Fampitana fanao isan-taona
Ny herin’ny fanambarana ho an’ny tena manokana


Ny herin’ny fanambarana ho an’ny tena manokana

Fampitana ny fivoriam-piofanana ataon’ny Departemantan’ny fampianarana an’ny Fiangonana • 12 jona 2019 • Efitrano fivoriana malalaka ao amin’ny rihana ambany ao amin’ny tranobe misy ny biraon’ny Fiangonana

Mialoha ny hanombohako ny lahateniko anio dia te haneho ny fankasitrahako sy ny fitiavako aminareo aho. Mahafaly ny miara-misalahy aminareo ao anatin’ny asa lehibe izay hanampiana ny taranaka vao misondrotra hianatra lalina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Tiako ianareo ary mivavaka aho mba hirotsaka eo aminareo sy ny fianakavianareo ireo fitahian’ny Tompo.

Anio aho dia te hiresaka mikasika ireo lamina telo ahafahana mandray fanambarana ho an’ny tena manokana izay hita ao amin’ny Bokin’i Môrmôna:

Ny voalohany dia ireo rakitsoratra masina izay mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy ny drafitry ny Ray. Ny faharoa dia ny tenivavolombelon’ny Fanahy Masina izay manamafy orina ny finoana an’i Jesoa Kristy sy mampiorim-paka ny fiovam-po ao Aminy. Ny fahatelo dia ireo mpaminany velona izay mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy manohitra ny ratsy.

Ireo lamina telo ireo dia aseho amin’ny fomba mazava tsara sy mahery vaika ao amin’ny Bokin’i Môrmona noho izy ireo manan-danja, eny tena lehibe mihitsy aza, mba hampitomboana ny finoana an’i Jesoa Kristy sy hampiorenam-paka kokoa ny fiovam-pontsika Aminy amin’izao androntsika izao.1

Isika dia miaina ao anatin’ny fotoana iray izay anaovan’ireo lehilahy sy vehivavy ratsy fanahy sy voafitaka izay rehetra tratrany handresen-dahatra ny taranaka vao misondrotra fa ny tsara dia ratsy ary ny ratsy dia tsara. Mampiasa paikady mitovitovy amin’ny an-dry Serema, sy Nehôra ary i Kôrihôra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izy ireo. Izany hoe fandresen-dahatra miharo fitaka, sy hevitra manangoly ary sary sy teny famantarana tsara voatra hamolavolana fotopampianarana diso momba ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra, ny fitiavana, ny fandeferana, ny fanambadiana, ny maha-izy azy antsika mandrakizay, sy ny fianakaviana ary ny maro hafa. Maro amin’ireny firehankevitra sy fotopampianaran’olombelona ireny no “manana ny fomban’ny toetra araka an’ Andriamanitra nefa mandà ny heriny [izy rehetra].”2

Tototr’ireny hafatra ireny tsy tapaka ireo mpianatsika ary mila fanambarana ho an’ny tena manokana izy ireo hampatanjaka ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy sy hampiorim-paka ny fiovam-pon’izy ireo Aminy. Manantena aho sady mivavaka fa ianareo dia hanao izay rehetra tratry ny herinareo hanampiana ireo mpianatsika mba hianatra lalina ireo lamina ho an’ny fandraisana fanambarana ho an’ny tena manokana ireo.

Ireo rakitsoratra masina izay mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy

Atomboko amin’ireo rakitsoratra masina izay mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy izany. Izy io dia lohahevitra hita manerana ny Bokin’i Môrmôna. Niantomboka tamin’ireo takela-barahina izany.3

Ny zavatra niainan’i Nefia niaraka tamin’i Labàna dia tranga nanan-danja iray teo amin’ny fiainany. Fantatr’i Nefia fa tena manan-danja taminy sy tamin’ny fianakaviany ireo rakitsoratra ireo: “Fahendren’ Andriamanitra ny hahazoantsika ireo rakitsoratra ireo mba hahazoantsika mitahiry ny fitenin’ny razantsika; … [ary] ny teny naloaky ny vavan’ny mpaminany masina rehetra.”4

Ireo takela-barahina dia nanana fiantraikany lalina teo amin’ny fivoaran’ny vahoaka Nefita ara-panahy, sy ara-pivavahana ary ara-piarahamonina. Lasa loharanon’ny fanambarana ho an’ny tena manokana sy faminaniana lehibe ny amin’ny fiavian’ny Zanakalahin’ Andriamanitra sy ny Iray Masin’ny Isiraely izany. Nijoro ho vavolombelona mahery vaika ny amin’ny drafitry ny famonjena mahatalanjon’ny Ray koa izany. Ireo mpaminany voatanisa tao amin’ireo takela-barahina dia nijoro ho vavolombelona fa ny Mesia dia hohomboana ho an’ny fahotan’izao tontolo izao sy hijaly ka ho faty ary hitsangana indray handresy ny fahotana sy ny fahafatesana.5

Ahitana ireo fanekempihavanan’ny Ray tamin’i Abrahama sy ireo mpianakavin’i Isiraely rehetra ihany koa ireo takela-barahina. Hitan’i Lehia fa izy dia taranak’i Josefa ary ny taranany dia ho zanaky ny fanekempihavanana, mpandova ireo fampanantenana rehetra nataon’ Andriamanitra tamin’i Abrahama; tafiditra ao anatin’izany ny fanangonana an’i Isiraely amin’ny andro farany.

Nampiasain’i Lehia ireo takela-barahina hampianarana ny zanany momba ny Mpamonjy sy ireo fanekempihavanan’ny Ray nataony tamin’ny mpianakavin’i Isiraely. Notohizan’i Nefia sy i Jakôba rahalahiny io fomba fanao io ary taty aoriana dia nampian’izy ireo ny rakitsorany rehefa nodidin’ny Tompo hanao izany izy ireo.6 Resy lahatra tokoa ny amin’ny maha-zava-dehibe ny firaketana tsy tapaka, indrindra ireo zava-masina i Nefia.7

Hatrany am-piandohan’ireo andro voalohany tao amin’ny tany nampanantenaina no nanombohan’ny Nefita nampivelatra kolontsaina iray, izay nametraka ny fanaovana rakitsoratra masina sy famakiana izany ary fianarana ny ao anatin’izany, ho toy ny andraikitra tena manan-danja sy masina. Noho ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fanolorantena ny hankamamy sy hitandrina ny teniny no nahatonga ny Nefita ho andian’olona mpihazona sy mpamaky ary mpampianatra rakitsoratra masina.8 Ireo rakitsoratra ôfisialy dia noraketina teo amina takelaka, kanefa rehefa nandeha ny fotoana dia nanana fomba famoahana an-tsoratra ny Nefita mba hahafahana manao tahadika sy manoratra ireo rakitsoratra masina amina akora maivana kokoa sy hampielezana izany.9

