Fampitana fanao isan-taona
Matokia an’ Andriamanitra


Matokia an’ Andriamanitra

Fampitana ny fivoriana fanao isan-taona an’ny S&I ho an’ny janoary 2024

Zoma, 26 Janoary 2024

Tena fitahiana tokoa ny mifampiresaka aminareo—ianareo izay manao zavatra betsaka tokoa hitarihana ny taranaka zandriny ho amin’i Kristy. Asa fampianarana sy ho an’ny fiovam-po no ataonareo. Ny Fanahy Masina no namanareo. Ary tsy takatry ny saina ny valisoa ho azonareo. Araka ny voalazan’ny Mpamonjy hoe: “akory ny ho halehiben’ny fifalianareo … ao amin’ny fanjakan’ny Raiko!”1

Tena ankasitrahako ny zavatra rentsika avy amin’ny mpiandraikitra ny fampianarana an’ny Fiangonana, ny Loholona Clark G. Gilbert, sy ny mpitantana ny Seminera sy Institiota, Rahalahy Chad H Webb. Sarobidy amiko ary ankafiziko ny fanompoana miaraka amin’ireo lehilahy roa ireo. Ankatoaviko feno ny fitarihana sy torohevitra mifono fahendrena vao noraisintsika avy tamin’izy ireo tsirairay avy. Fantatr’izy ireo tsara ny zavatra noresahany. Tena mampientanentana ahy ny fivoaran’ny seminera sy institiota notaterin-dRahalahy Webb teo. Arahaba sy saotra no atolotra an’ireo rehetra izay nanana anjara asa tao anatin’izany.

Manantena aho fa hotsaroanareo ny tenin’ny Loholona Gilbert momba ny fandalinana sy ny fanamafisana ireo teny nantintranterin’ny mpaminany Filoha Russell M. Nelson, niaraka tamin’ireo apôstôly sy mpaminany hafa. Ireo ohatra nolazainy momba ny fomba anaovana izany, ka anaovana izany amin’ny fomba mahomby, dia tena manampy. Mety afaka haka tahaka ny sasany amin’izany ianareo ary hahazo fitaomam-panahy ny amin’ny fomba hafa hampiharana izany amin’ny toe-javatra misy anareo. Fandraisana andraikitra manan-danja ao anatin’ny fampianarana ato amin’ny Fiangonana izany ary hitondra vokatra tena tsara.

Mampientanentana ahy manokana—ary manitikitika ahy mihitsy—ny zavatra nambaran-dRahalahy Webb mahakasika ireo lesona manaraka lohahevitra ao amin’ny seminera. Nohamafisiny fa hanohy hampiasa ny fomba fampianarana ny soratra masina araka ny fisesin’izany ho fototry ny fandaharam-pampianarana seminera isika, saingy hampiditra lesona isan-karazany isika ao amin’ny ankamaroan’ireo herinandro izay hiresahana lohahevitra toy ny asa fitoriana ny filazantsara, ny tempoly, ny fiomanana eo amin’ny lafiny fianarana, ireo fahaiza-manao hoenti-mandalina ny soratra masina, ny fihaiza-miarina ara-pihetseham-po, ireo fahaiza-manao hoentina miatrika ny fiainana, ny fampianaran’ireo mpaminanin’ny andro farany, sy ny sisa. Amiko dia toy ny manampy voankazo fanampiny sy fangaro matsiro hafa amina mofomamy iray izany. Ho matsiro ilay izy. Tsindrin-daona miaraka aminareo aho ny hianatra avy amin’izany fomba fiasa vaovao izany, ary mifaly aho fa afaka manampy zavatra fanampiny ho an’ireo izay manao ny ezaka sy fahafoizana ny handray anjara amin’ny seminera. Na izany na tsy izany dia ankafizo ilay mofomamy!

