Fampitana fanao isan-taona
Mpaminany iray eto amin’ny tany: Fanantitranterana amin’izao fotoana izao avy amin’ny mpaminany ho an’ireo tanora


Mpaminany iray eto amin’ny tany: Fanantitranterana amin’izao fotoana izao avy amin’ny mpaminany ho an’ireo tanora

Fampitana ny fivoriana fanao isan-taona an’ny S&I ho an’ny 2023

27 janoary 2023

Teny fanolorana

Ho anareo mpanabe ara-pivavahana, mamelà ahy haneho ny fankasitrahako noho ny zavatra rehetra ataonareo hahatonga ny zatovo sy ny tanora manerana ny Fiangonana ho olona tsara kokoa. Ao amin’ny kilasinareo ara-bakiteny no misy ny hoavin’ny Fiangonana, ary mbola mitaona ny fanahiko hatrany ny fomba fanompoanareo sy fikarakaranareo ny mpianatrareo.

Atomboko amin’ny fitondrana anareo miaraka amiko amin’ny zavatra niainako tamin’ity fararano ity tao amin’ny Tendron’i Malad, ilay toerana avo indrindra amin’ny lalana manelanelana an’i Salt Lake City sy Rexburg, Idaho. Raha teny an-dalana ho any amin’ny asa nanendrena iray tao amin’ny Fiangonana aho dia nahazo fahatsapana miavaka mba hihaino indray ny fampaherezam-panahy ho an’ny tanora nataon’ny Filoha Russell M. Nelson izay mitondra ny lohateny hoe “Safidy ho an’ny mandrakizay.” Rehefa niakatra teo an-tampon’ny lalana aho dia nahatsapa fihetseham-po roa miavaka. Voalohany, nanjary tototry ny fahatsapana fitiavana ho an’ireo tanora mpitovo sy mpivady vao herotrerony ato amin’ny Fiangonana aho. Faharoa, nahatsapa ho talanjona aho tamin’ny fahagagana nataon’ny mpaminany velona iray nantsoina hampianatra ireo tanora ireo ao anatin’ny fotoan-tsarotra. Najanoko tamin’ny sisiny ny fiarako hakako ireo fahatsapana tany am-boalohany izay hitarika amin’ny fanamarihana hozaraiko aminareo anio.

Miaina ao anatin’ny fotoan-tsarotra isika, kanefa ny Tompo dia nanambara hoe: “Homeko anareo ny fakan-tahaka amin’ny zavatra rehetra, mba tsy ho azo fitahina ianareo; fa mivezivezy eran-tany i Satana, ary mivoaka izy hamitaka ireo firenena.”1 Saingy araka ny nampianarin’ny Rahavavy Wendy W. Nelson, raha mbola any an-dafin’ny tany i Satana, dia manana mpaminany ihany koa isika eto amin’ny tany, izay afaka andrandraintsika mba hahitana fahamarinana sy fahazavana amin’izao andro farany izao.2

Anio hariva aho dia hanasongadina lohahevitra ara-paminaniana dimy izay nohamafisin’ny mpaminany sy ny apôstôly, indrindra ho an’ireo tanora ato amin’ny Fiangonana. Raha hitarika fampianarana momba ny Fampianaran’ireo mpaminany velona aho amin’ny enim-bolana manaraka dia ho vatofantsiky ny fandaharam-pianarana ireo lohahevitra ireo. Na inona na inona taranja manokana ampianarinao dia manantena aho fa hamela ireo hafatra ireo hisy fiantraikany eo amin’ny fandaharam-pianaranareo sy ny fomba fampianaranareo sy fanompoanareo ny mpianatrareo ianareo.

