Fihaonamben’ny Mpanabe ara-pivavahana ao amin’ny DFF
Otrikaina mahavelon’ny filazantsara


36:9

Otrikaina mahavelon’ny filazantsara

Fihaonamben’ireo mpanabe ara-pivavahana an’ny DFF, jona 2024

Ry rahalahy sy ranabavy malalako, feno fankasitrahana aho noho ny fahafahana miresaka amin’ireo mpampianatra ny filazantsara amin’ity fampitana maneran-tany ity. Misaotra nanokana fotoana ary misaotra noho izay ataonareo rehetra mba hanampiana amin’ny fampandrosoana ny asan’ny Tompo. Fantaro fa “refesina voalohany indrindra amin’ny fanolora[nareo] tena hanampy ireo zanak’ Andriamanitra ho tonga mpianatr’i Jesoa Kristy mahatoky” ny fahombiazanareo. Tsy amin’ny isan’ny mpianatrareo izay lasa mpianatry ny Mpamonjy mahatoky no hamaritana ny fahombiazanareo. Tsy miankina amin’ny fihetsika hasetrin’izy ireo ny fampianaranareo, ny fanasanareo, na ny fanaovanareo asa feno hatsaram-panahy amin-kitsim-po. Ny mampianatra mazava sy amin-kery mba hahafahan’izy ireo manao safidy araka ny fahalalana izay hitahy azy ireo no andraikitrareo. Manana fahafaha-misafidy ny olona tsirairay. Noho izany, dia hilaza aminareo ny zavatra nolazain’ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ireo misiônera voalohany tato amin’ny Fiangonana tao anatin’ity fotoam-pitantanana ity aho hoe: “Raha manao ny adidinareo ianareo dia zavatra tsara tokoa izany ho anareo, toy ny hoe manaiky ny filazantsara ny olona rehetra.”

Hoy ny Loholona David O. McKay tamin’ny 1916: “Tsy misy andraikitra lehibe kokoa iantsorohan’ny lehilahy [na ny vehivavy] iray na iza izy na iza mihoatra ny ho mpampianatra ny zanak’ Andriamanitra.” Marina koa izany ankehitriny. Tena manan-danja ato amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ny mpampianatra manam-pinoana sy mampianatra ny finoana, indrindra fa ho an’ny taranaka vao misondrotra.

Afaka fotoana fohy dia hamaky teny nindramina avy amin’ny Filoha Jeffrey R. Holland aho, dia ho hitanareo ny fifandraisan’izany. Fa nanasa olona vitsivitsy nanolo-tena mba hanampy aho. Ary asaintsika hanketỳ aloha ry Reese sy ry Ashton, dia samy hahazo Twinkie izy ireo tsirairay avy. Ary efa fantatrareo fa ny Twinkie dia mofomamy misy lavanila voasesika crême. Manasa azy ireo aho hanokatra ny Twinkie nomena azy dia hanomboka hihinana izany. Mahazo famafana tanana izy tsirairay avy. Dia hanazava izay ifandraisan’izany amin’ny hafatra hozaraiko aho izao.

Nanindry ny maha-zava-dehibe ny fifantohana amin’ny fampianarana ireo singa manan-danjan’ny filazantsara ny Filoha Jeffrey R. Holland tamin’ny 1998. Nampianatra izao izy tao amin’ny lahateniny: “Tsy maintsy mamelona indray sy mametraka ho lohalaharana ny fampianarana avo lenta isika ao amin’ny Fiangonana—ao an-trano, eny amin’ny polipitra, … ary mazava ho azy ao am-pianarana. …

“… Rehefa misy loza mitranga eo amin’ny fiainantsika … dia tsy hahavaha olana tsotra izao ny filôzôfian’olombelona ampiarahana amina soratra masina sy tononkalo vitsivitsy. Moa ve isika tena manabe ireo [mpianatsika] amin’ny fomba izay hanohana azy ireo rehefa tonga ireo zavatra miteraka rarin-tsaina eo amin’ny fiainana? Sa ve tolorantsika Twinkie ara-pivavahana tsy misy kalôria ara-panahy fotsiny izy ireo?”

Rehefa avy nihinana sombiny tamin’ilay izy ary ianareo izao, ry Filoha Reese, firy grama ny fibre alimentaire tao amin’ny Twinkie anao raha ny hevitrao? Raha ny marina dia tsy nisy tao.

Ranabavy Reese, firy miligrama raha ny hevitrao ny sokay ao amin’io Twinkie io? Raha ny marina dia tsy nisy tao.

Ranabavy Ashton, firy mikrôgrama raha ny hevitrao ny vitamina A ao amin’izany? Raha ny marina dia tsy nisy tao.

Rahalahy Ashton, firy miligrama ny vitamina C ao anatin’izany? Eny, mitovy ihany ny valiny. Tsy nisy vitamina C tao amin’izany.

Tena tia Twinkie aho fony mbola kely. Raha namela ahy ireo ray aman-dreniko, dia tsy nihinana afa-tsy Twinkie aho tamin’ny sakafo maraina sy antoandro ary hariva. Raha namela ahy hanao izany izy ireo, dia fantatrareo ve hoe inona no ho hitanareo teto? Raha ny marina dia ho lehilahy mitohana, ostéoporotique sy jamba ary tena tsy ampy vitamina C aho. Tsy mahafinaritra ny mahita izany.

