Fampaherezam-panahy amin’ny 2023
Fandrindrana sy fampifandanjana ny fiainana


Fandrindrana sy fampifandanjana ny fiainana

Fampaherezam-panahy maneran-tany ho anʼny tanora

Alahady 19 nôvambra 2023

Loholona Quentin L. Cook: Misaotra anareo ry Loholona sy Rahavavy Cook amin’ny torohevitra tsara omenareo. Mahafaly ahy sy i Christine ny hiresaka ity fanontaniana voalohany momba ny fandrindrana sy fampifandanjana ny fiainana ity.

Rahavavy Christine Gilbert: Be zavatra atao ny fianakavianay. Be dia be foana ny zavatra nandrasana avy tamin’ny vadiko tamin’ny asany, noho izy profesora ao Harvard, Filoha tale jeneralin’ny orinasam-pahalalam-baovao iray, ary filohana fikambanana roa ao amin’ny oniversite. Nandritra izany rehetra izany dia samy nanana antso be andraikitra tato amin’ny Fiangonana izahay. Fa ny andraikitray manan-danja indrindra noraisinay dia ho an’ny fanambadianay sy ny zanakay foana.

Loholona Gilbert: Nampahatsiahivina ahy izany fony aho nitantana ny Deseret News. Firy aminareo tanora no mamaky marina gazety taratasy isan’andro? Atsangano ny tananareo. Izay mihitsy no noeritreretiko, zara raha misy. Nomena andraikitra aho hanampy tamin’ny fanovana ny Deseret News avy amin’ny naha gazety taratasy mahazatra izany mba hanana endrika nomerika. Fotoana naha be andraikitra tokoa izany. Tamin’izany, dia ny fito tamin’ireo zanakay valo no efa teo, ary eveka aho.

Indray andro, tsy ampoizimpoizina, niantso ary nanontany ahy ny Filoha Boyd K. Packer: “Rahalahy Gilbert, te hahafantatra aho manao ahoana ny fianakavianao. Ampy ve ny fifantohanao amin’ny vadinao?” Niato kely aho dia namaly hoe: “Tsia angamba.” Dia hoy izy tamiko: “Rahalahy Gilbert, hitondra ity vondrona fampahalalam-baovao ity mandritra ny fotoana voafetra ianao, fa ho vady sy raim-pianakaviana mandrakizay.” Dia nasainy nanokana fotoana iarahana tamin’i Christine isan-kerinandro aho.

Nanontany ahy izy avy eo hoe amin’ny firy aho no mandeha matory, dia novaliako hoe amin’ny 1:00 na amin’ny 2:00 maraina isan-kalina. Tsy nampoiziko koa ny zavatra noteneniny. Hoy izy: “Mieritreritra ianao fa miankina amin’ny ezaka ataonao izany zavatra rehetra izany. Tsy matoky ny Tompo ianao.” Dia nametraka ora fitsaharana miasa avy amin’ny apôstôly ho ahy ny Filoha Packer, izay nezahiko najaina hatramin’izay fotoana izay.

Rahavavy Gilbert: Ka raha manana ora fitsaharana miasa sy fotoana hampiarahana efa voalahatra amin’ny hariva ary ianao, dia ahoana no hitantananao ireo andraikitrao manan-danja rehetra?

Manomboka amin’ny fandrindrana izany. Hatramin’ireo taona tany am-piandohan’ny fanambadianay dia nanao fivoriana fandrindram-potoana isan-kerinandro izaho sy ny vadiko isaky ny alahady hariva. Ho anay dia fanoloran-tena tsy ho tapahanay mihitsy izany na be atao be aza izahay.

Faharoa dia mitaky tanjona iarahana ihany koa ny fampifandanjana ireo andraikitra eo amin’ny fiainana. Na rehefa tsy maintsy nisara-toerana aza izahay, dia mbola nahatsapa ho iray ihany rehefa nanana tanjona niraisana. Ka rehefa nanao dia tamin’ny asa ny vadiko na nampianatra seminera vao maraina aho, na lasa nanao andraikitra tao amin’ny tsatòka izy, rehefa nanao ny tetiandron’ireo asa tokony hatao ireo izahay ary niray hina tamin’ny tanjonay, dia niaraka foana izahay na dia tsy maintsy nisara-toerana aza.

Loholona Gilbert: Na izany aza dia misy fotoana tokony hametrahanao fetra amin’ny safidy sasantsasany.

Indray mandeha, nizara izao i Clay Christensen, namana malala avy any Boston, rehefa nanontany azy ny lehibeny iray raha mety aminy kokoa ny mivory ny alahady maraina na ny sabotsy maraina ho an’ny fivorian’ny mpiara-miasa isan-kerinandro. Hoy i Clay: “Taona maro lasa izay dia nanapa-kevitra ny hanokana ny sabotsy ho an’ny vadiko aho ary ny alahady ho an’ Andriamanitra, ary raha tianao hiverina ny iray amin’izy ireo, dia tsy maintsy mangataka fanomezan-dalana avy amin’izy ireo ianao.”

Tokony tsy azo hiadiana varotra eo amin’ny fiainanao ny fanoloran-tena sasany. Ho an’ny fianakavianay dia tafiditra tao anatin’izany ny fandehanana any am-piangonana rehefa alahady, ny takarivan’ny mpianakavy isan-kerinandro, ny fotoam-pivavahana maraina sy alina ataon’ny fianakaviana, ary ny fiarahan’ny mpivady mivoaka isan-kerinandro.

Hamoaka printy