Fampitana fanao isan-taona
“Ambonin’ny zava-drehetra”


“Ambonin’ny zava-drehetra”

Fampitana ny fivoriam-piofanana ataon’ny Departemantan’ny fampianarana an’ny Fiangonana • 12 jona 2019 • Efitrano fivoriana malalaka ao amin’ny ambany rihana ao amin’ny tranobe misy ny biraon’ny Fiangonana

Tiako ihany koa ny hisaotra ny tsirairay avy aminareo indrindra fa noho ny ezakareo hifantoka amin’ny Mpamonjy mba ho ivon’ny fandalinanareo sy ny fampianaranareo ny filazantsara. Rehefa nandinika ireo kilasy aho ary nijery anareo sy ny mpianatrareo namantatra ireo fiantsoana Azy sy ny anjara asany, nandalina ireo toetoetrany sy ny toetrany, ary nianatra avy amin’ny ohatra tonga lafatra nasehony1dia nahatsapa ny fankasitrahan’ny Ray any An-danitra aho noho ny fijoroanareo ho vavolombelona ny amin’ny Zanany Malalany. Noho ny fanarahanareo ny torohevitry ny Loholona Clark mba hanampy ny mpianatrareo hianatra hahafantatra azy sy hianatra avy Aminy,2 dia hitako fa nitombo kokoa ny fiasan’ny Fanahy Masina tamin’ny fampianaranareo sy ny fanasana nataonareo. Hoy ny mpampianatra iray tamiko vao tsy ela izay hoe: “Namerina ny fifaliana tao amin’ny kilasiko ny fametrahana an’i Jesoa Kristy ho ivon’ny fampianarako. Mamporisika anareo aho hanohy hikatsaka ny fitarihan’ny Fanahy mikasika ny fomba hanaovana izany isan’andro amin’ny fomba mahomby indrindra.

Anio aho dia te hanasa anareo hanao ezaka bebe kokoa hanampy ny mpianatrareo hahita ny Mpamonjy, tsy ao anatin’ny fandalinany ny soratra masina ihany, fa ao aminareo koa, rehefa miezaka manaraka ny ohatra nasehony sy ny fitiavany ianareo. Mety tadidinareo ity hevitra avy amin’ny Filoha Boyd K. Packer ity izay sady manentana ny fanahy no mifono hevitra manan-danja lehibe raha ny fijeriko azy:

“Ireo toetra izay tombontsoako manokana ny nahita azy ireny teny aminareo ry rahalahy sy rahavavy tao anatin[’ny] taona maro dia tsy inona fa ny endrik’ilay Tompo Mpampianatra izay naseho tamin’ny alalanareo. Mino aho fa raha ny halehiben’ny asa vitanareo, araka ny fanamby sy andraikitra atrehinareo dia tena misoritra eny amin’ny tarehinareo ny endrik’i Kristy. Ary mba hahatrarana ireo tanjona azo tanterahina rehetra, ao amin’izany kilasy izany amin’izany fotoana izany sy ao anatin’ilay fihetsika aseho miaraka amin’ilay fanentanam-panahy dia ianareo no Izy ary Izy dia ianareo.”3

Amin’ireo toetran’ny Mpamonjy rehetra, ny toetrany izay toa sady mamporisika no fototra iorenan’ireo toetra hafa rehetra dia ny fitiavany tanteraka: ny fitiavany ny Rainy any An-danitra sy ny fitiavany antsika tsirairay avy.

Nanoratra i Paoly Apôstôly hoe: “Ary na dia manana faminaniana aza aho ka mahalala ny zava-miafina rehetra, sady manana ny fahalalana rehetra, ary na dia manana ny finoana rehetra aza aho …, kanefa tsy manana fitiavana dia tsinontsinona aho.”4 Mety ho nilaza izao i Paoly raha niresaka tamin’ny andiana mpampianatra seminera sy institiota hoe: “Ary na dia manana hery hanintonana ny hafa ho liana aza aho ka mahalala ireo zavatra fototra amin’ny fampianarana sy ny fianarana ary ny haifampianarana rehetra, ary na dia manana lesona ampiasana zavatra izay tena tsara aza aho kanefa tsy manana fitiavana dia tsinontsinona aho.” Miangavy aho hoe aza atao fialan-tsiny izany teny voalaza izany mba tsy hiasana mafy ho lasa mpampianatra tena manan-talenta. Kanefa tadidio fa rehefa mivavaka isika mba hahazo fahatakarana, fahalalana, ary na miampy finoana aza, raha tsy ampiantsika fiantrana izany, dia ho toy ny “varahina maneno sy kipantsona mikarantsana”5isika.

