Fampitana fanao isan-taona
Mpitondra vaovao mahafaly


Mpitondra vaovao mahafaly

Fampitana ny fivoriana fanao isan-taona an’ny S&I ho an’ny 2023

Zoma 27 janoary 2023

Rahalahy Chad H Webb: Noraisina ho toy ny voninahitra avo indrindra ny voafantina ho mpitondra vaovao mahafaly tamin’ny andro taloha, indrindra raha mpitondra hafatra amin’ny fandresena an’ady. Tamin’ny 490 talohan’i Jesoa Kristy dia nisy zatovolahy iray antsoina hoe Pheidippides izay voafidy hanana ny voninahitra hitondra vaovao ho an’ireo vahoaka Grika izay tsindrindaona handre fa namonjy ny firenen’izy ireo ny miaramilan’izy ireo tamin’ny fandresena ireo mpanafika Persiana. Araka ny tantara dia nihazakazaka namakivaky ny lalana miala avy eo amin’ny Valley of Marathon ka hatrany Athènes i Pheidippides mba hanambara ilay vaovao mahafaly. Mihoatra ny 2500 taona aty aoriana dia olona maro salama kokoa noho ny tenako no manohy mankalaza io hazakazaka io amin’ny alalan’ny fanaovan’izy ireo ny hazakaza-davitr’izy ireo manokana.

Niresaka mikasika ny hevitra fonosin’ny atao hoe mpitondra vaovao mahafaly i Isaia rehefa nilaza hoe:

“Ary ireny no ireo izay efa nanambara fiadanana, izay efa nitondra teny soa mahafaly, izay efa nanambara famonjena; ary niteny tamin’i Ziona hoe: Manjaka ny Andriamanitrao! …

“… Ô endrey ny hatsaran’ny tongony teny an-tendrombohitra!

“Ary koa … endrey izany hatsaran’ny tongotr’ireo eny an-tendrombohitra izay … [mbola manambara] fiadanana!”1

Tamiko dia nanova ny zava-drehetra ireo andinin-tsoratra masina ireo fony aho misiônera tanora iza manimanina ny toeram-ponenako sy kivy. Nanokatra ny foko sy ny saiko ny fanahin’ireo andininy ireo noho izaho nametrahana fitokisana mba ho mpitondra ny vaovao lehibe indrindra izay azon’izao tontolo izao horenesina. Fanantenana sy fankasitrahana no nisolo toerana ny fahakiviana sy ny fahatsapana ho mahonena ary tsy hadinoko mihitsy ilay maraina izay nahatakarako voalohany tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina fa natao hisolo tena ny Mpamonjy aho tamin’ny fitondrana ilay vaovao mahafalin’ny fitiavany tsy manam-paharoa, sy ny sorompanavotany ary ny fandreseny ny fahotana sy ny fahafatesana.

Isaky ny miditra anaty kilasy iray ianareo isan’andro dia mpitondra teny soa mahafalin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ianareo. Misaotra noho ny fanambaranareo fiadanana anatina tontolo feno fisaratsarahana sy fifandirana ity ary noho ny fitondranareo hazavana sy fahamarinana ao anatina tontolo feno haizina sy fisafotofotoana. Ity no Fiangonana marin’i Jesoa Kristy. Efa nomanina sy nofidiana ho mpitondra fiadanana ho an’ireo zatovo sy tanora ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo ianareo. Tena voninahitra tokoa ny misolo tena an’i Jesoa Kristy, ny mampianatra ny filazantsarany ary ny miezaka mampianatra izany araka ny fombany!

