Fampaherezam-panahy amin’ny 2023
Fandraisana fanambarana ho an’ny tena manokana


Fandraisana fanambarana ho an’ny tena manokana

Fampaherezam-panahy maneran-tany ho anʼny tanora

Alahady 19 nôvambra 2023

Misaotra anareo ry Loholona sy Rahavavy Gilbert amin’ny torohevitra tsara omenareo.

Ara-potopampianarana sy lalina ny fanontaniana farany. Ahoana no fomba andraisantsika fanambarana ho anʼny tena manokana sy tari-dalana avy amin’ny mpaminany?

Ilay nofy mifono faminaniana noraisin’i Lehia momba ny hazon’aina no fahitana lehibe fampidirana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.1 Io fahitana io dia mamaritra tsotra fotsiny ireo fisedrana ny finoana izay misy amin’izao androntsika izao sy ilay hantsana manasaraka ireo izay tia sy mitsaoka an’Andriamanitra ary mahatsapa ho tompon’andraikitra eo anoloany, sy eo amin’ireo izay tsy manao izany. Nohazavain’i Lehia ny sasany amin’ireo fitondran-tena izay manimba ny finoana. Be rehareha sy mieboebo ary ketrina ny sasany. Ny hany mahaliana azy ireo dia ilay heverin’ny sasany hoe fahendren’izao tontolo izao.”2 Ny sasany dia liana kely ihany amin’Andriamanitra saingy very ao anatin’ny zavon’ny haizina sy ny fahotana ato anatin’izao tontolo izao.3 Ny sasany efa nanandrana ny fitiavan’Andriamanitra sy ny teniny saingy menatra an’ireo mandrabiraby azy ireo ary dia nianjera tany amin’ny “lalana voarara.”4

Fantatray fa misy mpikambana izay tsy dia liana ary tsy dia maneho fahatokiana amin’ny sasany amin’ireo fampianaran’ny Mpamonjy. Ny fanirianay dia ny hahatakaran’ireo mpikambana ireo tanteraka ny finoana ary hampitomboany ny fahazotoany sy ny fanoloran-tenany ary ireo ezaka atao mba hahazoana fanambarana ho an’ny tena manokana. Tian’Andriamanitra ny zanany rehetra. Tiany hiverina any Aminy daholo izy rehetra. Tiany hirindra tsara amin’ilay feon-kira masin’ny finoana ny rehetra. Fanomezana iray ho an’ny olona rehetra ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy. Afaka mahazo fanambarana ho an’ny tena manokana ny olon-drehetra.

Ny hafatr’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika sy ny asa fanompoany ary ny Sorompanavotany no fandaharam-pianarana manan-danja amin’ny fandraisantsika fanambarana ho an’ny tena manokana. Tsy misy soratra masina hafa mamaritra kokoa ny fikatsahantsika finoana noho ny ao amin’ny 2 Nefia 25:26: “Ary miresaka an’i Kristy isika, mifaly amin’i Kristy, mitory an’i Kristy, maminany ny amin’i Kristy, ary manoratra araka ny faminaniantsika mba hahafantaran’ny zanatsika ny loharano azony andrandraina ho famelana ny fahotany.”

Tena manan-danja tokoa ny Bokin’i Môrmôna.5 Mitana anjara toerana goavana amin’ny fahazoana fanambarana ho an’ny tena manokana izany. Hisy foana mazava ho azy ireo izay hanamaivan-danja ny maha-zava-dehibe izany boky masina izany na hitsikera izany mihitsy aza. Ny sasany mananihany momba izany. Talohan’ny nandehanako nanao asa fitoriana dia nisy prôfesora tany amin’ny oniversite iray izay nindrana ny tenin’i Mark Twain hoe raha esorinao ao anatin’ny Bokin’i Môrmôna ny andian-teny hoe “ary ny zava-nitranga” dia “ho toy ny bokikely tsotra fotsiny izany.”6

Volana vitsivitsy taty aoriana, rehefa nanao asa fitoriana tany Londres, Angletera aho dia nisy mpampianatra iray manana ny maha izy azy tao amin’ny London University izay nivoaka tao Oxford, manam-pahaizana manokana momba ny Egypta eo amin’ny fiteny Semita, namaky ny Bokin’i Môrmôna sy nifandray tamin’i David O. McKay izay Filohan’ny Fiangonana tamin’izany, ary nihaona taminay misiônera avy eo. Nampahafantariny azy ireo hoe resy lahatra izy fa ny Bokin’i Môrmôna dia tena dikanteny miompana amin’ny fahalalan’ny Jiosy sy ny fiteny Egyptiana tamin’ireo vanim-potoana voafaritra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.7 Iray teo anivon’ny fomba fiteny maro nampiasainy ny andian-teny filazam-potoana “ary ny zava-nitranga dia,” izay nolazaina fa tahaka ny fomba handikany ny fomba fiteny nampiasana tamin’ny asa soratra Semita fahiny.8 Nampahafantarina ilay prôfesora fa raha nanampy azy ny fanadihadiana ara-tsaina izay nifototra tamin’ny asany, dia mbola zava-dehibe ny fananana fijoroana ho vavolombelona ara-panahy. Nahazo fijoroana ho vavolombelona ara-panahy tamin’ny alalan’ny fandalinana sy ny vavaka izy ary natao batisa. Noho izany ilay zavatra hitan’ny mpanao asa soratra mpampihomehy malaza iray ho toy ny zavatra mahatsikaiky dia tsapan’ny manam-pahaizana iray ho toy ny porofo lalin’ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna izay nohamafisin’ny Fanahy taminy.