“Ny fitiavana mahari-po sady mora fanahy”

Nanoratra ihany koa i Paoly Apôstôly hoe: “Ny fitiavana mahari-po sady mora fanahy.”6

Voarakitra ao amin’ny Lioka 19ny iray amin’ireo famoram-panahin’ny Mpamonjy. I Zakaiosy izay mpamory hetra dia lasa mpanan-karena tamin’ny fanompoany ny Rômana, saingy nankahalain’ireo Jiosy izay nahatsapa ho voafitaka tamin’ny famoriany hetra. Indray andro dia nikatsaka ny hahita an’i Jesoa i Zakaiosy, saingy tsy afaka nahita Azy satria izy fohy ary tsy afaka nisisika teny anivon’ny olona maro, izay tsy vonona ny hanampy azy. Ka noho izany i Zakaiosy dia nihazakazaka nankeny alohan’ny toerana nandehanan’i Jesoa dia nananika aviavy iray mba hahita Azy rehefa mandalo Izy.

Sary
Zakaiosy eny ambony hazo

Hoy ny soratra masina hoe: “Ary rehefa tonga teo Jesosy, dia niandrandra ka nanao taminy hoe: Ry Zakaiosy, midina faingana; fa tsy maintsy mitoetra ao an-tranonao Aho anio.

“Dia nidina faingana izy ka nampiantrano Azy sady faly.”7

Azonao an-tsaina ve ny lanjan’izany hoe hita izany ho an’i Zakaiosy, sy ny fiantraikan’ny fanasana nataon’ny Mpamonjy teo amin’ny olona iray izay efa tena zatra nailikilika? Io fanehoana hamoram-panahy tamin’ny fomba bitika io dia tsy maintsy nitondra fiovana lehibe.

Ilain’ny mpianatsika ny fahari-po ntsika sy ny famoram-panahintsika. Ny fitondrantena ratsy, ny fanelingelenana, ary ny fihetsika tsy voahevitra dia mahatonga ny fampianarana ho sarotra kokoa. Saingy amin’ireny fotoana ireny dia manentana anareo aho ny tsy hijery ireny fitondrantena ireny fa hijery kosa an’ilay olona. Mijanòna maharitra mba hanontany hoe: “Inona koa no mety mahatonga io fitondrantena na fihetsika io?”

Araka ny nampianarin’ny Loholona Jeffrey R. Holland, “Raha toa ka tsy miova ireo mpianatra ireo dia angamba tsy afaka ny hampianatra azy ireo avy hatrany ianao fa afaka kosa mitia azy ireo. Ary raha tianao izy ireo androany dia angamba azonao ampianarina izy ireo rahampitso.

“… Tsy misy miankina amin’izy ireo ireo zavatra ireo. Afaka mitia azy ireo hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany isika, dia hitranga ny fahagagana.”8

Saingy ahoana no anaovanareo izany, indrindra fa rehefa toa sarotra kokoa ny mitia ny sasany? Mbola nanampy antsika tamin’izany koa ny Loholona Holland rehefa niteny hoe: “Afaka manomboka izany amin’ny fitiavana an’ Andriamanitra ianareo. Dia afaka mangataka Aminy ianareo avy eo ny hanampy anareo hampitombo ny fitiavanareo Azy sy ny hafa izay mila ny fitiavanareo.”9 Afaka “mivava[ka] amin’ny Ray amin’ny herin’ny fo manontolo [ianareo] mba hahazoana mameno anareo amin’izany fitiavana izany.”10 Afaka mivavaka ianareo mba hahitanareo azy ireo tahaka ny hahitany azy ireo. Afaka mihaino ianareo dia miezaka mahatakatra azy ireo. Ary ny Filoha Henry B. Eyring dia nanampy hoe: “Tompoy izy ireo. Mitadiava zavatra kely atao ho azy ireo. Aloavy ny saran’ny fanompoana dia hamaly soa izany Andriamanitra. Izany no hampanantenaiko anareo. Aza manahy raha sarotra tiavina ny mpianatrao ao amin’ny fotoana iray. Manaova zavatra ho azy ireo fotsiny, dia ho toy ny azo tiavina misimisy kokoa izy ireo aminao. Ho fanomezana avy amin’ Andriamanitra izany.”11

Ho anareo rehetra izay manatrika ny fampisehoana rindran-kira sy ny hetsika ara-panatanjahan-tena ataon’ny mpianatrareo na mitady fomba hafa mangingina mba hanompoana azy ireo: misaotra anareo. Na dia tsy mahita anareo aza izy ireo dia ho tsapany fa mitombo ny fitiavanareo azy satria hanome anareo fiantrana ny Tompo noho ny fanompoanareo azy ireo.12

Misy ohatra iray hafa amin’ny hamoram-panahin’ny Mpamonjy ao amin’ny Marka toko faha-5.