Ny fampielezana ireo rakitsoratra masina no nahafahan’ireo ray aman-dreny nampianatra ireo zanany ny didin’ny Tompo sy nahafahan’ny zanak’izy ireo nampianatra ny zanany ary nitohy tao anatin’ny taonjato maro izany.10 Ireo misiônera tahaka ireo zanakalahin’i Môzià dia afaka nitondra ireo rakitsoratra niaraka tamin’izy ireo ka nampiasa ireny hampianarana ny Lamanita izay niteraka voka-tsoa mahatalanjona.11 Rehefa nampianatra an’i Helamàna i Almà fa ireo rakitsoratra dia niteraka zavatra niainana nifono fanambarana izay “nanitatra ny fitadidian’[ny an’arivony maro tamin’ny Lamanita] ho amin’ny fahalalana ny Tompo an’Andriamaniny sy hifaly ao amin’i Jesoa Kristy Mpanavotra azy.”12

Io hafaliana io dia nipaka ambony tokoa rehefa niseho tamin’ny vahoaka teo amin’ny tempoly tao Soafeno ny Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty.13 Manana io tenivavolombelona mahatalanjona sy maharesy lahatra ny amin’ny sorona manavotra sy ny fitsanganana tamin’ny maty be voninahitr’ilay Kristy velona io isika ankehitriny ao amin’ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny alalan’ny famindrampo, sy fanomezam-pahasoavana ary ny herin’ Andriamanitra.14 Tahaka an’ireo Nefita, ary noho izy ireo, dia manana ireo rakitsoratra masina izay mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy ny drafitry ny famonjen’ny Ray isika. Araka ny naminanian’i Almà tamin’i Helamàna zanakalahiny fahiny, ny Tompo dia “[nitsimbina] ireto zavatra ireto noho ny fikasana hendry ao Aminy mba hahazoany maneho ny heriny amin’ny taranaka ho avy.”15

Izao ankehitriny izao ilay ho avy noresahin’i Almà. Abaribarin’ny Tompo ankehitriny amin’ny taranaka vao misondrotra amin’ny fomba mahatalanjona ny heriny. Rehefa mampianatra ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna isika dia afaka mahatsapa izany hery izany ireo mpianatsika. Rehefa mikatsaka fanambarana ho an’ny tena manokana amin’ny alalan’ny fivokisana ny Bokin’i Môrmôna ireo mpianatsika dia ho tsy misy hafa amin’ny lanjan’ny takela-barahina tamin’ny Nefita ny lanjan’izany ho azy ireo, izay tenivavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy ny heriny manavotra ary loharanon’ny fanambarana ho an’ny tena manokana sy loharanom-pifaliana.

Ny tenivavolombelon’ny Fanahy Masina izay manamafy orina ny finoana an’i Jesoa Kristy sy mampiorim-paka ny fiovam-po ao Aminy

Hiresaka mikasika ny Fanahy Masina isika izao. Ny dian’i Lehia nankany amin’ny tany nampanantenana dia dian’ny hery ara-panahy. Izany no fotoana nampianaran’ny Tompo sy nitarihany ary nampiononany an’i Lehia, sy i Sarià, ary ireo zanany rehetra tamin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina tamin’ny alalan’ny fitaomam-panahy, sy nofy ary fahitana, tamin’ny alalan’ny feony mihitsy ary tamin’ny alalan’ny fisehoana mpitondra hafatra avy any an-danitra. Nambaran’i Nefia fa ireo fahazoana hery ara-panahy ireo dia tonga “tamin’ny herin’ny Fanahy Masina izay fanomezan’ Andriamanitra ho an’ireo rehetra izay mitady Azy amim-pahazotoana tokoa.”16

Nitady tokoa ny Tompo sy nandray fanambarana lehibe tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina i Nefia. Ny fikatsahany hahafantatra ho an’ny tenany no nampiorina lamina iray izay hitantsika manerana ny Bokin’i Môrmôna. “Nanam-paniriana lehibe ny hahafantatra ny mistery momba an’ Andriamanitra” i Nefia.17 Izany faniriana izany dia niasa tao aminy ka “nitalaho tamin’ny Tompo”18 tamim-bavaka omban’ny tena fikasana marina izy. Izao no nolazain’ny Tompo momba ny fangatahan’i Nefia: “Hotahiana ianao ry Nefia noho ny finoanao fa efa nikatsaka Ahy tamim-pahazotoana tokoa ianao, niaraka tamin’ny fietren’ny fonao.”19

Toy izao ilay lamina: faniriana ny hahafantatra, vavaka amin-kafanam-po, fikatsahana amim-pahavitrihana omban’ny fanentrentena sy finoana an’i Jesoa Kristy, ary ny fanomezan’ny Fanahy Masina.20 Hitantsika io lamina io teo amin’ny fiainan’i Enôsa, i Almà, ireo zanakalahin’i Môzià, ny Mpanjaka Lamônia sy ny rainy, ny vahoakan’i Amôna, i Helamàna sy ireo zatovolahy miaramilany ary ny maro hafa.21 Eny tokoa, tamin’ireo fotoam-pahamarinana teo anivon’ny Nefita sy ny Lamanita dia nisy fanambarana ho an’ny tena manokana avy amin’ny Fanahy Masina teo amin’ny roa tonta.22

Rehefa nampihatra sy nandray an-tsoratra ny fanambarana nomen’ny Fanahy Masina azy ireo ny Nefita sy ny Lamanita dia notahin’ny Tompo bebe kokoa aza izy ireo. Koa satria izy ireo nitahiry tsara23 ny zavatra izay nomen’ny Tompo azy ireo dia nampitomboan’ny Tompo ny finoan’izy ireo Azy, nihalalina ny fiovam-pon’izy ireo ary nomeny fanahin’ny fanambarana izy ireo. Nitombo ny fahaizan’izy ireo mandray fanambarana amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina.

Ohatra tsara amin’io lamina io ny zavatra niainan’i Almà. Tsaroanareo fa nahita anjely sy fahitana miavaka izy kanefa mbola nanohy nikatsaka tenivavolombelona tamin’ny Fanahy avy amin’ny Tompo: “Indro, manambara aminareo aho satria fantatro fa ireny zavatra izay efa voalazako ireny dia marina. Ary ahoana no iheveranareo fa fantatro ny maha-azo antoka ireny zavatra ireny?

