Fampitana fanao isan-taona
Seminera sy Institiota ary ireo zavatra hafa izay mahomby


Seminera sy Institiota ary ireo zavatra hafa izay mahomby

Fampitana ny fivoriana fanao isan-taona an’ny S&I ho an’ny 2023

Zoma 27 janoary 2023

Filoha Steven J. Lund:Tena mahafaly ahy tokoa ny fangatahana ahy hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananako aminareo, izay ankasitrahako tokoa androany, sy ny fahafahako miteny eo anelanelan’ireto mpampianatra tsara indrindra izay fantatro ireto, angamba, ato amin’ny Fiangonana.

Vao haingana aho no nanatrika fampianaran-desona nataon’i Arthur Brookes, ilay prôfesora avy ao Harvard. Dia hoy izy: “Hitanao, mafy loatra ny tsindry apetratsika amin’ireo mpampianatsika. Mangataka azy ireo hanova ny fizotran’ny tantaran’olombelona isika.” Tsy fantany fa tena marina tokoa izany. Afa-tsy hoe, raha ny aminareo, dia tsy ny tantaran’olombelona no mampanahy antsika, fa ny mandrakizay. Ka noho izany dia miandrandra zavatra betsaka avy aminareo izahay ary mankasitraka ny amin’ny maha-ianareo anareo sy ny zavatra ataonareo, ary mikely aina mba hahazoana izany vokatra izany.

Tamin’ny fotoana farany nandraisako fitenenana tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, dia niresaka mikasika ny faniriako hametraka ny tanako teo amin’ny soroky ny misiônera nahavita asa fitoriana tamin-kafanam-po iray aho ary hampifaka lalina tao anatiny ny zavatra tsapako tao am-poko. Naroso niaraka tamin’ity andraikitra hiresaka aminareo ity ny soso-kevitra mba hanaovako izany eto, toy ny hoe mametraka ny tanako eo an-tsorokareo aho dia mijery ny masonareo ary milaza ny zavatra tsapako momba ny lalana misokatra ho anareo sy ny olanareo. Tsy hifandray akaiky be toy izany angamba isika, kanefa, angamba, noho ny zavatra tsapako momba anareo, raha hifandray akaiky isika, dia ny zavatra ao am-ponareo izay tokony ho fantatro no mba tiako hohenoina.

Izaho no toy izao dia noho ny fianarako seminera isa-maraina izay nampianarina tao anatina efitrano kely vonjimaika azo bataina napetraka teo akaikin’ny onivrsite iray ao Californie. Nifandimby nampianatra anay ny vehivavy iray Soedoa vadin’ny mpikambana iray tao amin’ny episkôpà anay ary avy eo dia renibe fitopolo taona miisa roa nifandimby tao anatin’ireo taona taty aoriana, ary samy mpampianatra mendrika avokoa izy telo ireo noho ilay fahafoizan-tena nananan’izy ireo ka nampifoha azy ireo tamin’ny 5 maraina sy noho ny faharesen-dahatr’izy ireo tanteraka amin’ny fahamarinan’ny Famerenana amin’ny laoniny. Ny ankamaroan’ny zavatra fantatro momba ny filazantsara, ary ara-bakiteny mihitsy izany, ny ankamaroan’ny zavatra fantatro momba ny filazantsara dia nianarako nandritra ny seminera. Ary ny ankamaroan’ireo zavatra vaovao ianarako ankehitriny momba ny filazantsara dia famerenako mianatra tsotra izao indray ireo zavatra nezahin’izy ireo nampianarina ahy tamin’izany.

Koa andeha ary isika hanomboka amin’ireo teny manan-danja indrindra izay azoko atolotra: misaotra amin’ny zavatra ataonareo sy ny maha-ianareo anareo. Misaotra noho ny fahavononanareo hanao ny asa goavana takina mba hanova ny fandaharam-pampianaranareo, ny drafitry ny lesonareo, ary ny tetiandronareo mba hifanaraka amin’ny Avia, hanaraka Ahy. Tsy betsaka ny olona ao amin’ny Fiangonana izay nahita tanteraka ny zavatra nangatahina taminareo. Misaotra noho ny fanaovanareo ireo ezaka fanampiny takina mba hitondrana izany fiovana izany, ary fantatrareo fa manohy manatsara ny fandaharam-pampianarana ianareo. Efa manomboka hita ny vokatry ny asanareo.

