Miatrika ireo olam-piainana sy ireo fanamby ara-pinoana
Fampaherezam-panahy maneran-tany ho anʼny tanora
Alahady 19 nôvambra 2023
Loholona Quentin L. Cook: Tsapanay sy i Mary teo am-pandinihanay ilay fanontaniana momba ny fiatrehana ireo olana eo amin’ny fiainana sy fanamby ara-pinoana fa miatrika toe-javatra iainana mety hitarika ho amin’ny fanozongozonana ny finoan’izy ireo ny taranaka rehetra. Lohahevitra roa no antitranterina rehefa mandalina ny soratra masina sy mandinika ireo fomba fifandraisan’ Andriamanitra amin’ireo zanany isika.
Voalohany, noho ny fisian’ny fifanoherana amin’ny zava-drehetra sy ny fisian’ny fahavalo iray izay tsy maniry ny hananantsika finoana an’ Andriamanitra, dia mila mamantatra sy mandray fahalalana ary fijoroana ho vavolombelona ho azy manokana ny taranaka tsirairay.
Faharoa, mila mahatakatra ny momba azy sy ny maha-izy azy mandrakizay ny taranaka tsirairay. Samy saro-pantarina ireo roa ireo noho ny fanirianʼny fahavalo tsy hanananao fahatakarana mazava momba an’ Andriamanitra Ray, sy i Jesoa Kristy ary ny drafitr’Izy Ireo ho an’ny fahasambaranao sy ny fifandraisanao amin’Izy Ireo.
Tanora vao herotrerony izaho sy i Mary tamin’ny taona 1960. Nahavita ny fianarako tao amin’ny Stanford Law School aho ary nanomboka nanao asana mpanao lalàna. Nanao asana manam-pahaizana tao Stanford i Mary tamin’izany ary reny vao herotrerony. Toa samihafa kanefa mitovy tsy misy valaka amin’ny zavatra atrehan’ny tanora ankehitriny ireo olam-pianana sy fanamby ara-pinoana ary fikorontanana ara-piarahamonina nisy tamin’izany.
Mary, inona no sasany tamin’ireo fanamby nisy tamin’izany fotoana izany?
Rahavavy Mary Cook: Nindraindraina be ny kolontsaina tia zava-mahadomelona, indrindra tany amin’ny faritr’i San Francisco Bay nisy anay. Fahita ny rotaka sy ny fihetsiketsehana mahakasika olana ara-piarahamonina. Nalaza be koa ny fandraisanʼanjaranʼi Etazonia taminʼny ady tany Vietnam sy ny fampiatoana ny oniversite noho ireo karazana fihetsiketsehana nataon’ny mpianatra. Ary nanohana ahy manokana ny fiovana teo amin’ny gadon-kira malefaka nentim-paharazana izay mampifanatrika ny mpifankatia rehefa mandihy. Lasa gadona mivatravatra sy mafy izany; ary samy maka ho azy ny olona rehefa mandihy.
Maneran-tany, ny sasany amin’ireny olana ireny sy maro amin’izany koa no matetika ampiasaina hanoherana ny fivavahana amin’ny ankapobeny sy ny finoana an’ Andriamanitra.
Loholona Cook: Tamin’ny 8 aprily 1966, ny gazetiboky Time izay be mpamaky indrindra tamin’izany, dia nisafidy ity lohateny miantsy sy maniratsira ity izay milaza hoe: “Maty ve Andriamanitra?” ho matoan-dahatsoratra teo amin’ny pejy voalohany.
Nomarihan’ilay mpamoaka ilay gazetiboky tao amin’ny taratasy fanokafana nataony fa avy tamin’ny “fanahiana lehibe teo anivon’ireo mpandinika fivavahana mahakasika an’ Andriamanitra sy ny tontolo lahika tamin’ny tapatapaky ny taona 1960”1 no nipoiran’ilay hevitra. Tsy nifototra tamin’ny ara-pivavahana ny votoatin’ilay lahatsoratra ary tsy nahafa-po ny fomba niresahany momba ny fivavahana.2
Mazava ho azy fa tsy vao tamin’ny taona 1960 na amin’izao andro izao no nisian’ny fanontaniana ara-pivavahana. Nisy foana izany. Raha nitsidika an’i Atena i Paoly dia niezaka hampianatra ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty. Vakiantsika ao amin’ny Asan’ny Apôstôly ny momba io ezaka natao io: “Fa ny Ateniana rehetra sy ny vahiny izay nitoetra teo tsy nandany ny androny tamin’ny zavatra hafa, afa-tsy ny hilaza na hihaino zava-baovao.”3
Moa ve izany tsy mitovy amin’ny tontolon’ny tamba-jotran-tserasera ankehitriny?