Nanana fahafahana nianatra avy tamin’ny Loholona Dieter F. Uchtdorf isika tamin’ny taona lasa raha nampahafantatra antsika ilay boky torolalana vaovao izy atao hoe Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy. Tiako fa mifantoka amin’ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy amin’ny maha ilay Mpampianatra Lehibe Azy ity boky torolalana vaovao ity. Araka ny nolazain’ny Loholona Uchtdorf hoe: “Ny fomba tsara indrindra hahatongavana ho mpampianatra tsara kokoa dia ny miova ho mpanara-dia an’i Jesoa Kristy tsara kokoa.”2

Noho ny fisian’ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, dia hatsahatsika ny fampiasana ny Boky torolalana Fampianarana sy fianarana ny filazantsara. Ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy dia tsy natao ho loharanom-pitaovana fanofanana. Ny tanjon’izany dia ny hanolotra famaritana sy fanazavana momba ny fianarana sy ny fampianarana ny filazantsara amin’ny fomba mahomby. Ireo loharanom-pitaovana natao ho an’ny fampiofanana dia efa novokarina ary mbola hitohy ny famokarana izany mba hanampiana anao hampihatra ireo fitsipika ampianarina ao amin’ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy. Hita ao amin’ireo loharanom-pitaovana ireo ny singa sasantsasany ao amin’ny Boky torolalana Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara izay nitahy ireo mpianatra nandritra ny taona maro.

Fantatro fa maro aminareo no efa nandany fotoana be tamin’ny fandalinana ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy ary nisaintsaina ireo fanontaniana ho fanombantombanana ny tena manokana. Misaotra amin’ny ataonareo rehetra mba ho mpampianatra ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny tahaka an’ i Kristy.

Ho fanatsarana hatrany ireo fitaovana fanofanana ampiasaintsika dia te hanambara fanovana natao tamin’ilay fehezan-teny ôfisialy milaza ny tanjon’ny Seminera sy Institiota aho. Mialohan’ny hizarako aminareo ireo fiteny vaovao ao anatin’ilay fehezan-teny dia mamelà ahy ianareo hanolotra sahan-kevitra vitsivitsy. Tao anatin’ny roa taona lasa isika dia nifantoka tamin’ny fanolorana ireo mpianatra traikefa izay mitarika mankany amin’ny fiovam-po, sy ny fahatsapana zavatra manan-danja ary ny fahatsapana ho manana toerana sy amin’ny alalan’ny famelana zatovo sy tanora misimisy kokoa araka izay azo atao hisitraka izany traikefa izany koa. Tsy azo ihodivirana ny tokony hahafantarantsika fa ireo fitsipika ireo dia tsy mitovy lanja. Ny tanjona lehibe dia ny hanolotra traikefa izay manasa ireo mpianatra hianatra ny filazantsara sy hampiorim-paka ny fiovam-pon’izy ireo amin’i Jesoa Kristy.

Zava-dehibe ny fahatsapana zavatra manan-danja sy ny fahatsapana ho manana toerana, saingy vokatra ankolaka izy ireo. Fomba entina hanatrarana tanjona izy ireo izay raha ampiasaina amim-pahombiazana dia afaka hitarika amin’ny fanatratrarana ny tanjontsika mivantana ho amin’ny fiovam-po. Ny fahatsapana zavatra manan-danja izay mitarika amin’ny fiovam-po dia mihoatra lavitra noho ny firesahana karazan-javatra izay mahaliana fotsiny ihany amin’ireo mpianatsika. Tsy misy zavatra mifandray kokoa amin’ny fivoarantsika mandrakizay sy ny fifaliantsika mihoatra noho i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny. Ny drafitry ny famonjena dia drafitr’ Andriamanitra ho an’ny zanany rehetra. Misy lanjany mivantana sy dikany mandrakizay ho an’ny zanak’ Andriamanitra tsirairay izany.

Ny fahatsapana zavatra manan-danja izay mitarika amin’ny fiovam-po dia tafaorina rehefa manampy ireo mpianatra hahatakatra ny drafitr’ Andriamanitra sy ny anjara asa fototra tanan’i Jesoa ao amin’izany drafitra izany ary ny dikan’ny filazantsara eo amin’ny fiainantsika isan’andro ny Fanahy Masina. Ny fahatsapana zavatra manan-danja izay mitarika amin’ny fiovam-po dia manampy ireo mpianatra hahita ny fomba hifandraisan’ireo soratra masina sy ny fampianaran’ireo mpaminany maoderina amin’ny toe-javatra iainan’izy ireo sy ny zavatra ilain’izy ireo. Manampy azy ireo hahafantatra ny fomba hamalian’ny filazantsara ireo fanontanian’ny fanahy ananan’izy ireo izany. Mitranga izany rehefa mahatsapa ho taomina hanao asa amim-pinoana an’i Jesoa Kristy izy ireo ary hiaina ny fahatanterahan’ireo fitahiana nampanantenain’ny Ray any An-danitra. Izany no fahatsapana zavatra manan-danja izay mitondra mankany amin’ny fiovam-po.