Misy taratasy iray tonga tao amin’ny biraonay izay mitantara tantara iray iraisan’ny maro. Mivaky toy izao izany: “Raha ny marina no lazaina dia tsy manao takarivan’ny mpianakavy matetika ny fianakaviako. Tsy dia mamaky soratra masina firy izahay na mitokana na miaraka amin’ny fianakaviana ary tsy miaraka mandalina ny filazantsara. Mavitrika ao am-piangonana izahay. Kanefa tato ho ato, hatramin’ny nianarako seminera, dia afaka nizara tamin’izy ireo ny zavatra nianarako tamin’ny seminera aho. Mino aho fa ny seminera dia natao mba hanampy amin’ny famporisihana ahy hamaky ny soratra masiko sy hanampy ahy hitaona ny fianakaviako ihany koa.”

Moa ve tsy izay ilay nantenaina? Ilay fanohanan’ny Fiangonana dia hanjary hanamafy orina ilay fampianarana mifantoka amin’ny any an-tokantrano ataon’ny Fiangonana. Ampahany ao anatin’ny Famerenana amin’ny laoniny mitohy izany dingana arahina izany ary fitsipika mahomby. Mikely aina ny Fiangonana amin’ny fanaovana ezaka mba hahatakatra izay zavatra mahomby sy tsy mahomby. Eo anivon’ny zavatra maro izay fantatsika fa miteraka fifandraisana maharitra amin’ny Tompo no misy anareo amin’izao fotoana izao.

Ka mandritra ny fotoana hametrahako ny tanako eo an-tsorokareo, na eo amin’ny hatokareo, arakaraka ny zava-misy, dia afaka manamafy zavatra vitsivitsy fantatray fa mahomby ve aho mba hahafahanareo miantehitra amin’ny zavatra manan-danja indrindra amin’ny fampianaranareo? Milaza izy ireo fa ny fahatongavana no taharo voalohany hahazoana fahombiazana. Raha atao ny salanisa dia lasa mahazo vokatra tsara kokoa maharitra eo amin’ny fiainana ny zatovo izay tonga mianatra. Izy ireo dia azo antoka kokoa fa handray fanafiana masina, azo antoka kokoa fa hanao asa fitoriana, ary azo antoka kokoa fa hanambady any amin’ny tempoly. Ireo izay manatrika seminera mandritra ny efa-taona dia lasa manana fifandraisana amin’ny filazantsara izay mahalana no tsy maharitra. Faharoa, rehefa mandoa fahafolonkarena feno ny zatovo dia manorina rohim-pihavanana amin’ny Ray any An-danitra izay mitoetra izy ireo. Isaky ny mankatò izany didy izany izy ireo ary mandoa izany, dia misy rohim-pahafoizan-tena sy fifandraisana miforona.

Manantena aho fa manatsara tsy tapaka ny fomba ampianaran’izy ireo ny hery mampifandray azo avy amin’ny fahafolonkarena ny mpampianatra seminera sy institiota rehetra. Indray mandeha ny raiko dia nanontany ahy teo amin’ny faha-10 taonako teo raha toa aho ka nandoa ny fahafolonkareko foana. Nandoa izany aho. Kely tokoa izany, satria tsy dia nandeha ny tsena teo amin’ilay lalan-tany tamin’ny toerana nipetrahanay. Kanefa notohizany hoe: “Hitanao, raha manapa-kevitra ny hanao izany ianao dia afaka miaina ny fiainanao sady mahatsapa fa tanteraka tamin’ny fitandremana izany didy izany.” Hoy izy hoe: “Isan’ny zavatra nanenenako”, ny raiko io miteny io, “ny hoe fony aho tany amin’ny tafika an-dranomasina na teny ambony sambo nandritra ny volana vitsivisy dia tsy nisy toerana handoavana fahafolonkarena, ka dia lasa tsy nanao izany intsony aho. Fa taorian’izay aho dia tonga lafatra tamin’ny fandoavana izany hatramin’izao. Saingy menatra ny amin’izany fotoana izany aho izay tsy nandoavako fahafolonkarena. Raha manapa-kevitra ny hanao izany ianao dia afaka ny ho tonga lafatra amin’ny fandoavana izany.” Afaka ny ho toy izany koa ny mpianatrareo.