Misaotra an’ireo mpanolo-tenantsika. Tsy hiresaka momba ny fiantraikan’ny tsy fahampiana ara-tsakafo eo amin’ny fahasalamantsika ara-batana loatra no nahatongavako eto. Mety matsiro ny Twinkie, saingy tsy ahitana sakafo mahavelona ao anatin’izany. Fa tonga eto kosa aho hiresaka ny sakafo ara-panahy mahavelona izay arosonareo ny mpianatrareo.

Rehefa manana mpianatra mazoto isika, dia mila mamahana azy ireny amin’ny teny tsaran’ Andriamanitra fa tsy amin’ny Twinkie ara-panahy izay tsy misy sakafo mahavelona ara-panahy. Ireo izay nofahanana tamin’ny Twinkie ara-panahy dia mety tsy ho lasa mpianatr’i Jesoa Kristy mandritra ny androm-piainany, ireo olona izay nihalehibe tao amin’ny Tompo ary nandray ny “fahafenoan’ny Fanahy Masina.” Rehefa fahanana Twinkie ara-panahy kosa izy ireo dia mety hitombo ka ho lasa mafy loha ara-panahy, tsy manam-pinoana, ary miroaroa saina.

Mba hiadiana amin’ny tsifanjariantsakafo ara-panahy dia mila foto-tsakafo notovonana otrikaina ara-tsarin-teny miisa efatra farafahakeliny ireo mpianatsika. Ny voalohany dia fijoroana ho vavolombelona momba ny Ray any An-danitra sy ny drafiny, i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany, ary ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’izao andro farany izao. Mba hanaovana izany dia tsy maintsy mampianatra fahamarinina naverina tamin’ny laoniny sy mijoro ho vavolombelona momba ireny fahamarinana ireny isika.

Mamelà ahy hanome ohatra amin’izany. Taona vitsy lasa izay, dia nisy mpitsabo Sinoa antsoina hoe Grace izay nitsidika tobim-pitsaboana nandritra 18 volana tao Salt Lake City. Tonga mba hianatra ireo lafin-javatra ara-pitsaboana amin’ny fanaovana grefy ny fo izy. Nalain’ny fianakaviako ho namana izy ary nampandray anjara azy tamina zavatra natao maro izahay. Nanasa azy ho any am-piangonana hanatrika fivoriana fanasan’ny Tompo izahay indray Krismasy izay nitontona alahady. Nanantena izahay fa hampianatra momba an’i Jesoa Kristy sy hanamafy ny antony hankalazana ny Krismasy ireo hafatra. Filohan’ny tsatòka aho tamin’izany ary nipetraka teny amin’ny lampihazo nandritra ny fivoriana. Niara-nipetraka tamin’ny Grace niaraka tamin’ny mpiangona ny vadiko sy ny zanako vavy.

Taorian’ny fanasan’ny Tompo dia nitantara tantara iray be mpahafantatra kanefa tsy tena nisy momba ny magy fahaefatra ny mpandahateny voalohany. Nahafinaritra ery ny fitantarany ilay izy ary tena nampihetsi-po. Nataon’ny mpandaha-teny manaraka nifototra tamin’ny tantarana hazo velona toy ny olona miisa telo ny lahateniny. Te ho lasa lalimoara tsara tarehy ny iray saingy lasa tavy famahanana biby anefa izy, fihinanam-bilona izay nampandriana zazakely iray tany Betlehema. Te ho lasa sambo be mpankafy ny faharoa. Kanjo lasa sambo tsy nisy nampiavaka azy nampiasain’ny mpanjono tsotra teo amin’ny Ranomasin’i Galilia izany. Nandritra ny tafio-drivotra nahery vaika sy loza be iray, dia nisy lehilahy iray nantsoin’ny olona sasany hoe “Mpampianatra” nilaza hoe “Mangina,” dia nitsahatra ilay tafio-drivotra. Naniry ny harafitra ho lasa zavatra azo ankafizina raha atao tazan-davitra ilay hazo fahatelo. Saingy lasa vatan-kazo nanomboana lehilahy iray teo amin’ny tendrombohitra iray nantsoina hoe Kalvaria izany. Mbola tantara Krismasy tsy tena nisy kanefa nampihetsi-po ihany izany.

Diso fanantenana tamin’ny votoatin’ilay fivoriana aho ary nahatsapa fa tsy tokony havelako hifarana toy izany ilay izy ho an’i Grace. Na dia tsy nanam-potoana intsony aza izahay, dia nihilana kely nanakaiky ny eveka aho dia nanontany hoe: “Hohatsarainao ve ity fivoriana ity, sa tianao hataoko izany?” Nilaza izy fa izy no hanao izany. Nandeha teo amin’ny polipitra izy dia naka dimy minitra ary nanazava hoe iza ilay Zazakely tao Betlehema ary inona no handeha hotanterahiny. Nizara fijoroana ho vavolombelona mahery vaika momba an’i Jesoa Kristy, izay Mpamonjy ny olombelona rehetra ilay eveka. Nilaza ny hira famaranana sy izay hanao ny vavaka famaranana izy dia nipetraka.

Nandritra ny fotoana nihirana ny hira famaranana dia nihilana nanakaiky ny vadiko i Grace ary niteny hoe: “Ruth a! Nisy zavatra niova tao anatin’ny fivoriana rehefa nandray fitenenana io eveka io!” Izay tokoa no izy. Nanana fikasana tsara ireo mpandaha-teny saingy nizara Twinkie ara-pivavahana zara raha misy lanjany ara-panahy, tsy misy kalôria ara-panahy, fanehoana finoana tsy ampy hery sy fanaovana fijoroana ho vavolombelona izay tsy misy ny herin’ny tenin’ Andriamanitra ka vokatr’izany dia tsy manana ny herin’ny Fanahy izy ireo.