Mitaky ny fananana fijoroana ho vavolombelona mikasika ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny izay tsy maintsy mifototra amin’ny finoana fa tsy amin’ny porofo hita ety ivelany na ara-tsiantifika ny fotopampianarana fototry ny fahafahana misafidy. Farany, ny valiny dia ilay torohevitr’i Môrônia mba hamaky sy hisaintsaina ary avy eo manontany an’Andriamanitra amin-kitsimpo, omban’ny tena finiavana mba hanamafy ny fahamarinana ao amin’ny soratra masina amin’ny alalan’ny Fanahy.9 Mazava fa ny maha-samy hafa an’ireo izay maheno ny feon-kiran’ny finoana amin’ireo izay manetsin-tadìny na mihaino zavatra hafa, dia ny fandalinana amim-pahavitrihana ny soratra masina sy ny fanarahana ny toroheritry ny mpaminan’ny Tompo.

Ny fanambarana ho an’ny tena manokana dia ilay fitahiana lalina raisina aorian’ny batisa rehefa “[hamasinina] … amin’ny fandraisana ny Fanahy Masina” isika.10 Ny Fanahy Masina no mpanambara sy mpijoro ho vavolombelona momba ny fahamarinana rehetra, indrindra mahakasika ny Mpamonjy. Ilaina amin’izao androntsika izao izany tari-dalana azo avy amin’ny fanambarana izany. Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Ao anatin’ireo andro ho avy, dia tsy azo heverina ny ho velon’aina ara-panahy raha tsy misy ny fitaoman’ny Fanahy Masina izay mitarika, sy manoro hevitra, ary mampionona tsy tapaka.”11

Aoka ianareo hahatakatra fa ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompo sy ny fitandremana ny didiny no fizahan-toetra manan-danja indrindra mandritra ny fiainana eto an-tany ary ho toy izany hatrany. Fa ambonin’ny zavatra rehetra, isika tsirairay dia tokony hahatsapa fa rehefa tsy miraharaha ny feon-kiran’ny finoana ny olona iray dia tsy mahatsapa ny Fanahy. Nampianatra ny Mpaminany Nefia hoe: “Eny efa nandre ny feony … ianareo; ary niteny tamin’ny feo tony sy malefaka izy, saingy efa donto ianareo, hany ka tsy nahatsapa ny teniny.”12 Lazain’ny soratra masina mazava tsara fa afaka mifandray amin’ny fomba maro ny Fanahy Masina. Indraindray Izy mitondra fiadanana ao an-tsainao.13 Indraindray Izy manolo-tsaina sy hevitra izay mahalasa eritreritra anao.14 Indraindray Izy manazava ny sainao.15 Indraindray Izy mahatonga ny fonao ho feno fifaliana.16

Ankasitrahako ireo valinteny voaraiko tao amin’ny tamban-jotran-tserasera teo amin’ny zavatra izay navoakako amin’ny fomba andrasaina fanambarana. Nisy iray nanamarika fa tokony hanetry tena sy hanaiky ireo fahatsapana ara-panahy izay voaraintsika. Ary avy eo tokony hanaraka izany fahatsapana izany noho ny izao tontolo izao.

Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson fa “Tsy mila manontany tena mikasika izay marina ianareo. Tsy mila manontany tena ianareo hoe iza no tena azonareo itokiana. Amin’ny alalan’ny fanambarana ho an’ny tena manokana, no ahafahanareo mahazo fijoroana ho vavolombelona anareo manokana fa tenin’Andriamanitra ny Bokin’i Môrmôna, fa mpaminany i Joseph Smith, ary ity no Fiangonan’ny Tompo.”17

Mazava ny fotopampianarantsika. Mila matoky tena sy mahery isika. Tiako ny nanamafisan’ny Filoha Dallin H. Oaks sy Rahavavy Kristen M. Oaks momba ny faherezana nandritra ny fampaherezam-panahy maneran-tany miavaka nataon’izy ireo tamin’ny mey lasa teo. Manasongadina mandrakariva ny finoantsika isika fa tsy ny tahotsika. Isika dia mifaly ao anatin’ny fanomezan-tokin’ny Tompo fa hijoro eo anilantsika Izy ary hanome fitarihana sy torolalana.18 Ny Fanahy Masina dia mijoro ho vavolombelona amin’ny fontsika fa manana Ray any An-danitra be fitiavana isika ary ilay drafiny feno famindram-po mba hamonjena antsika dia ho tanteraka amin’ny lafiny rehetra noho ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Hamoaka printy