Fampitana fanao isan-taona
Ao amin’ny hazavan’ny fitiavany


2:3

Ao amin’ny hazavan’ny fitiavany

Fampitana ny fivoriam-piofanana ataon’ny Departemantan’ny fampianarana an’ny Fiangonana • 12 jona 2019 • Efitrano fivoriana malalaka ao amin’ny rihana farany ambany ao amin’ny tranobe misy ny biraon’ny Fiangonana

Ry anadahy sy rahavavy malala, fifaliana lehibe ny miaraka aminareo eto anio.

Tena tombontsoa lehibe ho antsika ny nandrenesana ireo tenin’ny Rahalahy Chad Webb. Mahagaga ny halehiben’ny fitiavan’ny Tompo antsika. Ity lohahevitra mikasika ny fitiavana ity dia sady nanan-danja tamin’ny Rahalahy Webb no nanan-danja tamiko koa. Toa mahaliana ny fomba entinay miara-miresaka momba izany. Manantena aho fa ho afaka ny haka iray minitra ianareo mba hiraketana ireo hevitra sasantsasany voarainareo mikasika izany lohahevitra momba ny fitiavana izany androany.

Te haneho fankasitrahana lehibe ny Loholona Kim B. Clark sy Rahalahy Chad Webb aho noho ny fanarahana ireo bitsiky ny Fanahy ao anatin’ireo fiangaviana tsy tapaka sy ombam-bavaka ataon’izy ireo mba hampatanjahana ireo zatovontsika. Rehefa nandray ilay fanamafisana avy amin’ny mpaminany momba ilay fianarana ny filazantsara miainga avy ao an-tokantrano isika dia nanontany ireo rahalahy mahatoky ireo hoe: “Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny zatovo ho fitaovana lehibe kokoa amin’ny fampatanjahana ny tokantrano?” Fantatrareo rehetra ny zava-mitranga manaraka. Nampiasa ireo fotoam-pianaran’ny sekoly miisa iraika ambin’ny folo samy hafa manerana izao tontolo izao izy ireo mba hampifanarahana ireo taranja ao amin’ny seminera amin’ny bokin-tsoratra masina ampiasaina isan-taona ao amin’ny fandaharam-pampianaran’ny Avia, Hanaraka Ahy . Tena fahagagana tokoa io fanovana azo avy amin’ny fanentanam-panahy io!

Mientanentana ery aho rehefa maka sary an-tsaina ny zatovo sy ny tanora mitondra ireo fahamarinan’ny filazantsara avy any amin’ny kilasin’izy ireo mankany an-tokantranony. Hahazo fahatokian-tena izy ireo eo amin’ny fahatakaran’izy ireo sy eo amin’ny fahafahan’izy ireo mizara ny filazantsara. Ny fandrenesan’izy ireo ny feon’izy ireo izay manambara ny fahamarinan’ny Mpamonjy dia hitohy ho traikefa manorina fijoroana ho vavolombelona mahery vaika.

Tena feno fankasitrahana aho noho ny famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara sy noho izao vanim-potoana isehoan’ny fivoarana tena lehibe izao.

Te haneho ny fankasitrahako koa ireo vady sy ireo olona hafa izay manohana ireo mpampianatra mahatalanjona ireo aho; ianareo izay mihaino ireo hevitra hoenti-mampianatra, ianareo izay zaraina ny tantaranareo manokana (enga anie ka nahazoana lalana izany), ary ianareo izay voakaroka ny lakozia sy ny garazy mba hitadiavana fitaovana hoenti-mampianatra lesona. Manantena aho fa tsy manamaivan-danja velively ny hery mitarika anananareo ianareo.

Voalaza hoe: “Ny fanambadiana angamba no tena… toerana tsy azo itsoahana amin’ireo toeram-pampianarana rehetra. … Rehefa manambady ny olona dia manaiky amin’ny lafiny iray fa hianatra avy amin’ny tsirairay izy ireo.”1 I Derek vadiko no mpanohana sy mpanentana itokisako, na dia tsy miara mijoro eo anilako matetika aza izy rehefa mampianatra aho. Rehefa miara mikaon-doha sy mianatra ianareo, ny tanora vao herotrerony, ny zatovo, ary ny fianakavian’izy ireo dia ho voatahy noho ny aminareo. Ampahany manan-danja amin’ity asa lehibe ity ianareo.