Sary
Jesoa manasitrana vehivavy mandeha rà

Eritrereto vetivety ny zavatra nataon’i Jesoa ho an’ilay vehivavy nandeha ra efa ela. Nanao zavatra betsaka lavitra noho ny nanasitrana azy ara-batana Izy. Tsy maintsy hoe efa reraky ny fanaintainana sy ny fanilikilihan’ny fiaraha-monina ary ny fahasahiranana mafy ara-bola izy. Koa rehefa tsikaritr’i Jesoa fa nisy hery nivoaka avy tao Aminy, dia “nijery manodidina Izy hizaha ny vehivavy izay efa nanao izany.”13 Efa nitranga ny fahasitranana ara-batana. Teny an-dalana hitondra fanampiana tamin’ny filàna maika iray i Jesoa kanefa dia nijanona Izy. Niaiky ny finoany Izy, ary niantso azy tamim-pitiavana hoe “anaka.”14 Izy,no hitan’ny Mpamonjy fa tsy ny aretiny. Nahita olona iray nila notiavina sy nampaherezina Izy, fa tsy olana hovahana na andraikitra hotanterahina.15

Na inona na inona andraikitra ilainao vitaina, na inona na inona lesona ilainao omanina mba hampianarina, na inona na inona olana ara-pitsipi-pitondrantena mety ho tojo anao, dia fotoana iray hanampiana olona foana izany.

Ary manantena aho fa hipaka any amin’ireo izay tsy nisoratra anarana na tsy manatrika kilasy amin’izao fotoana izao ny fitiavantsika. Maro ny tahaka an’i Zakaiosy sy io vehivavy io izay miandry any ambadiky ny olona maro any. Noho izany dia araho ny ohatry ny Mpamonjy ary dia mandehana mitady azy ireo.16 Mahereza mivavaka sy miara-mifanakalo hevitra rehefa mikatsaka fitaomam-panahy ianareo mikasika ny fomba azonareo hanampiana tanora betsaka kokoa hianatra momba ny Mpamonjy sy ny fampianarany. Ny fampidirana mpianatra vaovao sy ny famitana ny fianarana dia tokony ho laharam-pahamehana sy ho tanjona manentana antsika amin’ny asantsika mba hitahiana ny maromaro kokoa amin’ireo zanaky ny Ray any An-danitra.

“Ambonin’ny zava-drehetra, dia atafio ny tenanareo toy ny kapaoty ny famatoran’ny fiantrana”

Hoy ny Tompo tamin’ny mpaminany Joseph Smith hoe: “Ambonin’ny zava-d rehetra dia atafio ny tenanareo toy ny kapaoty ny famatoran’ny fiantrana, dia ny famatoran’ny fahatanterahana sy ny fiadanana izany.”17 Mety ho toy ny ahoana izany hoe voatafy amin’ny famatoran’ny fiantrana izany?

Sary
vehivavy tratra nijangajanga

Vakiantsika ao amin’ny Jaona 8 ny momba ny vehivavy iray izay nentina teo amin’ny tempoly ary nentin’ireo Fariseo teo anatrehan’i Jesoa. Hoy izy ireo tamin’ny Mpamonjy hoe:

“Mpampianatra ô, ity vehivavy ity azo olan-tànana nijangajanga.

“Ary ao amin’ny lalàna Mosesy dia nandidy antsika fa hotoraham-bato izay vehivavy manao toy izany; fa ahoana kosa hoy Hianao?”

Niondrika i Jesoa dia nanoratra tamin’ny tany, toy ireny hoe tsy nahare azy ireo ireny. Rehefa nanohy nanontany izy ireo dia nitraka Izy ary niteny hoe: “Izay tsy nanota aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany.” Dia mbola niondrika indray Izy ary nanoratra tamin’ny tany.

Rehefa nanomboka nahatsapa ho nenjehin’ny eritreriny ireo Fariseo, dia niala teo tsirairay izy ireo. Rehefa irery i Jesoa sy ilay vehivavy dia nanontany tamin-katsaram-panahy Izy hoe: “Ravehivavy, aiza ireny? Tsy nisy nanameloka anao va?”

“Hoy izy: Tsy misy, Tompoko. Dia hoy Jesosy: Izaho koa dia tsy manameloka anao; mandehana, ary amin’izao sisa izao dia aza manota intsony.”18

Rehefa mandinika io trangan-javatra io ianareo dia vonona ve ianareo hieritreritra ny telo amin’ireo lesona maro azontsika ianarana avy amin’ny ohatra tonga lafatry ny Mpamonjy?