“Indro lazaiko aminareo fa ampahafantarina ahy amin’ny alalan’ny Fanahy Masin’ Andriamanitra ireny. Indro, efa nifady hanina sy nivavaka andro maro aho mba hahazoan’ny tenako mahafantatra ireny zavatra ireny. Ary ankehitriny, mahalala ny tenako fa marina ireny; fa ny Tompo Andriamanitra dia efa naneho ireny tamiko tamin’ny alalan’ny Fanahy Masiny; ary izany no fanahin’ny fanambarana izay ao amiko.”24

Nisy fiantraikany lehibe teo amin’ny vahoaka Nefita sy teo amin’ny fiarahamonina nisy azy ny tenivavolombelon’ny Fanahy Masina.25 Tsy misy ohatra tsara kokoa mihoatra ny asa fitoriana ny filazantsara nataon’ireo zanakalahin’i Môzià tany amin’ny Lamanita tamin’ny taona 91 talohan’ny nahaterahan’ny Mpamonjy. “[Nanana] ny fanahin’ny faminaniana sy ny fanahin’ny fanambarana” ireo misiônera mahatalanjona ireo tamin’ny alalan’ny fandalinana tamim-pahazotoana ny soratra masina, sy ny fifadian-kanina ary ny vavaka.26

Nisy fiantraikany lalina teo amin’ny fizotry ny tantaran’ny Nefita sy ny Lamanita ny asa nataon’izy ireo teo anivon’ny Lamanita. Voalohany tao anatin’ny 500 taona no hoe “an’arivony [tamin’ny Lamanita] no voatarika ho amin’ny fahalalana ny Tompo, … ary nampianarina azy ireo ny rakitsoratra sy ny faminaniana.”27 Fampanantenana mifono faminaniana ny amin’izay afaka hitranga amin’izay mety ho zanak’ Andriamanitra ka manaraka ny lamina handraisana fanambarana ho an’ny tena manokana amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ny famariparitan’i Môrmôna io zavatra niainana io: “Izay rehetra voatarika ho amin’ny fahalalana ny marina, tamin’ny alalan’ny fitorian’i Amôna sy ny rahalahiny, araka ny fanahin’ny fanambarana sy ny faminaniana ary ny herin’ Andriamanitra, izay nanao fahagagana tao amin’izy ireo … niova fo ho an’ny Tompo, dia tsy nihemotra na oviana na oviana.”28

Ry rahalahy sy anabavy, io no tenivavolombelon’ny Fanahy Masina izay manamafy orina ny finoana an’i Jesoa Kristy sy mampiorim-paka ny fiovam-po ao Aminy.

Ireo mpaminany velona izay mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy manohitra ny ratsy

Ny lamina fahatelo handraisana fanambarana ho an’ny tena manokana dia ireo mpaminany velona izay notafiana hery sy fahefana hanambara mivantana hoe: “Ary izao no lazain’ny Tompo,” amin’ny olona rehetra. Toy izao no lamina lehiben’ny faminaniana hitantsika manerana ny Bokin’i Môrmôna: mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ireo mpaminany, mampianatra ny filazantsarany, miantso ny olona ho amin’ny fibebahana, ary mampitandrina ny amin’ny ratsy sy manohitra izany amin’ny andron’izy ireo.29 Amin’ny alalan’ny fanambarana, indrindra fa avy amin’ny anjely, no nanomezan’ireo mpaminany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna antsika fampahalalana vaovao amin’ny antsipiriany sy mahatalanjona momba an’i Jesoa Kristy, sy ny fotopampianarany ary ny Sorompanavotany.30

Sahy sy mahitsy ireo mpaminany rehefa niantso ny olona ho amin’ny fibebahana. Noho izany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna isika dia manana ireo fampianarana mahagaga momba ny fibebahana nataon’i Nefia, i Jakôba, i Benjamina Mpanjaka, i Almà, i Amioleka, ireo zanakalahin’i Môzià, ny Kapiteny Môrônia, sy i Môrmôna, ary i Môrônia.31 Nampianatra tamin’ny fomba mazava, mivantana, sy tamim-pitiavana ary tamim-panantenana ireo mpaminany lehibe ireo. Afaka ny ho tsapatsika hatrany amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina ny fampianaran’izy ireo:

  • “Efa naterak’ Andriamanitra araka ny fanahy ve ianareo?”32

  • “Raha efa nahatsiaro ny hikalo ny hiran’ny fitiavana manavotra ianareo, dia hanontany aho, tsapanareo ve izany ankehitriny?”33

  • “Indro, efa endahinareo amin’ny tenanareo ve ny avonavona?”34

  • Mibebaha, mibebaha, fa ny Tompo Andriamanitra no efa niteny izany! … mandefa fanasana ho an’ny olona rehetra Izy, fa ny sandrin’ny famindram-po dia mitolotra ho azy ary hoy Izy: Mibebaha dia handray anareo Aho.”35

Ireo mpaminanin’ny Bokin’i Môrmôna dia nanohitra ireo lehilahy ratsy fanahy nikatsaka ny hisarika ny olona hiala amin’i Jesoa Kristy ka handrava ny Fiangonany. Ireo lehilahy tahaka an’i Serema, i Nehôra, i Amlisia, i Kôrihôra, sy i Amalakia ary ireo maro hafa dia notarihan’ilay fahavalo hanakorontan-tsaina sy hamitaka ny olona tamin’ny alalan’ny fahaiza-manao lehibe.36 Nanana fahaiza-miteny lehibe sy nampiasa fomba feno fanangolena na hevitra enti-mandresy lahatra izy ireo mba hanaovana ny tsara ho ratsy ary ny ratsy ho tsara.

