Fampitana fanao isan-taona
“Mitenena; Jehovah ô; fa mihaino ny mpanomponao”


“Mitenena; Jehovah ô; fa mihaino ny mpanomponao”

Fampitana ny fivoriana fanao isan-taona an’ny S&I, janoary 2024

Zoma 26 janoary 2024

Feno fankasitrahana aho miaraka aminareo amin’ity fampitana ny fanofanana maneran-tany ity. Nampientanentana ahy ny zavatra nozarain-dRahalahy Webb taminareo mikasika ireo fanavaozana hisy amin’ireo fandaharam-pampianarana seminera. Fivoarana manan-tantara izay hampivoatra ny fanomanana amin’ny fiainana an’ireo zatovo manerana ny Fiangonana izany. Noho izy ireo mifototra amin’i Jesoa Kristy sy miorim-paka mafy amin’ny soratra masina dia mahita zatovolahy sy zatovovavy izay tsara fiomanana kokoa amin’ny asa fitoriana aho, miezaka amin’ireo fanekempihavanana nataon’izy ireo tao amin’ny tempoly, mahay miarina ara-pihetseham-po kokoa, mizaka tena kokoa ary tsara fiomanana kokoa amin’ny fidirana any amin’ny oniversite.

Ho an’ireo mpampianatra seminerantsika, ianareo dia mandray anjara amin’ny fanomanana amin’ny fiainana tena manan-danja izay ilain’ireo zatovontsika sy izay zavatra hilain’izy ireo mba hahalasa azy ireo ho mpianatr’i Jesoa Kristy amin’izao vanim-potoan’ny savorovoro izao. Manantena aho fa hahita ilay fitaoman’ny fanahy ao ambadik’ireo lesona ireo ianareo ary hamantatra ilay anjara asanareo amin’ny fanomanana ireo zatotovonareo amin’ny ho avy miandry azy ireo. Mivavaha mba hahazo hevitra sy fitaomam-panahy, hahitanareo ny lalan’izy ireo amin’ny hoavy. Katsaho ny hanana faharesen-dahatra mba hanentanana azy ireo hiomana. Vanim-potoana mahatalanjona tokoa izao ampianarana seminera ary andraikitra mahafinaritra tokoa no hifampizarantsika rehetra.

Ny lahateniko dia hifantoka amin’ireo mpampianatra institiota kanefa ireo fitsipika dia hanan-danja amintsika rehetra izay miezaka ny mihaino sy manamafy ny tenin’ireo mpaminantsika. Manoro hevitra an’i Samoela izay ho mpaminany amin’ny hoavy i Ely ao amin’ny Testamenta Taloha mba hamaly ilay antso avy any an-danitra ka hilaza hoe: “Mitenena, Jehovah ô; fa mihaino ny mpanomponao.”1 Io lamina io no namela an’i Samoela ho lasa mpitondratenin’ny Tompo tamin’ny androny. Ampahany amin’ilay fahagagana noho ny fisian’ny mpaminany velona ny fananantsika mpitarika izay hatokisan’ny Tompo mba hihaino Azy sy hampianatra ny teniny.

Tamin’ny taona lasa dia nizara teny 5 nantitranterin’ny mpaminany aho izay nohamafisin’ny mpaminany sy ny apôstôly tamin’ireo tanorantsika:

  1. Fantaro ny maha-andriamanitra anao.

  2. Ampiasao ny herin’i Jesoa Kristy ao amin’ireo fanekempihavanana nataonao.

  3. Avelao Andriamanitra hanjaka ary araho ny mpaminaniny.

  4. Mampianara fahamarinana amim-pitiavana.

  5. Raiso an-tanana ny fijoroana ho vavolombelonao.

Mbola manan-danja kokoa noho ireo lohahevitra angamba ireo hafatra manokana izay nisintonana azy ireo, hafatra izay nampitaina tamin’ny alalan’ny mpaminany tamin’ireo tanora amin’izao androntsika izao. Ohatra, ny iray amin’ireo hafatra fototra izay nezahintsika nohamafisina dia avy amin’ny fampaherezam-panahy maneran-tany nataon’ny Filoha Nelson niarahany tamin’ny tanora izay mitondra ny lohateny hoe “Safidy ho an’ny mandrakizay.” Ireo lohahevitra hoe “Fantaro ny maha-andriamanitra anao” sy “Raiso an-tanana ny fanananareo fijoroana ho vavolombelona” dia avy amin’io hafatra io.2 Namporisika anareo izahay mba handalina ny tsirairay amin’ireo teny nantitranterin’ny mpaminany ireo. Nangataka anareo izahay mba hamantatra azy ireo sy hampiditra azy ireo ao amin’ny fampianaranareo sy ny fandaharam-pampianaranareo. Manan-danja kokoa noho izany aza, nanasa anareo izahay mba hampiditra izany ao amin’ny fomba famalianareo fanontaniana sy eo amin’ny fomba hanompoanareo mba hanomezana izay ilain’ny mpianatrareo.