Voalohany, ny Sorompanavotan’ i Jesoa Kristy dia mamela antsika hianatra avy amin’ny fahadisoantsika sy amin’ny alalan’ny fibebahana, fa tsy ny ho voahelok’izany. Misy mpianatra nanao fahadisoana ao amin’ny kilasintsika. Rehefa mampianatra azy ireo amim-pangorahana isika mikasika ny fahavononan’ny Raintsika any An-danitra hamela heloka sy mikasika ny fifaliana avy amin’ny fibebahana,19 dia manampy ny mpianatra (sy ny zanatsika) isika mba hino fa miasa amin’izy ireo ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy, satria tena izay tokoa no izy.

Ankoatra izay dia mihatra amintsika tsirairay avy ihany koa io torohevitra io. Mila ny sorompanavotan’ny Mpamonjy ihany koa isika mba hanampy antsika ho voavela heloka sy ho sitrana. Ary avy eo rehefa mahatsapa manokana ny fifaliana avy amin’ny fibebahana isika, dia ho afaka ny hitaona ireo mpianatsika hitodika amin’ny Mpamonjy satria ho avy ao amin’ny fontsika efa niova izany fanasana izany.

Faharoa, ny fitiavana dia antony lehibe manosika amin’ny fanampiana antsika hanana faniriana ny hanao ny tsara. Nilaza ny Loholona Dale G. Renlund fa, “Azo antoka fa tsy namela ilay fijangajangana ny Mpamonjy. Kanefa tsy nanameloka ilay vehivavy koa Izy. Namporisika azy hanova ny fiainany Izy. Vonona ny hiova izy noho ny famindrampo sy ny fahasoavany. Ny Baiboly Dikantenin’i Joseph Smith dia manamarina ny maha-mpianatra azy taorian’izay: -Ary nanomboka tamin’izay ora izay dia nanome voninahitra an’ Andriamanitra ilay vehivavy, sady nino ny anarany- [John 8:11, footnote c].”20

Amin’ny maha-mpampianatra na ray aman-dreny antsika, dia mety ho alaim-panahy isika ny hitazona ireo fanehoam-pitiavana ilaina satria matahotra isika sao dia afangaro amin’ny tsy fanomezan-tsiny ny fahotana na ny famelana amin’izao ny fitondrantena ratsy izany. Ny mpianatsika sy ny zanatsika mazàna dia efa mahalala ny zavatra tsapantsika momba ny Tompo sy ny didiny. Ny zavatra ilain’izy ireo matetika dia ny fanomezana antoka fa tiana sy omena lanja izy ireo. Ny fitiavana sy ny fanantenana tsy maintsy hoe tsapan’io vehivavy io rehefa notahiana tamin’ny “famatoran’ny fiantran’”ny Mpamonjy izy no zavatra antenaintsika ho an’ireo mpianatsika rehetra. Manantena isika fa izany no ho tsapany rehefa mianatra momba Azy sy ny filazantsarany izy ireo.

Fahatelo, ny Mpamonjy dia tia ny fotopampianaran’ny Ray, saingy tsy nampiasa izany mihitsy toy ny fomba entina manafay. Ny Fariseo dia nahafantatra tsara ary nampiasa ny lalàn’i Mosesy mihitsy, ka nitanisa ny lalàna sy ny vokatr’izany. Fa ilay tena Mpanome ny lalàna, izay ny “hahasitrana ny torotoro fo [sy] hitory fanafahana amin’ny babo,”21no asa nanirahana Azy dia nisafidy kosa ny hanolotra famindram-po. Niaro ilay vehivavy tamin’ny famelezana ara-batana sy ara-panahy miampanga nataon’ireo Fariseo Izy sady nanolotra ho azy ireo ny fieritreretan’ny tena manokana sy ny fahatsiarovan-tena nilaina mahakasika ny filan’izy ireo manokana miova.

Indraindray isika dia manana mpianatra sy mpampianatra izay nampiasa ny fotopampianarana tamin’ny fomba izay manasa ny fanahin’ny fiampangana sy ny fanamelohana. Raha tokony hoe hampahery sy hampiorina, io fomba io kosa dia manivaiva ary afaka manimba mihitsy. Ny hoe manaraka ny ohatry ny Mpampianatra dia ny mampianatra amin’ny fomba izay mitondra fanantenana sy manasitrana ireo izay torotoro fo.

Ankoatra ny fahotana, ny fo torotoro dia tonga avy amin’ny karazana toe-javatra iainana. Maro ireo mpianatra izay avy niaina toe-javatra sarotra, ary mampivarahontsana mihitsy aza, izay mahatonga azy ireo hisalasala raha toa izy ireo ka tiana na omen-danja. Ny sasany dia misedra olana amin-tahotra na amim-pikatsahana ny zavatra lavorary ka mahatonga azy ireo handre fanamelohana fa tsy fanantenana. Ny sasany dia mahatsapa ho tsy ilaina satria miatrika fakam-panahy na olana mifandray amin’ny maha-lahy na ny maha-vavy izy ireo ary mahatsapa ho voafandrika sy manahy hoe tsy manana toerana na ho avy ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny.