Te hiresaka momba ny olana iray izay toa manimba antsika mihoatra lavitra noho ny hatramin’izay eo anivon’ny taranaka zandrintsika aho. Ny tiako holazaina amin’izany dia ny tebiteby sy ny fahaketrahana izay fahatsapana tena misy ary ny vokatra mangidy mety aterak’ireo fahatsapana ireo—tafiditra ao anatin’izany, raha ny tafahoatra indrindra, ny filibana amin’ny zava-mahadomelina, ny fandratrana ny tena, ary ny famonoan-tena mihitsy aza. Ireto misy antontanisa vitsivitsy:

Maneran-tany teo anelanelan’ny taona 2004 sy 2021, dia niakatra avy amin’ny 16.1% ho 29.2% ny zatovo vehivavy voatatitra ho tratran’ny fahaketrahana mafy, ary 5% niakatra 11.5% ho an’ny zatovo lehilahy.2 Teo anivon’ny zatovo 12 taona hatramin’ny 17 taona, dia 21% no niaina fihetsehana goavan’ny fahaketrahana farafahakeliny indray mandeha teo amin’ny fiainany ary 15% tao anatin’ny taona lasa.3 Tsy tafiditra ao anatin’ireo antontanisa ireo ny fahaketrahana tsy tsaboana any amin’ny klinika kanefa betsaka ihany sy ny tebiteby manjo ny zatovo maro kokoa.4 Araka ny WebMD, dia saika ho 60%-n’ireo izay ianjadian’ny tebiteby no ianjadian’ny fahaketrahana ihany koa, ary mitombona ihany koa ny mifanohitra amin’izany.5

Ny fikarohana mitohy sy maharitra nataon’ny Fiangonana momba ireo zatovo mpikambana dia nampiseho fa maneran-tany tamin’ny 2018 dia 29% no nanana olana tamin’ny tebiteby mila fitsaboana mafy. Mazava ho azy fa miovaova arakaraka ny firenena izany ary mety tsy maneho ny zatovo rehetra ao amin’ny firenena tsirairay avy, saingy ilay antontanisa mahakasika ny tebiteby mila fitsaboana mafy dia 28% ho an’i Etazonia ohatra; Chili, 32%; Frantsa sy Belzika, 16%; Afrika Atsimo, 46%; Taiwan, 18%; ary Nouvelle Zélande, 32%.6

Mazava ho azy fa misy antony maro mety hahatonga na mifandray amin’ny firongatry ny fahaketrahana sy ny tebiteby. Amin’ny tranga sasantsasany dia mety hisy antony ara-tarazo. Misy ihany koa antony ivelany hafa maro karazana izay afaka miditra an-tsehatra, toy ny fahoriana (ao anatin’izany ny takaitra hoentin’ny faharatrana sy ny fanaovana an-kilabao), niharan’ny rarin-tsaina, ny fomba nanabeazana, ny fironana ara-pananahana, ny fitaomana hoentin’ny namana sy ny vondrona ara-piarahamonina misy azy ireo, ireo antony ara-tsekoly, ary ny toetra amam-panahy, raha tsy hitanisa afa-tsy izay.

Ny antony iray azo lazaina hoe vaovao izay ampifandraisina amin’ny firongatry ny fihanaky ny tebiteby sy ny fahaketrahana dia ny fampiasana tambajotran-tserasera. Izany dia nanintona ny sain’ny biraon’ny Foiben’ireo Mpandidy Amerikanina ary nampitandrina momba izany izy ireo. Ao Etazonia dia voatombana ho ny 95% amin’ny zatovo no manana rohy hampiasana tambajotran-tserasera, ka saika ho roa ampahatelo no mampiasa tambajotran-tserasera isan’andro. Ny fikarohana dia manambara fa ireo zatovo ireo dia mandany eo amin’ny adiny 3.5 isan’andro raha ny salanisa ao amin’ny tambajotran-tserasera ka manao tatitra fa misy fiantraikany ratsy amin’ny fiheverany ny tenany izany. Misy karazana fihetsika fanao an-jotra izay miteraka voka-dratsy: fietraketrahana ao amin’ny tambazotra internet, ny fandefasana sary na hafatra vetaveta, ary ny fizaham-baovao ratsy sesilany ohatra. (Raha ny momba ny “fizaham-baovao ratsy sesilany,” ho anareo toy ny tenako izay tsy mbola nahare momba izany mihitsy, dia izany no iantsoana ny fandaniana fotoana maharitra loatra ao amin’ny finday na ny solosaina ka mifantoka amina tantara amam-baovao ratsy. Hita mibaribary fa ho an’ny olona sasany dia mahery ny fiankinandoha amin’izany ary toa hoe mampitony azy ireo amin’ny fomba mampalahelo ny fanaovana izany.) Ny fampiasana tsy voahevitra intsony ny tambajotran-tserasera—izany hoe ny fandaniana fotoana hijerena fahatany votoatin-javatra amin’ny tambajotran-tserasera—dia mampitombo ny fahatsapana ho ambany kokoa noho ny hafa sy ny fampitahana tsy mety amin’ny hafa, fa ny fampiasana araka ny tokony ho izy sy tsy fahatany ny tambajotran-tserasera kosa, (toy ny fampielezana zavatra na ny fanehoana hevitra na ny fifandraisana amin’ny hafa) dia tsy miteraka ireo zavatra ratsy ireo.