Ny zavatra fahatelo tiako hanintonana ny eritreritrareo kanefa tena mahomby dia ny fihaonambe HZM. Mahatalanjona ireny fihaonambe HZM ireny. Tamin’ny fahavaratra lasa teo dia maro, na ny ankamaroan’ireo olona miisa 200.000 izay 14 ka hatramin’ny 18 taona manerana izao tontolo izao no nandeha nody niaraka tamin’ny fahatakarana misimisy kokoa sy manome risi-po kokoa momba ny maha-izy azy ireo sy ny antony angatahan’ny Tompo ny zavatra angatahiny. Mahomby tokoa ny HZM ka nahatonga anay nanontany tena hoe fa inona ny tsiambaratelony? Inona no fiantraikan’ny HZM?

Ny ampahan’izany dia mametraka azy ireo ao anatina tontolo lavitra ireo zavatra mahavariana azy ireo isan’andro mandritra ny herinandro, izay mametraka azy ireo ao anatina toe-tsaina tena mora ampianarina sy mifantoka. Ary mandritra ny fotoana rehetra izay maha voaro azy ireo ao amin’ny toeram-pialofana toy ny ankizy any an-trano, dia tsy maintsy mifanerasera aminareo izy ireo, amin’ireo mpampianatra sy ireo mpitarika ny fivoriana, ary avy amin’ny seminera sy institiota ny ankamaroany, rehefa mampianatra azy ireo fotopampianarana madio izay miteraka fisaintsainana lalina ianareo ary manentana azy ireo hiova fo.

Omenareo azy ireo ny fitaovana ilain’izy ireo rehefa mandeha mody mankany amina tontolo feno korontana sy zavatra tsy ampoizina izy ireo ny sabotsy, dia ny fiainan’izy ireo izany. Ny lesona sy ny ohatra ary ny teny rehetra nolazainareo dia hanome azy ireo ny fahaiza-manao entina hiatrika ny zava-misy eo amin’ny fiainan’izy ireo. Ho an’ny sasany amin’izy ireo dia mety ho ny HZM no fahafahana tsara indrindra farany ananan’izy ireo mba hihavanany amin’ny tenany sy amin’ Andriamanitra. Misaotra anareo noho ny fanolorantenanareo mba hitondra ho azy ireo ny tsara indrindra avy aminareo amin’ny fahalalanareo ara-panahy sy ny faharanitan-tsainareo ary ny fahaizanareo manabe. Ny fikarohana ataon’ny Fiangonantsika dia manamafy fa isan’ireo zavatra mahery vaika indrindra mahatonga ny olona ho lasa mpianatra mandritra ny androm-piainana ny fifandraisana amina olon-dehibe mahatoky toa anareo izay efa mahafantatra ny fomba hiatrehana ireo olana eo amin’ny fiainana sy hahazoana fifaliana ao amin’i Kristy.

Teo amin’ny iray volana lasa teo izay dia nangatahina ny Filoha Bonnie H. Cordon sy ny tenako mba hanao tatitra tamin’ny Fiadidiana Voalohany momba ny fandaharanasa HZM sy ny fizotran’ny fampahafantarana izany tamin’ny fahavaratra lasa teo tao Etazonia sy Kanadà. Vitanay ny famelabelarana nataonay ary namaly fanontaniana mampisaintsaina vitsivitsy momba ny drafitray izahay mba hitondrana fanatsarana fanampiny, dia toa tapitra ilay fivoriana. Kanefa rehefa nanomboka niala teo amin’ny sezanay izahay dia niraika kely nankany aloha ny Filoha Nelson ary niteny hoe: “Tokony mampianatra azy ireo hivavaka isika.” Dia niverina nipetraka avy hatrany indray izahay. Hoy izy hoe: “Tokony mampianatra azy ireo hivavaka isika, sy ny hoe amin’iza izy ireo no tokony hivavaka, ary inona no fiteny ampiasaina rehefa mivavaka.” Dia notohizany hoe nanahy izy fa sao dia lasa mandeha amin’ny fahazarana be fotsiny isika amin’ny fomba hifampiresahantsika amin’ny Ray any An-danitra. Dia naveriny indray ilay fehezan-teny hoe: “Mila mampianatra azy ireo hivavaka isika, sy ny hoe amin’iza izy ireo no tokony hivavaka, ary inona no fiteny ampiasaina rehefa mivavaka.” Koa andeha ary isika hampianatra azy ireo hivavaka. Isaky ny manonona vavaka isika dia manasa ny Ray any An-danitra hiditra an-tsehatra eo amin’ny fiainantsika. Vavaka hangatahana fahagagana ny vavaka tsirairay. Na ny vavaka fankasitrahana aza dia antenaina mba hampaha lalim-paka ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra.