Amin’ny maha-mpampianatra antsika dia mila katsahintsika ny hahatakatra hoe mety ho toy ny ahoana izany zavatra iainana izany ho an’ireo mpianatsika. Mamelà ahy ianareo mba hizara ohatra iray fotsiny avy amin’ny fomba fijerin’ny mpianatra iray taloha izay nanazava ny traikefany tao amin’ny seminera. Izao no nolazainy: “Ny didy dia ny hitia ny namanao, saingy ny olona dia toa mieritreritra hoe ny didy dia ny mitia ny namanao rehefa tsy lehilahy tia lehilahy na vehivavy tia vehivavy izy ireo. Ny hafatra lehibe ao anatin’izany dia hoe izany no zavatra ratsy indrindra afaka mitranga, ary mampametra-panontaniana ahy ny fomba ahafahako manana lanjan’ny tena manokana sy ny fomba ahafahan’ny Ray any An-danitra mitia ahy?”

Na inona na inona olan’ny tena manokana mety hatrehan’ny mpianatra dia mila mihaino isika mba hahatakatra sy hampita fangorahana sy fitiavana amin-kitsimpo. Mila manorina kilasy isika izay hamporisihana ny fametrahana fanontaniana sy hiresahana amim-panajana sy amim-piheverana tsara ireo olana. Mila mampianatra mazava tsara ny fahamarinana isika ary manampy ny mpianatra tsirairay hahafantatra ny maha-izy azy mandrakizay amin’ny maha-zanaky ny ray aman-dreny any an-danitra be fitiavana azy ireo.22 Ary mila manampy ny mpianatra isika mba hahafantatra fa tsy irery izy ireo. Ny fanehoana fitiavana sy fahatakarana bebe kokoa amin’izy ireo dia hanasa ny Fanahy Masina, hampitombo ny fianarana, ary hanasitrana ny fo torotoro.23

Nampianatra ny Filoha Dallin H. Oaks manao hoe: “Manana andraikitra isika ny -hifampitondra ny enta-mavesatry ny tsirairay mba hanamaivana izany- [Môzià 18:8]. Koa satria izahay tsy afaka manova ny fotopampianaran’ny Tompo, dia tianay kosa ireo mpikambana ato aminay sy ny lalàna misy ato aminay mba hihevitra ireo izay sahirana amin’ireo fanambin’ny fiainana an-tany.” Nilaza koa izy hoe “ny ezaka ataon’ny mpikambana ato aminay mba haneho fahatakarana an-tsaina sy fangorahana ary fitiavana bebe kokoa dia tokony hampitombo ny fanajana sy ny fahatakarana an-tsaina … [ary] hampihena ny fankahalana sy ny fifandirana izay fahita eny rehetra eny amin’izao fotoana izao. … Izany tokoa no fanirianay, ary mikatsaka ny fanampian’ireo mpikambana ato aminay sy ireo olona hafa izahay mba hanatratra izany.”24

Tena ilaina tokoa ny hoe ny mpampianatra tsirairay dia mahatakatra ny fotopampianarana, mahafantatra ny zavatra lazain’ireo mpaminanin’ny Tompo amin’izao fotoana izao momba ireo lohahevitra ireo, ary mahafantatra ny fomba entina miatrika izany amin’ny fomba tena manampy sy feno fangorahana.25 Manolo-tena tokoa izahay amin’ny fanaovana ezaka amin’ireo sehatra ireo ary hanome fanofanana sy fitaovana fanampiny hanampiana anareo.

Raha misy fotoana izay hitenenanareo na ny iray amin’ny mpianatrareo zavatra izay mety hahatonga ny olona hahatsapa ho tsy ilaina, dia hivavaka ve ianareo mba hahazo hery sy fahatakarana mahakasika ny fomba mety ho azonareo hanampiana mba hampihenana ny fahatsapana te hiampanga? Ampio ny mpianatrareo hahatsiaro fa mbola miezaka mivoatra ny tsirairay avy amintsika ary mila ny famindram-pon’ny Mpamonjy. I Losifera no ilay fantatra ho ilay Mpiampanga, izay “miampanga [antsika] eo anatrehan’Andriamanitsika andro aman’alina.”26 Raha mitaha amin’izany, ny tanana sy ny sandry ary ny fitiavan’ny Tompo kosa dia mbola mitsotra.

Toetoetra iray hafa mamaritra ny fitiavan’ Andriamanitra ny fanirian’ny Raintsika any An-danitra ny mba hahatongavantsika tahaka Azy sy handray ireo fitahiana rehetra izay nomaniny ho an’ireo zanany.