Marina ihany koa fa tsy ny fahatsapana ho manana toerana fotsiny ihany no tanjona farany. Raha ny marina, satria ampiasaina amin’ny fomba maro ny teny hoe mahatsapa ho manana toerana dia indraindray mety ho lasa diso ny fandraisana izany raha ny tiantsika hampiasana azy ao amin’ny sahan-kevitry ny filazantsara. Maro amintsika no efa nahatsapa ho manana toerana amin’ny toe-javatra isan-karazany. Rehefa nihalehibe aho dia nitranga tamiko izany tao amin’ireo ekipa mpanao atletisma nisy ahy. Ireo mpiara-milalao tamiko no namako akaiky indrindra ary azo antoka fa nahatsapa ho nirotsaka tamin’ny tanjonay mba hahomby aho. Ny fahatsapana ho manana toerana tahaka izany no mahasoa ary tena zava-dehibe mihitsy aza. Saingy mihoatra noho izany ny fahatsapana ho manana toerana izay mitondra amin’ny fiovam-po.

Nampianatra ny Loholona D. Todd Christofferson nandritra ny fihaonambe maneran-tany farany indrindra fa ny fotopampianaran’ny fahatsapana ho manana toerana dia mizara telo: ny fanangonana ny vahoakan’ny fanekempihavanan’ny Tompo, ny asa fanompoana sy ny fahafoizan-tena ary ny anjara andraikitra fototra sahanin’i Jesoa Kristy eo amin’ny fahatsapana ho manana toerana.3 Ireo fotokevitra ireo no ivon’ny tiantsika holazaina rehefa milaza isika fa ny fahatsapana ho manana toerana dia mitondra amin’ny fiovam-po. Azo antoka fa tafiditra ao anatin’ny fahatsapana ho manana toerana ny fifankatiavana sy ny fifanajana. Tafiditra ao anatin’izany ihany koa ireo fitsipika izay mitondra antsika ho any amin’ny Mpamonjy sy hanolo-tena amin’ny asany rehefa mifanampy isika mba handeha amin’ilay lalan’ny fanekempihavanana miverina mankany Aminy.

Ireo fitahiana avy amin’ny fahatsapana ho manana toerana mifototra amin’ny filazantsara dia ahitana ihany koa ny fifandraisana amin’ny alalan’ireo fanekempihavanana. Ny hoe mahatsapa ho manana toerana raha jerena amin’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny dia manampy antsika hahafantatra ny tena maha-izy azy antsika sy ny fifandraisantsika mandrakizay amin’ny Raintsika any An-danitra. Misy ireo fanekempihavanana ataontsika noho ny fitiavany antsika ary mampifandray antsika Aminy sy amin’ny fianakaviantsika ary amina fiaraha-monina mpino izay nampanantena ny hifampitondra enta-mavesatry ny tsirairay. Izany karazana fahatsapana ho manana toerana izany dia mitarika amin’ny fiovam-po amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny.

