Fampaherezam-panahy amin’ny 2023
Fitarihan’ny mpaminany


Fitarihan’ny mpaminany

Fampaherezam-panahy maneran-tany ho anʼny tanora

Alahady 19 nôvambra 2023

Raha hiresaka momba ny fitarihan’ny mpaminany aho dia mijoro ho vavolombelona fa i Russell M. Nelson no mpaminany voafidin’ Andriamanitra hitarika ny Fiangonany ankehitriny. Efa imbetsaka aho no niresaka momba ny fitiavako sy ny fankasitrahako azy.1

Hoy ny Filoha Spencer W. Kimball raha niresaka momba ny fitarihan’ny mpaminany: “Amin’ireo zavatra rehetra izay … tokony hahavelom-pankasitrahana antsika indrindra dia ny hoe misokatra tokoa ny lanitra ary ny fiangonan’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny dia miorina eo amin’ny vatolampin’ny fanambarana. Ny fanambarana mitohy tokoa no tena mamelona ny filazantsaran’ilay Tompo sy Mpamonjy velona, dia i Jesoa Kristy.”2

Hitan’i Enôka mialoha ireo andro izay iainantsika ankehitriny. Hitany ilay faharatsiana lehibe izay hanjaka ary naminany momba ireo “fahoriana be” izay hitranga izy. Na izany aza, nampanantena ny Tompo “fa ny oloko kosa dia hotsimbiniko; Ary fahamarinana no haidiko avy any an-danitra; ary ny marina no halefako avy eto an-tany mba ho vavolombelona manambara ny Lahitokako.”3 Ny fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna no fahatanterahan’ilay fanambaran’ny Tompo tamin’i Enôka.

Nandray fanambarana niampy fanambarana ny Mpaminany Joseph Smith. Maro amin’ireo no voatahiry ho antsika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Ireo boky soratra masina ankatoavin’ny Fiangonana rehetra dia ahitana ny sain’ny Tompo sy ny sitrapony ho antsika amin’izao fotoampitantanana farany izao.4

Ankoatra ireo soratra masina manan-danja fototra ireo, dia sambatra isika noho ny fanambarana mitohy amin’ireo mpaminany velona. Ireo mpaminany dia “iraka voatendrin’ny Tompo, nahazo lalana hiteny eo amin’ny toerany.”5

Araka ny efa voalazako ombieny ombieny, manambara amin’ny fomba miezinezina tanteraka aho fa fanambarana mitohy no voaray ary mbola raisina amin’ny alalan’ny fomba fifaneraserana izay napetraky ny Tompo.

Nanompo amin’ny maha-Apôstôly teo ambany fitarihan’ny mpaminany telo aho: ny Filoha isany Gordon B. Hinckley sy Thomas S. Monson ary Russell M. Nelson. Mijoro ho vavolombelona aho fa nandray fanambarana ho an’izao androntsika izao avokoa izy rehetra ireo.

Manome toky anao aho fa afaka mandray fitarihana miendrika fanambarana isika tsirairay avy rehefa miasa ao amin’ny tanimboaloboky ny Tompo. Ny ankamaroan’ireo fitarihana raisintsika dia tonga amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Indraindray izany, ary noho ny antony manokana, dia tonga mivantana avy amin’ny Tompo. Izaho manokana dia mijoro ho vavolombelona fa marina izany. Ny fitarihana ho an’ny Fiangonana manontolo dia tonga amin’ny Filoha sy mpaminanin’ny Fiangonana irery ihany.

Naveriko tamin’ny teny hafa teo aloha teo ny voalazan’i Wilford Woodruff mikasika ny Mpaminany Joseph Smith; izay marina koa raha momba ny Filoha Russell M. Nelson. Hitako “ny fiasan’ny Fanahin’ Andriamanitra taminy, sy ireo fanambaran’i Jesoa Kristy taminy, ary ny fahatanterahan’ireo fanambarana ireo.”6 Izy no mpaminanin’ny Tompo.

Amin’ny maha-Apôstôlin’ny Tompo Jesoa Kristy ahy dia mijoro ho vavolombelona aho ny amin’ny maha-Andriamanitra ny Mpamonjy sy ny tena fisian’ny Sorompanavotany. Izy no Mpamonjy sy Mpanavotra antsika. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Quentin L. Cook, “Fitiavana lehibe ho an’ireo zanaky ny Raintsika any An-danitra,” Liahona, mey 2019, 76–80.

  2. Enseignements des Présidents de l’Église: Spencer W. Kimball (2006), 243; jereo ihany koa ny Matio 16:13–19.

  3. Mosesy 7:61–62.

  4. Jereo ny Ezra Taft Benson, “The Gift of Modern Revelation,” Ensign, Nov. 1986, 78–80.

  5. Hugh B. Brown, “Joseph Smith among the Prophets” (Sixteenth Annual Joseph Smith Memorial Sermon, Logan Institute of Religion, 7 des., 1958), 7.

  6. Wilford Woodruff, ao amin’ny Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith (2007), 283.

Hamoaka printy