Ny Raintsika any An-danitra dia Andriamanitra iray miandrandra zavatra lehibe

Nampianatra ny Loholona D.Todd Christofferson hoe: “Ny Raintsika any An-danitra dia Andriamanitra iray miandrandra zavatra lehibe.”27 Tsy milavo lefona ny amintsika Izy. Miara-mizaka amintsika Izy rehefa miha-malemy isika, manantena ho antsika izy eo am-pivoarantsika, ary mizaka amim-paharetana Izy eo am-pitomboantsika. Ny mpampianatra iray izay tia ny mpianany koa dia miandrandra zavatra lehibe ary hiraharaha bebe kokoa momba ny fivoaran’izy ireo mandrakizay fa tsy momba ny fizotran’ny fampianarana androany na ny halehiben’ny fitiavan’ny mpianany azy.

Niraharaha fatratra ny fivoaran’ireo mpanara-dia Azy i Jesoa.

Sary
I Jesoa sy i Petera mandeha eo ambony rano

Ohatra, hitan’i Jesoa tao amin’i Petera ny zavatra izay tsy afaka ny ho hitany tao amin’ny tenany. Nanasa an’i Petera Izy mba hanao asa amim-pinoana, ary rehefa lavo i Petera dia nanarina azy ny Mpamonjy, ary nifantoka mandrakariva tamin’izay hahatongavan’i Petera amin’ny farany Izy.

Ny fiandrandrana zavatra lehibe dia hitaona ny mpianatra hanao asa amim-pinoana, sy hamela azy ireo hiaina ireo fitahiana nampanantenain’ny Tompo. Ny Loholona Neil L. Andersen dia nampianatra fa rehefa mitarika sy mampianatra tsy am-pitiavana isika ary koa miandrandra zavatra kely, dia mamporisika ho amin’ny fikomiana. Ny fiandrandrana zavatra lehibe tsy am-pitiavana dia mandrisika ny fanaovana ny zavatra tsy tokony ho izy. Ny fitiavana lehibe miaraka amin’ny fiandrandrana zavatra kely dia miteraka fahatsapana firahalahiana saingy kely ny fivoarana. Ny halehiben’ny fitiavana sy ny fiandrandrana zavatra lehibe kosa anefa dia miteraka fahagagana.28 Izany no karazana fitiavana ananan’ny Mpamonjy ary ny karazana fitiavana tsy maintsy ananantsika raha te-hitondra fiovana eo amin’ny fiainan’ireo mpianatsika isika.

Rehefa nanontaniako ny mpianatra seminera sy institiota ny fomba nitahian’ny fitiavan’ny mpampianany azy ireo, dia mamaly haingana ery izy ireo ary feno fankasitrahana anareo. Ireto misy ohatra vitsy monja vao haingana:

Hoy ny zatovovavy iray hoe: “Tiako ny mandeha mamonjy seminera dia mahita ny mpampianatro faly sy mihomehy. Tsy haiko akory ny fomba hilazana ny halehiben’ny zavatra vitan’ny fitiavany ho ahy. Vao tsy ela akory izay dia nandoka ahy izy, ary niezaka ny tsy hitomany aho rehefa nivoaka ilay trano fianarana, satria tena nanan-danja lehibe ho ahy izany ary nahafaly ahy tokoa. Nanan-danja lehibe ho ahy izany fandokafana tsotra izany. Mientanentana foana aho handeha hamonjy seminera isan’andro. Izany no fotoana nanan-danja indrindra tamin’ny tontolo androko. Nampianatra ahy hitia ny olona hafa rehetra toy ny zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra ny fitiavan’ny mpampianatro ahy.

Raha lazaiko amin’ny teniko ny ohatra iray hafa dia hoe: “Tena nanova ahy tokoa ny kilasinay androany. Nanana herim-po aho ny hametraka fanontaniana sarotra iray, dia tena nihaino tokoa ny mpampianatro ary niezaka nanakatra ny zavatra efa niainako. Dia naka fotoana izy hamaliana ny fanontaniako. Tena nanampy ahy hahatakatra zavatra izay tsy mbola noheveriko tany aloha ny zavatra nolazainy.”

Ary farany dia nisy zatovolahy iray nanoratra hoe: “Nanomboka tapa-taona fianarana ity tamin’ny fihetsika tsy voahevitra aho. Tsy niraharaha aho na ny filazantsara izany na ny tenako, ary tena tsy faly mihitsy aho. Nilaza tamin’ny ray aman-dreniko aho fa tsy te hanohy hianatra seminera intsony. Dia nandeha nianatra aho avy eo. Ary nahafantatra ny anarako ny mpampianatro na dia tsy mbola teo aza aho taloha. Nitondra akony teo amin’ny tontolo androko ny fanahy tsapa tao amin’ny kilasinay, ary nihatsara kokoa ny fiainana. Novaiko ny fomba fanaoko, nanomboka nankany am-piangonana bebe kokoa aho, namaky ny soratra masina, ary nanomboka nisaintsaina. Noho ny fitiavany anay sy ny filazantsara, sy ny fahazavan’i Kristy hitako ao aminy, dia niezaka aho ny hanana izany fahazavana sy fitiavana izany. Hamita hatramin’ny farany ny fianarana seminera aho, hanao asa fitoriana, ary indray andro any dia hanambady any amin’ny tempoly satria nanasa ny Fanahy ny mpampianatro ary nampianatra niaraka tamin’ny Fanahy toy ny namany isan’andro.”