Izao dia mamelà ahy ianareo hiverina amin’ilay fiovana natao tamin’ny fehezan-teny ôfisialy milaza ny tanjontsika, izay nankatoavin’ny Filankevim-pitantanan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana. Mba hametrahana ny fiovam-po ho ilay tanjona mivantan’ny traikefantsika rehetra amin’ny fampianarana sy ny fianarana dia hivaky toy izao ny fehezan-teny milaza ny tanjontsika ankehitriny: “Ny tanjontsika dia ny hanampy ny zatovo sy ny tanora manambady na tsy manambady, hanao izay hampiorim-paka ny fiovam-pon’izy ireo ho amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny, sy ho mendrika ny hahazo ireo fitahiana avy amin’ny tempoly, ary hiomana sy hanomana ny fianakaviany ary ny hafa, ho amin’ny fiainana mandrakizay miaraka amin’ny Rainy any An-danitra.” Ity fanovana ity dia hanampy antsika handrindra ny fiofanana sy ny ezaka ataontsika mba hanorenana traikefa amin’ny fianarana izay antenaina fa hamela antsika hanampy ireo mpianatra ho lasa mpanaradia an’i Jesoa Kristy mandritra ny androm-piainany. Ny anjara asan’ny mpampianatra izay voalaza ao amin’ny voalazan’ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy dia hijanona hoe hanampy antsika hahatakatra tsara kokoa ny anjara asantsika amin’ny fanampiana ireo mpianatra hanao izay hampiorim-paka ny fiovam-pon’izy ireo. Nohavaozina ihany koa ireo andiam-pehezan-teny Live, Teach and Administer (Iaino, sy Ampianaro ary Tantano) izay mifandray amin’ny torolalana noraisintsika, izay hitanao ao amin’ny tranonkalan’ny S&I.

Na inona na inona mety hiova na hamafisina amin’ny ezaka ataontsika mba hahomby amin’ny fampianarana ny filazantsara dia tsy hiova velively ny fifotorantsika amin’i Kristy, sy ny fifantohantsika amin’ireo mpianatra ary ny fiaingantsika avy amin’ny soratra masina. Ary hiezaka foana isika hampita ny traikefantsika amin’ny fampianarana sy ny fianarana amin’ny alalan’ny fitaomana sy ny tenivavolombelon’ny Fanahy Masina. Ny zavatra ataontsika rehetra dia tokony hampiorim-paka ny fiovam-pontsika amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny satria Izy no valiny amin’ireo fanamby atrehan’izy ireo sy ireo fanontaniana ananan’izy ireo. Izy no Andriamanitry ny fanafahana sy fanavotana azy ireo.

Ankehitriny aho dia te hanambara zavatra iray hafa izay nankatoavin’ny Filankevim-pitantanan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana. Tiako hampidirina amin’ny alalan’ny fanomezana sahan-kevitra sasantsasany indray izany fanambarana izany, ka hampiasa fitsipika iray izay nampianarin’ny Mpamonjy amin’ity indray mitoraka ity. Vao haingana aho no nahatsikaritra tao amin’ilay Fanoharana momba ilay mpamafy voa fa nilaza i Jesoa hoe misy voa sasantsasany izay mamokatra zato heny, sasany kosa mamokatra enimpolo heny ary sasany telopolo heny. Ny tena nisy lanjanay lehibe tamiko raha namaky izany aho dia ny hoe naniry avy tamin’ny nantsoin’ny Mpamonjy hoe tany tsara ny tsirairay amin’ireo. Tsy teny amoron-dalana, na teny amin’ireo toerana marivo ambony vatolampy na koa voafafy teny amin’ny tsilo izany fa teny amin’ny tany tsara.

Nahatonga ahy hanontany tena izany raha toa ka miendrika fankasitrahana ireo izay mitondra zato heny fotsiny ihany ny fomba fametrahantsika ireo fepetra hahazoana isa amin’izao, ka lasa tsy manaiky sy mankasitraka ny ezaka sy ny anjara biriky atolotr’ireo izay mamokatra enimpolo sy telopolo heny. Samy manana ny fanohanana azon’ireo avy amin’ny fianakaviany, sy ny fahatakarany ny filazantsara ary ny fanoloran-tenany manokana ny mpianatra tsirairay. Mazava ho azy fa tokony hiandrandra zavatra lehibe isika kanefa tokony hitandrina koa mba tsy hanakivy ireo izay manao ny tsara indrindra vitany ao anatin’ireo toe-javatra misy azy ireo.

