Fampaherezam-panahy amin’ny 2023
Mijoro amin’ny fahamarinana


Mijoro amin’ny fahamarinana

Fampaherezam-panahy maneran-tany ho anʼny tanora

Alahady 19 nôvambra 2023

Rahavavy Christine Gilbert: Ny fanontaniana manaraka nasaina noresahinay dia ny fomba hijoroana amin’ny fahamarinana ao anatina fotoana isian’ny safotofoto lehibe.

Firy aminareo no ao anatina fifandefasan-kafatra mitohitohy izay ifampizaranareo amin’ny namana na fianakaviana? Angamba isika rehetra ô, sa tsy izay? Ao amin’ny iray amin’ireo vondrona fandefasan-kafatra maro misy ahy dia misy olona manolo-tena lalina amin’ny filazantsara ary olona hafa manana olana mahakasika ny Fiangonana. Toy ny efa mahazatra anareo ve izany? Inona no mitranga rehefa milaza zavatra fantatrao fa tsy marina ny olona akaikin’ny fonao?

Loholona Clark G. Gilbert: Nahare tantara sy olana mitovy amin’izany avy amin’ny tanoran’ny Fiangonana maneran-tany izahay. Fantatray fa mahatsapa izany koa ianareo.

Raha hiresaka ity lohahevitra ity isika, dia marihiko fa miaraka amintsika eto anio ny ambasadaoro roa izay ohatra tsara amin’izany ary maneho amintsika ny fomba ahafahana mijoro, sady amin-katsaram-panahy no amim-pandresen-dahatra.

Nipetraka tany amin’ny Faritra San Francisco Bay ny Loholona Cook sy Rahavavy Cook nandritra ny ankamaroan’ny fiainany arak’asa. Nianatra tao amin’ny Stanford Law School ny Loholona Cook, nitantana orinasana mpanoro hevitra amin’ny resaka lalàna, ary avy eo dia nitantana fikambanana misehatra amin’ny ara-pahasalamana lehibe iray. Niasa sy nonina teo anivona mpiara-miasa izay tsy voatery nandala soatoavina toy ny azy ireo foana ry Cook. Saingy nahita fomba hijoroana amin’ny fahamarinana izy ireo kanefa sady nijanona ho namana sy mpiara-belona mahafinaritra koa. Nahita izany aho rehefa niaraka tamin-dry Cook tao amin’ny varavarana misokatra ho an’ny Tempolin’i Washington D.C. niaraka tamina vondrona mpanao gazety malaza tao amin’ny firenena sy ireo mpitarika amin’ny sehatry ny fampianarana ambony. Talanjona tamin’ny fahaizan-dry Cook nizara ny fahamarinana ao amin’ny filazantsara aho, isan’izany ny maha zava-dehibe ny fanambadiana any amin’ny tempoly sy ny fahadiovam-pitondrantena, ary ny fanajana ireo fanekempihavanana, sady manorina fifandraisana hisian’ny fifankahazoana amin’ny olon-kafa ihany.

Efa nanana fahafahana hafa aho nianarana ny fomba hijoroana amin’ny fahamarinana amim-pitiavana. Tamin’ny herintaona dia naharay antso avy amin’ny Filoha Oaks aho. Hoy izy: “Loholona Gilbert, handaha-teny amina fampaherezam-panahy atsy ho atsy aho, ary tiako ianao mba hiaraka handaha-teny amiko. Manaiky ve ianao hiara-hijoro amiko eny amin’ny polipitra ka hiara-hamaly ireo fanamby sasantsasany atrehina ankehitriny isika?” Nilaza izy fa hifanakalo hevitra momba ireo olana mahakasika ny LGBTQ sy ny fanavakavaham-bolon-koditra ary ny maha tsy misy tomika ny fitaoman’ny mpaminany izahay. Nandroso hevitra izy avy eo hoe: “Andao tsy hamaky zavatra omanina. Andeha fotsiny hifandimby hamaly isika, eo am-pifanakalozana.” Namaly haingana aho: “Azoko antoka fa ho mety izany amin’ny zavatra lazainy, fa mba ho soa ho an’ny Fiangonana manontolo, dia tsara kokoa angamba raha soratako ny zavatra holazaiko.”

Tamin’ny lahateniny dia nitanisa fomba dimy azontsika hijoroana amin’ny fahamarinana amim-pitiavana ny Filoha Oaks.1

Ny voalohany dia ny fialana amin’ny toerana misy fifandirana be loatra. Araka ny nampianarin’ny Loholona Neil L. Andersen hoe: “Misy fotoana ny hoe mpampihavana dia midika hoe manohitra ny faniriana hamaly isika fa mitoetra ho mangina amim-pahamendrehana kosa.”2

Ny faharoa dia tiavo ny hafa, mitadiava marimaritra iraisana na dia tsy mitovy hevitra aza isika.

Ny fahatelo dia hazony ny fahamarinana, arak’izay tratra. Misy fakam-panahy indraindray izay mahatonga antsika hiala fotsiny amin’ny zavatra fantatsika eo am-piezahantsika haneho fitiavana. Tsy voatery handà ny zavatra fantatsika fa marina isika.

Ary fahefatra dia dia ny fetezana ho fahazavana sy namana ary hanompo ny hafa, ary ny farany dia ny hiorim-paka ao amin’i Jesoa Kristy.

Rahavavy Gilbert: Tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana farany teo ny Loholona Cook dia niresaka momba ny fahasarotana amin’ny fijoroana amin’ny fahamarinana kanefa tsy manaiky ho resin’ny tsindry eto amin’izao tontolo izao: “Ny mpanara-dia bonaika an’i Kristy dia sady tsy [miala amin’ny fahamarinana no mitia ny hafa hatrany]. Isika dia mpikambana tia finamanana sy mavitrika eo anivon’ny fiarahamonina misy antsika. Isika [ihany koa] dia mitia, mizara ary manasa ny zanak’ Andriamanitra rehetra mba hanaraka ireo fampianaran’i Kristy.”3

Izay raha ny hevitro no nampianarin’ny Filoha Nelson tamin’ny fiantsoany antsika mba ho mpampihavana.4 Tsy tiany hiala amin’ny fahamarinana isika, fa tiany ny hanaovantsika izany omban’ny fitiavan’ny Mpamonjy.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Dallin H. Oaks and Clark G. Gilbert, “Stand Fast with Love in Proclaiming Truth” (Ensign College devotional, May 17, 2022), Gospel Library.

  2. Neil L. Andersen, “Fanarahana an’i Jesoa: Mpampihavana,” Liahona, mey 2022, 19.

  3. Quentin L. Cook, “Aoka ianareo ho mpanara-dia bonaika an’i Kristy,” Liahona, nôv. 2023, 83.

  4. Jereo ny Russell M. Nelson, “Ilaina ny mpampihavana,” Liahona, mey 2023.

Hamoaka printy