy Masina. Tamin’ny alalan’ny findramana ny tenin’ny Filoha Nelson hoe: “Ao anatin’ireo andro ho avy, dia tsy azo heverina ny ho velon’aina ara-panahy raha tsy misy ny fitaoman’ny Fanahy Masina izay mitarika, sy manoro hevitra, ary mampionona tsy tapaka,” dia nangataka ahy ny Filoha Eyring hamaly ny fanontanian’ilay mpianatra. Fanontaniana efa novaliako in-jato fony aho filohan’ny BYU–Idaho izany fanontaniana izany. Novaliako fa hila ny Fanahy ny mpianatra rehefa handray fanapahan-kevitra momba ny zavatra hianarana, iza no hiarahana, aiza no hipetraka, asa inona no ho atao, ary ireo fanapahan-kevitra maro eo amin’ny fiainana izay mamely ny tanorantsika. Dia nangatahan’ny Filoha Eyring ilay mpianatra avy eo hamerina hamaky ny tenin’ny Filoha Nelson. Fa najanona tamin’ity indray mitoraka ity teo amin’ilay hoe ho velon’aina. Nohazavain’ny Filoha Eyring fa tena nataon’ny mpaminany fanahy iniana mihitsy ny hampiasa ilay hoe ho velon’aina. Nohazavainy fa ireo mpianatra dia miaina amin’ny vanim-potoana iray izay tena mampahomby ilay fahavalo amin’ny famadihana ny fahamarinana ka raha tsy manana ny Fanahy Masina izy ireo dia ho voafitaka momba ireo fahamarinana tena fototra indrindran’ny filazantsara. Tao amin’ilay lahateniny hoe “Saino amin’ny fomba selestialy!” dia nilaza ny Filoha Nelson hoe: “Tsy misy fetra ny fitaky ny fahavalo. Aoka mba hiomana ianareo. Aza maka torohevitra na oviana na oviana avy amin’ireo izay tsy mino. Mikatsaha fitarihana avy amin’ireo feo azonareo itokisana, avy amin’ireo mpaminany sy mpahita ary mpanambara sy avy amin’ny bitsiky ny Fanahy Masina.”

Ry rahalahy sy anabavy, ndeha isika hampianatra ny mpianatsika handray an-tanana ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona. Ampianaro izy ireo hiasa ho amin’izany, hisasatra ho an’izany, hikolokolo izany, ary hamahana izany mba hitomboany. Ho an’izany tanjona izany dia aoka isika hampianatra azy ireo hampihatra ny fahafahany misafidy, hametra-panontaniana amim-pinoana, hijery ireo loharano feno fahamarinana, ary hiantehitra amin’ny Fanahy Masina. Ny fitarihan’ny Fanamafisana ny Fianarana Ara-pivavahana dia manome antsika adidy mba hanao izany amim-paharesen-dahatra. Mahomby ny ezakareo. Aza miraharaha ireo fandrebirebena avy any ivelany. Mamonjy ny institiota amin’ny taha ambony noho izay efa nisy hatrizay ny tanora amin’izao. Mianatra ao amin’ireo sekolin’ny Fiangonana amin’ny taha ambony noho izay efa nisy hatrizay ny tanora amin’izao. Misy fisondrotan’ny finoana goavana manerana ny Fiangonana, na dia amin’ny fotoana sarotra aza. Mianatra mandray an-tanana ny fijoroana ho vavolombelona ananany ny mpianatra, ary mihamanakaiky an’i Jesoa Kristy izy ireo. Manana fijoroana ho vavolombelona momba ny Mpamonjintsika aho. Fantatro fa marina ny Bokin’i Môrmôna. Ary mijoro ho vavolombelona aho fa ny tanjony dia ny ho vavolombelona fa i Jesoa no Kristy. Ndeha isika hanasa ny mpianatsika hahita ireo fahamarinana ireo. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.