Niorina tamin’ireo fahamarinana nampianarina ao amin’ny soratra masina sy ny fampianaran’ireo mpaminanin’ny Tompo ny fijoroana ho vavolombelona tamin-kitsim-po nataon’ilay eveka. Izay no nanasa ny Fanahy ho ao amin’ilay fivoriana. Nisintona lesona aho fa sarotra ho an’ny Fanahy ny mijoro ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinan’ny tantara iray tsy tena nisy. Na inona zavatra hafa nataontsika tao anatin’ny fampianarantsika, dia mila mandrakariva mamerina ny fampianarantsika hifantoka amin’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany, ny Ray any An-danitra sy ny drafiny, ary ny Famerenana amin’ny laoniny ny Filazantsarany. Mazava ho azy fa tsara ny mampiasa tantara, na dia ireo tantara tsy tena nisy aza, mba hanintonana ny sain’ny mpianatra. Ohatra hoe nampiasa Twinkie aho mba hanintonana ny sainareo. Saingy rehefa hitantsika hoe mifantoka ireo mpianatsika dia amin’izay isika no mila manome ny sakafo izay manova fiainana isika. Angamba tokony ho nanao fanaraha-maso aho taorian’ireo Twinkie dia nandroso karaoty, brôkôly, houmous, saingy tsy nanao izany aho.

Nanambara i Paoly Apôstôly hoe: “Fa izay rehetra miantso ny anaran’ny Tompo no hovonjena.” Dia nametraka andiam-panontaniana i Paoly avy eo izay manampy antsika hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fananana mpampianatra manana fahefana mampianatra io foto-tsakafo tena ilaina io. Hoy izy nanontany: “Hataony ahoana ary no fiantso izay tsy ninoany? Ary hataony ahoana no fino izay Olona tsy reny? Ary hataony ahoana no fandre, raha tsy misy mpitory? Ary hataony ahoana no fitory, raha tsy nirahina?” Dia nanome ity tsoa-kevitra ity i Paoly avy eo: “Koa ny finoana dia avy amin’ny tori-teny, ary ny tori-teny kosa avy amin’ny tenin’ [Andriamanitra].” Mba hahafahan’ny mpianatrao mampitombo finoana an’i Jesoa Kristy sy ny anjara asany fototra ao amin’ny drafitry ny Ray, dia ny fampianarana azy ireo momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy no manan-danja indrindra. Mahalaza izany rehetra izany ny lohahevitr’ity fivoriambe ity hoe: “Hikatsaka ity Jesoa ity izay efa nosoratan’ny mpaminany sy ny apôstôly ny Aminy.”

Nanoratra momba ny zavatra niainany nianatra io fitsipika io i Thomas Chalmers izay mpanavao ara-pivavahana sy mpitory ny filazantsara Écossais malaza iray. Niaina nanomboka tamin’ny 1780 ka hatramin’ny 1847 i Chalmers. Rehefa nanakaiky ny andro hahafatesan’i Chalmers dia tonga saina izy hoe hay nanao andrana tsy nomanina izy nandritra ny fitoriany ny filazantsara. Nitory nanohitra ny karazana fahalotoam-pitondrantena sy ny faharatsian-toetra rehetra izy nandritra ny taona maro. Nifantoka tamin’ny fitondrantenan’ireo mpiangona tao aminy izay hita tety ivelany izy, ary nampianatra ny Didy folo indrindra indrindra. Nandiso fanantenana ny vokatra azo. Hitany fa “maivana toy ny volom-borona [ny teniny] teo anatrehan’ny fitondrantenan’ireo” mpiangona tao amin’ny paroasy. Tsapany fa na dia mandresy lahatra olona iray tsy hangalatra aza izy, dia tsy niova foana ny fanahin’ilay olona, tsy niova ny zavatra tsapan’ilay olona tao anatiny, eny fa na dia nitsahatra tamin’ny faharatsiam-pitondrantena aza ilay olona. Raha lazaina amin’ny fomba hafa dia afaka manova ny fitondrantena ianao kanefa tsy manova ny fon’ny mpianatra iray.

Dia nanomboka nitory momba ny famitranam-pihavanana amin’ Andriamanitra sy ny famelana ny fahotana tamin’ny alalan’ny ran’i Kristy i Chalmers tamin’izay. Tsy nanova ny fiainan’izy ireo ireo mpiangona tao aminy raha tsy efa nampianatra azy ireo tahaka izany izy. Ny lesona lehibe nianarany dia hoe: “ny fitoriana momba an’i Kristy no hany fomba mahomby hitoriana momba ny safidim-pitondrantena.” Fantany ny fahadisoany teo aloha, dia ny hoe niezaka nanova fitondrantena izy fa tsy nanova fo. Fa tamin’izay izy dia niezaka ny hanova fo, ary niova ho azy sy niaraka tamin’ny fiovam-po ny fitondrantena.

Nanova ny fiainako sy ny foko ny fahafantarana fa i Jesoa no Kristy, fa Izy no Mpamonjy sy Mpanavotra ahy. Nanova ny fitondrantenako tamin’ny fomba izay tsy ho vitan-javatra hafa io fahalalana io. Fantatro fa efa nisitraka hatrany ny sorona fanavotana tsy manam-petra nataony aho. Izany fahalalana izany no tena nanova ny fiainako.