Ny hafatro anio dia miantomboka amin’ny andalana iray avy ao amin’ny hiran’ny Kilonga iray izay be mpahafantatra. Izaho dia hatomboko izany ary ianareo no hamarana azy. “Toroy handeha”

amin’ny mazava aho.

“Toroy handeha amin’ny mazava aho.”2 Ireo fitsipika roa ireo, hazavana sy fitiavana, no niara-dia tamiko tao an-tsaina rehefa nisaintsaina ny fotoana hiarahantsika eto anio aho. Ny fikambanan’ireo teny ireo ihany koa dia hita ao amin’ny andalana voalohan’ny lahateny iray nataon’ny Filoha Henry B. Eyring. Hoy izy hoe: “Ny zavatra antenaiko anio dia ny mba hahatsapantsika rehetra fitiavana sy hahazoantsika hazavana avy amin’ Andriamanitra.”3 Tena faniriana tsotra kanefa mahery vaika entina hanombohana ny kilasy tsirairay izany. Ny fanantenako dia ny hahatsapan’ny mpianatra tsirairay ny fitiavana sy ny hazavana avy amin’ Andriamanitra. Misy fampanantenana mandrakizay lehibe ho azy ireo sy ny fianakaviany rehefa mianatra ny hahatsapa ny hazavany sy fitiavany izy ireo.

Nanontany an’i Dallin zanako lahy aho hoe: “Inona no zavatra tsy hohadinoinao tao amin’ny seminera?” Niandrandra valinteny toy ny hoe Fifehezana Fotopampianarana aho na koa famitana ny Bokin’i Môrmôna. Taitra aho raha nandre ilay valinteniny tamim-pisainana tokoa.

“Ireo mpampianatra.”

“Ireo mpampianatra?” Hoy aho nanontany.

Nohazavainy hoe: “Nisy mpampianatra izay azonay lazainy mihitsy fa tena tia anay.”

Io zavatra niainany io dia nanamafy tamiko ny fiantraikany maharitra izay mety entin’ny fitiavana eo amin’ny fon’ny tsirairay.

Mahazo fifaliana amin’ny fampianarana ireo zatovo sy tanora mahafinaritra ato amin’ny Fiangonana ireo ianareo sy amin’ny fijoroana ho vavolombelona ny amin’ny fitiavan’ Andriamanitra azy ireo. Tiako izy ireo ary fantatro fa tia azy ireo koa ianareo. Izy ireo tokoa no araka ilay nolazain’ny Filoha Russell M. Nelson fa “fanahy mahery indrindra[n’ny Raintsika any An-danitra] … ekipany tsara indrindra—[voatokana] ho amin’ity dingana farany ity.”4

Taona maro lasa izay dia anisan’ny mpampianatra toa anareo nandritra ny fotoana fohy aho. Misy fitiavana mamy ho anareo ato am-poko, ary fantatro kely ny momba ireo andraikitrareo. Tamin’ny 2008 dia nantsoina ho mpampianatra seminera ho an’ny kilasy vao maraina iray tao Utah aho. Rehefa niantso ahy ny filohan’ny tsatòka dia nieritreritra aho hoe: “Angaha tsy manana olona mampianatra amin’ny fotoana feno ry zareo ao Utah e?” Soa ihany fa tsy nambarako ny tao an’eritreritro, ary iny aho fa nahazo andiana fanalahidy sy andraikitra hanokatra ny trano fianarana seminera isaky ny maraina amin’ny 6 ora latsaka fahefany. Mamela ahy hilaza fotsiny hoe, mangatsiaka amin’ny 6 ora latsaka fahefany amin’ny andro ririnina ao Utah.

Nandritra ny fotoana nampianarako seminera dia nohamafisina tamiko fa tena tian’ny Tompo ny mpianany tsirairay. Tsapako hoe tena sambatra ny zatovo sasany manana ray aman-dreny mahatoky sy be fitiavana. Nanjary fantatro tsara ihany koa ireo zatovo izay tsy nahazo ny fitiavana sy firaharahiana nilainy sy nantenainy fatratra. Hitantsika amin’ireo tanora tokan-tenantsika ihany koa izany fiandrandrana fitiavana izany.