Ireo fanantitranterana dimy amin’izao fotoana izao avy amin’ny mpaminany dia ahitana ny:

  1. Fantaro ny maha-andriamanitra anao.

  2. Misintòna ny hery avy amin’i Jesoa Kristy sy ny fanekempihavananao.

  3. Avelao Andriamanitra hanjaka ary araho ny mpaminaniny.

  4. Mampianara fahamarinana amim-pitiavana.

  5. Raiso an-tanana ny fanananareo fijoroana ho vavolombelona.

1. Fantaro ny maha-andriamanitra anao.

Raha miezaka ny hahatakatra ny fanantitranterana ara-paminaniana avy amin’ny mpaminany momba ny tanora aho dia atomboko amin’ny fihaonany maneran-tany vao haingana tamin’ny tanora sy ny hafany mitondra ny lohateny hoe “Safidy ho an’ny mandrakizay.” Tanora maro ankehitriny no sahirana satria tsy takany ny tena maha izy azy. Ny Filoha Nelson dia nanontany hoe:

Iza moa ianao?

“Voalohany sy farany manan-danja dia zanak’ Andriamanitra ianao.

“Faharoa, amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana anao dia zanaky ny fanekempihavanana ianao. Ary fahatelo, ianao dia mpanaradia an’i Jesoa Kristy.”3

Mariho fa ny Filoha Nelson dia mampianatra amim-piraisan-tsaina sy fitiavana, kanefa mbola mampianatra ny fahamarinana fototra momba ny maha-andriamanitra izy. Henoy ity ampahany manaraka ity avy tamin’ny lahateniny.

[Start video]

Filoha Russell M. Nelson: “Misy marika isan-karazany izay mety ho zava-dehibe aminao, mazava ho azy. Aoka tsy ho diso ny fandraisanareo ny teniko. Tsy milaza aho hoe tsy misy dikany ny fiantsoana sy ny famantarana hafa. Miteny tsotra fotsiny aho fa tsy misy famantarana tokony hamindrana hanolona ho lasa laharam-pahamehana mihoatranoho ireto anarana telo maharitra ireto: ‘zanak’ Andriamanitra,’ ‘zanaky ny fanekempihavanana,’ ary ‘mpianatr’i Jesoa Kristy.’

“Ny famantarana rehetra tsy mifanaraka amin’ireo anarana fototra telo ireo dia handiso fanantenana anao amin’ny farany. Ny marika hafa dia handiso fanantenana anao rehefa mandeha ny fotoana satria tsy manana hery hitarika anao mankany amin’ny fiainana mandrakizay ao amin’ny fanjakana selestialin’ Andriamanitra izy ireny.”4

[End Video]

Ny fanantitranterana ara-paminaniana voalohany ho an’ny tanora izay asongadintsika dia ny manampy azy ireo hahafantatra ny maha-Andriamanitra azy ireo. Amporisihiko tokoa ny hamakiana manontolo ny lahaten’ny Filoha Nelson ao amin’ny “Safidy ho an’ny mandrakizay” ho toy ny loharano fototra ho anareo amin’ny maha-mpanabe ara-pinoana anareo izay miara-miasa amin’ireo tanora sy zatovon’ny Fiangonana.

2. Misintòna ny Hery avy amin’i Jesoa Kristy sy ny Fanekempihavananao.

Faharoa, mba hitehirizana ny maha-andriamanitra antsika dia tsy maintsy mampianatra ireo tanora isika mba hisintona avy amin’ny herin’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fitandremana ny fanekempihavanan’izy ireo. Nampianatra ny Filoha Nelson hoe: “Ny zavatra rehetra ianarana any amin’ny tempoly, amin’ny alalan’ny zavatra rehetra ampianarina any sy amin’ny alalan’ny Fanahy, dia mampitombo ny fahatakarantsika momba an’i Jesoa Kristy. Ireo ôrdônansy ilaina omeny dia mampifamatotra antsika Aminy amin’ny alalan’ny fanekempihavanan’ny fisoronana. Avy eo, rehefa mitandrina ireo fanekempihavanantsika isika dia hotafiany amin’ny heriny manasitrana sy mampatanjaka. Ary endrey fa ho ilaintsika ny heriny amin’ireo andro ho avy.”5

