Fampaherezam-panahy amin’ny 2023
Fitiavana sy fananana anjara toerana


Fitiavana sy fananana anjara toerana

Fampaherezam-panahy maneran-tany ho anʼny tanora

Alahady 19 nôvambra 2023

Loholona Quentin L. Cook: Ny fanontaniana momba ny fitiavana sy ny fananana anjara toerana dia mifandray akaiky amin’ny fiatrehana ireo olana eo amin’ny fiainana sy ara-pinoana. Mary, afaka valianao ve io fanontaniana manan-danja io?

Rahavavy Mary Cook: Zanak’ Andriamanitra avokoa isika rehetra ary manana anjara toerana ao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany naverina tamin’ny laoniny. Na inona na inona toe-javatra samihafa iainantsika, dia manana anjara toerana avokoa isika rehetra.

Mazava ny ao amin’ny soratra masina fa tian’Andriamanitra ireo zanany ara-panahy rehetra, ary mitovy ny rehetra amin’ Andriamanitra, ary manana anjara toerana avokoa.

Ao amin’ny 2 Nefia 26:33 dia mivaky toy izao izany, amin’ny ampahany, “manainga ny rehetra Izy hanatona Azy sy hanana anjara amin’ny hatsaram-pony; ary tsy mandà izay manatona Azy Izy; na mainty na fotsy, na andevo na olon’afaka; na lahy na vavy; … ary ho an’ Andriamanitra dia mitovy ny rehetra.”

Satria zanak’Andriamanitra ara-panahy avokoa isika rehetra dia manana ny toetra mamaritra antsika ara-panahy, ary mihira izany isika ao amin’ny “Zanaky ny Ray aho!”1

Taona maro lasa izay, fony izahay nipetraka tany amin’ny faritr’i Californie Bay, dia nihira sy nandray anjara tamin’ny fampisehoana tao amin’ny Tempolin’i Oakland Californie izay nitondra ny lohateny hoe “Ary ny zava-nitranga” ireo tanora sy zatovo efa zokinjokiny. Niresaka momba ny toetoetrantsika ara-panahy ny hira iray. Izany dia nitondra ny lohateny hoe “Iza moa Aho?” Izany dia mametraka fanontaniana hoe: “Nahoana isika no eto?” ary “Handeha ho aiza isika?”

Mifarana amin’izao valin-teny mahery vaika izao ilay hira:

Toy izao aho.

Ny fanahiko dia niara-niaina tamin’ny Raiko talohan’ny nahariana ny tany.

Nisafidy ny lalana tokony halehako aho rehefa vita ny toetrako voalohany.

Tonga teto an-tany aho mba hahazo vatana noforonina tahaka ny an-dRaiko

Hampitambatra ny fanahiko sy ny vatako mba hahatonga ny fanahiko ho araka an’ Andriamanitra.

Toy izao aho:

Zanaky ny raiko … any an-danitra aho.

Toy izao aho. …

Zanaky ny Ray aho.

Ireo rehetra izay nandray anjara dia nanana fijoroana ho vavolombelona avy amin’ny Fanahy fa nihira fahamarinana izy ireo.

Loholona Cook: Tamin’ny volana lasa teo, izaho sy i Mary dia tany Efesosy tany Torkia niaraka tamin’ireo mpitarika misiôna avy any amin’ny faritra maro any Eorôpa. Efa nipetraka sy nampianatra tany ny Apostoly Paoly. Ny iray amin’ireo epistiliny ho an’ny Efesiana dia mirakitra fanambarana mahery vaika iray manao hoe: “Koa dia tsy mba vahiny sy mpivahiny intsony hianareo, fa tompon-tany, mpiray fanjakana amin’ny olona masina sady ankohonan’Andriamanitra.”2

Manana anjara toerana avokoa isika!

Rahavavy Cook: A. A. Milne dia nanoratra boky iray momba ny bera miloko volamena iray tia tantely antsoina hoe Winnie-the-Pooh.

Rehefa nandeha an-tongotra niaraka tamin’i Piglet namany i Pooh, dia nanontany azy i Piglet hoe: “Ahoana ny fomba fanoratra ny fitiavana?” Namaly i Pooh hoe: “Tsy soratanao izany. Tsapanao izany.”

Ao amin’ny appli fandalinana soratra masina ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile, ny topimaso ho an’ny “Fitiavana” dia mivaky hoe: “Ny fitiavana dia fahatsapana firaiketam-po, fiahiana ary fankamamiana lalina. Hita ao amin’ny Sorompanavotana tsisy fetra nataon’ i Jesoa Kristy no ohatra lehibe indrindra amin’ny fitiavan’ Andriamanitra ireo zanany. Toetra ananan’ny mpianatr’ i Jesoa Kristy ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny mpiara-belona.”3

Ao amin’ny Jaona 3:16 dia mamaky toy izao isika, “Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zananilahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.”

Rehefa tonga teto an-tany i Jesoa Kristy tamin’ny mitataovovonan’ny fotoana dia nampianatra antsika Izy hoe:

“Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra.

“Izany no didy lehibe sady voalohany.

“Ary ny faharoa, izay tahaka azy ihany, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.”4

Maneho ny fitiavantsika an’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy isika amin’ny alalan’ny fitandremana ireo didy ireo. Izao no asako.

Maneho ny fitiavantsika ny zanak’ Andriamanitra rehetra isika amin’ny alalan’ny fanompoana azy ireo sy ny fiainana amim-pahavitrihana ny filazantsara—amin’ny fanaovana asa fitoriana rehefa mitia sy mizara ary manasa ny hafa “hanatona an’i Kristy.” Maneho ny fitiavantsika ny fianakaviana isika amin’ny alalan’ny fitandremana ny fanekempihavanan’ny tempoly sy ny fanaovana asa any amin’ny tempoly ho an’ny razambentsika.

Aoka ho marina amin’ny tenanao ianao. Manontania tena: Moa ve maneho ny fitiavako ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ny zavatra ataoko? Manampy ireo olon-kafa manodidina ahy hino ve aho? Raha toa ka nampangaina ho Kristianina aho, dia ampy ve ny porofo hanamelohana ahy?

Mivaky toy izao ny tononkalo “fetsy” nataon’i Edwin Markham:

Nanao faribolana izay nanakanana ahy izy—

Mpinomino foana, mpikomy, mila alavirina.

Saingy izaho sy ny fitiavana dia nanam-piniavana ny handresy:

Nanao faribolana nampiditra azy izahay!

Aoka isika ho tena mpianatra sy mpampihavana. Aoka ny fitiavana madion’i Kristy hitoetra ao am-pontsika rehefa maneho amin’ny ataontsika ny fitiavantsika an’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy Zanany Malalany isika.

Loholona Cook: Nangataka ny Loholona sy Rahavavy Gilbert aho hamaly ireo fanontaniana roa manaraka:

Voalohany, ahoana no fomba ahafahantsika manamafy orina ny fandrindrana sy ny fampifandanjam-piainana? Ary faharoa, ahoana no ijoroantsika amin’ny fahamarinana amin’izao fotoan-tsarotra izao?

Fanamarihana

  1. Cantiques, no. 92.

  2. Efesiana 2:19.

  3. Lohahevitra sy fanontaniana, “Fitiavana,” Torolalana ho an’ny soratra masina.

  4. Matio 22:37–39.

Hamoaka printy