Ny fikarohana dia mampiseho ihany koa fa misy ireo lafin-javatra fiarovana sasantsasany izay afaka mampihena ny firongatry ny tebiteby sy ny fahaketrahana. Tafiditra ao anatin’izany ny fampiasam-batana, ny firaiketam-po, ny fikirizana, ary ny fifehezan-tena.

Izaho manokana dia mino fa ny ankamaroan’ny fahakiviana sy ny tebiteby dia avy amin’ny tsy fahatakarana na ny tsy fahatsiarovana ny drafitr’ Andriamanitra sy ny fatokisana ny heriny rehefa tonga ny olana. Raha tsy eo ny faharesen-dahatra ny amin’ny tena fisiany, ny fitiavany, ary ny drafiny ho an’ny fahasambarana ho an’ireo zanany, dia mety hahita hoavy manjombona sy mora hozongozonina ny tanora. Fa izao kosa anefa, tsy hoe miandrandra ireo mpampianatra seminera sy institiota ho lasa mpanorohevitra na matihanina amin’ny fahasalamana ara-tsaina akory isika. Fa manome kosa zavatra izay hampihena ireo antony eo amin’ny fiarahamonina izay manosika ny fitomboan’ny tahan’ny tebiteby sy ny fahaketrahana isika. Isika no mpanome fanantenana. Isika no feon’ny fanantenana, fanantenana miorim-paka amin’ny finoana sy ny fahatokiana an’Andriamanitra.

Ny fahatakarana ny drafitry ny fanavotana nataon’ny Raintsika any An-danitra—indrindra fa ilay singa fototra amin’izany drafitra izany, ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy—dia manome toky faratampony. Manorina sy mampitoetra fahaiza-miarina ara-panahy sy ara-pihetsehampo izany—ny fahafantarana ny antony isiantsika sy ny tanjontsika eto amin’ny fiainana an-tany. Mampianatra isika, amin’ny alalan’ny fitsipika sy ny ohatra, ny amin’izay olona tokony handrandraina mba hahazoana fanavotana sy fanohanana. Aoka hiaina ao am-pon’izy ireo ny tenin’ny Mpamonjy manao hoe: “Izany teny izany no efa nolazaiko taminareo mba hanananareo fiadanana amiko . Aty amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao.”7 Mamatotra antsika Aminy ny fanekempihavanana ataontsika, ka rehefa miaraka Aminy isika dia mandresy izao tontolo izao ihany koa.

Azontsika ampiana ny mpianatsika sy ny hafa hanorina ny fototra manokan’izy ireo eo amin’ny “vatolampin’ny Mpanavotra antsika, dia i Kristy ilay Zanak’ Andriamanitra”, ka “rehefa handefa ny rivo maheriny ny devoly, eny, ny zanatsipìkany ao amin’ny tadio, eny, rehefa hamely [azy ireo] ny havandrany rehetra sy ny tafiotra maheriny, dia tsy hanan-kery amin’[izy ireo] izany mba hisintona [azy ireo] any amin’ny hantsan’ny fahoriana sy ny loza tsisy fiafarana.”8 Naneho izany toy izao ny Filoha Russell M. Nelson : “Nanambara ny Tompo fa na dia eo aza ireo fanamby tsy manam-paharoan’izao andro izao, dia tsy mila mikoa eo anatrehan’ireo fanahiana amin’izao vanim-potoana izao ireo izay manorina ny fotony eo amin’i Jesoa Kristy, sy nianatra ny fomba fisintonana ny heriny.”9

