Fihaonamben’ny Mpanabe ara-pivavahana ao amin’ny DFF
Fipaka sy fiantefan’ny Seminera sy Institiota


20:53

Fipaka sy fiantefan’ny Seminera sy Institiota

Fihaonamben’ireo mpanabe ara-pivavahana an’ny DFF, jona 2024

Faly aho hizara vaovao aminareo anio momba ireo ezaka ataon’ny Seminera sy Institiota mba hampitombo ny fipaka sy ny fiantefanay, ary ny zavatra mitranga eo amin’ny zatovo sy ny tanora manerana an’izao tontolo izao. Mety efa nahita na naheno ny ampahany samy hafa avy amin’ity fanolorana ity tao amina sehetra isan-karazany ny sasany aminareo. Saingy inoako fa misy tombontsoa amin’ny fahitana ireo singa rehetra mifanentana tsara sy ny fieritreretana momba izay hitranga manaraka.

Ho anareo izay tsy miasa ao amin’ny S&I, dia manantena aho fa hahaliana anareo sy hanampy koa ity fampahalalana ity.

Izahay rehetra izay miasa ato amin’ny sampana misahana ny Fampianarana an’ny Fiangonana dia mieritreritra hatrany ny fomba ahafahana manorina finoana an’ny Mpamonjy sy manohana tsara kokoa ireo mpianatsika amin’ny ezaka ataony hiaina ny filazantsara. Araka izany, teo amin’ny dimy na enina taona lasa teo ho eo izay, rehefa nahatsikaritra izahay fa nihena ny fisoratana anarana amin’ny institiota nandritra ny taona vitsy, dia nampiahiahy anay tokoa izany. Fanampin’izany, satria fantatray fa tanora maro no miatrika olana tena sarotra eo amin’ny finoany, dia naniry izahay ny hanampy satria fantatray fa ny institiota dia afaka ny ho fomba tena tsara hahazoan’izy ireo ny fanohanana ilainy. Tianay nofantarina hoe inona koa no azonay atao, tsy hoe mba hamporisihana azy ireo handray anjara fotsiny fa mba hahalalana ihany koa ny fomba hitondranay fiantraikany mafonja kokoa eo amin’ny fiainan’izy ireo. Noheverinay fa hanan-danja ny mahita fomba tena hihainoana azy ireo, hahatakarana ny olana atrehan’izy ireo ary hahitana ny fomba mety anampian’ny institiota. Noho izany dia namorona ekipa ao anatin’ny Seminera sy Institiota izahay, izay antsoinay tany am-piandohana hoe ny Kômitin’ny Fanavaozana ny Institiota.

Tamin’ny voalohany io kômity io dia niara-niasa tamin’ny Mpandray fanapahan-kevitra eo anivon’ny sampan-draharaha mpanao fikarohana mba hirotsaka amin’ny fikarohana momba ny tanora ato amin’ny Fiangonana. Avy eo izy ireo dia niasa niaraka tamin’ny BYU AdLab hahitana ireo fanovana azo atao amin’ny institiota mba hanampiana ireo tanora manoloana ny zavatra ilain’izy ireo.

Ireo traikefa ireo dia tena nanampy saingy nahatonga anay haniry ny hanao bebe kokoa hatrany mba hamantarana ireo fahafahana azo araraotina mba hanitarana misimisy kokoa ny fipakan’ny institiota sy ny fiantefany. Noho izany dia nanao fifanarahan-kasa niaraka tamin’ny Bonneville Communications izahay mba hanaovana fanadihadiana maty paika kokoa.

Nanao vondrona fifanakalozana sy fitsapan-kevitra niaraka tamina tanora mihoatra ny 5000 izy ireo, isan’izany ny maro izay tsy mandray anjara amin’ny institiota na amin’ny Fiangonana amin’izao ankehitriny izao. Natao tamina kaontinanta dimy ny fanadihadiana ary nahazoana fampahalalana tena sarobidy.

Ivon’ireo zavatra nolazain’ny tanora taminay dia ny hoe maniry sy mila zavatra efatra izy ireo:

Maniry izy ireo mba hipaka kokoa amin’ny famaliana ny zavatra ilain’izy ireo sy ny fanontaniana ananan’izy ireo ny institiota.