Ny foto-tsakafo notovonana otrikaina faharoa ho an’ny mpianatra dia ny fifandraisany manokana aminareo. Ny anton’izany dia satria afaka manamora ny fanatonan’ny mpianatra ny Mpamonjy ny fifandraisana manokana aminareo. Izy foana no ho loharanon’ny sakafo ara-panahy tena izy. Kanefa manampy ny mpianatra ho vonona ny hotarihin’ny tenin’ny Mpamonjy ny fifandraisana misy eo amin’ny mpampianatra sy ny mpianatra. Na dia taona maro aorian’ny hifaranan’ny fotoana ôfisialy nampianaranao ny mpianatra aza dia afaka manana fitarihana tsara hatrany eo amin’ny fiainan’izy ireo ny fifandraisanareo. Ny fiantraikany maharitra indrindra avy aminao, izay nataonao tamim-pitiavana lehibe sy ny fitsinjovanao izay mahasoa azy ireo, dia ho noho ny nampifantohanao azy ireo tamin’ny Tompo sy ny fotopampianarany, fa tsy taminao.

Efa niainako izany. Nanana izany karazana fiantraikany izany tamiko i Becky izay isan’ireo mpampianatra ahy tao amin’ny Kilonga. Fony aho mbola kely, dia naleon’i Becky nanatratra ahy nanao zavatra tsara, nanongo moramora ny takolako, nihazona ny lohako dia niteny hoe: “Dale a! Tena zazalahy mahafinaritra ianao”, toy izay hamerimberina hilaza ireo fahadisoako hita nibaribary. Hitako hoe tsy nanala baraka ahy izany. Vao mainka aza aho naniry fatratra ny hitrangan’ny fotoana toy izany. Taty aoriana, rehefa zatovo aho fa tsy tao amin’ny Kilonga intsony, dia niverina tao amin’izany paroasy izany ny fianakaviako rehefa avy nipetraka tany Finlande sy Suède nandritra ny taona maro. Nanatona ahy i Becky rehefa avy nizara ny fanasan’ny Tompo aho, dia nanongo moramora ny takolako, nihazona ny lohako dia niteny hoe: “Dale a! Tena zazalahy mahafinaritra ianao.” Rehefa niverina avy nanao asa fitoriana aho, rehefa avy niresaka momba ny zavatra niainako fony aho misiônera tao amin’ny fivoriana fanasan’ny Tompo, dia nanatona ahy i Becky, nanongo moramora ny takolako, nihazona ny lohako dia niteny hoe: “Dale a! Tena zazalahy mahafinaritra ianao.” Tao anatin’ireo am-polo taonany maro taorian’izay, dia nanao safidy tsaratsara kokoa noho izay mety ho nataoko aho, isan’ny antony nahatonga izany ny nanampian’i Becky ahy hifantoka tamin’ny Mpamonjy, ary tsy te handiso fanantenana azy aho.

Taorian’ny niantsoana ahy ho ao amin’ny Roambinifololahy dia niverina tany amin’ilay paroasy nahalehibe ahy indray alahady. Mbola mipetraka ao amin’ilay paroasy i Becky. Nipetraka teo amin’ny farany aoriana teny amin’ny lampihazo aho ary nandaha-teny fohy nandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo, dia nipetraka. Taorian’ny vavaka famaranana dia nitady hevitra hanatònana an-tsokosoko i Becky izay teo amin’ny 85 taona teo. Nankeny amin’ny sezan’ny amboaram-peo tao aoriako izy, dia nanongo moramora ny takolako, nihazona ny lohako dia niteny hoe: “Dale a! Tena zazalahy mahafinaritra ianao.”

Mila Becky iray na mihoatra izany eo amin’ny fiainany ny mpianatra tsirairay, mpampianatra izay mifandray amin’izy ireo mandritra ny androm-piainana, olona nampifantoka azy ireo tamin’ny Mpamonjy, olona manana akony lehibe eo amin’ny fisainany sy ny fitondrantenany, olona tsy tian’izy ireo atao diso fanantenana. Rehefa maratra noho ireo olana izay tsy hisalasalana fa iainan’izy ireo ny mpianatra, dia afaka manolotra toerana azo antoka azon’izy ireo aleha mba hahazoana fitiavana sy fanomezan-toky ianareo. Ekena fa mety hisy vitsivitsy hanohitra ny fikasanareo hahafantatra azy ireo, kanefa tsy manakana anareo hitia azy ireo izany. Mety hitondra fiantraikany lehibe kokoa amin’ireo mpianatra maneho fanoherana mihoatra izay eritreretinareo ianareo.

Foto-tsakafo notovonana otrikaina ara-tsarin-teny fahatelo ilain’ny mpianatra tsirairay ny fahafahana mamaly ireo fanontaniana sy mamaha ny olana mety hananany momba ny Fiangonana. Valo taona lasa izay dia nanome torohevitra ireo mpampianatra ny filazantsara ny Loholona M. Russell Ballard:

“Amin’izao fotoana izao dia tsy misy intsony ny hoe misy mpianatra mametraka fanontaniana amin-kitsimpo ka valian’ny mpampianatra hoe: -Aza mivaky loha amin’izany!- Amin’izao fotoana izao dia tsy misy intsony ny hoe misy mpianatra miresaka olana amim-kitsimpo ka ho setrin’izany dia mijoro ho vavolombelona ny mpampianatra mba tsy hiresahana ilay olana. Amin’izao fotoana izao dia tsy misy intsony ny fiarovana ireo mpianatra amin’ny olona manenjika ny Fiangonana. …

Mialoha ny handefasanareo [ny mpianatrareo] ao amin’izao tontolo izao dia omeo fanefitra [izy ireo] amin’ny alalan’ny fanomezana fanazavana ny fotopampianaran’ny filazantsara mahatoky sy voasaina tsara ary marina tsara, ny soratra masina, ny tantarantsika, ary ireo lohahevitra izay tsy azo indraindray.”