Misy fahafahana tsy manam-paharoa hanaovana izany amin’ity taom-pandalinana ity, dia ny Bokin’i Môrmôna izany. Tsy misy soratra masina hafa ankoatra izany mamelabelatra mazava ny drafitry ny fanavotana. Tsy misy boky hafa mampianatra amim-pandresen-dahatra kokoa noho izany ny tena fisian’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ny dikan’izany. Tsy misy ao amin’ny andian-tsoratra masina nankatoavina hafa manana ny hery mampiovan’ny Bokin’i Môrmôna amin’ny alalan’ny tenivavolombelona ao aminy fa i Jesoa no Kristy ary nandresy ny fahafatesana Izy, na ny ara-batana izany na ny ara-panahy. Famelabelarana mazava ny fahamarinan’ny filazantsara sy ny fifaliana azo amin’ny alalan’ny fanarahana ireo didin’ny filazantsara ny Bokin’i Môrmôna. Ny tantara ao aminy dia mifono ohatra ana fandresena. Tenin’ Andriamanitra ny Bokin’i Môrmôna, ary ny “herin’ny tenin’ Andriamanitra”10 dia miteraka finoana ny Mpamonjy—finoana izay mandroaka ny fisalasalana sy ny fahaketrahana ary ny tebiteby izay mety handifotra antsika raha tsy izany ka mamela ny tanjaka sy ny fanomezan-toky eo amin’ny toerany.

Diniho ireto ohatra vitsivitsy ireto:

Tsy zoviana amintsika ny fampanantenana nomen’i Benjamina Mpanjaka hoe: “Ary ankoatra izany dia mba maniry aho ny hisaintsainanareo ny toetry ny fitahiana sy fahasambaran’ireo izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra. Fa indro izy ireo dia tahiana amin’ny zava-drehetra, na ara-nofo na ara-panahy; ary raha mitoetra ho mahatoky hatramin’ny farany izy ireo dia raisina any an-danitra, fa amin’izany no hahazoany miara-monina amin’ Andriamanitra ao amin’ny toetry ny fahasambarana tsy mifarana na oviana na oviana. Ô tsarovy, tsarovy fa ireo zavatra ireo dia marina; fa ny Tompo Andriamanitra no efa niteny izany.”11

Tsarovy ny fanambarana feno toky nomen’i Nefia rehefa niatrika fanenjehana sy fahaketrahana tamin’ny fotoan’ny fahafatesan’ny rainy izy:

“Kanefa, na dia eo aza ny halehiben’ny hatsaram-pon’ny Tompo tamin’ny nanehoany tamiko ny asany lehibe sy mahatalanjona, dia niantsoantso ny foko hoe: Indrisy olona fadiranovana aho! Eny, malahelo ny foko … noho ny heloko.

“Voahodidin’ny fakam-panahy sy ny fahotana izay mora mahazo ahy aho.

“Ary rehefa mba naniry ny hifaly aho, dia mitoloko ny foko noho ny fahotako; kanefa fantatro izay efa nitokiako. …

“Raha zavatra lehibe loatra no efa hitako tamin’izany, raha namangy ny olona tamin’ny famindram-po be ny Tompo, tamin’ny fietreny ho an’ny zanak’olombelona, ô nahoana no hitomany ny foko ary hitaredretra ao an-dohasahan’alahelo ny fanahiko ary hihaosa ny nofoko ary hihena ny heriko noho ny fahoriako? …

“Tompo ô, efa natoky Anao aho ary mbola hatoky Anao mandrakizay.”12

Nitantara ny fifaliana noho ny fahaterahana indray sy ny fianteherana amin’ Andriamanitra i Almà:

“Ary ankehitriny, nandritra ny telo andro sy telo alina aho dia nijaly tamin’ny fanaintainan’ny fanahy voaozona.

“Ary ny zava-nitranga, raha nampijalian’ny fijaliana toy izany aho ka mbola norotidrotehan’ny fahatsiarovana ny fahotako maro dia indro nahatsiaro koa aho ho efa nandre ny raiko naminany tamin’ny vahoaka ny momba ny fiavian’ izany Jesoa Kristy izany, izay Zanak’ Andriamanitra mba hanonitra ny fahotan’ izao tontolo izao.

“Ankehitriny, raha nifantoka tamin’izany eritreritra izany ny saiko, dia nihiaka tao am-poko aho hoe: Ry Jesoa ô, Ianao Ilay Zanak’ Andriamanitra, mamindra fo amiko, izay ao anatin’ny ngidin’ny afero sy voahodidin’ny gadra maharitra mandrakizain’ny fahafatesana.

“Ary ankehitriny, indro, nony nieritreritra izany aho, dia tsy nety nahatsiaro intsony ny fanaintainako; eny, tsy norotidrotehan’ny fahatsiarovana ny fahotako intsony aho.