Te hahatsapa ho manana fiombonana izy ireo—miombona amina vondron’olona manampy azy ireo hiaina ny filazantsara ary miombona amina tanjona, mahatsapa fa mandray anjara amina zavatra manan-danja izy ireo.

Nangataka ihany koa izy ireo ny hanamorana ny fanaovana ny institiota mba hahafahany mandray anjara na dia eo aza ireo fandaharam-potoana feno sy zavatra mampirotoroto mitaky ny fotoana sy fifantohan’izy ireo.

Ny valin-teny tena niraisana indrindra dia ny faniriany hahatsapa ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy ho akaiky kokoa ny Mpamonjy. Ity anankiray ity dia nantsoinay hoe “fiovam-po amin’i Jesoa Kristy.” Nanampy anay hahatsikaritra ny Loholona Gilbert fa ity iray ity dia tsy mitovy amin’ireo hafa rehefa zohina.

Ny tanjon’ny institiota dia ny mampiorim-paka fiovam-po amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny. Ireo hafa dia fomba hanatrarana izany tanjona izany. Mila ampifandraisina amin’ny tanjon’ny fiovam-po izy ireo, raha tsy izany tsy hitondra tombontsoa maharitra izay ilain’ny tanora tokan-tena. Mety hamorona fifantohana izay tsy hitarika amin’ny fiovam-po izahay, na fiombonana ao anatina klioba na ekipam-panatanjahantena. Tsy izany anefa no tadiavintsika. Mila manampy azy ireo isika hahita fa ny filazantsara no mamaly ireo fanontanian’ny fanahiny ary manampy azy ireo amin’ireo fanambin’ny andro tsirairay avy. Ary mila mamorona fiombonana ao amin’ny fanekempihavanana isika. Ny zavatra rehetra ataontsika dia tsy maintsy mitarika ho amin’ny fiovam-po.

Noho izany dia niverina indray tany amin’ireo tanora izahay ary nanontany azy ireo hoe: “Ho toy ny ahoana raha toa ny institiota ka manan-danja kokoa, miteraka fiombonana, ary natao mora atrehina kokoa amin’ny fomba izay hampalalim-paka ny fiovam-po?”

Ny vokany dia ny namoronana hetsika maromaro izay nampidirina tao amina fandaharam-pampianarana nofantenana nandritra ny efa-taona lasa. Ireto misy ohatra vitsy.

Mba hampanan-danja kokoa ny institiota dia namorona atrikasa fianarana izahay. Ny atrikasa fianarana dia seminera maharitra roa ka hatramin’ny dimy herinandro izay mifototra manokana amin’ireo filana voafaritry ny tanora. Ankoatra ireo kilasy amin’ny endrika telo volana sy tapany, dia azo atao mandritra ny fotoana fohy izy ireo ka iompanana mivantana ny zavatra ao an-tsain’izy ireo. Mbola mifototra amin’ny soratra masina sy ny fampianaran’ireo mpaminany maoderina ary mpitarika hafa ao amin’ny Fiangonana hatrany ireo atrikasa fianarana ireo.

Nampianay kilasy vaovao ihany koa. Ohatra, namorona kilasy izay niainga avy amin’ilay boky hoe The Divine Gift of Forgiveness (Ny fanomezana masin’ny famelan-keloka) izay nosoratan’ny Loholona Anderson izahay; tena noraisin’ny mpianatra tsara mihitsy izany.

Feno fankasitrahana ny Loholona Uchtdorf ihany koa izahay, tamin’ny nampahafantarany ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy tamin’ireo mpampianatsika rehetra. Lasa fototry ny fampiofananay izany, anisan’izany ny fomba hampanan-danja kokoa ny fampianarantsika.

Tao anatin’ny ezaka amin’ny fampitomboana ny fahatsapana fiombonana, dia nantitranterinay ilay hevitra avy amin’ny Filoha Nelson fa isaky ny manao zavatra iray anampiana an’iza na iza hanatona an’i Jesoa Kristy ary hanao sy hitandrina fanekempihavanana ianao dia manangona an’i Isiraely. Misaotra anareo noho ny asa mafy ataonareo mba hanolorana fanasana sy hamporisihana izay tanora tsirairay avy afaka ny ho mpianatra.