Tamin’ny taon-dasa aho dia nanao fampaherezam-panahy tao amin’ny BYU mitondra ny lohateny hoe “Finding Christ’s Peace in Perilous Times,” (Mahita ny fiadanana avy amin’i Kristy ao anatin’ireo fotoam-pisafotofotoana) izay nitanisako imbetsaka ny tenin’ny Filoha Nelson.6 Taorian’ilay fampaherezam-panahy dia nilaza ny iray tamin’ireo talen’ny oniversitenay fa tiany ilay teny naverimberiko nampiasaina avy tamin’ny Filoha Nelson. Nohazavaiko fa nisy teny nalaina efatra samy hafa, samy manana rafitra mitovy avokoa.

Nampiasa fehezan-teny mifampibaby ny Filoha Nelson, ka eo amin’ny ilany havia amin’ny teny natao tsirairay dia miresaka momba ny fahasarotana, ny loza, ny tebiteby ary ny korontana amin’ny andro farany. Eo amin’ny ilany havanana amin’ilay teny natao dia manambara amim-pahatokiana sy fanantenana izy fa amin’ny alalan’i Jesoa Kristy sy ny fitandremana ny fanekempihavanantsika amin’ny alalany no ahafahantsika mandresy ireo fanamby ireo. Manisa tsy latsaky ny fito amin’ireo fehezan-teny mifampibaby ireo aho ao amin’ lahatenin’ny Filoha Nelson nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana hatramin’ny naha-mpaminany azy. Handeha hojerentsika ny roa monja amin’ireo avy ao amin’ny lahateniny hoe “Ny Tempoly sy ny fototra ara-panahinao”.

Teny natao #1: “Ry rahalahy sy anabavy malalako, andro farany izao. Raha tiantsika ny hahatohitra ireo fahasarotana sy ireo fampahoriana ho avy, dia tsy maintsy manana fototra ara-panahy mafy orinamiorina eo amin’ny vatolampin’ny Mpanavotra antsika, Jesoa Kristy isika.” 7

Teny natao #2: “Nanambara ny Tompo fa na dia eo aza ireo fanamby tsy manam-paharoan’izao andro izao, dia tsy mila mikoa eo anatrehan’ireo fanahiana amin’izao vanim-potoana izao ireo izay manorina ny fotony eo amin’i Jesoa Kristy, sy nianatra ny fomba fisintonana ny heriny.”8

Averina indray, ao amin’ireo teny natao roa ireo ny mpaminany dia manomboka amin’ny fahafantarana ireo olana izay hatrehantsika amin’ny andro farany. Narahiny fampanantenana izany avy eo fa afaka mandresy ireo fanamby ireo sy ireo fanahiana mifandray amin’izany isika rehefa mitodika any amin’ny Mpamonjy sy mianatra misintona ny heriny.

Rehefa nahafantatra voalohany io lamina io aho dia nieritreritra fa ny firesahana momba an’i Jesoa Kristy dia midika fa raha mametraka ny fijoroako ho vavolombelona amin’ny Mpamonjy aho dia ho afaka hanohitra ireo fitsapana izay ho avy amin’ny andro farany. Saingy, mitombo hatrany ny finoako ihany koa fa ny Filoha Nelson dia miantso antsika mba ho tonga tahaka ny Mpamonjy.

Angamba izany no noresahin’ny Loholona Jeffrey R. Holland rehefa namporisika antsika izy mba “ho lasa Olomasina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Kristy Tompo” tao amin’ny hafany ho an’ireo tanora tao amin’ny BYU tany am-piandohan’ity taona ity.