Nitarika antsika hanontany tena ireto andinin-tsoratra masina ireto raha toa ka vitantsika ny mihazona fenitra avo lenta sy mitady fomba hampifanentanana ny fomba fanaontsika amin’ny mpianatra tsirairay. Moa ve isika afaka mitady fomba izay mamporisika sy mitaona hamantatra firoboroboana sy fivoarana amin’ny ambaratonga rehetra amin’ilay lalan’ny fanekempihavanana ary manampy ireo mpianatsika mba hahomby? Moa ve isika afaka manohana azy ireo amin’ny ezaka ataony amin’ny fandalinana ny soratra masina sy ny fianarana ny filazantsara ka hitarika azy ireo hisaintsaina sy hametraka tanjona mba hahafahan’ireo mpianatra mikolokolo fahazarana sy mametraka lamina izay hitoetra miaraka amin’izy ireo mihoatra lavitra noho ny fotoana maha ao amin’ny efitrano fianarana azy ireo?

Ao anatin’izany dia tiako ny manambara ity manaraka ity ho an’ny seminera: ny fitsapam-pahaizana dia hiova avy amin’ny fitsapam-pahaizana ho an’ny tena manokana ka ho lasa famerenana mandinika anaty vondrona izay hanome antoka fa nianatra ny votoatin’ny lesona izay resahina ireo mpianatra. Ireo izay mahafehy ilay votoatin’ny lesona dia afaka manampy ny hafa mba hahazoan’ny rehetra fahafahana hampiorim-paka ny fahatakarany. Ny ampahany amin’ilay fitsapam-pahaizana izay mifandray amin’ny finoana sy ny fampiharana dia hitoetra ho fanazaran-tena manokana natao mba hamoronana fahafahana hisian’ny fandinihan-tena. Ny famakiana izay takina dia misy fanovana ihany koa ary tsy hitaky 75 isan-jato amin’ny famakiana isan’andro mandritra ny taom-pianarana tsirairay intsony.

Manomboka izao, mba hahatratrarana ireo isa takina hahazoana diplaoma mandritra ny fandaharam-pianarana dia hotakina amin’ireo mpianatra seminera ny hamaky ireo andalan-tsoratra masina ao amin’ny boky soratra masina isaky ny taom-pianarana tsirairay. Ohatra, mandritra ny taom-pianarana voalohany ianarana ny Fotopampianarana sy Fenekempihavanana—Tantaran’ny Fiangonana, dia hamaky ny Joseph Smith—Tantara ireo mpianatra. Avy eo izy ireo dia hangatahana hametraka tanjona fanampiny amin’ny famakiana manokana izay entanin’ny faniriana anaty ka hanao izany amin’ny fiandrandrana lehibe ny hisian’ny fivoarana hatrany. Ireo tanjona manokana ireo dia tokony hahitana taratra ireo fahaiza-manaon’ireo mpianatra ary tokony hampiharihary ny ezaka sy fivoarana manokana ataon’izy ireo.

Ireo mpampianatra dia hamporisika ihany koa ireo mpianatra mba hanao fanaraha-maso ny fivoaran’ireo tanjona manokana napetrak’izy ireo ary hamporisika azy ireo hahatratra izany tanjona izany. Hamporisika ireo mpianatra hamaky ireo andalan-tsoratra masina omena ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy izy ireo mandritra ny herinandro ianarana seminera, na samirery izany na miaraka amin’ny fianakavian’izy ireo. Mamporisika ireo mpianatra handalina tsy tapaka ny Bokin’i Môrmôna ihany koa izy ireo, na samirery izany na miaraka amin’ny fianakavian’izy ireo. Atsy ho atsy dia hisy fampahalalana misimisy kokoa izay halefa aminareo mikasika ireo fanovana anankiroa ireo, anisan’izany ny antsipirian’ny fomba hanatanterahana izany sy ireo fe-potoana ary ny mety ho dikan’izany tamin’ireo taom-pianarana lasa izay tsy nahatratrarana ireo fepetra ireo.

Ankehitriny dia te hizara aminareo zavatra iray izay nolazain’ny Filoha Henry B. Eyring aho tamin’ny fotoana nifanakalozana hevitra momba ity fanovana ity. Hoy izy hoe: “Ny fahatanterahan’ity dia hitaky fifantohana misimisy kokoa ho an’ny tena manokana avy amin’ireo mpampianatra. Ho lasa enta-mavesatra fanampiny izany kanefa enta-mavesatra izay tokony hahafaly ireo mpampianatra ny mitondra azy satria zava-dehibe mitovy lanja amin’ny fanompoana manokana ny fampianaran’izy ireo ao amin’ny efitrano fianarana. Raha misy afaka manao izany dia ireo mpampianatrareo. Mahafinaritra izy ireo.”