Ohatra iray, tamin’ny taon-dasa fotsiny tany Amerika Afovoany dia nanasa manokana zatovo sy tanora mihoatra ny 25000 mba hanatrika fotoam-pianarana ireo mpampianatsika. Nangatahantsika ihany koa ireo mpianatsika mba hanasa ny namany. Vokatr’izany dia namana avy amin’ny finoana hafa maherin’ny 30000 no nanatrika, ka izany dia nahatonga batisa mihoatra ny 9000. Ho an’ireo fanovana rehetra izay nataonay, dia heveriko fa ny antony lehibe indrindra nahatonga ny fitomboan’ny fisoratana anarana amin’ny seminera sy institiota dia satria maro aminareo tokoa ny nahatakatra ilay vina nampianarin’ny Filoha Nelson mba hanangona taranaka zatovo sy tanora. Misaotra anareo noho ny fanahin’ny fanangonana anananareo sy ny fitondrana tanora maro tokoa ho any amin’i Jesoa Kristy. Arakaraka ny fanarahantsika ny vina avy amin’ny mpaminany no hitombohan’ny herintsika hanao ity asa ity.

Nanao zavatra hafa koa isika toy ny fanavaozana ireo efitrano fianarana ary ny fanamafisana ny fitondrana ny zavatra ilain’ny mpianatra ho ambony kokoa noho ny hoe famitana ny lesona fotsiny. Nomentsika fanapahan-kevitra bebe kokoa mihitsy aza ny mpianatra ny amin’ny hoe inona amin’ny fandaharam-pianarana no tiany handaniana fotoana betsaka na kely kokoa.

Raha ny fanamorana ny fanatrehana no resahina, dia ny institiota an-jotra no fanovana lehibe. Nitombo ho 25000 ny fisoratana anarana an-jotra isan-taona raha niainga tamin’ny 9000 ny roa taona lasa. Ny tena nahatonga izany voalohany indrindra dia ny fiarahana miasa amin’ny BYU–Pathway Worldwide ary izany dia antony lehibe iray hitomboantsika hatrany amin’ny hoavy.

Nataonay azo ileferana kokoa ihany koa ny ora sy toeran’ireo fotoam-pianarana mba hanamorana ny fanatrehan’ny mpianatra.

Nitondra fiaraha-mientana sy loharanom-pitaovana hafa tao amin’ny trano fianarana institiota izahay, izay nitondra hery misimisy kokoa sy fientanentanana ary tanora fanampiny mba handray anjara amin’ny institiota. Miara-miasa amin’ny rantsana ao amin’ny Fiangonana ihany koa izahay mba hisian’ny kilasy institiota ao amin’ireo trano fiangonana vaovao nankatoavina.

Mba hamporisihana mpianatra betsaka kokoa handray anjara, dia nirakitra horonan-tsary fanasana ny Filoha Nelson. Nalainay ihany koa ny fanehoan-kevitry ny mpianatra momba ny zavatra iainan’izy ireo ao amin’ny institiota. Nantsoinay hoe “Tiako ny institiota” izany horonan-tsary izany. Inty misy sombiny izay manambatra azy roa.

[horonan-tsary]

Kofi: Heveriko fa ny institiota no tena nanampy ahy hahafantatra tsara ny Mpamonjy fa tsy hoe mianatra momba Azy fotsiny, ary ahafantatra ireo zavatra nila novaiko mba hahatongavako tahaka Azy.

Lily: Tiako ny institiota satria tiako i Jesoa Kristy, ary ny institiota dia toerana ahafahako miresaka momba Azy. Mitondra hery ny miresaka momba an’i Jesoa Kristy. Mahatsapa izany hery izany eo amin’ny fiainako aho.

Filoha Russell M. Nelson: Ry rahalahy sy anabavy malalako isany, tiako ianareo. Mieritreritra anareo sy mivavaka matetika ho anareo aho. Miaina ao anatina fotoana tsy mbola nisy toy izany ianareo. Ao anatina taona andraisanareo fanapahan-kevitra tena manan-danja ianareo, fanapahan-kevitra hisy fiantraikany eo amin’ny andro sisa iainanareo eto an-tany sy ny mandrakizay. Mety ho toy ny mandreraka na mampatahotra mihitsy aza ny mandray ireo fanapahan-kevitra ireo. Kanefa mampientanentana koa izany satria miaina ao anatina fotoana manan-tantara isika.