Nanao teny mandoka ny olona izy ireo izay nihantsy ny fitiavan-tenan’izy ireo, ny avonavony, sy ny fitsiriritan-kery ary ny fanirian’izy ireo hampanaram-po ny filan’izy ireo. Milaza ny soratra masina fa nanana “hery be tamin’ny lahateny, araka ny herin’ny devoly”37 izy ireo ary “nanandra-peo tamin’ny teny manodoka be.”38 Na dia diso aza ireny fampianarana sy teny mandresy lahatra ary fampanantenana ireny dia nanintona ny olona araka ny nofo tokoa ireny ary maro ny olona no tsy tsy niombon-kevitra tamin’ny Fiangonana ary niala ka very lalana mandra-pijoron’ireo mpaminany hanitsy sy hanohitra ny ratsy.39

Rehefa tsy ampy ny teny tamin’izany, dia nampiasa fampitahorana sy vono olona ary fandrobana ireo olon-dratsy ary namorona tsikombakomba miafina hanafenana ny asa ratsin’izy ireo.40

Nijoro ireo mpaminany nanohitra ny ratsy tamin’ny alalan’ny teny tsotran’ Andriamanitra, sy ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona avy amin’ny herin’ny Fanahy Masina, ary ireo fahagagana nataon’ny tanan’ny Tompo. Hoy i Jakôba momba ny fifanoherany tamin’i Serema hoe: “Nampirotsaka ny Fanahiny tao amin’ny fanahiko ny Tompo Andriamanitra, hany ka nampangaihaiziko izy tamin’ny teniny rehetra.”41

Miteny ho an’ny Tompo amin’izao androntsika izao ireo mpaminany velona. Rehefa mihaino ny tenin’izy ireo amin’ny Fanahy isika dia mandray mivantana fanambarana ho an’ny tena manokana, anisan’izany ny fanambarana manamafy fa marina ny zavatra izay nolazain’ny mpaminany .42 Rehefa mampianatra ireo mpianatsika isika hikatsaka ny tenin’ireo mpaminany velona mba hamaliana ny fanontanian’izy ireo dia mitarika azy ireo ho amin’ny loharano lehiben’ny fahamarinana nambara isika. Mianatra ireo mpianatsika fa ny fanambarana ho an’ny tena manokana dia tonga eo amin’ny fiainan’izy ireo rehefa manaraka ireo mpaminany velona izay mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy manohitra ny ratsy izy ireo.43

Mianatra amin’ny fomba lalina ny fitsipiky ny fandraisana fanambarana ho an’ny tena manokana

Niarahantsika noresahina teo, ry rahalahy sy anabavy, ny fandraisana fanambarana ho an’ny tena manokana amin’ny alalan’ireo rakitsoratra masina, sy ny tenivavolombelon’ny Fanahy Masina, ary ireo mpaminany velona izay aseho amin’ny fomba mahery vaika ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.44 Noresahantsika tsirairay izy ireo saingy mifandray lalina izy ireo. Ampahany lehibe amin’ny “[fanangonana] ny zava-drehetra ho iray ao amin’i Kristy”45 tokoa izy ireo ao anatin’izao fotoampitantanana izao.

Ireo lamina ahafahana mandray fanambarana ho an’ny tena manokana ireo dia mijoro ho vavolombelona sy manamafy orina ny finoana an’i Jesoa Kristy ary mampiorim-paka ny fiovam-po Amin’i Jesoa Kristy . Mila mianatra amin’ny fomba lalina ny fitsipiky ny fandraisana fanambarana ho an’ny tena manokana ireo mpianatsika mba hahafantarana sy hahatakarana izany an-tsain’izy ireo sy ao am-pon’izy ireo. Mila mahafantatra ny fomba hanaovana asa amin’ny fomba mahomby mba hahazoana izany izy ireo, sy mila mivoatra ao amin’ny fitsipiky ny fandraisana fanambarana ary ilaina ho lasa mitovy kokoa amin’ny Mpamonjiny, Jesoa Kristy.

Ankehitriny dia mamelà ahy ianareo mba handroso zavatra vitsivitsy izay antenaiko fa hampianarinareo ireo mpianatrareo raha eo am-pikatsahan’izy ireo ny hianatra lalina ireo fitsipika mandrakizain’ny fanambarana ho an’ny tena manokana izy ireo?

Voalohany, ny fanambarana ho an’ny tena manokana dia an’ny tena manokana.

Raha mampifantoka ny fony sy ny sainy amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany tafaverina amin’ny laoniny ireo mpianatsika dia hahatsapa ny fitiavany sy hifaly ao amin’ny filazantsarany izy ireo ary hanakaiky Azy bebe kokoa. Hitombo ao anatin’izy ireo ny faniriana handre ny feony sy handray ny fahazavany.. Fanambarana ho an’ny tena manokana dia ho an’ny tena manokana. Ny Tompo dia mahafantatra ireo mpianatsika manokana sy ny mikasika azy ireo. Hiresaka amin’izy ireo amim-pitiavana tanteraka sy amim-pangorahana Izy, ary miaraka amin’ny fahafantarana ny zavatra izay ilain’izy ireo. Tonga amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ny Fanambarana, saingy izany dia ny tenin’ Andriamanitra. Mitia Izy, miteny, mitarika Izy. Miaro Izy. Izany dia ho an’ny tsirairay manokana.

Faharoa, manana fahafahana ny handray fanambarana ho an’ny tena manokana ny mpianatsika rehetra.

Mitranga eo amin’ny Fanahy sy ny fanahy ny fanambarana ho an’ny tena manokana; hafatra masina avy amin’ny Fanahy masina izany izay ampitaina amin’ireo fanahy mandrakizain’ireo mpianatsika.46 Ny tsirairay avy amin’ireo mpianatsika dia manana fahafahana voajanahary handray fanambarana ho an’ny tena manokana avy amin’ Andriamanitra. Mandeha araka ny lalàn’ Andriamanitra izany. Mitaky asa izany, izay ahitana ny fikatsahana fanambarana amim-pahazotoana ombam-bavaka, fifadian-kanina, fandalinana, fihainoana, sy firaketana an-tsoratra, ary fanaovana amim-pinoana an’i Jesoa Kristy. Ity asa atao ity, sy ny fahamarinan’ny tena manokana, no miteraka fahafahana handray fanambarana ho an’ny tena manokana, izay ananan’izy rehetra.

Fahatelo, afaka mitombo sy tsy maintsy mitombo ny fahafahan’ny mpianatsika handray fanambarana.

Ny fahafahan’ny mpianatsika handray fanambarana ho an’ny tena manokana dia afaka ny hitombo. Tena tsy maintsy mitombo izany raha te ho tafavoaka velona ara-panahy sy hahazo ny fiainana mandrakizay izy ireo. Miantefa amintsika koa izany. Izany no antony namporisihan’ny Filoha Nelson sy niangaviany azy ireo (sy isika) mba “ hampitombo ny fahafahanao ara-panahy mba handray fanambarana.”47 Nampianatra ny Mpaminany Joseph hoe: “Amin’ny alalan’ny fianarana ny amin’ny Fanahin’ Andriamanitra sy ny fahatakarana izany no ahafahan’[ny mpianatsika] mitombo ao amin’ny fitsipiky ny fanambarana mandrapahatonga[n’izy ireo] ho tanteraka ao amin’i Kristy Jesoa.”48

Farany dia aza hamaivanina na oviana na oviana ny herin’ny fanambarana momba ny fanarahana ny mpaminany.