Andeha ary isika hiresaka fitaovana hafa hahazoana fijoroana ho vavolombelona izay mahomby. Ny boky torolalana Ho zatovo mahery! Miala tsiny, ny Ho zatovo mahery!: Torolalana hanaovana safidy, izay mampianatra antsika hanolo ny fifantohantsika amina fitsipika amin’ny fifantohana amin’ny fifandraisantsika amin’ny Mpamonjy sy ho tonga tahaka Azy. Ilay fomba fiteny tsy zoviana hoe “Inona no ho nataon’i Jesoa?” dia mbola mitoetra ho fitsipika tena tsara eo amin’ny fiainana ihany. Tsy bokikely intsony no fototra iaingana handraisantsika ny fanapahan-kevitsika fa ny iraka ampanaovin’ Andriamanitra antsika.

Milaza amintsika hatrany hatrany ny Filoha Nelson fa ny zavatra manan-danja indrindra mitranga eto amin’ity izao tontolo izao ity sy ny antony nitehirizana antsika mba ho tonga eto amin’ity tontolo ity amin’izao fotoana izao dia ny fanangonana an’i Isiraely. Noho izany, rehefa mandray fanapahan-kevitra isika mikasika ny fomba hitondrantsika ny fiainantsika dia tokony ity fanontaniana ity no mitarika antsika hoe: “Hanampy ahy ve ity fanapahan-kevitra ity sa hanimba ny fahafahako manatontosa ny tanjoko eto amin’ny fiainana an-tany?” Rehefa miezaka miaina ilay karazam-piainana mendrika ny tafiky Tompo isika, dia miezaka mampifanaraka ireo safidy ataontsika eo amin’ny fiainana amin’ny iraka ampanaovina antsika eo amin’ny fiainana.

Ny fanontaniana ho antsika tsirairay dia hoe: “Moa ve isika mino an’i Kristy satria manambara amin’ny alalan’ny mpaminaniny ny tanjontsika masina Izy?” Satria raha mino Azy isika dia haniry ny handray fanapahan-kevitra tsara. Ianareo tompon’andraikitra ao amin’ny S&I no manana ny fahaiza-manao amin’ny fanampiana azy ireo hamaly izany fanontaniana izany. Tsy hiaro antsika ao anatin’ity tontolo feno fiovana ity ny andiana fepetra hentitra, fa ireo fitsipiky ny filazantsara no hiaro antsika.

Ilay boky torolalana vaovao enti-manao safidy Ho zatovo mahery! dia mangataka ireo tanorantsika mba hanazatra tena hiatrika ny fiainana amin’ny alalan’ny zavatra tsapan’izy ireo ara-panahy fa tsy amin’ny alalan’ny zavatra tsapan’izy ireo mahakasika ny kolontsaina iainany izay mampiahiahy fatratra. Ity boky torolalana vaovao HZM ity dia zavatra hafa fa tsy hoe fampitandremana manaraka izay ataon’ny olon-dehibe amin’ny zatovo mikasika ireo soatoavina. Izy ity kosa dia fomba hanavaozan’izy ireo ny fomba hitondrany ny fiainany rehefa mianatra ny maha- izy azy marina izy ireo amin’ny maha zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra azy ireo, Andriamanitra izay manana asa ampanaovina azy ireo, izay nandefa azy ireo ety noho ny antony voafaritra tsara ary izany dia hampisy lanjany lehibe ny fiainan’izy ireo. Hiaina tsy ho voahozongozona ao amin’ny filazantsara izy ireo.