Azoko asaina ve ianareo hanao zavatra iray izay hanampy anareo kanefa tsy ho azonareo avy amin’ny zavatra hafa: Manatreha institiota. Nahita ny zanako, zafikeliko ary ny zafindohaliko maro nanatrika institiota aho. Nanova fiainana ny fanatrehana institiota ho azy ireo. Nanampy azy ireo ny institiota, ary hanampy anareo hahalalim-paka ny fiovam-ponareo amin’i Jesoa Kristy izany. Ny fanatrehana institiota dia hanampy anareo hahatsapa kokoa ny fitiavana lehibe tsapan’ny Ray any An-danitra ho anareo.

Hanome anareo mpampianatra manentana ny fanahy, namana mahatoky ary fahatsapana fiombonana ny institiota. Hanampy anareo izany hahatakatra hoe nahoana ny fiainana ny filazantsara no mitondra amin’ny fahasambarana tsy misy fiafarana. Ny fanatrehana institiota dia hanampy anareo hiaina ny filazantsara sy hahatsapa fifaliana kokoa, amin’izao ankehitriny izao.

Raha tianao ny hahafantatra ny marina momba ny hoe iza marina ianao, dia manatreha institiota. Raha tianao ny hahafantatra ny tanjon’ny fiainana, dia manatreha institiota. Raha te hijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana ianao, dia manatreha institiota. Raha tianao ny hianatra ny fomba hamelana an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainanao, dia manatreha institiota. Raha te ho mpampihavana ianao, dia manatreha institiota.

Mampanantena ireo tsodrano ireo anareo aho ary maneho ny fitiavako anareo, amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.

[tapitra ny horonan-tsary]

Hita ao amin’ny tranonkalan’ny Fiangonana ireo horonan-tsary ireo. Ampiasaina ao amin’ny tambajotran-tserasera, ny kilasim-pianarana, miaraka amin’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana izy ireo, ary maro aminareo no mampiasa azy ireo mandritra ireo fampaherezam-panahy an’ny TTT [Tanora Tokan-Tena]. Misaotra anareo mampiasa ireo fitaovana ireo mba hampivelarana ny ny fanasana sy fampanantenana avy amin’ny mpaminany.

Tiako ny horonan-tsary maneho ireo mpianatra. Tsy nosoratana mialoha izy ireny, ary maro amin’izy ireo no niresaka mikasika ny fipakan’ny kilasy fianaran’izy ireo eo amin’ny fanampiana azy ireo mba hahafantatra ny Mpamonjy sy hanaraka Azy. Ka noho izany misaotra anareo amin’ny zavatra ataonareo;tiako ny mihaino ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo. Ary mazava ho azy fa feno fankasitrahana izahay noho ny hafatra avy amin’ny Filoha Nelson, izay tena nipaka tany amin’ny tanora maromaro.

Tamin’izaho tany San Diego niaraka tamin’ny Loholona Stevenson, dia nisy mpivady nanatona ahy taorian’ny fampaherezam-panahy nilaza fa nihevitra izy fa tapitra hatreo ny fianarana institiota aorian’ny fahazoany marim-pankasitrahana. Saingy taorian’ny nahenoiny ny mpaminany nizara ireo fampanantenany izy dia niverina nisoratra anarana aingana indray, ary fitahiana goavana ho azy izany.

Ny vokatr’izany ezaka rehetra izany sy ny ankoatra izay dia ny hoe mitombo ny institiota.

Taorian’ny dimy taona nihenam-pitomboana, dia niampy 57000 fanampiny ny mpianatra tao anatin’ireo roa taona lasa. Fitomboana 20 isan-jato izany—ary fantatray fa misy mpianatra marobe ihany koa manatrika nefa tsy voasoratra anarana. Ity no isa lehibe indrindra tao anatin’ny valo taona, ary mampientanentana ery ny mahita taona fitomboana mifandimby.