Miaina ao anatin’ny tontolo mahafinaritra kanefa feno fanamby ny mpianatsika. Ho voaro sy hotahina izy ireo ary ho tonga eo amin’ny fiainan’izy ireo ny fanambarana raha toa ka manaraka ny torohevitry ny mpaminany sy ireo fanasan’ny mpaminanin’ny Tompo izy ireo. Miteny ho an’ny Tompo ny mpaminany. Ity dia misy ohatra amin’izao fotoana izao: Toy izao no nosoratan’ny Filoha Russell M. Nelson raha niresaka tamin’ireo mpianatsika: “Ny fahafahanareo mitondra fanovana bebe kokoa eo amin’izao tontolo izao mihoatra ny vitan’ireo taranaka teo aloha dia miankina tanteraka amin’ny tahan’ny fanolorantenanareo ho an’i Jesoa Kristy. Ny tsirairay avy aminareo dia tompon’andraikitra amin’ny fanampiana amin’ny fampianarana ny filazantsara any an-tokantranonareo amin’ireo izay miara-miaina aminareo. Ny Seminera sy ny Institiota dia hanampy anareo hamolavola indray ny tokantranonareo ho lasa ho toerana hanjakan’ny finoana, dia toerana izay hampianarana sy hiainana ary hitiavana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.”49

Ry rahalahy sy anabavy, mba ampio ny mpianatsika hanaraka ny mpaminany. Ampianaro izy ireo hanohana ny ray aman-drenin’izy ireo amin’ny fanaovana ny tokantranon’izy ireo ho ivon’ny fianarana ny filazantsara. Ampianaro izy ireo hizara ny fitiavan’izy ireo ny Tompo sy ny filazantsarany amin’ny fianakavian’izy ireo sy ny naman’izy ireo. Rehefa manao izany izy ireo dia handray “fanambarana miampy fanambarana … izay mitondra fifaliana, izay mitondra fiainana mandrakizay.”50 Ho toy ny tafik’i Helamàna izy ireo, ho fitaomam-panahy ho an’izay rehetra mahafantatra azy ireo, indrindra ho an’ireo ao an-tokantranon’izy ireo.

Fijoroana ho vavolombelona

Ry rahalahy sy anabavy, mijoro ho vavolombelona ny amin’ny Raintsika any An-danitra be fitiavana aho. Velona Izy. I Jesoa no Kristy, Mpamonjy sy Mpanavotra antsika. Fantatro fa velona Izy. Miasa eo amin’ny fianantsika ny Fanahy Masina. Afaka mandray fanambarana avy any an-danitra [isika]. Izao no andron’ny fahafagagana, andron’ny fanambarana amin’ny alalan’ny herin’ “ny Fanahy… alefan’ny sitrapon’ny Ray amin’ny alalan’i Jesoa Kristy zanany.”51 Fantatro fa marina izany. Enga anie ny tsirairay avy amintsika ka hikatsaka fanambarana avy amin’ny Tompo mba hanampy ny mpianatsika tsirairay, izy rehetra, hianatra lalina ity fitsipika be voninahitra ity ary handray fanambarana ho an’ny tena manokana eo amin’ny fiainan’izy ireo ankehitriny sy mandrakizay.

Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Niorina tao amin’ny fianakavian’i Lehia ireo lamina telo ireo nandritra ny dian’izy ireo nankany amin’ny tany nampanantenaina. Mpaminanin’ Andriamanitra i Lehia ary naminany tamin’ny fianakaviana: nijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy izy, niantso azy ireo ho amin’ny fibebahana, ary nanohitra ny faharatsiana teo anivon’izy ireo; nikatsaka fanambarana ho an’ny tena manokana nitovy tamin’ny nataon’ny rainy i Nefia ka nandray izany tao anatin’ny nofy sy tao anatin’ny fahitana, tamin’ny alalan’ny fitaoman’ny Fanahy, sy tamin’ny feon’ny Tompo, ary tamin’ny alalan’ny fanompoan’ny anjely. Ary izy ireo dia nanana rakitsoratra masina teo amin’ireo takela-barahina izay nijoro ho vavolombelona ny amin’i Jesoa Kristy.

  2. Jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:19.

  3. Nataon’i Nefia mazava tsara fa i Lehia rainy dia lehilahy manam-pahalalana sy mahay karazan-teny. Toy izao no nambaran’i Nefia any am-piandohan’ny rakitsorany: “Izaho Nefia, noho izaho nateraka ray aman-dreny tsongoin’olom-bolo, dia somary nampianarina ahy avokoa ny fahalalan’ny raiko; … dia manao ny rakitsoratra amin’ny fitenin-draiko aho izay miompana amin’ny fahalalan’ny Jiosy sy ny fitenin’ny Egyptiana. … Izaho Nefia dia tsy manao fitantarana feno ny zavatra izay efa nosoratan-draiko” (1 Nefia 1:1–2, 16).

    I Lehia dia lehilahy avara-pianarana izay izy ihany no nanoratra ny tantara momba ny nofiny sy ny fahitany ary ny faminaniany. Kanefa nodidin’ny Tompo i Lehia handefa ireo zanany lahy hiverina any Jerosalema mba haka ireo rakitsoratry ny Jiosy izay tany amin’i Labàna.

  4. 1 Nefia 3:19–20.

  5. Jereo ny 1 Nefia 19:10 ho an’ireo ohatra amin’ireo karazana rakitsoratr’ireo mpaminany voarakitra ao amin’ireo takela-barahina izay tsy hitantsika ao amin’ny Baiboly.

  6. Jereo ny 1 Nefia 6:4; 19:1, 21. Tsy nitsahatra ny ho loharanom-pahalalana vaovao sy loharanom-panambarana nandritra ny tantaran’ny Nefita ireo takela-barahina. Rehefa nanoratra 1000 taona taorian’i Lehia i Môrônia dia nitanisa ny tenin’i Isaia avy tao amin’ireo takela-barahina momba ireo fanekempihavanan’ny Ray ary niresaka ny amin’ny hery manavotr’i Jesoa Kristy toy izao: “Mifohaza dia mitsangana avy eo amin’ny vovoka, Ry Jerosalema; eny ary anaovy ny fitafianao tsara tarehy, Ry zanakavavin’i Ziona; … mba hahazoana manatanteraka ny fanekempiahvanan’ny Ray Mandrakizay, izay efa nataony taminao, Ry mpianakavin’i Isiraely.

    “Eny, manatòna an’i Kristy, ary aoka hatao tanteraka ao Aminy, ary holavin’ny tenanareo ny toetra tsy araka an’ Andriamanitra rehetra” (Môrônia 10:31–32).