[Start video]

Loholona Jeffrey R. Holland:Nampianatra i Benjamina Mpanjaka fa tanjona fototra iray an’ny fiainana an-tany, angamba nytanjona fototry ny fiainana an-tany dia ny ho “tonga Olomasina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Kristy Tompo, izay hitaky”, hoy ihany izy nanohy, “ny hahatongavantsika ho tahaka ny ankizy, mankatò, malemy paika, manetry tena, miaritra, feno fitiavana, vonona hanoa amin’ny zava-drehetra izay hitan’ny Tompo fa mety ampitondraina azydia tahaka ny zaza manoa an-drainy.” [Môsià 3:19nampiana fanamafisana].”9

[End Video]

3. Avelao Andriamanitra hanjaka ary araho ny mpaminaniny

Mba hanampiana ireo tanora hahafantatra ny maha-andriamanitra azy ireo sy hisintonana avy amin’ny herin’i Jesoa Kristy dia tsy maintsy mampianatra azy ireo isika mba hametraka an’ Andriamanitra ho lohalaharana sy hanaraka ny mpaminaniny. Tsy nisy na aiza na aiza nampianarana ity hafatra ity tamin’ny fomba mahery kokoa noho ny ao amin’ny famporisihan’ny Filoha Nelson hoe “avelao Andriamanitra hanjaka.” Toy ny hoe manao dinidinika amin’ny Fiangonana iray manontolo ny mpaminany, dia mametraka ireto fanontaniana enina manaraka ireto amintsika izy:

  • “Vonona ve ianaohamela an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainanao?

  • Vonona ve ianao hamela an’ Andriamanitra ho ny hery mitaona anao indrindra eo amin’ny fiainanao?

  • Moa ve ianao hamela ny teniny sy ny didiny ary ny fanekempihavanany hitarika ny zavatra ataonao isan’andro?

  • Moa ve havelanao ho lohalaharana eo amin’ny zavatra hafa rehetra ny feony?

  • Vonona ve ianao hamela izay rehetra ilainy ataonao ho lohalaharana mihoatra ny fanirianao hafa rehetra?

  • Vononave ianao hanao izay hahavoatelina ny sitraponao ao amin’ny sitrapony?”10

Taona maro lasa izay, dia niainako ny dikan’ny hoe mamela an’Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainako manokana. Taorian’ny fiantombohan’ny fianarako tany amin’ny morontsiraka atsinanana, dia nanjary nazava fa ny Tompo dia nanomana lalana hafa izay hitarika ahy sy ny fianakaviako ho any Rexburg, Idaho. Tamin’izay fotoana izay aho dia nitaraina tamin’ny vadiko hoe: “Mahatsapa ho toy ilay mpanapaka tanora mpanankarena aho, saingy fantatro ny fiafaran’ilay fanoharana, ka hanaraka ny lalana izay itarihana antsika aho.”

Tsy io no toe-tsaina tsara indrindra nety ho nofidiko. Ny ampitso maraina, nandritra ny fivorian’ny mpitarika ny tsatòka iray, dia niresaka momba ilay fanoharana noresahiko tamin’ny vadiko ny alina talohan’izay ny iray tamin’ireo mpandahateny. Nilaza izy fa nalahelo mafy an’ilay mpanapaka tanora mpanankarena, araka ny asehon’ny sary hosodokon’ilay fanoharana nataon’i Heinrich Hoffman. Nofariparitany fa toa nibanjina tany an-kafa ilay tovolahy mpanankarena toy ny hoe nieritreritra ny zava-drehetra izay hafoiny izy. Io fihetsika nibanjina tany an-kafa io mihitsy no nanakana azy tsy hahita lalana tsara kokoa izay natoron’ny Mpamonjy azy. Isaky ny mamela an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainantsika isika dia manolotra ny tenantsika ho amin’ny tsara lavitra kokoa ao amin’i Jesoa Kristy.

Ny lamin’ny famelana an’ Andriamanitra hanjaka dia mitaky antsika hikatsaka sy handray fanambarana ho an’ny tena manokana ihany koa. Nampianatra izany ny Filoha Nelson tao amin’ny hafany “Fanambarana ho an’ny Fiangonana, Fanambarana ho an’ny fiainantsika.”11 Ny fitarihan’ny lanitra dia tsy tonga tamin’ny asa fanompoany tao am-piangonana ihany fa tamin’ny safidiny momba ny toerana hipetrahany, ny fianarany, ny olona hovadiny, ny asa maha-matihanina azy, ary tamin’ny fitaizana ny zanany. Ny fianarana io lamin’ny fandraisana fanambarana ho an’ny tena manokana io no dingana voalohany amin’ny famelana an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainantsika. Hanampy ny tanorantsika ihany koa izany mba hahita sy handray fanambarana izay hitahy azy ireo amin’izao vanim-potoana tena ilàna handraisana fanapahan-kevitra izao.