Ampahany fotsiny amin’ilay tantara manontolo ny fitomboan’ny fisoratana anarana. Na aiza na aiza alehako dia maheno tantaran’ny fiovan’ny fiainan’ny olona aho. Rehefa manomboka fandalinana matotra ny soratra masina ny tanora, dia voatahy izy ireo ary mandray fitaomam-panahy sy fanantenana. Ary izany no mitranga ao amin’ireo kilasintsika isan’andro.

Ankoatra ireo fisoratana anarana isan-taona ireo dia fantatray fa eo amin’ny 95 isan-jaton’ny tanora toka-tena mavitrika dia nanatrika institiota tamin’ny fotoana iray naha tanora azy, ny ankamaroany teo anelanelan’ny 18 ka hatramin’ny 24 taona. Tsy mahafam-po anay anefa izany; manao izay rehetra vitanay izahay hanolo-tanana amin’ny tanora mavitrika sy ny tsy dia mavitrika rehetra. Noho izany ny fanantenana dia ny hihoaran’io isan-jato io ambonin’ny 100 isan-jaton’ireo mavitrika rehefa afaka manolo-tanana amin’ireo TTT mpandray anjara rehetra ato amin’ny Fiangonana ary ny maro amin’ireo izay tsy mandray anjara ny institiota mba hanampiana azy ireo hiverina ho mavitrika indray.

Eo an-dalana hanampy mpianatra insitiota miisa 20000 isika amin’ity taona ity. Midika izany fa ho nanampy mpianatra institiota mihoatra ny 77000 isika nandritra telo taona lasa, ary mihotra ny 100000 ao amin’ny seminera sy institiota mitambatra. Azoko averina tenenina indray ve izany? Mihoatra ny mpianatra 100000 tao anatin’ny telo tao—noho ny ezaka nataonareo!

Midika izany hoe olona 100000 fanampiny izay nahazo fahafahana hahita ny lanjan’ny filazantsara ao amin’ny fiainan’izy ireo, hahatsapa ho manana fiombonana, ary manamafy orina ny fiovam-pony ao amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny. Misaotra indrindra!

Koa inona ary ny manaraka ho an’ny institiota?

Tsy maintsy mifantoka sy mampifanaraka amin’ny tanjontsika ato amin’ny Seminera sy Institiota isika. Tsy hoe manavao fotsiny ihany isika satria tsara ny manavao. Manavao isika mba hampivelatra ny fipaka sy hampitombo ny fiantefana.

Mba hanampiana amin’izany dia nanome torolalana sy fomba fiasa ho an’ny fanavaozana ho azy izahay. Ity fomba fiasa ity dia manomboka amin’ny fihainoana mba hanampiana ny tanora hahatsapa ho tiana sy nohainoina. Katsaho ny hahazo ny zavatra ilain’izy ireo. Asao izy ireo handray anjara amin’ilay fomba fiasa.

Manaraka izany, miaraha mikaondoha ary jereo ireo vahaolana azo ampiharina miaraka amin’ny fiheverana ireo fitsipika sy loharanom-pitaovana eo am-pelatanana.

Mahazoa aveo fankatoavana mba hampiharana ireo vahaolana ireo ary refeso ny vokatra, tombano ny fahombiazan’ny vokatra, ary henoy indray ireo nokendrena ampiasa ny fanovana.

Ao anatin’io fomba fiasa mitohy sy miverimberina io dia miara-miasa akaiky amin’ny mpitantana ao amin’ny faritra na vondromparitra misy anao. Hanome torolalana sy taridalana manan-danja ho anao izy ireo.

Araka ny nambaran’ny Loholona Neil L. Andersen vao aingana hoe:

“Samy mpanavao avokoa isika rehetra. Mila fotsiny isika mampitoetra izany fanahy izany ao an-tsaintsika sy mahatsapa fa ity Fiangonana ity dia Fiangonana mpanavao. Isika no Fiangonan’i Jesoa Kristy, ka noho izany dia tsy tontan’ny ela toy ny mandrakizay ireo fitsipika ireo. Saingy mpanavao isika satria mampifanaraka amin’ny zava-misy foana, eo am-pitomboana foana, ary manao zavatra tsara kokoa hatrany foana. Antenaiko koa anefa ao anatin’izany fa mpanaradia tsara isika. … Mpanavao avokoa ny tsirairay.”