Tena fantatro fa ny iray amin’ireo toetra manan-danja indrindra ilain’ny mpampianatra iray ananana dia ny fahafahana mitia. Izany dia ilay fitiavana nolazain’i Jaona: “Ry malala, aoka hifankatia isika; fa avy amin’ Andriamanitra ny fitiavana, ary Izay rehetra tia no naterak’ Andriamanitra sady mahalala an’ Andriamanitra. Izay tsy tia dia tsy mba mahalala an’ Andriamanitra; fa Andriamanitra dia fitiavana.”5

Amin’ny maha-mpampianatra ahy, ny tanjoko dia ny hampitombo ny fitiavako an’ Andriamanitra sy hampita ny fitiavan’ Andriamanitra amin’ireo zatovo sy tanora izay nasaina nampianariko.

Misy hery goavana ao amin’ny fitiavan’ Andriamanitra. Te hiresaka mikasika io fitiavana io ao anatin’ny lafin-javatra telo miavaka tsara aho: fitiavana eo amin’ny fiainantsika, fitiavana ao an-tokantranontsika, ary fitiavana ao amin’ny kilasintsika.

Voalohany, ny herin’ny fitiavana eo amin’ny fiainantsika manokana. Zava-dehibe ny hinoantsika sy hatokisantsika fa tia antsika Andriamanitra. Tsy hahatsapa ny fitiavan’ny Tompo amin’ny alalantsika ireo mpianatsika raha toa ka tsy mahatsapa ny fitiavan’ny Tompo ao anatintsika aloha isika. Mahatalanjona ahy ity soratra masina ity: “Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao, nomeny ny Zanany Lahitokana.”6 Moa ve isika misaintsaina sy mahatsapa ny halehiben’io fitiavana io? Indraindray aho manontany tena raha toa ka ampy ny fikatsahantsika izany fitiavana izany. Moa ve fantatsika hoe iza moa isika ary hoe an’iza moa isika?7 Manasa anareo aho mba hangataka fanampiana Aminy ao anatin’ny vavaka feno fanentrentena sy amin-kitsim-po mba hahatsapana ny fitiavany masina ho anareo.

I Kristy ao amin’ny Sahan’i Getsemane

Zon’ny mpamorona Simon Dewey 2019 Nahazoana alalana tamin’ny Altus Fine Art

Satria izao tontolo izao manambany sy mampiriorio saina ary mitaky zavatra be, dia mety ho mora ny milefitra sy tsy mampiasa tsy nahy ny saina. Zava-dehibe ny hitondrantsika amim-pahavitrihana ny ziogany eo amintsika8 sy hikatsahantsika ny hahatsapa ny fitiavany. Rehefa manao io ezaka io isika dia handrotsaka be dia be ny fitiavany Izy.

Faharoa, tsy maintsy mitoetra ao an-tokantranontsika ny fitiavan’ Andriamanitra. Mamela ahy hampiseho ity fitsipika ity amin’ny alalan’ny tantara iray. Indray hariva dia nifanditra noho ny olana iray izaho sy i Dereck vadiko. Nandeha natory tsy nanana fanapahan-kevitra noraisina izahay; kanefa fantatro fa nanana ny rariny aho.

Ny ampitso marainan’io dia nandohalika aho ka nivavaka, nangataka ny mba hanana tanteraka ny Fanahy rehefa niomana hampianatra ny kilasin’ny seminerako. Nitalaho aho mba hahatsapan’ny zatovo ny fitiavan’ny Tompo amin’ny alalako. Raha niomana ho amin’ny tontolo andro aho dia niverimberina imbetsaka tao an-tsaiko ilay tsy fifanarahan-tsaina ny omaly alin’iny. Rehefa niditra tao anaty fiara aho, niaraka tamin’ny avonavona tao am-poko fa nanana ny rariny aho, dia nanamarin-tena fa mbola afaka mampianatra sy mitia miaraka amin’ny Fanahy aho. Nanohy nangataka fitarihana avy amin’ Andriamanitra aho raha namily fiara nankany amin’ny trano fianarana seminera. Teny an-dalana, niaraka tamin’ny fanamarinan-tena goavana sy azoko antoka, dia niezaka tsy niraharaha foana ny feon’ny Fanahy aho. Kanefa na dia mafy orina aza ny fanamarinan-tenako dia nibitsika ny Fanahy hoe: “Mandehana miverina. Mitenena hoe azafady. Tsy manan-danja ny hoe iza no manana ny rariny; mibebaha ary alamino izany.”