  7. Jereo ny 1 Nefia 6:4; 19:21.

  8. Niorim-paka tokoa teo amin’ny fiarahamonina Nefita ny lanjan’ny teny sy ny fahalalana, izany hoe ny fahafahana mamaky teny sy manoratra ary mitana rakitsoratra, hany ka na dia ireo tsy mpino aza dia nanana io fahaiza-manao io. Ohatra, i Amiolôna, iray amin’ireo mpisorona ratsy fanahin’ny Mpanjaka Noà dia lasa mpampianatra ny Lamanitra sy nampianatra azy ireo namaky teny sy nanoratra ary nitana rakitsoratra. Na dia ireo jirik’i Gadiantôna aza dia namaky sy nanoratra taratasy. Ankoatra izany ny fananganana fiarahamonin’ny olona mpitazona rakitsoratra sy mahay mamaky teny ary mpampianatra dia nanan-danja teo amin’ny fanorenana tany tan-dalàna teo amin’ny vahoaka Nefita nandritra ny fitondran’ny mpitsara. Ny rakitsoratra sy ny fanaovana fitazonana rakitsoratra ary koa ny famakiana teny sy ny fampianarana dia fomba iray nanan-danja nitahian’ny Tompo ny vahoaka Nefita ara-batana sy ara-panahy. Misy lamina azontsika arahina amin’izao androntsika izao avy amin’izany traikefa izany.

  9. Hitantsika ny asan’ireny rakitsoratra ireny ao anatin’ny lahatenin’ny Mpanjaka Benjamina raha nasainy noraketina an-tsoratra ny teniny ka nozaraina tamin’ny vahoakany izay tsy afaka nandre azy. Hitantsika izany raha novakin’i Abinadia tamin’ireo mpisorona ratsy fanahin’ny Mpanjaka Noà ireo didin’ny Tompo teo amin’ny takela-barahina. Hitantsika izany teo anivon’ireo tao Amônihà izay nino an’i Almà sy Amioleka ka “nanomboka nibebaka ary nandinika ny soratra masina” (Almà 14:1). Natsipy tany anaty afo ka levona ireo zaza amam-behivavy niaraka tamin’ny “rakitsorany izay nirakitra ny soratra masina” (Almà 14:8).

  10. Jereo ny Môzià 1:2–5.

  11. Jereo ny Almà 18:36 izay ahitana an’i Amôna “[nametraka] teo anoloan[’i Lamônia Mpanjaka] ny rakitsoratra sy ny soratra [masina].”

  12. Jereo ny Almà 37:8–9.

  13. Jereo ny 3 Nefia 11:8–17. Diboky ny hafaliana ny vahoaka ka nijoro ho vavolombelona ny amin’i Jesoa Kristy tamin’io alina io ary tamin’ny taranaka maro avy eo. I Nefia, zafiafin’i Almà Zanany dia nirakitra ireo zava-nitranga masina izay mandrafitra ny tenivavolombelona miavaka ny amin’ny fitsanganan’ny Zanak’ Andriamanitra tamin’ny maty sy ny sorona manavotra nataony.

  14. Nolazain’ny Tompo tamin’i Joseph fa nomena hery izy handikana ny Bokin’i Môrmôna amin’ny alalan’ny “fampindram-pon’ Andriamanitra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:29). Tamin’ny faramparan’ny fotoana nahavelomany i Nefia dia nanao antso avo ny amin’ny hitehirizan’ireo rehetra miditra ny lalan’ny fanekempihavanana tsara ny tenin’i Kristy. Izany antso izany dia niampita nandritra ireo taonjato maro tao amin’ny tantaran’ny Nefita nankany an-tokantrano, tany amin’ny fitoera-masina, ary tao anatin’ireo fampianaran’ireo mpaminany. Misy fiantraikany mahery vaika amintsika izany ankehitriny arahin’ny fampanantenana mitaona fanahy entin’izany: “Noho izany dia tsy maintsy mibosesika handroso amin’ ny fiorenana ao amin’i Kristy ianareo, amin’ ny fanananareo fanantenana mamirapiratra sy lavorary omban’ ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny olon-drehetra. Koa raha mibosesika handroso ianareo ka mivoky amin’ny tenin’i Kristy, ary maharitra hatramin’ny farany, dia indro, izao no lazain’ny Ray: Hahazo ny fiainana mandrakizay ianareo” (2 Nefia 31:20; nampiana fanamafisana).

  15. Almà 37:18; jereo koa ny Almà 37:14–19. Notehirizina sy nokolokoloin’i Môrônia ary notanany ireo takela-barahina. Nandritra ny dinidinika niaraka tamin’i Joseph F. Smith sy i Orson Pratt tao Richmond Missouri i David Whitmer dia nijoro ho vavolombelona fa marina izany: “Tsy ireo takelaky ny Bokin’i Môrmôna ihany akory no hitanay sy i Joseph ary i Oliver, fa hitanay koa ireo takela-barahina, ny takelaky ny Bokin’i Etera, … ary takelaka maro hafa. Raha ny marina dia toy ireny hoe nisy hazavana nandrakotra anay sy i Joseph ary i Oliver raha izahay nipetraka teo amina vatan-kazo iray. Tsy toy ny hazavan’ny masoandro ilay izy … fa be voninahitra sy tsara kokoa. … Nisy latabatra iray avy eo niseho niaraka tamina Rakitsoratra maro na takelaka teo amboniny ankoatra ireo takelaky ny Bokin’i Môrmôna, sy ny sabatr’i Labàna, sy ireo Kompà, izany hoe ilay Bolan’i Lehia sy ireo Fandikana teny. Hitako nivantana toy ireny fahitako ity fandriana ity ireo … ary nahare miavaka tsara ny feon’ny Tompo aho, izay tsy mbola reko teo amin’ny fiainako, nanambara fa ireo rakitsoratry ny Bokin’i Môrmôna dia nadika tamin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavana sy hery avy amin’ Andriamanitra” (David Whitmer, tao amin’ny taratasin’i Joseph F. Smith ho an’i John Taylor, Sept. 17, 1878, Joseph F. Smith papers, 1854–1918, Church History Library, Salt Lake City, 8–9).

  16. 1 Nefia 10:17. Ao amin’ny 2 Nefia, i Nefia dia mamariparitra ny fomba ahafahan’ny olona iray ho mendrika ny fanomezana ny Fanahy Masina sy ny fanampian’ny Fanahy Masina: “Ny vavahady izay tokony hidiranareo dia ny fibebahana sy ny batisa amin’ny rano; ary avy eo dia tonga ny famelana ny fahotanareo amin’ny alalan’ny afo sy ny Fanahy Masina.… Ary efa mby amin’ny lalana ety sy tery izay mitondra mankany amin’ny fiainana mandrakizay ianareo; … ary efa nandray ny Fanahy Masina izay mijoro ho vavolombelona amin’ny Ray sy ny Zanaka ho fanatanterahana ny fampanantenana izay efa nataony fa raha toa ianareo miditra amin’ny lalana dia handray” (2 Nefia 17–18).