Ry mpampianatra, afaka manampy ny mpianatra ianareo amin’ny alalan’ny fampianarana azy ireo ny dikan’ny hoe manambatra ny fandalinana sy ny finoana rehefa mianatra izy ireo. Afaka mampianatra azy ireo amin’ny alalan’ny famolavolana io fahaiza-manao sy fomba fianarana io ao an-dakilasy ianareo.

Naverina tamin’ny laoniny amin’izao androntsika izao tamin’ny alalan’ny fanambarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Fantatsika noho izany ny fomba hiverenana any amin’ny fonenantsika any an-danitra, saingy mety mbola manana fanontaniana sy olana izay iriantsika mba hananantsika valiny isika. Handinika ny fomba hamalianareo fanontaniana sarotra ireo mpianatrareo. Hahatonga fanontaniana bebe kokoa ny fialana amin’ireo fanontaniana apetraka amin-kitsim-po sy ny tsy firaharahiana izany. Mila vonona ny hitarika ny hafa amin’ny fitadiavan’izy ireo valinteny ianareo mba hanampiana azy ireo hanorina finoana ny Tompo sy finoana ny loharanom-pahamarinany. Nampianatra ny Loholona Dieter F. Uchtdorf hoe: “Ny fametrahana fanontaniana dia tsy mariky ny fahalemena; fa fiantombohan’ny fitomboana.” Mba hahazoana izany vokatra izany dia nandrafitra loharanom-pitaovana tena tsara sy azo itokisana ho an’ireo olona mitady ny valin’ny fanontanian’izy ireo sy ho an’ireo olona hafa izay miezaka manampy azy ireo ny Fiangonana. Ny hanamafy orina ny finoana an’i Jesoa Kristy no tanjontsika, na dia manome soso-kevitra maromaro momba ny fomba hampianarana lohahevitra sarotra takarina sy sarotra indraindray aza izahay.

Azo jerena ao amin’ny tranonkala ChurchofJesusChrist.org na ny application Médiathèque de l’Évangile io loharanom-pitaovana io. Raha toa ianao ka tsy mahafantatra ireo loharanom-pitaovana ireo dia mamelà ahy haneho anareo ny toerana misy izany ao amin’ny appli Médiathèque de l’Évangile. Sokafy ny Application Médiathèque de l’Évangile anareo. Mankanesa ao amin’ny Médiathèque avy eo amin’ny renim-pejy. Tsindrio ilay lohateny hoe “Lohahevitra sy fanontaniana”. Ho hitanao eto ny fizarana iray antsoina hoe “Fikatsahana ny valin’ireo fanontanianao,” sy fizarana iray hafa antsoina hoe “Fanampiana ny hafa amin’ny famaliana ny fanontaniany,” ary fitanisana manaraka ny abidia ireo lohahevitra maro izay mety hahaliana.

Ilay fizarana “Fikatsahana ny valin’ireo fanontanianao” dia mampianatra fitsipika izay afaka mitarika ny fandalinantsika rehefa mikatsaka mafy ny valin’ireo fanontaniantsika isika, na momba ny finoana, na ny fotopampianarana, na ny tantaran’ny Fiangonana. Ny teny fanolorana io fizarana io dia manazava fa ampahany manan-danja amin’ny fivoarana ara-panahy ny fanontaniana ary mety ho zavatra hatao mandritra ny androm-piainana ny fitadiavana valinteny. Ny fitsipika hita ao amin’io fizarana io dia mamporisika antsika hampifantoka ny fiainantsika amin’i Jesoa Kristy satria eo Aminy no tsy maintsy hanorenantsika ny fototry ny finoantsika. Ampahatsiahivina antsika fa manome antsika fomba fijery hamaliana ireo fanontaniantsika ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ny famonjena. Manampy antsika hanavaka ireo fahamarinana fototra ao amin’ny filazantsara amin’ireo zavatra tsy dia manan-danja firy izany fomba fijery izany. Mba hitomboan’ny finoana dia mila misafidy ny hanana finoana isika. Avy eo dia tsy maintsy manao asa am-pinoana sy mifikitra amin’ny zavatra fantatsika isika. Rehefa manao izany isika dia mampitombo ny fahatakarantsika ny finoana an’i Jesoa Kristy sy mampitombo ny finoantsika Azy.

Mamporisika antsika hanam-paharetana amin’ny tenantsika sy amin’ny hafa ary amin’ny fotoanan’ny Tompo ireo fitsipika fanampiny resadresahina ao amin’io fizarana io. Mila mahatadidy isika fa dingana izay matetika no manomboka amin’ny fanontaniana ny fanambarana, izay matetika no tonga andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra, ary mety ho tolona ny fahazoana izany indraindray. Rehefa mikatsaka valinteny isika, dia tokony hikatsaka fitarihana avy amin’ny Fanahy Masina sy miezaka ny hahatakatra ny lasa amin’ny alalan’ny fametrahana ireo zavatra araka ny sahan-kevitra.