4. Mampianara fahamarinana amim-pitiavana

Raha toa ianao ka nijery ny fomba fampianaran’ny mpaminanintsika sy ny apôstôlintsika dia ho hitanao ny lamin’ny fampianarana ny fahamarinana, na dia eo aza ny fanakianana. Manao izany amim-pitiavana sy amim-pahatsorana ary fiahiana tahaka ny an’i Kristy amin’ny hafa izy ireo, nefa mbola mampianatra ny fahamarinana izay nandidiana azy mba hampianariny. Nasehon’ny Filoha Nelson io lamin’ny fampianarana ny fahamarinana amim-pitiavana io rehefa nampianatra ny maha-zava-dehibe ny maha-isika antsika mandrakizay izy ao amin’ny hafany maneran-tany ho an’ny tanora.12 Nanao izany izy rehefa nampianatra momba ny fifandraisan’ny fitiavana sy ny lalàn’ Andriamanitra.13 Niresaka momba izany andraikitra izany ny Filoha Dallin H. Oaks tamin’ny lahateniny ho an’ny tanora tao amin’ny Oniversite Ensign tamin’ny taon-dasa.

[Start video]

Filoha Dallin H. Oaks:Ny fanehoana fanajana dia tsy midika hoe ialantsika ny finoantsika sy ny fotopampianarana fototra momba ny fianakaviana ary ny maha-zava-dehibe izany amin’ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ny anjara mandrakizain’ireo zanany, araka ny voalaza ao amin’ny Fanambarana momba ny fianakaviana.

“Tsarovy ange ny andraikitra anananay mpikambana ato amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Roambinifololahy amin’ny maha-Apôstôlin’i Jesoa Kristy Tompo anay. Tsy maintsy manambara ny fahamarinana araka izay nanambaran’Andriamanitra izany izahay. Tsy malalaka izahay haka sy hisafidy izay fahamarinana hotorinay sy harovanay.”14

[End Video]

Tao anatin’io lahateny io ihany, ny Filoha Oaks dia namaritra fomba dimy ahafahantsika mampianatra fahamarinana amim-pitiavana:

  1. Halaviro ny toerana misy fifandirana be loatra.

  2. Tiavo ny hafa, mitadiava marimaritra iraisana, na dia tsy mitovy hevitra aza isika.

  3. Mifikira amin’ny fahamarinana, na dia rehefa misokatra ho an’ny hafa aza.

  4. Aoka ianao ho fahazavana ho an’izao tontolo izao.

  5. Mitoera mafy fototra ao amin’i Jesoa Kristy.

Ny sasany dia miady hevitra fa ny fitiavana ny hafa dia mitaky ny hanambaniana ireo fahamarinan’ Andriamanitra. Jereo anefa ny torohevitry ny Filoha Oaks mba hifikirana amin’ny fahamarinana na dia eo amin’ny asa fitoriana ataontsika aza. Raha lazaina amin’ny teny hafa dia tsy safidy mifanipaka ireo. Henoy ny torohevitry ny Loholona Holland momba izany raha niresaka tamin’ireo mpampianatra sy mpiasa ao amin’ny BYU izy mikasika ny maha-zava-dehibe ny fanaovana izany ho mifandanja tsara.