Feno fankasitrahana aho noho ny maro aminareo izay nanaiky ireo fanasana ireo sy nikatsaka fomba hanamafisana ny tenin’ireo mpaminany sy apôstôlintsika amin’ireo tanoran’ny Fiangonana. Tany am-boalohany dia nangatahina ireo mpampianatra ny filazantsara sy ny institiota hanavao ny fandaharam-pampianarany mikasika ny taranja Fampianaran’ireo mpaminany velona mba hahitana ireo teny vao haingana nantitranterin’ny mpaminany ireo tamin’ireo tanorantsika. Saingy maro be taminareo koa no nahatsikaritra fa ny tenin’ny mpaminany velona dia afaka manamafy sy mameno ireo fandaharam-pianarana mifototra amin’ny soratra masina. Ohatra, nisy mpampianatra iray ao amin’ny BYU nahita fomba ampifandraisana ilay lahateny hoe “Safidy ho an’ny mandrakizay” sy ireo hafatry ny mpaminany ao amin’ilay fandaharam-pianarana Fampianarana ny filazantsara 275 “Fampianarana sy Fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna”. Nilaza izy fa: “Ireo fampianarana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia hamafisin’ireo teny nantitranterin’ny mpaminany ankehitriny ary ny mifamadika amin’izany ihany koa dia marina. Tena manova be ny fahatakarana ireo fitsipiky ny filazantsara ny fampiarahana ireo loharanom-pitaovana roa ireo.”

Ny mpandrindra instiota iray any Atlanta dia nizara ny fomba nahafahany nampiditra ireo teny nantitranterin’ny mpaminany tao amin’ny fampianarany ny taranja Fampianarana ny filazantsara 250 “Jesoa Kristy sy ny Filazantsara Maharitra Mandrakizay”. Ohatra, tamin’ny lesona faharoa, “Manamafy ny fanananareo fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy,” dia afaka nampiditra ireo lohahevitry ny maha-andriamanitra sy ny fandraisana an-tanana ny fanananareo fijoroana ho vavolombelona avy tao amin’ny “Safidy ho an’ny mandrakizay” izay nataon’ny Filoha Nelson izy. Ao amin’ny lesona 10, “Manaraka ny ohatry ny fanoavana nasehon’i Jesoa Kristy,” dia nasainy hifantoka amin’ilay lahateny hoe “Aoka Andriamanitra no hanjaka” ny mpianatra.3 Ao amin’ny lesona 18 “Mandray ny fanomezam-pahasoavana masin’ny famindram-pon’ny Mpamonjy” dia nifantoka tamin’ilay lahatenin’ny Filoha Nelson hoe: “Ny fanekempihavanana maharitra mandrakizay” izy.4

Ny hafa dia namariparitra fa ny fananana fahatakarana lalina an’ireo teny nantintranterin’ny mpaminany ireo dia manampy azy ireo hamaly ireo fanontaniana momba ny filazantsara amin’ny fomba mandeha ho azy. Ny mpampianatra institiota iray any amin’ny Oniversite dia nizara ny fomba nahafahan’ny fifanakalozan-kevitra mahakasika ny fanatrehana ny Tempoly nanampy azy hitodika amin’ilay lahatenin’ny Filoha Nelson hoe: “Ny Tempoly sy ny fototra ara-panahinao.”5 Hoy izy nizara: “Noho ny fampiasana ny tenin’ny Filoha Neson dia nazava tamin’ireo izay sahirana nitady fifaliana tamin’ny asa fanompoana nataon’izy ireo tany amin’ny tempoly ny hafatra hoe -Mandrosoa hatrany-.” Nisy mpampianatra institiota iray hafa any Panama nizara ny fomba nanampian’ireo fampianarana avy amin’ny Filoha Nelson sy ny Loholona Neil L. Andersen azy ireo ho mpampihavana amin’ny olana iray izay nitarika fisaraham-bazana lehibe teo an-toerana. Nisy mpampianatra iray hafa izay nizara mikasika ny fotoana iray izay nanontaniana azy hoe nahoana no tsy afaka manao tsinotsinona ireo lalàn’ Andriamanitra isika raha toa ka manahirana ny olona izany, dia afaka nitodika tamin’ny lahateny nataon’ny Loholona D. Todd Christofferson hoe: “Le premier commandement en premier.”6

