Fampitana fanao isan-taona
Vatofantsika ara-panahy


Vatofantsika ara-panahy

Fampitana ny fivoriana fanao isan-taona an’ny S&I ho an’ny taona 2024

Zoma 26 janoary 2024

Lehibe tsy lavitra ny morontsirak’i Californie du Sud i Kristu vadiko, ary tia ranomasina hatrizay izy. Isan’ny zavatra tiany indrindra ny mitsidika ireny tilikambo fanilon-tsambo ireny. Na dia efa mipetraka lavitry ny ranomasina aza izahay ankehitriny dia efa niara-nitsidika tilikambo fanilon-tsambo 15 samy hafa izahay, ary nianatra ny antony tena itiavany azy ireny aho. Manohina ny foko ny sarina tilikambo fanilon-tsambo iray izay mijoro matanjaka manohitra ny rivotra sy ny onja satria mifototra lalina sy azo antoka tsara anaty vato fototra izany ka na dia eo aza ny tafio-drivotra mahery dia tsy misy na inona na inona afaka manaisotra izany avy amin’ilay fototra ijoroany. Torak’izany koa, ny fanantenantsika dia ny mba hahita ireo mpianatsika afaka ny hiatrika izay mety ho karazana tafio-drivotra mandalo eo amin’ny fiainan’izy ireo. Misaotra anareo manome ilay vatofantsika ara-panahy ilain’izy ireo sy manampy azy ireo hanorina ny fototr’izy ireo eo amin’i Jesoa Kristy.

Noho ireo ezaka mahatalanjona nataonareo tao anatin’izay roa taona lasa izay, dia niampy 57.000 ireo mpianatra institiota, ary ireo nisoratra anarana tamin’ny seminera kosa dia niampy 22.000 na dia nihena aza ireo afaka ny ho mpianatra. Amin’izao fotoana izao isika dia manana ny taha ambony indrindra an’ny mpianatra seminera nisoratra anarana. Misaotra anareo namaly ilay fanasan’ny Filoha Nelson mba hanampy amin’ny fanangonana taranaka iray. Araky ny efa nampianariny, isaky ny manao zavatra izay hanampy olona ianao mba hanao sy hitandrina fanekempihavanana amin’ Andriamanitra dia manangona an’i Isiraely izay ianao.1 Ankoatra ny fitomboan’ireo mpisoratra anarana dia namana avy amin’ny finoana hafa miisa 25.000 no nanatrika kilasy ary 9.000 amin’izy ireo no natao batisa.

Misaotra anareo noho ireo fanasana manokana natolotrareo sy noho ny fiarahanareo miasa amin’ireo mpitarika ny Fiangonana sy ireo ray aman-dreny, ary noho ny famporisihanareo ireo mpianatrareo mba hanasa ny naman’izy ireo. Mitondra fiovana miavaka ny zavatra ataonareo ary tsy amin’ny isan’ny mpisoratra anarana fotsiny izany. Ny tena fiovana dia eo amin’ny fiantraikany entinareo. Maro ireo fiainana miova isan’andro rehefa manatrika ny kilasinareo sy rehefa mahatsapa ny fitiavanareo sy finoanareo, ary rehefa mandray ny fanasanareo mba handalina soratra masina sy hihaino ny feon’ Andriamanitra izy ireo. Misaotra anareo mampihatra ny finoanareo ho fitahiana ny maromaro kokoa amin’ireo zanak’ Andriamanitra hatrany eo am-pizaranareo vatofantsika ara-panahy izay ilain’izy ireo fatratra tokoa.