[Start video]

Loholona Holland: “Mila mitandrina isika mba tsy ho raisina ho toy ny fandeferana sy fisoloana vava ny fitiavana sy ny fiaraha-miory. Na koa hoe tsy azo adika ho tsy hatsaram-panahy na fivadihana amin’ny olona ny finoana sy ny tsy fivadihana amin’ny foto-kevitra. Araka ny fahalalako azy, i Kristy dia tsy mbola nanakana na indray mandeha aza ny fitiavany tamin’iza na iza, saingy Izy koa dia tsy nilaza na oviana na oviana tamin’iza na iza hoe:‘Satria tia anao Aho, dia afaka amin’ny fitandremana ny didiko ianao’. Andraikitsika ny manandrana mamolaka an’io fifandanjana saro-pady sy mitaky zavatra maro io eo amin’ny fiainantsika.”15

[End Video]

Rehefa tsy miraharaha ny fahamarinan’Andriamanitra isika dia mety hametra ny fahafahantsika maneho fitiavana lehibe indrindra amin’ireo zanany. Nanazava ny antony tamin’ireo tanora tao BYU ny Loholona D. Todd Christofferson:

“Ny fametrahana ny didy voalohany ho lohalaharana dia tsy mampihena na mametra ny fahafahantsika mitandrina ny didy faharoa. Ny mifanohitra amin’izany mihitsy, mampitombo sy manamafy azy izany. Midika izany fa mampitombo ny fitiavantsika isika amin’ny alalan’ny fametrahana izany hifototra mafy amin’ny tanjontsika masina sy ny herin’ Andriamanitra. … Ny fitiavantsika an’ Andriamanitra dia mampitombo ny fahafahantsika mitia feno sy tanteraka kokoa ny hafa satria raha ny tokony ho izy dia mpiara-miasa amin’ Andriamanitra isika amin’ny fiahiana ireo zanany.”16

5. Raiso an-tanana ny fanananareo fijoroana ho vavolombelona.

Ny fanantitranterana ara-paminaniana farany ho an’ireo tanora izay hotsindriako dia mifandray amin’ny fandraisana andraikitra amin’ny fijoroana ho vavolombelona anananao. Raha te-hanaraka ny mpaminany ianao dia tandremo ny zavatra averim-beriny, ka diniho tsara rehefa mampiasa ny teny hoe “miangavy anareo aho” izy. Tao amin’ny lahateny nataony tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany izay mitondra ny lohateny hoe “Mandresy izao tontolo izao dia mahita fitsaharana,” dia nilaza ny Filoha Nelson hoe: “Omeko ny mpikamban’ny Fiangonana manontolo ilay andraikitra nomeko an’ireo tanorantsika tamin’ny volana mey lasa teo. Namporisika azy ireo aho tamin’izany—ary miangavy anareo aho izao—mba handray an-tanana ny fijoroana ho vavolombelona anananareo momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany.”17

Andeha isika hihaino an’io fitaomana io izay nomena ny tanora tao amin’ny lahateniny hoe “Safidy ho an’ny mandrakizay”.

[Start video]

Filoha Nelson: “Miangavy anareo aho mba handray an-tanana ny fanananareo fijoroana ho vavolombelona. Miasà ho an’izany. Mandraisa andraikitra mahakasika izany. Karakarao izany. Kolokoloy izany mba hitomboany. Fahano fahamarinana izany. Aza mandoto izany amin’ny filôzôfia sandoka ataon’ny lehilahy sy vehivavy tsy mino ary avy eo manontany tena hoe nahoana no mihalefy ny fijoroana ho vavolombelona ao anatinareo.”18

[End Video]

Ny fandraisanao andraikitra amin’ny ny fijoroana ho vavolombelona anananao dia midika fa amporisihantsika ny tanora mba hamboraka amim-pahatokiana ny fanontanian’izy ireo. Ny lamina iray ho an’ny fametrahana fanontaniana dia voasoritra ao amin’ny pejy loharanon’ny fifehezana fotopampianarana an’ny S&I mitondra ny lohateny hoe “Mahazo fahalalana ara-panahy.” Niresaka momba izany lohahevitra izany ny Loholona Lawrence E. Corbridge, nitanisa ny fahasamihafana misy eo amin’ireo fanontaniana fototra sy faharoa.19 Ireo fanontaniana fototra no ivon’ny fijoroana ho vavolombelona. Tafiditra ao anatin’izany ny fahafantarana fa Andriamanitra no Raintsika, i Jesoa no Kristy, ary marina ny Bokin’i Môrmôna. Ny fanontaniana faharoa dia ahitana fanontaniana mikasika ny antsipirian’ny tantaran’ny Fiangonana, ny fananana vady maro, ary ny fahefan’ny fisoronana. Ny fanontaniana faharoa dia azo valiana ary tokony hovaliana, saingy tsy misy fiafarana izy ireo ary zara raha mitarika ho amin’ny fijoroana ho vavolombelona tsy misy faharesen-dahatra amin’ny fanontaniana fototra.