Ity boky torolalana vaovao fanaovana safidy ity dia ampahany amin’ny lamina iray nambara am-polo taona maro lasa izay mitarika antsika mankany amin’ny fananana aim-panahy mafy orina kokoa. Singan-javatra iray farany napetraka eo amin’ny andohalambo mitomandavan’ny famerenana amin’ny laoniny izany izay ahitana ny fampianarana tao amin’ny paroasy izay niova tamim-pahombiazana ho fampianarana ao an-tokantrano ary avy eo niova ho fanompoana, niova ho ny takarivan’ny mpianakavy fa tsy fivoriam-pianakaviana amin’ny hariva, ny hoe ny mpikambana tsirairay dia misiônera izay manaja fenitra ambony dia niova ho fampakarana ny lentan’ny fifanakalozan-kevitra tsy hay hadinoina ataon’ny misiônera amin’ny alalan’ny Torio ny filazantsarakoary ny fanoloana ny fanaovana skoto sy ny Fivoaran’ny tena manokana tamin’ny Ankizy sy Zatovo, izay angatahana ny zatovo handray an-tanana ny fiainan’izy ireo ara-panahy.

Ireo zavatra vaovao takina amin’ny famakian-teny ho an’ny seminera dia mifanaraka amin’io fomba tarihin’ny Fanahy mifototra amin’ny fitsipika io. Nihanandroso hatrany hatrany nankany amin’ny fomba avo lenta kokoa sy masina kokoa amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra entanin’ny fiainana ara-panahy isika. Lasa mihamanan-danja hatrany ny hianaran’ireo zatovontsika sy ny tenantsika mba hanapa-kevitra ny amin’ny fihetsika tokony hataontsika manoloana ireo fitsipika masina fa tsy hoe voatery hanaraka fepetra manokana. Efa mifanehitra amina fanontaniana ara-pitondran-tena izay tsy nisy nametraka akory folo na telopolo taona lasa izay ireo zatovontsika. Raha hoe mety ho very hevitra izy ireo amin’izao fotoana izao amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra momba ny tombokavatsa, dia mahandrasa kely dia ho hitanareo hoe inona koa no zavatra hafa mahery vaika mbola hataon’ity tontolo ity amin’izy ireo.

Nohazavain’ny Filoha Russell M. Nelson ny fomba handraisana ireo fanapahan-kevitra ireo. Tsy vitan’ny hoe misafidy izay tianao fotsiny ianao. Nampianatra izy hoe: “Mampanantena anao aho fa raha toa ka manao tsy tapaka sy amim-kitsim-po ny asa ara-panahy ilaina mba hampitomboana ilay fahaiza-mianatra iankinan’ny fiainana sy ara-panahy ny fomba fihainoana ireo bitsiky ny Fanahy Masina ianao, dia hahazo ny fitarihana rehetra mety ilainao eo amin’ny fiainana.”1

Misy resaka mandeha mikasika ny tovovavy 14 taona iray izay nilaza tamin-dreniny taorian’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany fa ilay bokikely vaovao dia tsy mandrara ny fanaovana kavina maro, ka noho izany dia mikasa ny hanampy kavina amin’ny sofiny izy ny alakamisy. Nisento mafy ilay renim-pianakaviana dia nilaza izao manaraka izao taminy: “Fantatrao ny zavatra tsapanay mikasika izany, kanefa tsy resaka hoe zavatra tianay ataonao ilay izy. Fotoana ho anao izao anontanianao ny zavatra tian’ny Ray any An-danitra hataonao. Ianao no manao ny asa, manao ny fikarohana, mitondra izany am-bavaka, ary miandry valim-bavaka.” Dia nahazo ny valiny nandrasany ilay zazavavy 14 taona, ary nanova ny fiainany ilay reniny.