Mba hanaovana ezaka hanohizana hitady fomba tsara kokoa hitahiana ireo mpianatra dia nanandrana taranja iray vaovao ho an’ny seminera isika taona maro lasa izay. Nandritra ny telo volana sy tapan’ny taom-pianarana isika dia nampianatra taranja institiota nasiam-panovana an’ireo mpianatra seminera taona voalohany antsoina hoe “Scripture Study Fundamentals” (Ireo zavatra fototra amin’ny fandalinana soratra masina). Taorian’ny telo volana sy tapany dia tsikaritra fa ireo mpianatra nanatrika ilay kilasy dia nandroso be tokoa noho ireo namany eo amin’ny fahaizan’izy ireo manao fandalinan’ny tena manokana soratra masina amin’ny fomba manan-danja, sy ny fandraisan’izy ireo anjara amin’ny fifanakalozan-kevitra ao an-dakilasy. Tokony ho tamin’izay fotoana izay ihany dia nisy fandaharam-pianarana nantsoina hoe Succeed in School (Mahomby any an-tsekoly) izay nahomby tokoa tamin’ny fanampiana ireo mpianatra hahay kokoa any am-pianarana sy ho vonona kokoa ho an’ireo fahafahana hianatra any aoriana. Tsikaritry ny Loholona Gilbert avokoa ireo traikefa ireo ary nanomboka namporisika mafy anay izy mba handinika ny zavatra nampianarin’ny Tompo anay.

Raha mbola nitranga izany dia nanomboka nisy fifanakalozan-kevitra teo amin’ireo mpikambana ao amin’ny Departemantan’ny Asa fitoriana mikasika ny fomba hafa ahafahan’ny seminera manampy amin’ny fanomanana ireo ho misiônera. Nisy fifanakalozan-kevitra hafa koa teo amin’ireo mpikambana ao amin’ny Departemantan’ny Tempoly mikasika ny fanampiana ireo mpanatrika fotoana voalohany any amin’ny tempoly mba hiaina zavatra manan-danja any amin’ny tempoly ary mba hahatakatra ireo fanekempihavanana izay hataon’izy ireo. Ny sasany dia niresaka tamin’ireo mpikambana ao amin’ny Departemantan’ny fifanampiana sy fizakan-tena mikasika ny fiatrehana ny fitomboan’ny filàna amin’ny fahaiza-miarina ara-pihetseham-po sy ny fizakan-tena. Tamin’io fotoana io ihany no nifanakalozan-kevitra mikasika ny fifantohana bebe kokoa amin’ny fampianaran’ireo mpaminany maoderina, izay fanirina nananan’ny maro hatry ny ela.

Maro ny hevitra nivondrona, toy ny sakeli-drano mikoriana makamin’ny renirano, izay toa nampitodika anay handeha amin’ny lalana mitovy. Teo am-pieritreretana ireo asa azo atao izahay dia nahatsapa fa manana toerana miavaka ny seminera. Ireo olona tsara hafa, toy ireo mpanolotsaina any an-tsekoly na mpitsabo mpanolotsaina ho an’ny fianakaviana, dia afaka mitondra vahaolana amina lohahevitra araka izay ilaina ary afaka manampy tokoa, saingy miavaka izahay amin’ny fahafahanay mitondra vahaolana amin’ireo lohahevitra ireo amin’ny alalan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny. Tsapanay ihany koa fa miavaka izahay ato amin’ny Fiangonana vokatry ny habetsaky ny fotoana hiarahanay amin’ireo tanora isan-kerinandro.

Miavaka ihany koa izahay ao amin’ny tantaranay manokana. Hatry ny nampifanarahana ny fandaharam-pianarana tamin’ny Avia, hanaraka Ahy, dia mitovy ny bokin-tsoratra masina ianarantsika sy ireo isam-batan’olona, fianakaviana, ary kilasy sasany ao amin’ny Fiangonana. Nahatonga anay nametra-panontaniana izany raha toa ka afaka manokana ny fotoana sarobidy anananay izahay mba hiresaka momba ny lohahevitra manokana ao amin’ny sahan-kevitry ny fandalinantsika soratra masina. Noho ireo sakeli-drano mikoriana ao amin’ny reniranon’ny fieritreretanay ireo dia mifikitra amin’ny hevitra fototra vitsivitsy izahay. Manolo-tena izahay mba hifantoka amin’ny Kristy sy hifototra amin’ny soratra masina ary hifantoka amin’ny mpianatra mandrakariva. Hiezaka mandrakariva izahay mba hanasa ny Fanahy Masina sy hifantoka amin’ny tanjonay dia ny mampiorom-paka ny fiovam-po ao amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny.