“Ary ô, endrey fifaliana, ary endrey hazavana mahagaga no hitako; eny, ny fanahiko dia feno fifaliana izay nihoa-pampana toy izay fanaintainako izay! …

“Eny, ary hatramin’izay fotoana izay ka mandrak’ankehitriny, dia efa niasa tsy nitsahatra aho mba hahazoako mitondra fanahy hankamin’ny fibebahana; mba hahazoako mitondra azy ireny hanandrana ny fifaliana mihoa-pampana izay nandramako; mba ho azo aterak’ Andriamanitra koa izy ireny sy ho feno ny Fanahy Masina. …

“Ary efa notohanana aho nandritra ny fizahan-toetra sy ny fahasahiranana isan-karazany, eny, ary tamin’ny karazam-pahoriana rehetra; eny, Andriamanitra no efa nanafaka ahy tao am-ponja sy tamin’ny fatorana ary tamin’ny fahafatesana; eny, ary mametraka ny fitokiako Aminy aho, ary mbola hanafaka ahy Izy.”13

Raha nisy angamba olona nanana antony sahaza hahatafalatsaka anaty tebiteby sy fahaketrahana lalina, dia i Môrmôna, izay nilaza tamin-kalahelo hoe, “ny sarin’ny faharatsiana sy ny fahavetavetana mandrakariva no efa teo anoloan’ny masoko hatrizay naha-vantotr’olona ahy ka nitazanako ny lalan’ny olona.”14 Kanefa na dia teo aza ny ady sy loza nameno ny fiainany, dia afaka nilaza tamin’i Môrônia zanany ihany izy hoe: “Anaka, aoka ho mahatoky ao amin’i Kristy; ary enga anie ka tsy hampahalahelo anao ny zavatra izay efa nosoratako, hanavesatra anao hidina hatrany amin’ny fahafatesana; fa hanandratra anao kosa anie i Kristy, ary enga anie ny fijaliany sy ny fahafatesany ary ny fanehoany ny vatany tamin’ny razantsika [ny Fitsanganany amin’ny maty], ary ny famindram-pony sy ny fahari-pony ary ny fanantenana ny voninahiny sy ny fiainana mandrakizay hitoetra mandrakizay ao an-tsainao.”15

Namariparitra ny ohatra manokana nasehon’ny Mpamonjy amin’ny fiatrehana fijaliana tsy takatry ny saina sy ny fomba ahafahantsika mitodika Aminy mba hahazoana fanampiana sy fanasitranana fa tsy ho tafalatsaka kosa any anaty fahakiviana i Almà.

“Ary handeha Izy, hiaritra fanaintainana sy fahoriana ary fakam-panahy isan-karazany; ary izany dia ny mba hahatanteraka ny teny izay milaza fa hitondra eo Aminy ny fanaintainana sy ny aretin’ny olony Izy.

“Ary haka ny fahafatesana ho eo Aminy Izy, mba hahazoany mamaha ny famatoran’ny fahafatesana izay mamatotra ny olony; ary haka ny rofiny ho eo Aminy Izy mba hahatonga ny ao anatiny ho feno famindram-po araka ny nofo, mba hahafantarany araka ny nofo ny fomba hanampiana ny vahoakany arakaraka ny rofiny.

“… Ankehitriny mahalala ny zava-drehetra ny Fanahy; na dia eo aza izany, ny Zanak’ Andriamanitra dia miaritra araka ny nofo mba hahazoany maka ho eo Aminy ny fahotan’ny olony, mba hahazoany mamafa ny fandikan-dalàny araka ny herin’ny fanafahany; Ary ankehitriny indro izany no fanambarana izay ato amiko.

“Ankehitriny lazaiko aminareo fa tsy maintsy mibebaka ary ateraka indray ianareo; satria milaza ny Fanahy fa raha tsy ateraka indray ianareo, dia tsy afaka mandova ny fanjakan’ny lanitra; koa avia ary aoka hatao batisa ho amin’ny fibebahana, mba hahazoana manasa anareo amin’ny fahotanareo, mba hahazoanareo manana finoana ny Zanakondrin’ Andriamanitra, izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao, izay mahery ka mahavonjy sy mampahadio amin’ny tsy fahamarinana rehetra.”16

Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna isika dia mianatra ny tena dikan’ny hoe ateraka indray sy ny dingana hahatongavana amin’izany ary ny “[fahatongavana] ho olomasina amin’ny alalan’ny sorompanavotan’i Kristy Tompo.”17 Raha afaka mitarika ny zatovontsika sy ny tanorantsika ho amin’ny fahaterahana indray ara-panahy isika, dia ho levona ny fahaketrahana ary ho azo fehezina tsara ihany izay mety ho tebiteby eo amin’ny fiainany (toy izay mety hisy avy amin’ny fanaovana lahateny izay hampitaina maneran-tany iray). Na ny fahafatesana mihitsy aza dia tsy afaka handrahona ny fiadanany rehefa hateraky ny Fanahy indray izy ireo ary nianatra natoky an’ Andriamanitra.