“Eny ary e!” Farany nilefitra tsy fidiny aho ary nanodina ny fiara. Raha niditra ny efitrano fandriana aho dia hitako fa tamin’ny 5 ora sy 20 minitra ny teo amin’ny famantaranandro ary mbola natory i Derek malalako. Nanomboka nihanalefaka ny foko rehefa nitsaitsaika niditra aho. “Derek a! Miala tsiny aho noho ilay tamin’ny alina.” Ity aloha dia toetra mampiavaka an’i Derek. Namaly malefaka izy hoe:“Efa namela sy nanadino aho.” Heniky ny fitiavana ny foko, ary nahatsapa ny famindrampo lehiben’ny Tompo aho.

Tsapa be dia be ny fitiavana sy ny Fanahy tao an-dakilasy tamin’io andro io. Misy fiantraikany lavitra mihoatra ny rindrintsika ny fitiavana ao an-tokantranontsika.

Fahatelo, ireo mpampianatra seminera sy institiota dia manana fahafahana manokana hizara ny fitiavan’ Andriamanitra. Ny kilasy ampianarinao dia manome fahafahana anao mba hitia ny olona tsirairay. Tsy nampianatra kilasy misy olona 34 aho fa nampianatra olona tsirairayizay miisa 34. Izany araka ny hevitro no ilay fitiavana tsapan’i Dallin zanako, fa tsy ilay fitiavana ho an’ny kilasy iray manontolo fotsiny, fa ilay fahatsapana ho fantatra sy tiana manokana. Satria toy izany no fomba itiavan’ny Ray any An-danitra. Mba tena hitiavana ny mpianatsika dia mila mijery azy ireo araka ny hahitan’ny Mpamonjy azy ireo isika. Inona no tiany momba ny tsirairay amin’izy ireo? Inona ireo fanomezana nomeny azy ireo? Inona ny hery anaty izay hitany fa ananan’izy ireo? Rehefa tena tia marina azy ireo isika dia hitondra azy ireo eo amin’ny Mpamonjy.

kilasin’ny seminera

Rehefa tsaroantsika fa i Kristy no loharanon’ny fitiavana rehetra dia manatona Azy isika mba hahatsapa fitiavana mitombo eo amin’ny fiainantsika manokana, ao an-tokantranontsika, ary ao amin’ny kilasintsika. Tsy afaka mamorona fitiavana isika. Avy Aminy ihany no hahatongavan’izany eo amintsika sy amin’ny alalantsika. Ampianarina isika ao amin’ny Môrônia hoe: “Mivavaha amin’ny Ray amin’ny herin’ny fo manontolo mba hahazoana mameno anareo amin’izany fitiavana izany, izay efa natolony ireo rehetra izay mpanaradia marina an’i Jesoa Kristy Zanany.”9 Mivavaka aho mba haneken’ny tsirairay amintsika ny fanasan’i Môrônia.

Ny fanasana nataon’ny Filoha Eyring dia ny hahatsapantsika ny “fitiavana sy hahazoantsika hazavana avy amin’ Andriamanitra.”10 Mora ny mandinika miaraka ny fitiavana sy ny hazavana rehefa tsaroantsika fa tsy loharanon’ny fitiavana rehetra fotsiny Izy, fa fahazavana koa Izy. I Jesoa Kristy mihitsy no nijoro ho vavolombelona hoe: “Izaho no fahazavana sy fiainan’izao tontolo izao.”11 Rehefa manatona Azy isika dia maneho fahazavana, fahamarinana, ary fitiavana bebe kokoa ho antsika Izy.

Andeha isika hanao jery todika fohy an’ireo lafin-javatra telon’ny fitiavana izay noresahantsika ary handinika ny fiantraikan’ny fitiavana sy ny hazavana:

  • Rehefa nahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra ianao teo amin’ny fiainanao manokana, dia inona no hazavana tonga? Inona ny fahitana sy hevi-baovao azonao manokana?

  • Inona no fivoarana tonga teo amin’ny fanambadianao sy ny fianakavianao rehefa nahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra sy niaina fitomboan’ny hazavana ianao?