Rehefa manohy manamafy ireo fampianaran’ireo mpaminany velona isika dia mahita ny vokatry ny ezaka ataontsika miseho eo amin’ireo mpianatsika rehefa mampiasa amin’ireo teny nantitranterin’ny mpaminany ireo izy ireo. Tao amin’ny kilasy “Mamaly ireo Fanontaniana momba ny filazantsara” dia nisy mpampianatra institiota iray namariparitra fanontaniana iray momba ny olana mahakasika ny LGBTQ izay nahitana ireo mpianatra nampiasa avy hatrany ilay hafatry ny Filoha Nelson momba ny fahafantarana ny maha-andriamanitra anao tao amin’ny “Safidy ho an’ny mandrakizay.” Nisy iray hafa izay nanazava ny fomba niresahan’ny mpianatra ilay hafatra avy tamin’ny Filoha Dallin H. Oaks mba hijoro tsara amim-pitiavana amin’ny fanambarana ny marina rehefa niatrika fanontaniana sarotra momba ny filazantsara izy ireo tamina fifanakalozan-kevitta nifanaovany tamin’ireo namany.

Naharay ny fitaomam-panahy ho ahy manokana aho mba hanamafy ireo teny nantitranterin’ireo mpaminany amin’ireo tanora. Tamin’ny ririnina lasa aho dia niara-nampianatra tamin’i Dean Scott Esplin an’ilay taranja “Fampianaran’ny Mpaminany velona” tao BYU nandritra ny efa-bola sy tapany. Nasongadinay ny tsirairay tamin’ireo teny dimy nantitranterin’ny mpaminany ireo nandritra ilay taranja. ’Rehefa niresadresaka ireo lohahevitra ireo niaraka tamin’ireo mpianatra izahay dia nazava tamiko ny nampahery vaika ireo torohevitra avy amin’ny mpaminaniana ankehitriny ho an’ireo tanora ireoamin’ izao vanim-potoana manan-danja amin’ny fiainan’izy ireo izao.

Nanampy ahy hanatsara ny fomba fampianarako ireo fitsipika ireo io lesona io ary nanampy ahy hahatakatra kokoa hoe ampahany inona amin’ireo hafatra no tokony hampiasaiko rehefa manana fanontaniana ireo tanora. Nahazo fahatsapana iray hafa aho mba handray anjara amin’ireo andiana atrik’asa amin’ny institiota. Araka ny efa fantatrareo, ny ampahany amin’ilay ezaka voarindra “Havaozy ny institiota” dia ahitana ny famoronana atrik’asa amin’ny endriny fohifohy izay manampy amin’ny fitaomana ireo olona izay tsy mbola manatrika izany hanao institiota.

Namokatra atrik’asa mizara roa miompana amin’ilay lahateny nataon’ny Filoha Nelson: “Safidy ho an’ny mandrakizay” izahay raha niara-niasa tamin’ny Institiotan’i Logan tao amin’ny oniversiten’i Utah State aloha, ary avy eo tamin’ny Institiotan’i Salt Lake tao amin’ny oniversiten’i Utah, ary vao haingana indrindra tany Afrika tany amin’ny Inistitiotan’i Brazzaville tany amin’ny Repoblikan’i Congo niaraka tamin’ny Institiotan’i Kinshasa tao amin’ny Repoblika Demôkratikan’i Congo. Ilay fivoriana nandritra ilay herinandro voalohany dia nifantoka tamin’ilay teny nantitranterin’ny mpaminany hoe mahafantatra ny maha-andriamanitra anao. Ilay fivoriana tamin’ilay herinandro faharoa dia nifantoka tamin’ilay teny nantitranterin’ny mpaminany hoe mandray an-tanana ny fanananareo fijoroana ho vavolombelona. Ireo no voalohany sady farany tamin’ireo teny nantitranterin’ny mpaminany nasainay namafisinareo.

Taorian’ilay fivoriana voalohany dia nanasa ireo mpianatro aho mba hitondra namana iray mandritra ilay fivoriana faharoa, namana izay mety sahirana amin’ny fanontaniana ara-pinoana momba ny fijoroana ho vavolombelona ananany. Saika ho avo roa heny ny isan’ireo mpanatrika tao amin’ny iray amin’ireo atrik’asa. Eo am-panohizantsika mampiasa ireo atrik’asa mba hampitomboana ny maha-zava-dehibe ny institiota sy ny fahafahana miditra amin’izany dia te hanome fanasana ho an’ireo mpampianatra institiota tsirairay aho mba hitady fahafahana hampitombo ireo atrik’asa kendrena izay mifantoka amin’ireo teny nantitranterin’ny mpaminany voalaza teo ireo. Te hamporisika anareo aho mba hifantoka manokana amin’ireo fampianaran’ny Filoha Nelson ary hanamafy ilay hafatra fototra nomeny hoe: “Safidy ho an’ny mandrakizay.”