Rehefa nandinika ombam-bavaka izahay ny amin’ny fomba hiantefan’izany amin’ireo ezaka ataonay mba hitahy ny tanora dia nampahatsiahivina izahay fa ny Loholona David A. Bednar dia nampianatra ny lanjan’ny fandalinana ny soratra masina amin’ny fomba telo: araky ny filaharany, araky ny lohahevitra, araky ny hevi-dehibe. Nampianatra izy hoe:

“Ny famakiana bokin-tsoratra masina iray hatrany amin’ny fiantombohany ka hatramin’ny farany dia mampiantomboka ny fikorian’ilay rano velona eo amin’ny fiainantsika amin’ny alalan’ny fampahafantarana antsika ireo tantara sy fotopampianaran’ny filazantsara manan-danja ary ireo fitsipika maharitra mandrakizay. …

“… Ny fandalinana araka ny lohahevitra dia mampitombo ny halalin’ny fahalalantsika”.

Notohizan’ny Loholona Bednar hoe:

“Ampahany amin’ny hevitry ny hoe -mivoky- amin’ny tenin’i Kristy ny mikaroka amim-pahazotoana mba hahitana ny fifandraisana sy ny lamina ary ny lohahevitra. Izany fomba fianarana izany dia afaka manokatra ny varavaran’ilay loharanon’ny fahalalana ara-panahy sy manazava ny fahatakarantsika amin’ny alalan’ny Fanahin’ny Tompo, ary miteraka fankasitrahana lalina ho an’ireo soratra masina sy karazana fanolorantena ara-panahy izay tsy afaka ny ho azo amin’ny fomba hafa. Ny fikarohana toy izany dia mahatonga antsika hiorina eo amin’ny vatolampin’ny Mpanavotra antsika sy hahatohitra ireo rivotry ny faharatsiana amin’izao andro farany izao”.2

Satria fantatray fa mila mitoetra ho mahatoky amin’ilay fampianarana manaraka ny filaharan’ny soratra masina izahay ary mba hanohy ny tombotsoa azo avy amin’ny fampifanarahana amin’ny Avia, hanaraka Ahy, ary satria koa fantatray fa ireo tanorantsika dia miatrika zava-tsarotra manokana sy mila miomana ho amin’ny hoavin’izy ireo, dia nanolotra izao tolo-kevitra manaraka izao tany amin’ny Filankevi-pitantanan’ny fampianarana izahay. Izao aho dia hamaky avy amin’ilay tatitry ny fivorian’ny filankevitra.

Ny fitantanana ao amin’ny Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara dia mandroso tolo-kevitra mba hamoronana fandaharam-pampianarana ho an’ny seminera izay mampianatra ny Avia, hanaraka Ahy amin’ny fomba manaraka ny filaharan’ny soratra masina mandritra ny telo ka hatramin’ny efatra andro isan-kerinandro, ary lesona manaraka hevi-dehibe in-dray na in-droa isan-kerinandro (novolavolaina avy amin’ny lohahevitra toy ny misiôna sy ny tempoly ary ny fiomanana amin’ny fianarana; fahaizana mandalina soratra masina; fahaiza-miarina ara-pietsempo; fahaiza-miaina; ary fampianaran’ny mpaminany maoderina). Ho tsongaina avy amin’ny soratra masina ihany koa ireo lesona manaraka hevi-dehibe ary hifantoka amin’ireo fitsipiky ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny.

Nankatoavina tamim-pifaliana ilay tolo-kevitra mba hapetraka manerana izao tontolo izao manomboka ny janoary 2025.

Mariho azafady fa hanohy hampianatra ny soratra masina manaraka ny filaharana isika isan-kerinandro. Tsy maintsy tohizantsika ny fanampiana ireo mpianatsika mba hitombo ny fahatokian-tena ananan’izy ireo amin’ny fahaizan’izy ireo mandalina sy mahatakatra ireo soratra masina sy mahafantatra ary miaina ireo fitsipika izay ampianarin’izy ireny. Hotohizantsika ihany koa ny fanampiana ny tanora mba hahazo ny valin’ireo fanontaniana ananany amin’ny alalan’ny fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy sy mba higoka ny vokatra tsara avy amin’ny fifehezana fotompampianarana. Hisy lesona vaovao manaraka lohahevitra, antsoina hoe “lesona manomana amin’ny fiainana,” hampidirina ao amin’ilay fandaharam-pampianarana vaovao. Ireo lesona ireo dia hiresaka momba ireo filàna manokan’ny mpianatra seminera amin’ny fomba izay hampitohy ny fifantohana amin’ny Kristy sy hampifototra amin’ny soratra masina ary hampifantoka amin’ny mpianatra.