Indray mandeha ny Loholona Neal A. Maxwell dia niresaka momba ny fanontaniana lehibe mikiky ny “ny loza miandry an-draolombelona,” dia ny hoe ny zava-drehetra dia hiafara amin’ny fahafatesana. Ny zava-bitantsika, ny fananantsika, ny fikambanantsika dia samy hisy fiafarany, ary raha misy zavatra hafa dia hoy “ilay Mpitory” ao amin’ny bokin’ny Mpitoriteny hoe, “zava-poana sy misambo-drivotra foana izany rehetra izany.” 18 Zava-misy ny fahafatesana, ary voatery isika hanaiky fa raha tsisy ny hery izay mandresy ny fahafatesana, dia tsy misy antony firy ny fiainantsika. Soa ihany fa mahafantatra isika fa efa resy ny fahafatesana, misy antony sy dikany ny fiainana, ary tsy zava-poana ny zava-drehetra. Tamin’ny alalan’ny Sorompanavotany no nandresen’i Jesoa Kristy ny fahafatesana miandry ny olombelona, ary ankehitriny, araka ny tenin’ny Loholona Neal A. Maxwell, “dia tsy misy afa-tsy ny toe-javatra mahatsiravina izay hiainan’ny olona manokana [ireo fahotantsika manokana, hadisoana ary ny fahalementsika], ary afaka ny ho voavonjy amin’izany koa isika amin’ny alalan’ny fanarahana ny fampianaran’ilay namonjy antsika tsy hiaran’ny faharinganana faobe.” 19

Ao anatin’izany rehetra izany isika dia manome sehatra ilay fomba fijery mibanjina ny lavitra izay navoitry ny Filoha Nelson tamin’ny alalan’ilay andian-teny vao haingana hoe: “Saino amin’ny fomba selestialy.” Tsy maintsy ampiantsika ny taranaka vao misondrotra handà ilay toe-tsaina “Mihinàna, misotroa ary mifalia, fa ho faty isika rahampitso” izay mihamibaribary hatrany any amin’ny kolontsaina maro. Izany fomba fijery ny fiainana manaiky resy izany dia tsy miraharaha ilay drafitra lehiben’ny fanavotana sy fahasambarana ary tsy mifantoka afa-tsy amin’ireo fahafinaretana eo no ho eo. Mitondra ho amin’ny lamina sy fomba fiainana tsy maharitra izany. Lalana mibanaka mitondra ho amin’ny tebiteby manimba sy ny fahaketrahana mamotika izany. Niresaka momba izany olana izany nandritra ny lahateniny tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra farany teo ny Filoha Nelson. Nanoro hevitra izy hoe:

“Ny fiainana an-tany dia taranja lehibe entina mianatra misafidy ireo zavatra manan-danja mandrakizay lehibe indrindra. Maro loatra ireo olona izay miaina toy ny hoe tsy misy zavatra hafa ankoatra ity fiainana ity. Ny safidy ataonao androany anefa dia hamaritra zavatra telo: ny toerana hipetrahanao mandritra ny mandrakizay, ny karazana vatana izay hitsangananao amin’ny maty, ary ireo olona izay hiarahanao miaina mandrakizay. Ka noho izany dia saino amin’ny fomba selestialy.”20

Ao anatin’ny boky iray izay navoakany vao tsy ela mitondra ny lohateny hoe Heart Matter, dia namelabelatra ity eritreritra manaraka ity izay nitantarany zavatra niainana manokana nampivarahontsana ny Filoha Nelson. Hoy izy:

“Imbetsaka teo amin’ny fiainako no naha teo am-bavahoan’ny fahafatesana ahy. Nitranga tany Maputo, Môzambika, tany am-piafaran’ny taona 2009 ny iray tamin’izany. Raha niara-nisakafo tao amin’ny foiben’ny misiôna tany niaraka tamin’ny Loholona William W. Parmley, Filohan’ny Vondromparitra Afrika Atsimo Atsinanana sy i Shanna vadiny, sy ny filoha Blair J. Packard, Filohan’ny Misiônan’i Môzambika Maputo sy i Cindy vadiny izahay, dia nisy lehilahy telo nitam-piadiana mahery vaika niditra tao amin’ilay efitrano.