Hatramin’ny fotoana izay nizarantsika ilay torohevitra voalohany momba ny teny nantitranterin’ny mpaminany tamin’ireo tanora dia naharay torohevitra fanampiny avy amin’ny Tompo isika tamin’ny alalan’ireo mpanompony velona nandritra ireo fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny tanora sy nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Nanamafy ilay torohevitry ny Filoha Nelson hoe fantaro ny maha-andriamanitra anao. ny Loholona Quentin L. Cook nandritra ny hafatra ho an’ny tanora maneran-tany nozarainy tamin’ny fararano 2023. Nilaza izy fa ampahany amin’ny olana eo amin’ny fananana finoana an’Andriamanitra dia vokatry ny fikorontanan-tsaina momba ny tena maha-izy antsika.

Nanazava ny Loholona Cook. hoe: “Niresaka momba izany tamin’ny fomba mahery vaika ny Filoha Russell M. Nelson. Nanantitrantitra fiantsoana telo tsy miova izy hoe: -zanak’ Andriamanitra-, -zanaky ny fanekempihavanana- ary -mpianatr’i Jesoa Kristy-.” Talohakelin’io dia nanamafy ilay lohahevitra nozarain’ny Filoha Nelson ny Loholona Cook fa tokony handray an-tanana ny fanananao fijoroanaho vavolombelona ianao raha nilaza izy hoe: “Miatrika toe-javatra iainana mety hitarika ho amin’ny fanozongozonana ny finoan’izy ireo ny taranaka rehetra. … Mila mamantatra sy mandray fahalalana ary fijoroana ho vavolombelona ho azy manokana ny taranaka tsirairay.”7

Nandritra ny fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny tanora tamin’ny mey 2023 dia nampahatsiahy antsika ny Filoha Dallin H. Oaks ny tokony hijoroantsika amin’ny fahamarinana amim-pitiavana amin’ny alalan’ny fanamafisana ireo didy roa lehibe.8 Nindrana ny teny nambaran’ny Loholona D. Todd Christofferson, Apôstôly miara-manompo aminy izy: “Ny fametrahana ny didy voalohany ho lohalaharana dia tsy mampihena … ny fahafahantsika mitandrina ny didy faharoa. Ny mifanohitra amin’izany mihitsy, mampitombo sy manamafy azy izany. … Ny fitiavantsika an’ Andriamanitra dia mampitombo ny fahafahantsika mitia feno sy tanteraka kokoa ny hafa satria … raha ny tokony ho izy dia mpiara-miasa amin’ Andriamanitra isika amin’ny fiahiana ireo zanany.”9

Nampahatsiahy antsika ny Filoha Oaks fa mbola afaka mitia ny hafa foana isika ary mitady marimaritra iraisana kanefa tsy mampandefitra ireo fahamarinana izay fantatsika. Tao amin’ny lahateniny vao haingana indrindra izay mitondra ny lohateny hoe “Saino amin’ny fomba selestialy!” dia nanolotra io teny nantitranterin’ny mpaminany io ihany ny Filoha Nelson dia ny fijoroana amin’ny fahamarinana na rehefa mandalo fitsapana aza, ary niteny izy hoe: “Tsy ny hevitry ny olona no manapaka ny atao hoe marina. … Rehefa manenjika ny fahamarinana ny olona akaikin’ny fonao dia saino amin’ny fomba selestialy, ary aza isalasalana ny fijoroana ho vavolombelona anananao .”10

Ao anatin’ity fanofanana maneran-tany ity dia manamafy ihany koa ilay fanasana nomeko teo aloha aho ny mba handalinanareo sy hanamafisanareo ireo teny nantitranterin’ny mpaminany ho an’ny tanora ireo. Amin’ny maha-mpampianatra seminera sy institiota antsika dia fomba iray azontsika hitenenana hoe: “Mitenena, Jehovah ô; fa mihaino ny mpanomponao,” ny fihainoana sy fandalinana am-pitandremana ny tenin’ny Tompo araka ny anambarana izany amin’ny alalan’ireo mpaminaniny velona. Afaka ny ho lasa fitaovana mampanakoako ny torolalana efa nozarain’ireo mpaminany tamin’ireo tanorantsika isika.