Ilay fizarana “Fanampiana ny hafa amin’ny famaliana ny fanontaniany” dia mandroso fitsipika izay afaka mitarika antsika rehefa mifanerasera amin’ireo olona hafa manana fanontaniana isika. Na inona izany na inona, dia tokony hiteny amim-panajana isika, mihaino amim-angorahana, ary maneho fitiavana tahaka ny an’i Kristy. Ka dia mihainoa sy mamalia am-pitiavana ary. Katsaho ny hahatakatra, ekeo ny zavatra iainan’ny hafa, ary ialao ny fanaovana tsinontsinona sy ny fitsaratsarana. Rehefa manao izany isika dia afaka mahafantatra hoe hatraiza no fetran’ny zavatra fantatsika. Tadidio fa na dia manana ny fahafenoan’ny filazantsara aza isika dia tsy manana ny valin’ny fanontaniana rehetra. Tsy maintsy hiandry fanambarana misimisy kokoa ny valinteny sasany. Ho an’ny fanontaniana sasany sy ireo mpametraka fanontaniana sasany, dia tsy dia mahafantatra zavatra betsaka tsotra izao isika momba ny sitrapon’ny Tompo sy ny fahafenoan’ny fotopampianaran’ny Fiangonana mba hanomezana fahafahampo tanteraka ny mpianatra. Rehefa ao anatina toe-javatra toy izany, dia mety tsy hanampy ny fikasana handresy lahatra ireo mpametraka fanontaniana amina lôjika na hevitra fanampiny.

Fahadisoana iray mety hahavoafandrika tsy nahy mpampianatra maro ny mizara hevitra na fanazavana izay tsy nomen’ny Tompo. Rehefa mitranga izany, dia mety tsy hitombina intsony ilay hevitra na valinteny any aoriana any ary mety hihena ny finoan’ilay mpianatra amin’izay. Tsara kokoa ny milaza hoe tsy haintsika ilay izy toy izay mamorona antony na fanazavana. Ny finoana koa, raha ny marina, dia safidy, ary indraindray ny hany valiny azo omena dia ny miantehitra amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompo sy ny finoana ny Famerenana ny Filazantsarany amin’ny laoniny ary ny faharetana amin’ny fiandrasana valinteny avy amin’ny Tompo rehefa misafidy ny hanambara izany Izy. Matoky ny Tompo isika ary miezaka ny ho loharano azo antoka sy azo itokisana azon’ny hafa itodihana mba hangatahana fanampiana.

Afaka mamporisika ny mpianatra isika hampitombo ny fahafahan’izy ireo mahita ara-panahy ny fitiavan’ny Rain’izy ireo any An-danitra sy ny hoe nanao sorompanavotana ho azy ireo i Jesoa Kristy. Tadidio fa na dia tsy mankatò ny filazantsara iray manontolo aza ny mpianatra, dia mety mbola mino sy mahatoky amin’ny tenin’i Jesoa Kristy izy ireo. Rehefa manana olana amin’ny lafin-javatra iray ao amin’ny Fiangonana izy ireo, dia mbola afaka manana fijoroana ho vavolombelona mafonja fa tia azy ireo ny Ray any An-danitra sy maniry ny tsara indrindra ho azy ireo ary i Jesoa Kristy no Mpamonjy azy ireo.

Ho tsikaritrareo fa maro amin’ireo soso-kevitra momba ny fanampiana ny hafa amin’ny famaliana ny fanontanian’izy ireo no mahomby indrindra rehefa valiana tsirairay ny olona. Mino aho fa izany no fomba tsara indrindra. Tsy mety angamba ny hamelan’ny mpampianatra iray ny mpianatra rehetra hanolo-tena hamaly fanontaniana iray manan-danja apetraky ny olona iray. Tsy tokony hanova ny lesona efa nomanina izay natao mba hampiorina finoana ny fanontanian’ny mpianatra. Tadidio mandrakariva fa ny tanjonareo dia ny hanorina finoana ao amin’ny kilasy iray manontolo fa tsy ny ho variana hamaly olona vitsy. Tahaka ny fampianarana rehetra dia mitaky ny fitarihan’ny Fanahy ny famaliana fanontaniana.

Mampahatsiahy antsika ihany koa ny hikolokolo ny finoantsika manokana ny votoatin’io fizarana io eny fa na dia rehefa manampy ny hafa aza isika. Rahavavy Tamara W. Runia dia nanoro hevitra antsika tsy “hanenjika ireo olona akaikin’ny fonao izay mahatsapa ho very.” Fa tahaka an’i Lehia ao amin’ilay fahitana ny hazon’aina kosa, dia “mijanona eo amin’izay misy anao ianao ary miantso azy ireo. Mankeny amin’ilay hazo[-n’aina] ianao, mijanona eo amin’ilay hazo, manohy mihinana ny voany ary, miaraka amin’ny tsiky eo amin’ny tavanao, dia manohy miantso ireo izay tianao ary maneho amin’ny alalan’ny ohatra fa ny fihinanana ilay voa dia zavatra mahasambatra!”

Ireo fitsipika voarakitra ao amin’ny “Lohahevitra sy fanontaniana,” indrindra fa ireo izay ampianarina ao amin’ireo fizarana “Fikatsahana ny valin’ireo fanontanianao” sy ny “Fanampiana ny hafa amin’ny famaliana ny fanontaniany”, dia nanampy ahy hitady ny valin’ireo fanontaniako manokana tamin’ny fomba izay nanamafy orina ny finoako ny Tompo sy nampitombo ny fahatakarako ny momba Azy sy ny asany. Ireo fitsipika ireo dia nanampy ahy koa mba hanampy ny hafa hahazo fitarihana amin’ny olany sy ny fanontaniany. Hisy votoatiny fanampiny hanatevenana izany amin’ny ho avy mba hanampiana amin’ireo fanontaniana sy lohahevitra voafaritra manokana, ka noho izany dia jereo matetika io loharanom-pitaovana io ary aza mieritreritra mihitsy hoe “Efa namaky izany aho.” Matoky aho fa hahita ihany koa ianareo fa tena manampy ireo fizarana sy ireo lohahevitra ireo. Mivavaka aho mba hanampy anareo sy ny hafa hampitombo finoana an’ny Mpamonjy ny fampiasanareo ireo fitaovana ireo.

