Fampaherezam-panahy amin’ny 2023
Lahateny fanokafana


Lahateny fanokafana

Fampaherezam-panahy maneran-tany ho anʼny tanora

Alahady 19 nôvambra 2023

Misaotra ry Filoha Reese.

Alohanʼny hifanakalozantsika hevitra eto dia tiako ny hiresaka kely mikasika ny fodiamandrinʼny Filoha M. Russell Ballard taminʼny alahady lasa teo—ilay filohan’ny kôlejiko sy namana akaikin’ny foko. Maneho ny fampiononana ho an’ny fianakaviany aho sy ny fitiavako ary ny fankasitrahako ny fiainany feno fahafoizan-tena sy fanoloran-tena ho an’ny fitahiana ireo zanaky ny Raintsika any An-danitra rehetra.

Faly izaho sy i Mary miaraka amin’ny Loholona Clark G. Gilbert sy Rahavavy Christine Gilbert hiresaka aminareo amin’ity fampaherezam-panahy maneran-tany izay avy ato amin’ny tobim-pianaran’ny Brigham Young University ity.

Ho fiomanana amin’ity andraikitra ity dia nanangona fanontaniana avy amin’ireo tanora manerana ny Fiangonana izahay. Nanomboka tamin’ireo tobim-pianarantsika eo anivon’ny DFF (Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana) izahay: Eto BYU, avy eo BYU–Idaho sy BYU–Hawaii, ary Ensign College. Avy eo dia nitarinay nanerana an’izao tontolo izao koa izany niaraka tamin’ireo mpianatra ao amin’ny BYU–Pathway sy ireo izay manatrika institiota manerana Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Nihaona tamina vondrona mpianatra ireo filohan’ny fampianarana ireo sy ireo mpitarika hafa mba hamaritana ireo fanontaniana manan-danja indrindra ho an’ny tanora amin’izao fotoana izao. Nahafinaritra ilay fomba fiasa, ary tamin’ny farany dia nahatalanjona ireo fanontaniana.

Nahatalanjona fa nitovy ny eritreritrareo sy ny fihetseham-ponareo; maro aminareo no manana fanontaniana ara-panahy sy olana hafa iraisana momba ny fiainana. Na mpianatra institiota tany Però izany, na mpianatra injeniera tao amin’ny tobim-pianarana tao BYU–Idaho, na olona iray nianatra tao amin’ny BYU–Pathway any Afrika Andrefana, na mpianatra mpanao sary eto amin’ny tobim-pianarana BYU, na mpiasa manatrika institiota any Eoropa, any Philippines, na eto Utah, ireo tanora manerana ny Fiangonana dia miray hina amin’ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy ary manana faniriana sy tanjona ary ahiahy mitovy. Mahatalanjona ny tsirairay aminareo ary ampahany manan-danja tokoa amin’ny hoavin’ity Fiangonana ity.

Navondronay ho sokajy dimy ny fanontanianareo ho an’ny famelabelaranay anio:

  1. Fiatrehana ireo fanamby eo amin’ny fiainana sy eo amin’ny finoana

  2. Fitiavana sy fananana anjara toerana

  3. Fandrindram-piainana sy ny fampifandanjana ny fiainana

  4. Mijoro ho an’ny fahamarinana

  5. Fandraisana fanambarana ho an’ny tena manokana

  6. Fitarihan’ny mpaminany

Anio hariva dia tianay ny hifanakalo hevitra aminareo tsirairay avy momba ireo fanontaniana ireo amin’ny fomba izay mampiasa ny zavatra niainanay manokana teo amin’ny fiainanay sy ny fanamarihana anananay avy amin’ny fifaneraserana amin’ireo tanora manerana ny Fiangonana.

Hamaly ireo fanontaniana roa voalohany mikasika ny fanamby eo amin’ny fiainana sy eo amin’ny finoana ary ny fitiavana sy fananana anjara toerana izaho sy Rahavavy Cook. Avy eo ny Loholona sy Rahavavy Gilbert dia hizara zavatra niainana momba ny fampifandanjana ireo andraikitra eo amin’ny fiainana. Hiresaka ny dikan’ny hoe mijoro ho an’ny fahamarinana amin’izao fotoan’ny korontana izao koa izy ireo. Avy eo aho dia hizara ny eritreritro sy torohevitra momba ny fandraisana fanambarana ho an’ny tena manokana ary hofaranako amina hevitra vitsivitsy momba ny fitarihana avy amin’ny mpaminany izany.

Hamoaka printy