Anisan’ny antsoko amin’ny maha-Manam-pahefana Ambony ahy ny hijoroako ho - vavolombelon’ny Mpamonjy. Andraikitra iray hafa sahanin’ny Fitopololahy ny tokony haha-loharanon-kevitra anay, alohan’ireo hafa rehetra, ho an’ireo Roambinifololahy. Notendrena hiaraka amin’ny Loholona D. Todd Christofferson eto aho anio izay tohanako amin’ny andraikitro amin’ny maha-Tomponandraikitra misahana ny Fampianarana ahy sy amin’ny maha-Mpiahy ny Kômity Mpanatanteraka ao amin’ny Filankevi-pitantanan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana azy. Miezaka ny ho loharanon-kevitra ho an’ny Loholona Christofferson aho ao anatin’izany antsoko izany. Fa na dia voatendry hiara-hiasa amin’ny Loholona Christofferson aza aho dia miezaka manamafy ny torohevitra sy ny fampianaran’ireo apôstoly tsirairay indrindra indrindra ny an’ny mpaminanin’ny Fiangonana.

Rehefa amin’ny sehatra ara-pivavahana aho, mandritra ireo fihaonamben’ny tsatòka na ireo fivoriam-piofanana ho an’ny mpitarika dia fanamafisana tsotr’izao ireo tenin’ireo mpaminany sy apôstôly ny ankamaroan’ny hafatra zaraiko. Torak’izany koa rehefa manome torohevitra sy manompo ny hafa aho dia mampiasa ny tenin’ireo rahalahy ireo. Amin’ny sehatry ny fampianarana ny filazantsara dia miteny eo amin’ny toeran’ny Tompo amin’ireo zatovon’ny Fiangonana ireo mpaminany sy apôstôly. Manana andraikitra isika hamantatra sy hanamafy ny hafatr’izy ireo. Ry rahalahy sy anabavy, miaina amin’ny andro mahory ireo tanorantsika saingy nanomana mpaminany ny Tompo, izay manana ny antso sy fahafahana ny hilaza hoe: “Mitenena, Jehovah ô; fa mihaino ny mpanomponao.” Enga anie koa isika hanana ny herim-po sy ny fifehezan-tena ary ny finoana hihaino ny tenin’izy ireo ary eo am-panaovantsika izany dia hitondra ny hafatr’ Andriamanitra amin’ireo zanany rehetra maneran-tany isika. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Voninahitra sy fahafahana ho ahy izao ny milaza ny mombamomba ny mpandaha-teny fototra. Nantsoina ho mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo an’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ny Loholona D. Todd Christofferson tamin’ny 5 aprily 2008. Nanana andraikitra mpanara-maso tao amin’ny vondromparitra maro tato amin’ny Fiangonana ny Loholona Christofferson, anisan’izany ny antsony ankehitriny ao amin’ny Vondromparitra Utah sy Afrika Andrefana. Araka ny voalaza teo aloha dia notendrena ho Mpiahy ny Kômity Mpanatanteraka ao amin’ny Filankevi-pitantanan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana izy ankehitriny.

Ankoatr’izay iraka manokana anendrena azy ireo dia manana antso manokana ny ho vavolombelona manokan’ny anaran’ny Mpamonjy ireo Roambinifololahy rehetra. Nahatsikaritra izany toetra miavaka izany aho raha nijery ny Loholona Christofferson rehefa niara-notendrena hitsidika ny BYU–Hawaii teny an-toerana izahay. Ny Loholona Jeffrey R. Holland no notendrena hiahy teo aloha saingy noho ny olana tsy nampoizina iray dia nianjera tamin’ny Loholona Christofferson izany andraikitra izany.

Notanterahiny tamin’ny fomba mahavariana ny anjara asan’ny mpiahy kanefa nandritra ny iray tamin’ireo fivorianay dia nilaza zavatra izay manan-danja mandrakariva ho ahy izy. Hoy izy:, “Amin’ny farany, na inona na inona sehatra na lohahevitra iandraiketantsika, ny asa fototra ampanaovina antsika dia ny ho vavolombelona manokan’ny anaran’i Kristy eo amin’izao tontolo izao.” Raha nilaza ireo teny ireo izy tany Laie, Hawaii dia nijoro ho vavolombelona tamiko ny Fanahy ny amin’ny maha-masina ny antson’ny Loholona Christofferson sy ny fomba hanomezany voninahitra izany antso izany amim-pahamendrehana sy amim-pitandremana. Tombontsoa lehibe ho antsika izao ny hihaino ny Loholona D. Todd Christofferson.

Loholona Christofferson …

Hamoaka printy