Ny foto-tsakafo ara-panahy notovonana otrikaina ara-tsarin-teny fahaefatra sady farany izay tiako mba ho azon’ny mpianatra rehetra dia izay mety ho laron-tsakafo mahavelona izay mahatonga sy mihazona ny fo halefaka. Ny tiako holazaina amin’ny hoe fo malefaka dia fo mora mahatsapa ny Fanahy. Ny fo mafy, izay mifanohitra amin’ny fo malefaka, dia mahafaty ara-panahy. Matetika ny soratra masina no mamariparitra ny loza miandry ireo izay mafy fo. Nianatra i Nefia fa “ny zavon’ny haizina [izay hita tao amin’ny fahitana ny hazon’ny fiainana] no fakam-panahin’ny devoly izay manajamba ny maso sy manamafy ny fon’ny zanak’olombelona ary mitarika azy hankany amin’ny lalana migodàna mba ho faty sy ho very.”

Ny fo ara-batana izay mafy na henjana dia sarotra fenoina rà. Ka eo am-pamenoan’ny fo rà ao aminy, rehefa miomana hitempo ny fo, dia sahirana ny fo henjana amin’ny famelana ny rà hiditra ao aminy. Ary izany dia mety hiteraka karazana tsy fahombiazan’ny fo amin’ny famitana ny asany izay areti-mahery tsy misy hafa amin’ny tsy fahombiazan’ny fo amin’ny famitana ny asany izay ateraky ny olana eo amin’ny fitempony. Tahaka ny maha sarotra ny famenoana rà ny fo henjana no maha sarotra ny famenoana Fanahy ny fo mafy ara-panahy.

Nosinganin’i Nefia tsara ao amin’ny 2 Nefia 33 fa ny olona manamafy ny fony dia tsy hamela ny Fanahy Masina hitondra ny tenin’ Andriamanitra ao am-pon’izy ireo. Hoy izy: “Fa rehefa miteny amin’ny herin’ny Fanahy Masina ny olona iray, ny herin’ny Fanahy Masina dia mitondra izany hankany am-pon’ny zanak’olombelona.” Notohizan’i Nefia hoe: “Nefa indro, maro ireo izay manamafy ny fony amin’ny Fanahy Masina hany ka tsy manana toerana ao aminy Izy; koa izy ireo dia manary zavatra maro izay efa voasoratra ary misaina izany ho toy ny zava-tsinontsinona.”

Nanamafy ny Loholona David A. Bednar hoe: “Mba jereo hoe ahoana no fomba hitondran’ny herin’ny Fanahy ny hafatra hankany amin’ny fo fa tsy voatery hoe ao anatin’ny fo. … Amin’ny farany anefa, dia rehefa mamela azy ireo hiditra ny mpandray vao miditra ao am-po ny votoatin’ny hafatra sy ny fijoroana ho vavolombelona ataon’ny Fanahy Masina.”

Raha toa ireo mpianatsika ka tsy manana fo malefaka, dia mety ho lasa tahaka ireo izay hilaza izao izy ireo hoe: “Efa nandray … izahay ka tsy mila intsony … fa manana ny ampy izahay! “Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra [amin’izy ireo]: Hanome ny zanak’olombelona andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra Aho, ary fitsipika anampy fitsipika, etsy kely ary eroa kely; ary sambatra ireo izay mihaino ny fitsipiko, sy mampandry sofina amin’ny torohevitro, fa hianatra fahendrena izy; fa izay mandray no homeko bebe kokoa; ary amin’ireo izay hilaza hoe: Manana ny ampy izahay, amin’ireo kosa dia hoesorina na dia izay efa ananany aza.”

Raha mafy fo ireo mpianatsika dia mety hisakana ny lalana izay ahafahan’izy ireo mandray bebe kokoa amin’ny tenin’ Andriamanitra na ny valin’ny vavak’izy ireo. Izy ireo, tahaka antsika, dia mila vonona handray ny Fanahy mba hahafahana mampianatra azy ireo ny zavatra rehetra tokony hataony. Nampianatra i Almà hoe: “Ary ireo izay manamafy ny fony dia ireo no omena ny ampahany kely indrindra amin’ny teny mandra-pahatonga azy ireo tsy hahafantatra na inona na inona ny amin’ny misteri[n’ Andriamanitra]; ary amin’izany izy ireo dia entin’ny devoly ho babo ary tarihin’ny sitrapony hidina any amin’ny famongorana.” Manome vahana ny vokatra izay nampanantenain’ny Mpamonjy ny fo malefaka. “Izay mitandrina ny didin[’Andriamanitra] dia mandray fahamarinana sy fahazavana ambara-pahatonga azy hankalazaina ao amin’ny fahamarinana sy hahafantatra ny zava-drehetra.” Ny fo mafy kosa anefa dia mahatonga “ilay ratsy [ho afaka ny ho avy] ka [h]anaisotra … ny fahazavana sy ny fahamarinana.”