Tiako ny hevitra avohitran’ny zavatra nampianarin’ny Loholona Andersen. Misy zavatra sasantsasany tsy hiova mandrakizay, tahaka ny fitsipika mandrakizain’ny filazantsara. Saingy ampifanarahantsika ny fandaharam-pianaran’ny Fiangonana mba hifanentana tsara kokoa amin’ny filan’ny mpianatrao.

Ny fototry ny zavatra ataontsika mandrakariva dia fampianarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy araka izay hita ao amin’ny tenin’ Andriamanitra miaraka amin’ny fanahin’ny Fanahy Masina.

Ao anatin’ireo ezaka ataontsika mba hanao izany amin’ny fomba izay mifantoka amin’ny mpianatra, dia mamporisika anareo izahay hampihatra io fomba fiasa io dia ny fihainoana sy famaliana ireo mpianatra.

Ary tsarovy re fa ny zavatra rehetra ataontsika hanavaozana ny institiota dia tsy maintsy ampifanarahana amin’ny tanjona sy manampy ny tannora hahalalim-paka ny fiovam-pony amin’i Jesoa Kristy.

Manao ahoana indray ary ny amin’ny seminera? Araka ny nambarako dia nisy fitomboana ihany koa ny seminera. Tsy tena midangana be tahaka ny ao amin’ny institiota, saingy nitombo 5 isan-jato isika tao anatin’ireo roa taona lasa tato amin’ny seminera. Fivoarana manan-danja izany, satria na dia eo aza ny taha azo tratrarina ao amin’ny seminera nihanidina izay mpianatra 50000 nanomboka tamin’ny 2018, mbola mitohy ny fitomboantsika. Nahatra 54.4 isan-jato isika tamin’ny fisoratanana anarana an’ny afaka ho mpianatra seminera. Io no taha avo indrindra voarakitsika hatramin’izay, ary nitombo avy amin’ny 49 isan-jato tamin’ny dimy taona lasa izany. Amin’ity taona ity dia mizotra mankany amin’ny fampitomboana izany taha izany indray isika ho 56 isan-jato ary hanampy mpianatra 3000.

Feno fifaliana izahay noho ny amin’izany. Nanana mpitantana sampana iray ao amin’ny biraon’ny Fiangonana izahay taloha izay mihiaka hoe “Mahazo gilasy daholo ny rehetra e! Rehefa mahomby amin`ny zavatra iray ny ekipany. Te hilaza izany amin’izao tontolo izao aho, sa tsy izay?” Raha izany asa mahatalanjona nataonareo izany mba hampitombo ny fisoratana anarana sy ny fiantraikany anananareo, dia miangavy anareo aho haka gilasy. Ary mankalazà! Zavatra mahagaga tokoa io mitranga io. Misaotra anareo, misaotra anareo. Ao anatin’izany fahatsapana fifaliana izany nefa tsy afa-po, dia manontany tena hatrany isika hoe: “Inona no zavatra afaka ataontsika mba hitahiana ireo zatovo ao amin’ny seminera?”

Taona vitsy lasa izay dia nizara aho fa ny tsara indrindra afaka ataontsika mba hanavao ny seminera dia ny manohy mampihatra ny fifehezana fotopampianarana. Arakaraka ny fampiasantsika ny fifehezana fotopampianarana amin’ilay fomba namolavolana izany no hitahian’izany ireo zatovon’ny Fiangonana. Ny fifehezana fotopampianarana dia hanasa fiainana fiovam-po, fianarana zavatra manan-danja, ary fiombonana lalindalina kokoa ho an’ireo mpianatra seminerantsika.

Hatramin’io fotoana io dia nampiditra hetsi-piniavana vaovao izahay. Manomboka ny taona 2025, dia hampiditra ireo lesona fiomanana hiatrika ny fiainana isika manerana izao tontolo izao ho setrin’ireo zavatra ankehitriny ilain’ny zatovontsika sy nofaritan’ireo mpitarika.