Rehefa tonga saina ny vahoaka fa ara-pivavahana tsotra sy mifototra amin’ny finoana ny hafatr’i Paoly, isanʼizany ny fijoroany ho vavolombelonʼi Jesoa Kristy, dia nolavin’izy ireo izany.
Ankoatra ny finoana an’ Andriamanitra, dia sendra fanoherana ihany koa ny tena maha izy antsika nandritry ny tantaran’izao tontolo izao izay voarakitra. Tsy mieritreritra ny hiresaka ireo olana rehetra momba ny fanajana ny maha izy azy ny olona eo amin’ny tontolontsika ankehitriny akory izahay. Kanefa nitovy hatrany ny valin-teny. Zanaka fanahy an’ ny Ray any An-danitra be fitia tsy miova isika rehetra. Niresaka momba izany tamin’ny fomba mahery vaika ny Filoha Russell M. Nelson. Nantitranteriny ireo fiantsoana telo tsy miova: “zanak’ Andriamanitra,” “zanaky ny fanekempihavanana” ary “mpianatr’i Jesoa Kristy.”4
Namporisika antsika ihany koa izy mba tsy hametahantsika anarana amin’ny tenantsika na ny hafa. Maro amin’ireo olana atrehantsika no ho voavaha raha mahafantatra ny tenantsika amin’ny maha-zanaky ny Ray any An-danitra be fitia isika.
Matetika ireo izay mikasa hamotika finoana no manizingizina fa tsy misy dikany intsony ny finoana. Diso izy ireo amin’ny fanoloana ireo fanambarana sy didy nomen’ Andriamanitra amin’ny firehan’izy ireo manokana mahakasika ireo olana ara-piarahamonina ankehitriny. Mihevitra izy ireo ary manizingizina fa olona maro be no manana fironana ara-piarahamonina toy izany sy tsy mpikamban’ny Fiangonana mahatoky intsony.
Aoka ho fantatrareo fa tsy midangana kokoa raha oharina amin’ny taloha, araky ny siosion-dresaka aely, ny isan’ireo zatovo sy tanora tsy mavitrika na miala amin’ny Fiangonana. Nitombo izay tsy izy ny isan’ireo misiônera voantso hanompo. Mirona miakatra tsy tapaka ny tahan’ny fandraisana anjara ataon’ny taranaka vao misondrotrotra ato am-piangonana.5 Ambonin’izany dia niakatra hatrany koa ny isan’ny tanora manatrika institiota.
Miangavy anareo aho mba hahatakatra fa tsy mitsikera ireo olona feno fanahiana aho akory; saingy arosoko etoana fa manan-danja ny fomba fiatrehanao azy ireny. Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy no vahaolana ho an’io fanamby io. Mampanantena anareo aho fa raha mamaky soratra masina sy mivavaka tsy tapaka ary manana soatoavina ara-pivavahana ianareo eo amin’ny fiainanareo, dia hahita valiny amin’ireo fanontanianareo sy hampisinda ireo fisalasalana mipoitra tsindraindray, rehefa mandeha ny fotoana.
Hita ao amin’ny filazantsaran’i Marka ny iray amin’ireo tantara tiako indrindra ao amin’ny soratra masina, mikasika an’ilay raim-pianakaviana izay naniry ny hanafahana an-janany lahy tamin’ny fanahy ratsy. Ao amin’io tantara ara-tsoratra masina io ny Mpamonjy dia nanontany ilay raim-pianakaviana raha toa ka mino izy fa afaka ny ho sitrana ilay zananilahy. Tamin-dranomaso no nilazan’ilay raim-pianakaviana hoe: “Mino aho; vonjeo mba ho afaka amin’ny tsi-finoako.”6 Azon’ny Tompo nekena izany, koa nandevilevy ilay fanahy Izy ary nanasitrana ilay zanakalahy.
Ny lesona tsoahina dia hoe aza avela handresy ny finoantsika ny fisalasalana na ny tsy finoana. Hamela anao handresy ireo fanamby ara-pinoana ny fandalinana soratra masina am-pahazotoana, ny vavaka amin-kitsim-po, ny fanajana amim-pahatongavan-tsaina ireo soatoavina ara-pivavahana ary ny fanarahana ny torohevitr’ireo mpaminanin’ny Tompo.