Ny Loholona Robert S. Wood dia nizara ny lalany manokana amin’ny fametrahana ny valin’ireo fanontaniana fototra na dia rehefa niasa tamin’ireo fanontaniana faharoa aza izy.20 Tao anatin’ny fampaherezam-panahy natao ho an’ireo mpianatra ao amin’ny BYU–Idaho, ny Loholona Wood dia nanoritsoritra ny fijanonany mandritra ny alina namaky ny Bokin’i Môrmôna sy ny fahazoana ny fijoroana ho vavolombelona mazava voalohany momba ny fahamarinan’izany. Ny herinandro manaraka dia nilaza taminy ny namany iray avy any an-tsekoly fa manana porofo izy fa tsy marina ny Bokin’i Môrmôna, izay nilaza fa misy lisitra ana zavatra tsy mitombina ao amin’ilay boky. Nilaza tamin’ny namany ny Loholona Wood fa tara loatra izy ary efa nanana fijoroana ho vavolombelona. Raha lazaina amin’ny teny hafa dia efa nanana valiny tamin’ny fanontaniana voalohany izy. Saingy nanolo-tena handray ilay lisitra izy ary nitety ireo fanontaniana. Ny sasany tamin’izy ireo dia voavaha avy hatrany, ary ny sasany naka fotoana.

Nandritra izany fotoana izany dia nanompo tao amin’ny Fiangonana ny Loholona Wood, nanambady tany amin’ny tempoly, nahavita ny fianarany, ary nanabe ny fianakaviany tao amin’ny filazantsara. Taona vitsivitsy taorian’ny niantsoana azy ho Fitopololahy Manampahefana Ambony, dia voavahan’ny profesora iray tao amin’ny Oniversiten’i Cornell ny zavatra tsy nitombina nolazaina farany teo amin’ny lisitra nataony. Azonao sary an-tsaina ve raha toa ka niandry ny hamaly ny fanontaniana faharoa rehetra ny Loholona Wood vao nandroso tamim-pinoana?

Nohazavain’ny Filoha Nelson tamin’ireo tanorantsika ny fomba hamaliana ny fanontanian’izy ireo.

[Start video]

Filoha Nelson: “Raha manana fanontaniana ianareo—ary manantena aho fa manana ianareo—dia mitadiava valiny miaraka amin’ny faniriana mafy ny hino. Ianaro izay rehetra azonareo hianarana momba ny filazantsara ary makà antoka fa ianareo dia hitodika any amin’ireo loharano feno fahamarinana mba hahazoana fitarihana. Isika dia miaina ao anatin’ny fotoampitantanana izay “tsy hisy na inona na inona hotanana” [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:28]. Noho izany, rehefa mandeha ny fotoana, dia hamaly ny fanontaniantsika rehetra ny Tompo.”21

[End Video]

Fehin-kevitra

Ry rahalahy sy anabaviko, miaina anatin’ny andro mahory isika.22 Saingy nanomana lamina amin’ny zava-drehetra ny Tompo mba tsy ho voafitaka isika. Anisan’izany lamina izany ny fisian’ny mpaminany iray eto amin’ny tany mba hampianatra antsika ny fahamarinana. Mihaino ve isika, ary misy fiantraikany amin’ny fomba fampianarana sy fanompoantsika ny mpianatsika ve izany?