Miray hevitra amin’ny Filoha Eyring aho. Mahafinaritra ianareo. Tsapako koa fa ny fialana amin’ny fenitra henjana mankany amin’ny fametrahana tanjona ho an’ny tena manokana dia hitaky fotoana sy fifantohana misimisy kokoa avy aminareo. Kanefa inona no azontsika atao mihoatra noho ny manampy ireo mpianatsika hanorina fahazarana handalina soratra masina atosikiny antony tsara izay hitahy azy ireo?

Farany dia tsy hiova ny fepetra takina mikasika ny fanatrehana fotoam-pianarana. Mba ampio ireo mpianatra hahita fa ireo traikefa raisin’izy ireo mandritra ny fotoam-pianarana dia hampitombo ny fahatakaran’izy ireo ny filazantsara sy hampiorim-paka ny finoan’izy ireo. Izay no antony mahatonga azy ireo manatrika fa tsy hahazoana isa takina fotsiny ihany. Ny mpianatra izay mahatakatra an’izany dia haniry ny ho eo zato isan-jaton’ny fotoana.

Amin’ny Institiota dia hanohy hihazona ireo fepetra mifehy ny isa takina isika saingy hanantitrantitra ireo antony tokony hanatrehana sy hirotsahana amin’ireo dingan’ny fianarana. Ireo antony toy ny fampiorenam-paka ny finoana sy ny fanatonana kokoa ny Mpamonjy ary ny fianarana ny fotopampianarany dia manampy ireo mpianatra hahatakatra ny antony, ampio izy ireo hametraka tanjona mba ho akaiky kokoa Azy ary amporisiho izy ireo mba ho tompon’andraikitra eo anatrehany.

Maro amin’ireo mpianatra no vao manomboka ny dian’izy ireo sy vao nomena fanasana, mety hoe vao sambany ny mba hanome toerana an’ilay voan’ny finoana eo amin’ny fiainan’izy ireo. Raha hoe tokony hiahiahy izy ireo fa tsy mbola niaina ireo zavatra niainan’ny mpianatra iray izay matotra kokoa dia tokony ankasitrahantsika ny fanirian’izy ireo hino. Rehefa hitany fa tsara ilay voa dia tokony hiara-hifaly amin’izy ireo isika ary mankalaza izany fanomezana avy amin’ny Ray any An-danitra izany. Avy eo dia miara-miandry amim-paharetana an’ilay andro ka ho tonga hazo maniry hatrany amin’ ny fiainana maharitra mandrakizay ilay voa.

Manasa anareo aho hanohy handalina amim-pitandremana ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy sy handinika izay tian’ny Tompo ampianarina anareo misimisy kokoa momba ny fiovam-po sy ny fahatsapana zavatra manan-danja ary ny fahatsapana ho manana toerana. Mba diniho amim-pitandremanana ihany koa ireo fitsipika fonosin’ireo fanovana amin’ilay fehezan-teny milaza ny tanjontsika sy ireo fepetra takina amin’ny fandaharam-pianarana. Ampiharo amim-pieritreretana ireo fanovana ireo amin’ny fomba izay mitaona sy mitahy ireo mpianatrareo rehetra.

Farany dia manasa anareo aho hanohy hifantoka amin’i Jesoa Kristy amin’ny ezaka ataonareo rehetra. Diniho ombam-bavaka ny fomba hahafahanareo mianatra avy Aminy, mianatra ny manaraka ny ohatra nasehony amin’ny maha ilay Mpampianatra lehibe Azy ary mianatra ny hiantehitra kokoa amin’ny fahasoavany sy ny fitiavany eo am-pihezahanareo mitahy ireo olon-tianareo. Mijoro ho vavolombelona aho fa Izy no lalana. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Hamoaka printy