Taorian’ny nodiako avy nanao asa fitoriana dia nirotsaka tao amin’ny Tafik’i Etazonia aho. Indray mandeha aho dia nanompo tao amin’ny Ivontoerana fanofanana miaramila tao Oakland izay nampidirana ahy tao amin’ny fianakaviana miaramila vaovaoko. Ireo namana vaovao nampiarahana tamiko dia tsy nitovy tamiko ary tsy nisy nitovy mihitsy araka izay azonareo eritreretina. Saingy 24 ora taty aoriana dia nohetezana nitovy daholo ny volonay, ary nanao fanamiana mitovy daholo. Ary rehefa niditra tao amin’ny trano fipetrahanay izahay tamin’io hariva io dia toy ireny tompona orinasa mpanadio ireny avokoa. Nandritra ireo volana manaraka niarahanay nanaraka fiofanana dia tsy haiko mihitsy ny nanavaka hoe iza no iza tao anatin’izany andian’olona isan-karazany izay ivon-toerana fanofanana miaramila izany. Niara-niofana izahay dia niara-nitaraina dia nifamboraka ny momba anay, ary tsy nisy vondron’olona niavaka teo anivonay. Nianatra lesona mandritra ny androm-piainana mikasika ny maha-zava-dehibe ny fanamiana aho: afaka mampisaraka na afaka mampitambatra antsika ny zavatra anaovantsika. Ny fitafiana dia milaza hoe miaraka amin’iza isika ary inona no zavatra andrasana avy amin’ilay mpanao izany fitafiana izany.

Vao avy namaky mikasika ny mpitsabo tafika an-dranomasina iray aho izay nandeha namono afo tany Moyen Orient ary nitondra tafika an-dranomasina naratra maro tamin’ny alalan’ny famonjena tamin’ny angidimby ary avy eo dia niverina tany an-toby indray ary niverina niaraka tamina miaramila maratra hafa. Naneso azy ny miaramila namany sasany teo an-toerana hoe: “Ô ry tafika an-dranomasina a!”, ary nanompa azy izy ireo tamin’izany, “Ô ry tafika an-dranomasina a!, tsy tsikaritrao ve fa iray amin’ireo fahavalo iny entinao iny?” Dia hoy fotsiny izy hoe: “Eny, tafika an-dranomasina aho. Tsy tsikaritrareo ve fa maratra ihany koa izy?” Naneho fiavahana ny fanamiana nanaovany.

Nanasa ireo zatovo ireo ho ao amin’ny tafiky ny Tompo ny mpaminany. Rehefa mirotsaka ao amin’ny tafika ianao dia manao fanamiana. Rehefa misy loza na voina dia milaza amin’ny olona ny fanamiana anaovan’ny tafika fa hoe tonga ny fanampiana, manafaka ireo iharan’ny fampijaliana ireo miaramila marina, atsipy eny amin’ny lalan’izy ireo ny voninkazo, latsa-dranomaso ny olona, tonga ny fanampiana. Manao fanamiana ny misiônera. Afaka manao araka izay vitany ny asa nanirahana azy ny tafik’ Andriamanitra rehefa miavaka kely amin’ireo izay nasaina nampahereziny na nasaina nafahany izy ireo.

Hoy ilay boky torolalana hoe: “Fantany”, ny Ray any An-danitra no resahina eto, “Fantany fa afaka mitondra fiovana tsara eto amin’izao tontolo izao ianao, ary izany dia mitaky, amin’ny toe-javatra maro, ny tsy hitovianao amin’izao tontolo izao.”2

Fony mbola tao amin’ny Tafika dia nandeha nanao fialan-tsasatra izaho sy i Rich namako ka dia tonga tany Jerosalema izahay. Ary rehefa nandeha teo amin’ny lalana tao Jerosalema nanao Levis sy T-shirt golf izahay dia nilaza ny mpivarotra Arabo iray fa olona avy ao amin’ny BYU Jerusalem Center izahay. Nolazainay azy fa tsy avy ao izahay. Miaramila Amerikana mpinamana fotsiny izahay.

“Eny, fa avy ao amin’ny Jerusalem Center koa ianareo.”

“Fa nahoana ianao no mieritreritra izany?”

“Vao lavitra ianareo dia efa tsikaritray izany.”

Nifampijery izahay. Nitovy tamin’ireo vondron-tafika Israeliana nandalo teo akaikinay izahay izay nanao ankanjo mitovy amin’ny anay, nitovy hetim-bolo, ary nitovy tamin’ny zavatra rehetra. Kanefa nisy zavatra hita nibaribary.