Eto am-pamaranana dia te hilaza ny fankasitrahako ho an’ny Tompo sy ho anareo aho. Feno fankasitrahana aho noho ny fitiavan’ny Tompo izay tsy manavaka ny rehetra sady eo no ho eo. Feno fankasitrahana aho noho ny faharetany eo am-piezahako mianatra ireo lesona izay noresahantsika teto androany. Ny fitiavany sy ny fangorahany dia mahatonga ahy te ho lasa tsaratsara kokoa. Ary tiako ho fantatrareo ny halehiben’ny fitiavanay anareo. Tsapanay ny fanompoana tsy hikelezan-tsoroka izay ataonareo ho an’ireo izay ampianarinareo sy ampianareo. Fantatray fa tena mivavaka ho azy ireo ianareo, fa tena maharary anareo ny mahita azy ireo manana olana, ary tena faly ianareo rehefa mahomby izy ireo. Fantatray fa mitondra ny enta-mavesatrareo ianareo ary miantehitra isan’andro amin’ny Tompo mba hahazo ny heriny ho anareo sy ny fianakavianareo. Antenainay fa fantatrareo fa mivavaka ho anareo izahay ary tia anareo izahay.

Enga anie ianareo ka hanampy ny mpianatra tsirairay hahafantatra ny fitiavan’ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fanampiana azy ireo hahita Azy, ao amin’ny fandalinan’izy ireo ny soratra masina sy ao aminareo. Mivavaka aho mba ho tsara fanahy tsotra izao isika, hahita ny olona fa tsy ny olana. Mba hiezaka isika ny hitahy ny betsaka kokoa amin’ny zanaky ny Ray any An-danitra. Mba hampihena ny fahatsapana tia miampanga isika ary hanampy ny tsirairay hahatsapa fa manana toerana sy ho avy ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo izy ireo. Mba hamporisika ny mpianatsika isika hanaraka ny fampianaran’ny Mpamonjy toy ny mpianatr’i Jesoa Kristy mandritra ny androm-piainany, hifikitra amin’ny lalan’ny fanekempihavanana mba hahafahan’izy ireo mandray ireo fitahiana rehetra natokan’ny Ray any An-danitra ho azy ireo. Enga anie isika ka hanampy azy ireo hahatsapa sy hiantehitra amin’ny fitiavan’ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany. Ary enga anie ianareo tsy hanadino mihitsy fa “ny endrik’i Kristy dia [afaka] ny hisoritra eny amin’ny tarehinareo. Ary mba hahatrarana ireo tanjona azo tanterahina rehetra, ao amin’izany kilasy izany amin’izany fotoana izany sy ao anatin’ilay fihetsika aseho miaraka amin’ilay fanentanam-panahy dia ianareo no Izy ary Izy dia ianareo.”29

Amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Chad H Webb, “Miresaka an’i Kristy isika, mifaly amin’i Kristy isika” (lahateny natao tamin’ny fampitahana mivantana ny fampiofanana isan-taona nokarakarain’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 12 jona 2018).

  2. Jereo ny Kim B. Clark, “Mianara Amiko” (takariva hiarahana amin’ny Manampahefana Ambony, 26 jan. 2018).

  3. Boyd K. Packer, “The Ideal Teacher” (address to seminary and institute teachers, June 28, 1962), 5–6.

  4. 1 Korintiana 13:2.

  5. 1 Korintiana 13:1.

  6. 1 Korintiana 13:4.

  7. Lioka 19:5–6; jereo ny Lioka 19:1–6.

  8. Jeffrey R. Holland, “Teaching and Learning in the Church,” Ensign, June 2007, 102; Liahona, June 2007, 70.

  9. Fifandraisana an-tsoratra manokana.

  10. Môrônia 7:48.

  11. Henry B. Eyring, “The Book of Mormon Will Change Your Life,” Ensign, Feb. 2004, 14; Liahona, Feb. 2004, 18.

  12. Jereo ny 1 Jaona 4:19.

  13. Marka 5:32, nampiana fanamafisana.

  14. Marka 5:34

  15. “Aza avela velively hanan-danja kokoa noho ny olona iray mila tiavina ny olana iray mila vahana” (Thomas S. Monson, “Mahita fifaliana ao anatin’ilay dia,” Liahona, nôv. 2008, 86).