Nofintinin’ny Mpanjaka Benjamina ny singa mandrafitra io foto-tsakafo ara-panahy ara-tsariteny notovonana otrikaina izay miteraka sy mihazona ny fo halefaka io. Izao no nambarany: “Tahaka izany no mba hitiavako ny hahatsiarovanareo sy hitananareo mandrakariva ao amin’ny fahatsiarovana ny halehibeazan’ Andriamanitra sy ny maha-tsinontsinona anareo ary ny hatsaram-pony sy ny fahari-pony aminareo, …, ary ny hanetrenareo ny tenanareo ao amin’ny fanetrentena lalina amin’ny fiantsoana ny anaran’ny Tompo isan’andro sy amin’ny fiorenana mafy tokoa amin’ny finoana an’ilay ho avy izay.” Ireto ireo singa: ny hahatsiarovantsika mandrakariva fa tsy tonga ny fanavotana raha tsy noho i Jesoa Kristy, fa raha tsy misy Azy dia tsy misy azo antenaina ny toe-javatra misy antsika. Izany dia mamporisika antsika hanetry tena ao anatin’ny fanetrentena lalina sy mamporisika antsika hivavaka isan’andro, ary avy eo isika dia miorina mafy amin’ny finoantsika an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany. Ny vokatr’izany voajanahary dia hoe: “hifaly mandrakariva [isika] sy ho feno ny fitiavana an’ Andriamanitra ary hitana mandrakariva ny famelana ny fahota[ntsika]; ary … hitombo ao amin’ny fahalalana ny voninahitr’ilay nahary [antsika].”

Ianareo dia manampy ny mpianatra hahatsiaro sy hitana mandrakariva ao amin’ny fahatsiarovany ny halehibeazan’ Andriamanitra rehefa miasa araka ny zotom-po ianareo mba handresy lahatra azy ireo hino an’i Kristy “sy hihavanany amin’ Andriamanitra; [mba hahafantarany] fa noho ny fahasoavany no hamonjena [azy ireo] rehefa atao[ny] ny zavatra rehetra azo[ny] atao.” Noho izany izaho sy ianareo dia “miresaka an’i Kristy, mifaly amin’i Kristy, mitory an’i Kristy, … mba hahafantaran’ny [mpianatsika] ny loharano azony andrandraina ho famelana ny fahotany.” Manampy azy ireo hitoetra ho manetry tena izany fahalalana izany, manosika azy ireo hiantso ny anaran’ Andriamanitra isan’andro sy hijoro ho tsy voahozongozona ao amin’ny finoana. Manampy azy ireo hihazona fo malefaka mora heniky ny Fanahy Masina izany.

Ireo foto-tsakafo notovonana otrikaina miisa efatra rehetra izay noresahiko ireo dia mifandray ary mifanome hery. Andro tsara hanaovana fanombanan’ny tena manokana ny fampianarantsika anio. Manontania tena hoe:

  • Mifantoka amin’i Jesoa Kristy ve ny fampianarako?

  • Mampianatra omban’ny fijoroana ho vavolombelona sy amim-pitiavana ve aho?

  • Mikatsaka ny hanana fifandraisana mandritra ny androm-piainana amin’ireo mpianatro ve aho?

  • Manampy ny mpianatra hamaly ny fanontanian’izy ireo manokana ve aho fa tsy mamela azy ireo hanana fanontaniana bebe kokoa?

  • Maneho ohatra amin’ny fananana fo malefaka ve aho, maneho fankasitrahana an’ Andriamanitra sy miorina mafy amin’ny finoana?

  • Inona no ianaran’ireo mpianatro avy amin’ny ohatra asehoko sy ny fampianarako?

Ry rahalahy sy ranabavy, misaotra anareo amin’izay ataonareo mba hanampiana ireo zanaky ny Ray any An-danitra ho lasa mpianatra mahatokin’i Jesoa Kristy, mba hanampy azy ireo hihazona fo malefaka, mba hanampy azy ireo hamela ny Fanahy hiditra ao am-pon’izy ireo, ary mba hampitodika azy ireo mazava tsara any amin’i Jesoa Kristy, ilay Mpanavotra ireo tontolo izao. Araka ny rentsika tao anatin’ilay hira, dia mitady haniasia sy mitady handao ilay Andriamanitra tiantsika isika rehetra. Mila ampahatsiahivina antsika ny fahatsarany mba hahafahan’izany hatsarana izany mamatotra ny fotsika maniasia amin’ Andriamanitra tahaka ny rojo vy. Ary izany no antony nahatonga an’i Robert Robinson nilaza, rehefa nanoratra ilay hira hoe: “Indro ny foko. Raiso dia fehezo. Fehezo ho ao amin’ny lapanao ao ambony ao.” Tiany hampahatsiahivina azy ny antony nananany fahatsapana hikalo io hiran’ny fitiavana manavotra io rehefa tsy mahatsapa te hihira izany izy indraindray. Ary mitovy amin’izany ny anjara asantsika, dia ny hanampy ireo mpianatsika eo amin’izany lalana izany.

Hitahy anareo Andriamanitra amin’ny zavatra ataonareo. Hitahy anareo Andriamanitra noho ny hatsaram-ponareo, hitahy anareo Andriamanitra noho ny finoanareo, ny fahatokianareo, ny fijoroana ho vavolombelona anananareo. Misaotra anareo manompo ny Tompo. Misaotra anareo minamana Aminy, satria Izy ilay namantsika any an-danitra izay tsara fanahy sy hendry. Fantatro tanteraka fa marina izany. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.