Ireo lesona entanim-panahy ireo dia hiresahana lohahevitra toy ny asa fitoriana ny filazantsara sy ny fiomanana amin’ny tempoly, ny fianarana, ny fahasalamana ara-batana sy ara-pihetsehampo, ny fampianaran’ireo mpaminany maoderina, sy ny maro hafa koa. Ireo lesona ireo dia hifameno amin’ny fampianarana ny soratra masina araka ny fisesiny sy ny ezaka amin’ny fifehezana fotopampianarana efa eo an-dalam-panatanterahana.

Rehefa niresaka tamin’ny tanora ny Loholona Clark G. Gilbert, izay mpiandraikitsika, dia nilaza toy izao: “Ireo lesona fiomanana hiatrika ny fiainana ireo dia novolavolaina mba hanampy anareo hampatanjaka ny fifandraisanareo amin’ Andriamanitra sy handray ny fanampiany!”

Notohizany hoe: “Nampanantena ny Filoha Nelson fa rehefa mandray anjara amin’ny seminera -[ny zatovo dia] hahazo ny valin’ny sasany amin’ireo fanontanian[y] sarotra indrindra. Hahita namana azon[y] itokisana [izy ireo]. Ho lasa mpianatra marin’i Jesoa Kristy Tompo [izy ireo].

Koa raha manontany tena mikasika ny fanavaozana ny seminera ianareo, dia andeha isika hifantoka amin’ny fampianarana ny soratra masina manaraka filaharany aloha ankehitriny, mampiasa tanteraka ny fifehezana fotopampianarana, ary mampihatra amim-pahombiazana ireo lesona fiomanana hiatrika ny fiainana. Izany no fomba inoako fa hamaliantsika tsara kokoa ny filan’ny tanoran’ny Fiangonana amin’izao fotoana izao.

Misaotra ny amin’ny zavatra rehetra ataonareo hanohanana ny zatovo sy ny tanora maneran-tany. Mampivelatra ny fipaka ireo ezaka ataonareo ary mampiorom-paka amin’ny fomba manan-danja ny fiantraikan’ny Seminera sy Institiota.

Mampientanentana ahy tokoa ilay eritreritra fa nisy mpianatra 100000 fanampiny tany amin’ny kilasintsika nandritra ireo taona vitsy lasa—ary ny fitombohan’ny fifantohana sy fiombonana ary fahamoran’ny fahafahana manatrika izay mitarika any amin’ny fiovam-po ao amin’i Jesoa Kristy.

Andeha isika hitazona izany fahazotoantsika izany ho an’ireo taona ho fitahiana ireo zanaky ny Raintsika any An-danitra bebe kokoa hatrany.

Mijoro ho vavolombelona aho fa ny Tompo dia manafaingana ny asany. Tombontsoa lehibe erỳ ny mandray anjara amin’izany. Ary mijoro ho vavolombelona aho fa i Jesoa no Kristy, Ilay Mpamonjy an’izao tontolo izao; fa ny Ray any An-danitra dia manana drafitra tonga lafatra ho an’ny zanany; fa i Jesoa Kristy no ivon’izany drafitra tonga lafatra izany mba hamonjy sy hanasandratra ny zanaky ny Ray any An-danitra. Ity no fanjakany eto an-tany, ary tombontsoa lehibe ny mandray anjara amin’izany na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana. Tombontsoa manokana ny manome ny aintsika ho amin’ny fijoroana ho vavolombelona an’i Jesoa Kristy. Feno fankasitrahana aho noho ny fandraisako anjara amin’izany ary mijoro ho vavolombelona ny amin’i Jesoa Kristy sy ny Fiangonany marina ety an-tany, ny amin’ireo mpaminany sy ny Bokin’i Môrmôna ary ireo fitahiana rehetra izay nomena antsika noho ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny tety an-tany. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Russell M. Nelson, “Fanantenana ho an’i Isiraely” (fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny zatovo, 3 jona 2018), Médiathèque de l’Évangile.

  2. Neil L. Andersen, fivorian’ireo mpitarika zokiny, 8 mar. 2024.

  3. Russell M. Nelson, “Fanasana manokana hanatrika semineraChurchofJesusChrist.org.