Tao anatin’ny taona maro nifandimby dia niara-nipetraka tamin’olona hafa tsy mitovy kolontsaina sy soatoavina ary laharam-pahamehana aminy ny ankamaroan’ireo mpanara-dia ny Tompo. Koa ahoana ary no hanajantsika ireo namantsika kanefa sady miaina amim-pahavononana ny kolontsaina miavaky ny filazantsara ihany koa? Angatahana isika mba ho fahazavana ho an’izao tontolo izao eo am-panangonan’ny Tompo an’i isiraely amin’izao fotoana farany izao mba hanomanana ny fiaviany. Matetika ny mpikamban’ny Fiangonana no mitondra fahazavana izay tsy hitan’ny tenantsika kanefa tsikaritry ny hafa. Ny Fahazavan’i Kristy angamba izany hitan’izy ireo izany, izay manjavozavo indraindray, kanefa tena mamiratra amin’ny alalan’ilay tenantsika izay lavo. Sady i Kristy rahateo no herin’ny zatovo. Izay rehetra ataontsika ka mampiala na mampihena na manarona na manafina izany fahazavana izany dia manelingelina ireo tanjona nahatonga antsika ho teraka amin’izao fotoana izao.

Ny boky torolalana Ho zatovo mahery! dia afaka mitondra izany fahazavana izany rehefa mikatsaka fitaomam-panahy isika ny amin’ny fomba ahafahana manatanteraka ireo tanjona miavaka nofodin’ Andriamanitra araka izay azontsika atao amin’ny alalan’ny fanapahan-kevitra raisintsika momba ny fiainantsika sy ny fomba fiainantsika. Zavatra tsara izany hoe nirahina mba hijoro ho taranaka voafidin’ Andriamanitra izany. Mety hoe miavaka amin’ny besinimaro no dikan’izany rehefa mampiseho amin’ny alalan’ny safidy ataontsika isika hoe iza no arahantsika. Ny asantsika ato amin’ny fampianarana an’ny Fiangonana sy ao amin’ny fandaharanasa Ankizy sy Zatovo ary ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany dia tsy vitan’ny hoe miaro ity taranaka ity tsy hiala amin’ny finoany sy tsy ho tafaroboka ao anatina fomba fiaina tsy mendrika azy ireo fotsiny ihany. Miantso ireo zatovolahy sy ireo zatovovavy izay manana fahafahana hanavao izao tontolo izao ny mpaminany.

Ny mpaminanin’ny Tompo dia miantso ireo vehivavy izay afaka mijoro sy mitarika ao anatina tontolo ahitana vehivavy maro izay mikiry araka ny tokony ho izy mba haka ny toerana mendrika azy ireo eto amin’izao tontolo izao, ary mikasa ny hitana toerana manan-danja sy hitondra fiantraikany tsara, saingy ho an’ny maro amin’izy ireo dia toa mifanipaka amin’ny tanjon’ny faniriana manan-danja ananan’izy ireo ny fivavahana. Na izany aza anefa dia hitafy ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra ireo vehivavin’i Ziona ary hanova ny zavatra hifantohana.

Ary ilainy isika hikolokolo lehilahy manana hery lehibe, mahazo ireo toetra tsara rehetran’ny zanakalahin’ Andriamanitra izay voalazalaza ao amin’ny soratra masina. Tsy misy afa-tsy iray ihany ve ny Kapiteny Môrônia eto amin’ity fiainana an-tany ity? Tsy izany no reko nolazain’ny Filoha Russell M. Nelson rehefa niresaka momba ity taranaka mpanjaka ity izy. Nilaza tamim-pientanam-po tamin’izy ireo izy fa: “Natokan’ny Raintsika any An-danitra ny maro amin’ireo fanahiny mahery indrindra—aleo angamba ataoko hoe ny ekipany mahery indrindra—ho an’ity dingana farany ity. Ireo fanahy mahery ireo, ireo mpilalao tena mahay ireo, ireo maherifo ireo, dia ianareo!” 3

Koa misaotra anareo indray noho ny hery tena ilaina mankany amin’ny fiovam-po maharitra izay anananareo ka asehonareo amin’ireo zatovo ato amin’ny Fiangonan’ny Tompo sy ny fanjakany. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Hamoaka printy