  • Ao amin’ny kilasinao, rehefa mahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra amin’ny alalanao ny mpianatrao, dia inona no hazavana ho tonga eo amin’ny fiainan’izy ireo? Amin’ny fomba ahoana no hivoaran’izy ireo sy hiovan’izy ireo?

  • Haizina inona no ho voaroaka rehefa lasa mahafantatra manokana ny hazavana sy mikatsaka izany manokana izy ireo?

    Fahazavan’i Kristy

    Zon’ny mpamorona Simon Dewey 2019 Nahazoana alalana tamin’ny Altus Fine Art

Tsy mahagaga raha toa ka nanasa antsika ny mpaminanintsika, Filoha Russell M. Nelson mba “hampitombo ny fahafahan[tsika] ara-panahy mba handray fanambarana.”12 Rehefa mahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra isika dia heniky ny hazavana sy ny fanantenana. Rehefa mikatsaka ny hazavana sy ny fitaomam-panahy isika dia mahatsapa ny fitiavany lehibe. Fikambanan-javatra roa mahery vaika izany.

Ny fampianarana seminera vao maraina dia niarahako niaina tamin’ny lehilahy mahatoky iray antsoina hoe John Lund. Io olona manana hery lehibe ara-panahy (sy ara-batana) io dia nampianatra ahy ny zavatra sasany momba ny fiaraha-miasan’ny fitiavana sy hazavana. Mamelà ahy hizara tantara roa na ohatra roa aminareo androany.

Ny rahavavy Cordon sy i John Lund

Somary nanahirana ny iray tamin’ireo mpianatray vao maraina. Ny mangarika no tena fihetsiko asetriko izany indraindray. I John anefa dia nisafidy ny hitia sy hikatsaka hazavana. Rehefa nivory izahay mba hifanakalo hevitra momba io mpianatra iray manokana io dia natombok’i John izany tamin’ny fitenenana hoe: “Nivavaka momba azy aho alina.” Io fehezan-teny fanokafana, saika misy ifandraisany amin’ilay anton-javatra io, dia nahatonga ahy hiato. Nentin’i John tao an-tokantranony, izay nahita fitiavana sesehena, ny anaran’ity zatovolahy ity, dia nangataka tamin’ny Ray any An-danitra ny fomba hahafantarany sy hahatakarany bebe kokoa ity mpianatra ity izy. Ny mitia ny mpianatsika, indrindra ny mitia azy tahaka ny ataon’ny Tompo, dia mitaky fikatsahana fanambarana sy fandraisana andraikitra eo anatrehan’izany.

Hozaraiko ny tantara faharoa araka ny fitantaran’i John azy:

“Tena fantatry ny Tompo ny mpianatsika. Tsaroako ny zatovolahy iray izay nanana olana. Tsy noraharahiako ny hanihaniny nandritra ny volana maro, nefa raha ny marina dia tena nanahirana izy.

“Nanomana lesona iray aho, ary tena faly aho tamin’ny fahafahana nanambatra ny zava-drehetra. Nahita lesona atao amin’ny alalan’ny fampiasan-javatra azo tsapain-tanana aza aho izay tena ho tsara tokoa. Raha iny izaho tonga tao amin’ny trano fampianarana seminera iny dia nibitsika tamiko ny Fanahy hoe: -Ry John! Mila mampianatra momba ny vavaka ianao.- Vavaka? Tena te hampianatra ilay lesona mahafinaritra nomani ko aho. Tsy nanana lesona voaomana momba ny vavaka aho.

“Nijoro teo anoloan’ny mpianatra aho dia niteny hoe: -Tsy fantatro hoe iza no mila ity lesona ity, fa hanova ny lesona tokony hatao aho. Misy olona iray ato amin’ity efitrano ity izay mila ny hiresahantsika rehetra momba ny vavaka.- Nanomboka tamin’ny fanontaniana iray io lesona tsotra io: -Nahoana isika no ilaintsika ny vavaka?-”

Ny alin’io dia nisy nandondona tao am-baravaran’i John. Nijoro teo an-tokonam-baravarany ny olona iray izay nizara ny ambin’ny tantara. Raha ny marina, ny alina talohan’io dia naharay fanasana avy tamin’ny olontiany ity mpianatr’ i John izay nisedra olana—nangataka azy ilay vehivavy mba hivavaka mba hahafantatra raha toa ka marina ny Fiangonana. Dia natambatra niaraka tamin’ny fanasana nataon’i John na ilay lesona izay tsy nampoizina mikasika izany vavaka izany, ka nitarika io zatovolahy io hanao asa. Nahita fiovana teo amin’io mpianany io i John rehefa nandeha ny fotoana rehefa nahazo fijoroana ho vavolombelona mafy orina momba ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny izy ary nofehezina tamin’ilay sakaizany mahatoky sy mpankahery tany amin’ny tempoly tamin’ny farany.