    “Fa raha te hiditra ny lalana ianareo ary handray ny Fanahy Masina, dia Izy no hampiseho aminareo ny zavatra rehetra izay tokony hataonareo” (2 Nefia 32:5).

  17. 1 Nefia 2:16.

  18. 1 Nefia 2:16.

  19. 1 Nefia 2:19.

  20. Miharihary io lamina io ao amin’ireo zavatra niainana manokana izay nandraisana fanambarana ho an’ny tena manokana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Hevero ny mba hanao ireto zavatra manaraka ireto:

    Faniriana ny hahafantatra ho an’ny tenantsika manokana

    Ny faniriana ny hahafantatra ny marina, hahazo valin-teny, handray fitarihana na fampiononana na famelan-keloka, izay matetika niainga avy tamin’ny alalan’ny tenin’ Andriamanitra, no mandrisika antsika hitady fanambarana ho an’ny tena manokana. I Nefia izao dia “nanam-paniriana lehibe ny hahafantatra ny mistery momba an’ Andriamanitra” (1 Nefia 2:16). “Mosarena” famelan-keloka ny fanahin’i Enôsa (Enôsa 1:4). Nihiaka tao am-pony i Almà hoe: “Ry Jesoa ô, Ianao Ilay Zanak’ Andriamanitra, mamindra fo amiko” (Almà 36:18). Izany no faniriana marina ny handray fanambarana avy amin’ Andriamanitra.

    Mivavaka omban’ny tena finiavana

    Ny faniriana marina dia mitondra ho amin’ny vavaka izay matetika atao amin’ny toerana mangina. Mikatsaka fanambarana avy amin’ny Raintsika any An-danitra isika ary ataontsika amin’ny vavaka avy amin’ny fo izay nateraky ny faniriana te hahafantatra izany. Vavaka vokatry ny faniriana omban’ny ny tena finiavana ny manatanteraka ny zavatra izay voaraintsika. Vavaka toy izany no nataon’i Nefia, i Enôsa, i Almà, sy ireo zanakalahin’i Môzià ary i Helamàna sy ireo zatovo miaramilany (jereo ny 1 Nefia 2:16; Enôsa 1:4; Almà 17:3; Almà 58:10–12).

    Fahazotoana mikaroka

    Mitaky fahazotoana mikaroka ny fikatsahana fanambarana. Eritrereto i Almà izay “nifady hanina sy nivavaka andro maro mba [hahazoany] mahafantatra ireny zavatra ireny [ho an’ny tenany manokana]” (Almà 5:46). Ny hoe mazoto mikaroka fanambarana dia midika hoe mikaroka ao amin’ny soratra masina, misaintsaina, sy mivavaka, ary mifady hanina momba ny zavatra izay vakintsika sy ianarantsika. Midika izany hoe manatona matetika ny Ray any An-danitra sy matoky ny fotoany.

  21. Araka ny nampianarin’i Jakôba, ny fanomezam-pahasoavan’ny fanambarana ho an’ny tena manokana amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ihany koa dia mitondra fanomezam-pahasoavana ara-panahy, sy finoana bebe kokoa an’i Jesoa Kristy ary fiovam-po lalina kokoa amin’ny Tompo: “Koa manadihady ny mpaminany ary manana fanambarana maro sy ny fanahin’ny faminaniana izahay; ary satria manana ireo vavolombelona rehetra ireo izahay dia manjary mahazo fanantenana, ary ny finoanay dia tsy voahozongozona, hany ka afaka mibaiko marina tokoa amin’ny anaran’i Jesoa izahay, ka na dia ny hazo aza, na ny tendrombohitra na ny onjan-dranomasina dia mankatò anay.

    “Kanefa, ny Tompo Andriamanitra dia mampiseho aminy ny fahalemenay mba hahalalanay fa noho ny fahasoavany sy ny fiambaniany lehibe ho an’ny zanak’olombelona no anananay fahefana hanao ireny zavatra ireny” (Jakôba 4:6–7).

  22. Marina izany tamin’ireo fomba rehetra nifandraisan’ Andriamanitra amin’ny olony. Ohatra, mpitranga eo anivon’ny olo-marina ny fanompoan’ny anjely. Toy izao no nambaran’i Almà: “Fa indro, anjely no milaza [fibebahana] amin’ny maro amin’izao fotoana izao eto amin’ny tanintsika” (Almà 13:24). “Ny anjely dia niseho tamin’ny olona, ny olon-kendry ary nanambara taminy vaovao mahafaly sy fifaliana lehibe” fotoana fohy talohan’ny nahaterahan’ny Mpamonjy (Helamàna 16:14).

  23. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:85.

  24. Almà 5:45–46.

  25. Nofintinin’i Almà ireo fitahiana miavaka nananan’ny Nefita sy ny toetoetran’ny fiarahamonina mpitandrina fanekempihavanana izay naorin’ny Tompo teo anivon’izy ireo raha iny Almà nampianatra ny vahoaka tao Amônihà. NyAlmà 9:20–22 dia milaza fa izy ireo dia“vahoaka nankasitrahan’ny Tompo fatratra tokoa”; “[nahazo] ny zavatra rehetra nampahalalaina azy, araka ny faniriany sy ny finoany ary ny vavaka momba izay efa nisy sy izay misy”; “[novangian’]ny Fanahin’ Andriamanitra; … [nitafa] tamin’ny anjely sy efa nitenenan’ny feon’ny Tompo”; ary nanana “ny fanahin’ny faminanianasy ny fanahin’ny fanambarana ary koa fanomezana maro.”

  26. Almà 17:3; jereo koa ny Almà 17:1–3.

  27. Almà 23:5; jereo koa ny Almà 23:5–7.

  28. Almà 23:6.

  29. Ny anjara andraikitry ny mpaminany no ifantohantsika eto kanefa fantatsika fa ny mpaminany dia mpahita sy mpanambara ihany koa. Araka ny nampianarin’i Amôna hoe: “Ny mpahita dia mpanambara ihany koa; … ny mpahita dia mety mahafantatra ny amin’ny zavatra izay efa lasa ary koa ny amin’ny zavatra izay ho avy, ary amin’ny alalan’ireo no hanambarana ny zava-drehetra, na ny marimarina kokoa no hanehoana ny zava-miafina, ary ny zava-nafenina dia ho tonga eo amin’ny hazavana ary ny zavatra izay tsy fantatra dia hampahafantarina amin’ny alalany ary ao koa ireo zavatra hampahafantarina amin’ny alalany, ireo izay tsy azo fantarina amin’ny fomba hafa” (Môzià 8:16–17).