“Tao anatin’ny fifandonana nanaraka izany, dia nanohoka basy teo amin’ny lohako ny iray tamin’ireo mpandroba, nanambara fa tonga izy ireo hamono ahy sy haka an-keriny ny vadiko, ary avy eo dia nopihany ny fihantsim-basiny. Namoaka feo kely ilay basy saingy tsy namoaka bala. Nahasorena ilay mpandroba ny tsy fivoahan’ny bala ka dia nodakany ny tavako ary nazerany tamin’ny tany aho. Raha ny fiheverako azy dia izay no vita ny amiko. Tsaroako aho nieritreritra fa handao ity fiainana ity ka hiampita amin’ny fiainana manaraka. Ho zavatra tena mahaliana be izany.’

“Nandritra izany fotoana izany ihany dia nanohoka mafy ny basy poletany tao an-damosin’i Wendy ny mpandroba iray hafa, nanomboka nanozongozona ny seza nisy azy mba hisintona azy, dia nilaza hoe, -Manaraka anay ianao. -Manaraka anay ianao!-

“Noho ny andiana tranga maro mifono fahagagana, ary tamin’ny alalan’ireo zavatra feno herimpo nataon-dRahavavy Cindy Packard indrindra indrindra, dia voatsimbina ny ainay. Kanefa tahaka ny tsapako nandritra ireo fotoana nampivarahontsana hafa maromaro teo aloha teo amin’ny fiainako, dia tonga saina aho fa tena marefo tokoa ny aina ary azo lazaina fa vitsy ny zavatra eto amin’ity izao tontolo izao ity izay manan-danja mandrakizay. Rehefa nandrahona hanala ny ainay ireo mpandroba ireo, dia tsy nieritreritra ireo valisoa na mari-pahaizana na mari-pankasitrahana teo amin’ny fianarana nolalovako aho. Nieritreritra momba ny fianakaviako sy ireo fanekempihavanana izay nataoko tamin’ny Tompo aho.

“Manahy aho fa maro loatra amintsika no miaina ny fiainantsika toy ny hoe ity fiainana ity ihany no izy ary tsy hitohy ny fiainana aorian’ny fahafatesana, ary ny zavatra ataontsika eto dia tsy hisy fiantraikany amin’ny hoavy. Tsy marina tsotra izao izany.

“Tokony hataontsika izay tsy haha voarebireby na hampiala antsika eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana noho ireo “zavatra mamirapiratr’izao tontolo izao,” izany hoe ireo voninahitra sy fikasan-draolombelona. Tsy manan-danja mihitsy ireo zavatra ireo any amin’ny tontolo ho avy. “Ny zavatra hanan-danja dia ny hoe nanao fanekempihavanana tamin’ Andriamanitra sy nitandrina izany isika.”21

Ny vavaka ataoko dia ny mba ahafahantsika manampy ireo rehetra izay azontsika tarihina hanao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra sy hitandrina izany. Ampio izy ireo hamboly finoana sy hatoky an’ Andriamanitra ary hahazo fanantenana. Ampio izy ireo hibebaka sy hitoetra ao amin’ny fahasoavana manavotry ny Mpamonjy ary hahazo fiadanana. Ampio izy ireo ho lasa ateraka indray ka ho lasa “zanak’i Kristy, dia zanakalahiny sy zanakavaviny”22, ary hahazo fifaliana. Ary enga anie ianareo handray ny teny mahafinaritr’ Andriamanitra, “Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky.”23

Atolotro anareo ny tenivavolombeloko azo antoka sy marina ny amin’ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty. Ny fisian’ny Fitsanganany tamin’ny maty dia manaporofo ny fahamarinan’ny zavatra ampianarintsika ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ary manamarina fa manana ny hery rehetra any an-danitra sy ety an-tany Izy, ary afaka manatanteraka sy hanatanteraka ireo fampanantenany Izy. Velona Izy! Mpiandry ondry sakaizany ianareo, ary mitsodrano anareo aho hahazo ny fitiavany sy hahay kokoa hampianatra sy hiahy ireo zanak’ondriny. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Hamoaka printy