Tena mahalana isika vao mahafantatra ny antony ahatongavan’ireo bitsika tahaka izany, kanefa raha toa ka manana fahatokiana ny fitiavan’ny Tompo ho an’ny mpianatsika isika, dia afaka manao asa eo anatrehan’ny fanambarana mahery vaika, ary manome ny hazavany amin’ireo zanaka malalany.

Rehefa mikatsaka fanambarana mba hitia tahaka ny ataon’ Andriamanitra isika, dia tarihina mba hanolo-tanana sy hampianatra ny mpianatra tsirairay isika. Tena an’ny tena manokana tokoa ny vokatra azo avy eo. Ny Tompo dia nampiseho io fomba fiasany manokana io tamin’i Nefia, rehefa nikatsaka ny hahazo ireo takelaka izy. Nijoro ho vavolombelona i Nefia hoe: “Ary notarihin’ny Fanahy aho, tsy nahafantatra mialoha ny zavatra izay tokony hataoko. Na dia teo aza izany, dia nandroso aho.”13

Miomana hamono an’i Labana i Nefia

Nijoro teo anelanelan’i Nefia sy ireo takelaka i Labana. Nomen’ny Tompo toromarika i Nefia mba hamono an’i Labana. Nankatò tamin’alahelo lehibe izy. Tamin’io alina io ihany koa dia nijoro teo anelanelan’i Nefia sy ireo takelaka i Zôrama. Koa nahoana i Nefia no tsy nampihatra izany fanambarana azony mikasika an’i Labana izany tamin’i Zôrama? Nahoana i Nefia no tsy namoaka indray ny sabatra?

Fantatry ny Tompo i Zôrama, ary nahafantatra ny Tompo i Nefia sady natoky ny fitarihan’ny Fanahy. Fantatry ny Tompo fa ho “tena naman’i … Nefia” i Zôrama.14 Tsy maha-velom-pankasitrahana antsika ve fa, tamin’ny voalohany, dia nikatsaka fanambarana ho an’ny tena manokana i Nefia ka “notarihin’ny Fanahy.”15

Zorama

Amin’ny maha-mpampianatra, dia mety ho sarotra ny miantsoroka ilay andraikitra mba hahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra ho an’ny mpianatra tsirairay sy ny mba hahazo fanambarana ny amin’ny fomba hanampiana ny olona tsirairay. Mankahery ny mieritreritra ireo antsontsika sy andraikitsika ho toy ny fiarahana miasa amin’i Kristy.

Nanasa antsika ny Loholona Holland mba “hiara-hiasa mifanila amin’ny Tompon’ny tanim-boaloboka, [h]anome an’ Andriamanitra sady Raintsika rehetra fanampiana amin’ny andraikiny mavesatra amin’ny famaliana vavaka, fitondrana fankaherezana, famafana ranomaso, ary fampatanjahana ireo lohalika mitolefika. Rehefa manao izany isika, dia ho lasa tena mpanara-dia marina [sy mpampianatra] an’i Kristy izay tokony hahatongavantsika.”16

Mila mahatsapa, mahafantatra, ary lasa matoky ny fitiavana sy ny hazavan’ny Tompo ny zatovo sy tanorantsika. Rehefa avelanareo hiseho izany dia ho tonga amin’ny alalanareo ny fitiavan’ny Mpamonjy. Ary rehefa mahatsapa ny fitiavany ny mpianatrareo, dia ho lasa mahafantatra ny fanambarana ho an’ny tena manokana sy hahazo izany izy ireo. Ho hitan’izy ireo ny dikan’ny hoe “mandeha amin’ny [hazavan’ny fitiavany].”17 Mijoro ho vavolombelona aho fa io fitiavana sy hazavana io dia hanampy azy ireo ho tonga tahaka ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy malalantsika ary handeha eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana miverina any amin’Izy ireo. Izany no ijoroako ho vavolombelona amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.