Hamela anareo hampiasa ny fahaiza-manao sy ny zavatra niainana ary ny fanomezam-pahasoavana anananareo ireo lesona ireo amin’ny maha mpampianatra soratra masina manaraka ny filaharany anareo. Tsy hoe mamerina manova ny zava-drehetra izany. Tsy mangataka anareo mba ho manam-pahaizana amin’ny iray amin’ireo lohahevitra akory izahay. Raha ny marina dia manantena izahay fa tsy hisolo ny toeran’ny ray aman-dreny na ny mpitsabo mpanolotsaina na ny mpanolotsaina na ny manampahaizana manokana ianareo. Ny hany angatahinay aminareo dia ny mba hifotoranareo mafy amin’ny fampianaran’i Jesoa Kristy araka izay voalaza ao amin’ireto fitaovana ho an’ny fampianarana mifandray sy nankatoavina ireto.

Hisy fitaovana halefa any aminareo amin’ny volana jolay 2024 mba hanampy anareo amin’ny fiomanana amin’ny 2025, izay hisy ny Avia, hanaraka Ahy sy ireo lesona manomana amin’ny fiainana ihany koa. Mamporisika anareo izahay mba hijery ireo lesona ireo amin’izany fotoana izany ary mamporisika anareo ihany koa mba hanomboka hizara io filazana io amin’ireo ray aman-dreny sy mpitarika eo an-toerana ary ireo mpiandraikitra any an-tsekoly mba hanampy amin’ny famporisihina mpianatra bebe kokoa mba hisoratra anarana. Manantena izahay fa hahatonga ny fahafaha-manao zavatra ara-panahy hiasa amin’ny fomba tsy mbola fahitantsika teo aloha ny fampitambarana ny fandalinana soratra masina manaraka ny filaharany sy hevi-dehibe.

Ny fanantenanay dia ny mba hanampy amin’ny fanomanana taranaka tanora iray hahafantatra ny fomba handalinana ny soratra masina ary mba hifamatotra amin’ireo fampianaran’ireo mpaminany velona. Taranaka zatovo mahay miarina ara-pihetseham-po iray, izay manana ny fahaiza-manao sy fahafahana mba hahomby any an-tsekoly sy ho ray sy reny mendrika ary hitarika ny Fiangonana sy ny fiaraha-monina misy azy. Ny fanantenanay dia ny mba hanampy taranaka iray ho vonona ny hahatakatra ireo fanekempihavanan’ny tempoly, ary ho feno fanoloran-tena lalina mba hitandrina azy ireny, ary taranaka misiônera izay mendrika, mahafeno fepetra, manana hery ara-panahy, ary vonona ny hisolo tena ny Mpamonjy amin’ny fanasana izao tontolo izao mba hanatona Azy.

Ny fanantenanay dia ny mba hanomana taranaka mpanara-dia an’i Jesoa Kristy izay manana fiovam-po lalina ao Aminy sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny nandritra ny fiainan’izy ireo. Mamerina misaotra anareo izahay noho ny fanangonana taranaka sy noho ny fiantraikany mahatalanjona entinareo eo amin’izy ireo. Fantatray fa zavatra maro no takina aminareo. Misaotra anareo noho ny zavatra tena tsara rehetra ataonareo. Mino aho fa hahita fahagagana ianareo rehefa manohy mampihatra ny finoanareo, fa ny Tompo dia vonona ny hampatanjaka sy hiaro ireo mpianatsika ary hijoro hiatrika ireo tafio-drivotr’izao andro farany izao. Hanohy ny fanampiany anareo ny Tompo. Izay no asany. Izay no maha Izy Azy. Mijoro ho vavolombelona ny Aminy aho amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Russell M. Nelson sy Wendy W. Nelson, “Fanantenana ho an’i Isiraely” (fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny zatovo, 3 jona, 2018), Médiathèque de l’Evangile.

  2. David A. Bednar, “A Reservoir of Living Water” (Brigham Young University devotional, Feb. 4, 2007), 3, speeches.byu.edu.

Hamoaka printy