Anio hariva aho dia nanasongadina faminaniana dimy amin’izao fotoana izao izay tianay hosaintsaininareo ao amin’ireo andraikitrareo amin’ny maha-mpanabe ara-pivavahana anareo. Ireo lohahevitra ireo sy ny hafatra fototra ao aminy dia fintinina ao amin’ity tabilao manaraka ity:

Fanantitranterana amin’izao fotoana izao avy amin’ny mpaminany ho an’ireo tanora

Hafatra fototra

1. Fantaro ny maha-andriamanitra anao.

Russell M. Nelson, “Safidy ho an’ny Mandrakizayfampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny tanora, 15 mey 2022), ChurchofJesusChrist.org

2. Misintòna ny hery avy amin’i Jesoa Kristy sy ny fanekempihavananao.

Russell M. Nelson, “Ny tempoly sy ny fototra ara-panahinaoLiahonanôv. 2021, 93–96

Jeffrey R. Holland, “A Saint Through the Atonement of Christ the LordBrigham Young University devotional address, Jan. 18, 2022), speeches.byu.edu

3. Avelao Andriamanitra hanjaka ary araho ny mpaminaniny.

Russell M. Nelson, “Aoka Andriamanitra no hanjakaLiahonanôv. 2020, 92–95

Russell M. Nelson, “Fanambarana ho an’ny Fiangonana, fanambarana ho an’ny fiainantsikaLiahonamey 2018, 93–96

4. Mampianara fahamarinana amim-pitiavana.

Dallin H. Oaks sy Clark G. Gilbert, “Stand Fast with Love in Proclaiming TruthEnsign College devotional, May 17, 2022), ensign.edu

D. Todd Christofferson, “The First Commandment FirstBrigham Young University devotional, Mar. 22, 2022), speeches.byu.edu

5. Raiso an-tanana ny fanananareo fijoroana ho vavolombelona.

Russell M. Nelson, “Safidy ho an’ny Mandrakizayfampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny tanora, 15 mey 2022), ChurchofJesusChrist.org

Jereo ny Lawrence E. Corbridge, “Stand ForeverFampaherezam-panahy tao amin’ny Oniversite Brigham Young, 22 Jan., 2019), speeches.byu.edu

Jereo ny Robert S. Wood, “Be Ye Transformed by the Renewal of Your MindFampaherezam-panahy tao amin’ny Oniversite Brigham Young –Idaho , Mey 13, 2003), byui.edu/devotionals

“Mahazo fahalalana ara-panahy,” fifehezana fotopampianarana an’ny S&I

Tamin’ny famantarana ireo lohahevitra ireo dia nifantoka tamin’ilay hafatra vatofatotry ny mpaminany isika: “Safidy ho an’ny mandrakizay.” Maro amin’ireo hafatra hafa no nomena tamin’ny toerana izay niresahan’ny mpaminany sy ny apôstôly mivantana tamin’ireo tanora manerana ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana. Ny tsirairay amin’ireo lohahevitra ireo dia nofaritana tamin’ny alalan’ny fandinihana tsara niaraka tamin’ireo filohan’ny oniversiten’ny CES, anisan’izany ny mpitantana ny S&I, Rahalahy Chad Webb, ary koa ny fitarihan’ny Komity Mpanatanteraka ao amin’ny Biraon’ny Fampianarana an’ny Fiangonana. Mamporisika anareo izahay handalina ireo adiresy fototra voalaza ireo. Fantaro izy ireny. Ampidiro ao amin’ny fampianaranao sy ny fandaharam-pianaranao izy ireny. Ny tena zava-dehibe dia ampidiro ao amin’ny fomba famalianao fanontaniana sy fanompoana izay ilain’ny mpianatrao izy ireo.

Fantatro fa misy mpaminanin’ Andriamanitra mitarika antsika amin’izao fotoan-tsarotra izao. Enga anie isika hanaraka izany ary ny torohevitra hafa avy amin’ny mpaminany izay mbola azontsika no vavaka ataoko amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Hamoaka printy