  16. Jereo ny Jaona 9:1–38

  17. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:125nampiana fanamafisana.

  18. Jaona 8:1–11

  19. “Maro loatra ireo olona mihevitra ny fibebahana ho toy ny fanasaziana, zavatra iray izay tokony hosorohina afa-tsy ao anatin’ireo toe-javatra faran’izay ratsy. Saingy i Satana no mamorona izany fahatsapana ho voasazy izany. Izy dia miezaka ny manakana antsika tsy hibanjina an’i Jesoa Kristy,izay mijoro mamelatra ny sandriny,manantena sy vonona ny hanasitrana, hamela, hanadio, hampatanjaka ary hanamasina antsika. …

    Tsy misy zavatra manafaka kokoa sy maha-olom-banona kokoa na lehibe kokoa eo amin’ny fivoaran’ny tenantsika manokana noho ny fibebahana tsy tapaka sy ny fifantohana amin’izany isan’andro. Ny fibebahana dia tsy zava-mitranga indray mandeha fa dingana arahina. Fanalahidin’ny fahasambarana sy fiadanan-tsaina izany. Rehefa ampiarahina amin’ny finoana ny fibebahana dia manokatra ny fahazoantsika ny herin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy (Russell M. Nelson, “Afaka manao tsaratsara kokoa sy ho lasa tsaratsara kokoa isika,” Liahona, mey 2019, 67).

  20. Dale G. Renlund, “Ilay Mpiandry Tsarantsika,” Liahona, mey 2017, 30.

  21. Isaia 61:1

  22. Jereo ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izaoLiahona,mey 2017, 145.

  23. Ireo mpikaroka ao amin’ny Brigham Young University dia nahita andiana mpampianatra izay nahazo isa ambony tokoa tamin’ny fanontaniana fanaovana fanadihadiana izay sady manamafy orina ara-panahy no mampitombo ny faharanitan-tsaina. Nangataka ireo mpampianatra izy ireo mba hizara antsipirian-javatra momba ny fomba nampianaran’izy ireo sy nifaneraserany tamin’ny mpianatra. Namorona fanadihadiana nahitana fanontaniana 15 ireo mpikaroka, niainga avy tamin’ny zavatra nozarain’ilay andiana mpampianatra. Taorian’izay izy ireo dia nandefa izany fanadihadiana izany tany amin’ny mpianatra maromaro ary nangataka azy ireo hilaza izay fitondrantenan’ny mpampianatra nitondra fiantraikany lehibe indrindra teo amin’ny fanamafisana orina azy ireo ara-panahy sy ny fampitomboana ny faharanitan-tsain’izy ireo. Araka ilay fanadihadiana dia namaly ny mpianatra fa ny antony voalohany indrindra nahazoana ireo vokatra ireo dia ireo mpampianatra izay “maneho fa mino ny fahafahan’ny mpianatra hahavita zavatra lehibe.” Ny antony faha-enina ena manan-danja indrindra dia ireo mpampianatra “mahatsapa sy maneho firaharahiana sy fitiavana ho an’ny mpianatra.” Mba hahazoana fampahalalana fanampiny momba ity fanadihadiana ity, dia jereo ny Alan L. Wilkins and A. Jane Birch, “Spiritually Strengthening and Intellectually Enlarging Faculty: What Students Want,” Perspective, Spring 2017, 30–37.

  24. First Presidency Shares Messages from General Conference Leadership SessionApr. 4, 2019, mormonnewsroom.org

  25. Jereo ny Ronald A. Rasband, “Jesus Christ Is the Answer” (evening with a General Authority, Feb. 8, 2019); “Suicide—Instructions for Inservice Leaders.” Ny tranonkalan’ny Fiangonana “Espoir et aide” dia manolotra loharanon-kevitra hanampiana ny mpampianatra amin’ny lohahevitra isan-karazany, anisan’izany ny: fanararaotana, ny fiankinan-doha, ny fiatrehana ny pôrnôgrafia, ny fahafatesana sy ny falahelovana ary ny famoizana havan-tiana, ny fahasembanana, ny fisaraham-panambadiana, ny fahasalamana ara-pihetsehampo sy ara-tsaina, ny Môrmôna sy ny lahy tia lahy na ny vavy tia vavy, bevohoka tsy manambady, ary ny famonoan-tena.

  26. Apokalypsy 12:10

  27. D. Todd Christofferson, “Izay rehetra tiako no anariko sy faiziko,” Liahona, mey 2011, 97.

  28. Jereo ny Neil L. Andersen, “The Faith to Find and Baptize Converts” (seminar for new mission presidents, June 25, 2016).

  29. Boyd K. Packer, “The Ideal Teacher,” 6.

Hamoaka printy