  30. Tamin’ny hery ara-panahy mahery vaika tokoa no nanaovan’izy ireo izany hany ka nandona ny aty fanahin’ireo olona izay vonona ny hihaino izany. Ao anatin’ilay tantara izay nitranga an’arivo taonany mahery dia mamaky momba ny vahoaka iray “heniky ny fifaliana” isika (1 Nefia 5:1; Môzià 4:3), “nohazavaina tamin’ny fahazavan’ny teny maharitra mandrakizay ny fanahiny” (Almà 5:7), ary “navotan’ny Tompo; … ateraky ny Fanahy” (Môzià 27:24). Tamin’ny fotoana maro no hoe “an’arivony no nikambana tamin’ny fiangonana sy natao batisa ho amin’ny fibebahana” (Helamàna 3:24). Ho ohatra iray amin’ny anjara asan’ny anjely amin’ny fanambarana ho an’ny mpaminany izay mampitombo ny fahalalantsika ny amin’ny fotopampianaran’i Kristy dia jereo ny Môzià 3.

  31. Jereo ny 2 Nefia 31; Jakôba 2; Môzià 3; Almà 5; Almà 18, Almà 34; Almà 46; Môrônia 7; Môrônia 8; Môrônia 10.

  32. Almà 5:14.

  33. Almà 5:26.

  34. Almà 5:28.

  35. Almà 5:32–33.

  36. Jereo ny Jakôba 7:1–20 (Serema); Almà 1:3–15 (Nehôra); Almà 2:1–31 (Amlisia); Almà 30:3–59 (Kôrihôra); Almà 46:3–11 (Amalikia).

  37. Jereo ny Jakôba 7:4.

  38. Jereo ny Almà 30:31.

  39. Ireo olon-dratsy dia vao mainka niharatsy hatrany rehefa nihananakaiky ny fotoana nahaterahan’ny Mpamonjy. Namorona tsikombakomba miafina izy ireo (jereo ny Helamàna 1:9–12; Helamàna 2:4–5). Tamin’ny fomba iray fahiny izay nitranga tamin’ny fotoanandron’i Adama sy i Eva, ireo olon-dratsy dia nanangana antoko iray izay nikatsaka ny hahazo fahefana, sy hangoron-karena ary handrava ny Fiangonana sy ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny vono olona sy ny fandrobana miafina. Tsy teny no fitaovana nampiasain’izy ireo fa famaky sy sabatra ary antsy. Izy ireo dia voaro tamin’ny alalan’ny fianianana sy fanekempihavanana nifanaovan’izy samy izy mba hitazona ho tsiambaratelo ny asa ratsin’izy ireo ka hovonoina ho faty izay olona mivadi-belirano (jereo ny Helamàna 6:20–33; 3 Nefia 1:27–30).

  40. Jereo ny Helamàna 1:9–12; Helamàna 2:4–5; Helamàna 6:20–33; 3 Nefia 1:27–30.

  41. Jereo ny Jakôba 7:8.

  42. Raha te hanao fifanakalozan-kevitra momba io fitsipika io dia jereo ny Henry B. Eyring, “Fanambarana mitohy,” Liahona, nôv. 2014, 70–73.

  43. Izao no dikan’ny hafatry ny Tompo tamin’ny Mpaminany Joseph: “Izay avy amin’ Andriamanitra dia hazavana; ary izay mandray hazavana sy mitoetra ao amin’ Andriamanitra dia handray hazavana misimisy kokoa; ary izany hazavana izany dia mihamamiratra hatrany hatrany mandra-pitataovovonan’ny andro” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:24). Na dia hoe tsy marina lalandava, sy niala tamin’ Andriamanitra aza ireo Nefita dia mbola notandrovan’ireo mpaminany hamiratra sy hiredareda ihany ny finoan’izy ireo. Tamin’ny risi-po sy ny herin’ny fanambarana no namporisihan’izy ireo ny olona be finoana raha iny izy ireo kivy sy nenjehina iny. Nanampy ny maro izy ireo hampiorina ny fiainany eo amin’ny Mpamonjy sy handray fanambarana ho an’ny tena manokana izay nitarika azy ireo na namerina azy ireo ao amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany.

  44. Ireo mpianatsika dia afaka mamaky momba ny Nefita sy ny Lamanita sy ny fomba nitahiana azy ireny tamin’ny alalan’ireo rakitsoratra masina, sy ny fanambarana ho an’ny tena manokana ary ireo mpaminany velona. Amin’ny fotoana hamakin’ireo mpianatra indrindra mikasika ireny fitahiana ireny dia afaka ny hiaina azy ireny ho an’ny tenany manokana izy ireo raha toa ka mandray azy ireny. Amin’ny alalan’ny fandalinana ny Bokin’i Môrmôna sy ny fivavahana mba hahazoana fitarihana ara-panahy, ireo mpianatsika dia afaka ny handray sy hahatakatra ny filazantsaran’i Jesoa Krisy sy ny drafitry ny Ray. Afaka ny hianatra ny fomba hiainana ny filazantsara sy handray tenivavolombelona izy ireo fa ny zavatra izay novakiny dia marina, ary izany rehetra izany dia amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina.

  45. Jereo ny Efesiana 1:10.

  46. I Joseph Smith dia nampianatra fa mandritra ny fiainana an-tany ny fanambarana ho an’ny tena manokana dia tonga amin’ny “fanahintsika amin’ny fomba mazava tsara toy ireny mbola tsy nitranga tamin’iza na iza ireny izany mihitsy” (Enseignements de Présidents de l’Eglise: Joseph Smith [2007], 475).

  47. Russell M. Nelson, “Fanambarana ho an’ny Fiangonana, fanambarana ho an’ny fiainantsika,” na Liahona, mey 2018, 96.

  48. Enseignements des Présidents de l’Eglise: Joseph Smith (2007), 132.

  49. Teny nambaran’ny Filoha Russell M. Nelson tao amin’ny kaonty Instagram izay azy, ny 22 martsa 2019. Io teny nambarany io dia manambara ireo fanovana natao mikasika ny fotoam-pianarana sy ny fandaharam-pianaran’ny seminera manomboka ny janoary 2020.

  50. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:61.

  51. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:27.

Hamoaka printy